FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/2 p. 20-22
  • Inona no Fanalahidin’ny Tena Kristianisma?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Fanalahidin’ny Tena Kristianisma?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony manosika tsara
  • Ny fitiavana eo amin’ny tontolo iray tia tena
  • Ny fitiavana ao amin’ny kongregasiona
  • Hamafiso ny fifankatiavantsika
  • Aoka Hampiorina Anao ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • “Miezaha Foana Haneho Fitiavana”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Tiavo Ilay Andriamanitra Tia Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Hitanao ve ny fanalahidy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/2 p. 20-22

Inona no Fanalahidin’ny Tena Kristianisma?

AMIN’IZAO andro izao, dia maro kokoa ny olona milaza ho anisan’ny kristianisma noho izay mety ho anisan’ny antokom-pivavahana hafa rehetra. Nefa mifanohitra ny zavatra inoan’ireo manao ny tenany ho kristiana ireo, tsy miray saina izy, ary indraindray aza mifamono mihitsy. Mazava fa maro be no tsy tena kristiana. Nilaza i Jesosy fa amin’izao androntsika izao dia maro be no hiteny aminy hoe: “Tompoko, Tompoko”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hilaza tena ho kristiana, kanefa hiteny amin’izy ireo izy hoe: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:21, 23). Azo antoka fa tsy misy amintsika haniry ho anisan’izany! Ahoana àry no ahafantarantsika raha tena kristiana isika?

Raha ny marina, dia zavatra maro be no ilaina mba hahatongavana ho tena kristiana. Ny tena kristiana dia tsy maintsy manana finoana matanjaka satria “raha tsy amin’ny [raha tsy misy, NW] finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy [Andriamanitra].” (Hebreo 11:6). Izany finoana matanjaka izany dia tsy maintsy arahina asa tsara. Nampitandrina i Jakoba mpianatra fa “maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:26). Ambonin’izany, ny kristiana iray dia tsy maintsy manaiky ny fahefan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45-47). Nefa zavatra hafa ankoatra an’ireo ny fanalahidin’ny tena kristianisma.

Inona izany fanalahidy izany? Nanazava toy izao ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasy voalohany nosoratany ho an’ny Korintiana: “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.” — 1 Korintiana 13:1-3.

Ny fitiavana àry no fanalahidin’ny tena kristianisma. Ny finoana sy ny asa ary ny fifaneraserana tsara, dia zava-dehibe sy tena ilaina. Nefa raha tsy misy fitiavana dia tsy hita izay vidin’ireo. Nahoana no izany?

Amin’ny fotony, izany dia noho ilay karazana Andriamanitra tompointsika. Nilazalaza an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny kristianisma marina, tamin’izao teny izao ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Manana toetra tsara hafa maro be i Jehovah Andriamanitra, toy ny hery sy ny rariny ary ny fahendrena, nefa noho izy Andriamanitra fitiavana voalohany indrindra, karazan’olona manao ahoana no hiriny ho mpivavaka aminy? Azo antoka fa ireo olona manahaka azy sy mamboly fitiavana. — Matio 5:44, 45; 22:37-39.

Antony manosika tsara

Eny, ny fitiavana dia mahatonga ireo kristiana ho sahala amin’ilay Andriamanitra ivavahany. Milaza izany fa mitovy amin’ny antony manosika an’Andriamanitra ny antony manosika azy ireo. Antony manosika inona ambonin’ny hafa rehetra no nanosika an’i Jehovah haniraka an’i Jesosy tetỳ an-tany mba hanome antsika ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay? Ny fitiavana. “Tia izao tontolo izao aoka izany Andriamanitra, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy io fa hanana ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16, MN). Inona àry no tokony ho antony manosika antsika amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra? Averina indray, izany dia ny fitiavana. “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” — 1 Jaona 5:3.

Misy manompo an’Andriamanitra amin’ny fananana antony manosika ratsy ve? Eny. Niresaka sasany izay nanompo tamin’ny fialonana sy ny fifaninanana tamin’ny androny i Paoly. (Filipiana 1:15-17, MN). Mety hitranga amintsika koa izany. Tena tia fifaninanana ity tontolo ity, ary mety hahazo antsika izany toe-tsaina izany. Mety hirehareha isika amin’ny fiheverana fa mpandahateny mahay kokoa noho ny hafa isika na mahapetraka zavatra vita an-tsoratra betsaka kokoa noho ny hafa. Mety hampitaha ny tombontsoam-panompoantsika amin’ny an’ny hafa isika ary hanjary hihevi-tena ho zavatra — na hialona. Mety ho saro-piaro amin’ny toeram-pahefana tanany ny loholona iray ka ho tonga hatramin’ny fanakantsakanana amim-pahakingana ny lehilahy tanora kokoa iray tsy handroso. Ny faniriana tombontsoa manokana dia mety hanosika antsika hitady ny fisakaizan’ireo kristiana manankarena kokoa ary tsy hiraharaha ireo mahantra kokoa.

Mety hitranga ireo zavatra ireo satria tsy tanteraka isika. Kanefa, raha sahala amin’i Jehovah isika, izany hoe manao ny fitiavana ho ny antony manosika antsika lehibe indrindra, dia handresy fironana toy izany. Ny fitiavan-tena na ny faniriana hanome laza ny tenantsika na ny fireharehana feno fahasahiana tafahoatra dia mety hamono ny fitiavana, ka tsy ‘hahasoa antsika akory’. — Ohabolana 11:2; 1 Korintiana 13:3.

Ny fitiavana eo amin’ny tontolo iray tia tena

Nilaza i Jesosy fa “tsy naman’izao tontolo izao” ny mpianany. (Jaona 17:14). Ahoana no ahafahantsika mitandrina mba tsy ho difotry ny fitaoman’ny tontolo manodidina antsika? Hanampy amin’izany ny fitiavana. Ohatra, amin’izao andro izao ny olona dia “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:4). Nampitandrina antsika i Jaona mba tsy ho sahala amin’izany. Hoy izy hoe: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” — 1 Jaona 2:15, 16.

Kanefa, tsy mora ny handa tanteraka ny “filan’ny nofo” sy “ny filan’ny maso”. Ankamamina indrindra ireo zavatra ireo satria manintona aoka izany ny nofontsika. Ambonin’izany, dia misy fahafinaretana be lavitra sady isan-karazany amin’izao andro izao noho ny tamin’ny andron’i Jaona, koa raha zava-nanahirana ny filan’ny maso tamin’izany, dia vao mainka toy izany izy io ankehitriny.

Mahaliana fa maro be amin’ireo fahafinaretana amin’ny andro ankehitriny atolotr’izao tontolo izao no tsy ratsy aminy fotsiny. Tsy misy maha-ratsy ny fananana trano be, fiara tsara tarehy, vata fahitalavitra, na “chaîne stéréo” (fitaovana fihainoana mozika). Tsy mandika fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ihany koa ny fanaovana dia lavitra sy mahaliana ary ny fialan-tsasatra mahavariana. Inona àry no votoatin’ny fampitandreman’i Jaona? Voalohany indrindra, raha manjary zava-dehibe loatra ho antsika ny zavatra toy izany, dia hampitombo toe-tsaina feno fitiavan-tena sy fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo ary fireharehana ao anatintsika. Ary ny fiezahana atao hahazoana ny vola hividianana an’ireny dia mety hanakantsakana antsika amin’ny asa ataontsika ho an’i Jehovah. Na dia ny fankafizana ny zavatra toy izany aza dia maka fotoana, ary raha mitondra famelombelomana ny fialan-tsasatra antonony, dia voafetra ny fotoanantsika noho ny adidintsika hianatra ny Baiboly sy hiaraka mivory amin’ny kristiana namantsika hanao fanompoam-pivavahana, ary hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. — Salamo 1:1-3; Matio 24:14; 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25.

Amin’izao vanim-potoana anjakan’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo izao, dia mitaky fanapahan-kevitra ny ‘fametrahana ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany’ sy ny fanoherana ny ‘fampiasana ity tontolo ity amin’ny fomba feno’. (Matio 6:33, MN; 1 Korintiana 7:31, MN). Hanampy ny finoana matanjaka. Nefa ny fitiavana marina an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika dia tena hanatanjaka antsika amin’ny fanoherana ny fitaka, izay na dia tsy ratsy aminy aza, dia mety hanakana antsika tsy ‘hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoantsika’. (2 Timoty 4:5, MN). Raha tsy misy ny fitiavana toy izany ny fanompoantsika dia mety ho simba mora foana ka hanjary fiezahana anarany fotsiny.

Ny fitiavana ao amin’ny kongregasiona

Nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fitiavana i Jesosy rehefa niteny hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Nahoana ireo loholona no handany fotoana betsaka aoka izany eo amin’ny asa fiandrasana sy amin’ny fanampiana ireo kristiana namany raha toa ireny loholona ireny ka tsy tia azy ireo? Nahoana ny kongregasiona no hiaritra ny fahalemen’ny namany — anisan’izany ireo loholona — raha tsy noho ny fitiavana? Ny fitiavana dia manosika ny kristiana hanampy ny hafa eo amin’ny lafiny ara-nofo rehefa mandre izy ireny fa mila izany ny hafa. (Asan’ny apostoly 2:44, 45). Mandritra ny fotoam-panenjehana, dia mifampiaro ny kristiana ary maty ho an’izy samy izy aza izy ireo. Nahoana? Noho ny fitiavana. — Jaona 15:13.

Indraindray dia miseho amin’ny zavatra madinika ny porofom-pitiavana lehibe indrindra. Ny loholona iray, efa eo ambany fanerena noho ny enta-mavesatry ny asa, dia mety hohatonin’ny kristiana hafa iray izay mitondra indray fitarainana toa tsy dia manao ahoana mihitsy ho an’ilay loholona. Tokony ho tezitra ve ilay loholona? Tsy hamela izany ho tonga antony mampisaraka izy, fa hifampiraharaha amim-paharetana sy amin-katsaram-panahy amin’ilay rahalahiny. Hiara-hidinika ilay raharaha izy ireo, ary hanamafy ny fisakaizany koa izany. (Matio 5:23, 24; 18:15-17). Tsy samy hanizingizina ny zony izy ireo fa samy tokony hiezaka hamboly ilay fahalalahan-tanana nandidian’i Jesosy ka ho vonona hamela ny rahalahiny “impito amby fito-polo”. (Matio 18:21, 22). Araka izany, ny kristiana dia hiezaka mafy mba hitafy fitiavana “satria fatorana mampiray tanteraka izany”. — Kolosiana 3:14, MN.

Hamafiso ny fifankatiavantsika

Eny, ny fitiavana dia antony manosika tsara hanompoana an’i Jehovah. Hanatanjaka antsika ho tafasaraka hatrany amin’izao tontolo izao ny fitiavana, ary hanome antoka antsika ny fitiavana fa hitoetra ho kristiana marina ny kongregasiona. Sady tsy mampihem-bidy ny vokatra tsara azo ny fitiavana no hanampy ireo izay eo amin’ny fahefana tsy hanahy aoka izany ny amin’ny fitadiavana hahita vokatra tsara, hany ka hanadino ny hatsaram-panahy sy ny halemem-panahy rehefa mifampiraharaha amin’ny hafa. Ny fitiavana dia manampy antsika rehetra ‘hanaiky ny mpitondra antsika, ka hanoa azy.’ — Hebreo 13:17.

Nampirisika antsika ‘hifankatia tsara [hanana fitiavana lalina, MN]’ koa ny apostoly Petera, satria “ny fitiavana manarona fahotana maro”. (1 Petera 4:8). Ahoana no ahafahantsika manao izany? Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona ka noho izany dia manana fahaizana maneho fitiavana voajanahary. Nefa ny karazana fitiavana resahintsika eto, dia mitaky zavatra hafa amboniny. Raha ny marina, dia izy io no lehibe indrindra amin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22). Noho izany, mba hambolena fitiavana, dia tsy maintsy manaiky hiasan’ny fanahin’Andriamanitra isika. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fianarana ny Baiboly izay azo tamin’ny tsindrimandrin’ny fanahin’i Jehovah. (2 Timoty 3:16). Amin’ny fivavahana mba hahazoana ny fanahin’i Jehovah mba hampiorenana ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ireo rahalahintsika, ary amin’ny fifaneraserana amin’ny kongregasiona kristiana, izay iasan’ny fanahy malalaka.

Ilaintsika koa ny mandini-tena mba hamantarana izay fanaovan-javatra na eritreritra tsy mampiseho fitiavana ao amintsika. Tadidio fa toetra tsaran’ny fo ny fitiavana ary “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9). Na dia eo aza ireo fanampiana rehetra omen’i Jehovah, dia hanao zavatra amin’ny fomba tsy mampiseho fitiavana isika indraindray. Mety hasiaka fiteny tsy amin’ny antony amina kristiana hafa iray isika, na hihenjana na ho tafintohina noho ny teny iray ny tenantsika. Noho izany, dia tsara ny hamerenantsika ity vavaka nataon’i Davida ity: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” — Salamo 139:23, 24.

Araka ny lazain’ny Baiboly, “ny fitiavana [dia] tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8). Raha toa isika mifaneho fitiavana, dia tsy ho ory an’izany mihitsy amin’ny fotoam-pitsapana. Manampy be dia be amin’ny fanorenana ny paradisa ara-panahy misy amin’izao andro izao ny fitiavana hita eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Ireo izay mifankatia fatratra amin’ny fo ihany no hahita fahafinaretana amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Noho izany, manahafa an’i Jehovah amin’ny fanehoana ny fitiavana toy izany ka hamafiso ny fatoran’ny firaisan-tsaina. Mambole fitiavana, ary anano ny fanalahidin’ny tena kristianisma.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara