Hitanao ve ny fanalahidy?
NAHOANA moa ny fitiavana no lehibe tokoa ho an’ny kristiana? Noho ilay Andriamanitra ivavahan’izy ireo. Nilazalaza izany tamin’izao teny izao ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana.” (I Jaona 4:8). Tsy misy hafa amin’ny anantenan’ny ray aman-dreny maro ny hanarahan’ireo zanany ny diany, dia irin’i Jehovah Andriamanitra ny hiezahan’ny kristiana hanahaka azy. Izany no antony nananaran’ny apostoly Paoly an’ireo rahalahiny tamin’izao teny izao: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana.” — Efesiana 5:1, 2.
Mampifandanja koa ireo toetra kristiana hafa ny fitiavana. Tamin’ny andron’i Jesosy, ny Jiosy, indrindra fa ireo filohany, dia mpianatra ny Baiboly narisika. Hevero anefa izay nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, (...) fa fantatro hianareo, fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao am-ponareo.” (Jaona 5:39, 42; Lioka 11:42). Raha nanam-pitiavana izy ireo ambonin’ny fahalalana, dia ho nanaiky an’i Jesosy ho Mesia. Maro be tamin’izy ireny anefa no namoy ny fahafahana ho anisan’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny kongregasiona kristiana.
Tadidio koa ny amin’ireo “conquistadors” (mpisetra zava-tsarotra avy any Espagne) katolika izay nitondra ny fivavahany tany amin’ny Tany Vaovao. Nila finoana mafy orina sy zotom-po nirehitra izy ireo mba hanatontosana izay nataony. Azo antoka anefa fa tsy mba nohalefahin’ny fitiavana ny asan’izy ireo. Raha tsy izany, dia tsy ho namabo, nampijaly, nisavika sy nandringana ireo teratany tany Amerika mihitsy izy ireo.
Araka izany, dia ny fitiavana no toetra fanalahidin’ny kristianisma. Iza no tokony hanehoana izany fitiavana izany? Izao no lazain’i Jesosy amintsika: “‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” — Matio 22:37-39.
Raha ny marina, dia mitatra lavitra kokoa ihany ny fitiavan’ny kristiana. Izao koa no nambaran’i Jesosy: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, — mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:44, 45). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fitiavan’ny kristiana dia mitatra saika amin’ny olona rehetra! Fa inona no dikan’izany eo amin’ny fampiharana?
Raha tia an’Andriamanitra tokoa isika
Voalohany indrindra, raha te-ho tia an’Andriamanitra tokoa isika, dia tokony hianatra ny hahafantatra azy tsaratsara kokoa. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanao izay hetezan’izany tamin’ny fanomezana antsika ny Baiboly izay raha ny marina dia taratasy alefany ho antsika. Ho an’ny ankamaroantsika, rehefa maharay taratasy avy amin’olona tiantsika isika, dia mamaky izany tsy miandry, na dia be raharaha tokoa aza isika amin’io fotoana io. Tokony ho hafa noho izany ve ny amin’ny famakiana ny Baiboly? Azo antoka fa tsy izany. Marina fa ankehitriny dia olona be dia be no mandany ny androny hialam-boly, ary toa tian’ny ankamaroan’olona kokoa ny mijery televiziona noho ny miondrika ao amin’ny famakian-teny tsara. Ny kristiana marina anefa dia tsy mamela ireo fialam-boly hisakana azy tsy hamaky ny Tenin’Andriamanitra. Manosika azy ireny ny fihetseham-po sahala amin’ny an’ny mpanao salamo izay nanoratra toy izao: “Mitandrina ny teni-vavolombelonao [hita amin’izao andro izao ao amin’ny Baiboly] ny fanahiko, ka tiako indrindra izy.” — Salamo 119:167.
Ao amin’ny Baiboly, dia ampahafantarin’Andriamanitra antsika izay antenainy amintsika. Toy ny ameran’ny ray aman-dreny fitsipi-pitondrantena ho an’ireo zanany, dia toy izany koa fa Jehovah dia nanorina fitsipika antenainy ho hita hajaintsika, fitsipika tsy azo ialana. Ohatra, milaza toy izao amintsika ny Baiboly: “Ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (I Korintiana 6:9, 10). Tena lisitra re izany! Kanefa izay tia tokoa an’Andriamanitra dia ho faly hihevitra izany. Nahoana? Satria, araka ny nosoritan’ny apostoly Jaona, “izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny”. — I Jaona 5:3.
Mampalahelo anefa fa fanao maro melohina ao amin’ny Baiboly no manjary ekena amin’izao andro izao, na dia eo amin’ireo “kristiana” aza. Ny tatitra iray navoakan’ny Fiangonana protestanta iray any Kanada dia nanoro hevitra ny handinihana ny fahafahana hanokana lehilahy mandry amin’ny lehilahy ho minisitra, nanohana fa mety ho azo ekena ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana amin’ny toe-javatra sasany ary nampahafantatra fa tsy hoe tsy maintsy manilika ny fanitsakitsaham-bady akory ny tsy fivadihana amin’ny vady. Tsy isalasalana fa ireo nanao izany tatitra izany dia naniry ny hiseho ho malala-tsaina sy be fahamoram-panahy. Kanefa moa ve izany fanehoana fitiavana, na ho an’Andriamanitra na ho an’ireo izay namporisihin’izy ireny hanaraka izany lalan’ny fitondrantena maloto izany? Azo antoka fa tsy izany, satria nilaza ny apostoly Paoly fa ireo izay nanao zavatra toy izany dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Azo antoka fa mampiseho fitiavana be lavitra ny tena amin’ny fifikirana amin-kerim-po hatrany amin’ireo fitsipik’Andriamanitra sy amin’ny fanampiana ireo osa hanao toy izany, fa tsy hamporisika azy ireny noho ny fangorakoraham-po loatra hanaraka lalana mora kokoa izay hitarika azy ireny amin’ny farany ho amin’ny loza.
Voatosika hizara amin’ny hafa
Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia fantatsika koa ny sasany amin’ireo zavatra mahatalanjona nomanin’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Fantatsika fa “toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16.) Fantatsika koa fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanaisotra amin’ny tany ny faharatsiana sy hanorina eo fandehan-javatra milamina sy paradisa amin’ny alalan’ny Fanjakany tarihin’io Zanaka io, dia Jesosy (Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4). Manome izao fampanantenana izao ny Baiboly: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:10, 11.
Raha ny marina, ny hafatra ao amin’ny Baiboly dia mamaly indrindra izay ilain’ny taranak’olombelona. Noho izany antony izany, dia mampalahelo ny mandre fa misy misionera ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, miahy ny amin’ny fahantrana sy ny tsy rariny hitany any amin’ireo tany mahantra, tonga hatramin’ny fitsabahana amin’ny politika sy ny fanohanana ireo revaolisiona. Tsy hahalamina ny zava-manahirana an’ireny tany ireny akory ny revaolisiona. Tia an’Andriamanitra tokoa ve ireny misionera ireny? Raha izany no izy, moa ve tsy ho nasehony ny finoany ny fampanantenany tamin’ny fanintonana ny sain’ireo ondriny ho amin’ny Fanjakany. Ny mpiandry ho tia tokoa ny andian’ondriny dia azo antoka fa hampiseho amin’izy ireny ny fomba mety hanampian’ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra azy ireny dieny izao, toy izay hamporisika azy hitarika asa ara-politika tsy mety hiafara afa-tsy amin’ny fahadisoam-panantenana.
Marina tokoa fa mahafinaritra aoka izany ny hafatra ao amin’ny Baiboly, hany ka tsy misy mihitsy olona maneho fitiavana, ho afaka hitana izany ho an’ny tenany. Noho izany antony izany, ny fitiavana dia manosika ny kristiana marina hizara izay fantany amin’ny hafa. Ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia matetika ny fampianarana ny Baiboly no avela ho an’ny klerjy: kilasy misy olona vitsy mandray karama ka izany no asany. Nisy vokany ratsy izany. Araka ny fiaiken’ny pastora loteriana iray tao amin’ny revio Christianity Today, “matoa osa ny Fiangonana amin’izao andro izao, dia satria ireo filoha ara-panahy nanadino ny nampiofana ireo mpino mba hahaizany manatanteraka karazana asa tahaka ny ataon’izy ireo. Na satria ireo mpino tsy nahafantatra ny maha-zava-dehibe izany fanompoana izany ka nanaiky azy”.
Ny kristiana marina kosa anefa dia ‘mahafantatra sy manaiky io fanompoana io’. Heveriny ho zava-dehibe ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana).” (Hebreo 10:23). Antony manosika inona no manetsika azy ireo? Sahala amin’ilay, tamin’ny taonjato I, izay nanosika ny antokon’olona kristiana noderain’i Paoly mafy tamin’ny filazana hoe: ‘Fitiavana no itorian’ny sasany an’i Kristy.’ — Filipiana 1:16.
Ny fitiavana ny kristiana hafa
Eny, ny fitiavana no fanalahidin’ny tena kristianisma amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainany. Amin’izany mihitsy ireo dia manjary hafa tanteraka noho ny olona manodidina azy. Nahoana? Izao no nambaran’i Jaona momba izao tontolo izao: “Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (I Jaona 5:19). Ilay ratsy dia Satana Devoly, ary hita taratra amin’ny ankamaroan’ny asan’izao tontolo izao ny heviny. Ny herin’i Satana dia hita eo amin’ny fahabetsahan’ny fanaovana ny tsy marina, ny fahalotoam-pitondrantena, ny tsy rariny, ny fihenjanana ara-pirazanana sy ny tsy fitoviana ara-toe-karena misy amin’izao andro izao. Tokony ho hafa ny kristiana satria mivavaka amin’ny Andriamanitra fitiavana iray sy manahaka azy amin’ny fambolena an’io toetra io.
Tsy mora atao irery anefa izany. Koa mamporisika antsika koa ny Baiboly mba hitady ny fiarahana amin’ireo izay mankamamy sahala amintsika io toetra tsara io, dia ny fitiavana. Amin’izany fomba izany no azon’ny kristiana hifanampiana. Izany no antony nanoratan’ny apostoly Paoly izao teny mampahery izao: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, (...) fa mifananara kosa.” — Hebreo 10:23-25.
Raha tianao ny hanao zavatra mifanaraka amin’io fampaherezana io, dia amim-pifaliana no hampahafantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah anao antokon’olona izay miezaka haneho ny fitiavan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Azo antoka fa misy antokon’olona toy izany tsy lavitra anao, ary mitoetra eo aminy ny fanahin’Andriamanitra, satria rehefa dinihina, dia izy no loharanon’ny tena fitiavana kristiana, araka ny asehon’ity andininy ity: “Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana.” (Galatiana 5:22). Raha mifanerasera amin’izy ireny ianao, dia ho afaka hihevitra izao fananaran’ny apostoly Petera izao: “Tiava ny rahalahy.” — I Petera 2:17.
Hampalahelo aoka izany ny ho anisan’ireo izay, rehefa avy nanao fiezahana be dia be mba hanompoana an’Andriamanitra, dia handre an’i Jesosy hilaza aminy izao teny milaza loza izao: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:23). Raha mamboly fitiavana, fanalahidin’ny tena kristianisma isika, dia tsy hitranga amintsika izany. Ny fitiavana dia hanosika antsika hamaky ny Baiboly, hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiny, hitady kristiana hafa mba hiaraha-mivory amin’izy ireny, sy hiresaka amin’ny hafa ny amin’ny zavatra tsara raketin’ny Baiboly. Eny, ny fitiavana dia hanosika antsika hanao izay antenain’Andriamanitra amintsika. Ary, araka ny nolazain’i Jesosy, dia ‘izay manao ny sitrapon’ny Rainy Izay any an-danitra’ no handova ny fampanantenan’Andriamanitra. Izao no teny nanampin’ny apostoly Jaona: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — Matio 7:21; I Jaona 2:17.
Mambole fitiavana àry, ary aoka izany hanosika anao hanao ny sitrapon’Andriamanitra! Hasehonao amin’izany fa kristiana marina ianao, satria izao no nolazain’i Jesosy: “Izao no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Amin’izany, dia higoka ireo valisoa mandrakizay nampanantenain’Andriamanitra an’ireo izay tia azy ianao.
[Sary, pejy 7]
Mambole fitiavana.