Ireo Filazantsara: tantara sa angano?
IREO mpanohana izay nifanarahana fa antsoina hoe Fanakianana ambony dia manohitra hatramin’ny ela be ireo fitantaran’ny filazantsara ny fiainan’i Jesosy, ary izany dia amin’ny endriny maromaro: Manizingizina izy ireo fa izany fitantarana izany dia feno fifanoheran-kevitra ary nosoratana ela loatra taorian’ny fisehoan-javatra tantarainy ka tsy misy vidiny ara-tantara. Araka ny filazan’ireny fanakianana ireny, ireo fahagagana tantaraina dia noforonina tamin’ny fakana sary an-tsaina fotsiny.
Ao amin’ny bokiny hoe Kaisara sy Kristy, ilay mpanoratra tantara atao hoe Will Durant dia niezaka mba handinika ireo Filazantsara araka ny fiheverana tsy misy fiangarana fotsiny, tamin’ny filazana izany ho tahirin-kevitra ara-tantara. Rehefa avy niaiky izy fa ahitana fifanoheran-kevitra sy toa zava-tsarotra ireo, dia tonga tamin’izao fanatsoahan-kevitra izao ihany izy: “Mahakasika ny antsipiriany ireo fifanoheran-kevitra fa tsy ny ventin-kevitra; amin’ny fotony, ireo synoptika (ny filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka) dia mifanaraka amin’ny fomba miavaka ary manome filazalazana mifandrindra ny amin’i Jesosy.”
Fa inona no holazaina ny amin’ny fanantitranteran’ny Fanakianana ambony hoe tsy mahafeno ny marika famantarana ny tantara marina ireo Filazantsara? Nanoratra toy izao nanaraka izany W. Durant: “Noho ny hafanam-po tamin’ny fahitan-javatra nataony, ny fanakianana ambony dia nampihatra tamin’ny Testamenta Vaovao, marika famantarana ny maha-marina tamin’ny fomba sarotiny aoka izany, hany ka hailiny ho any amin’ny angano ny olona maro taloha tena nisy tahaka an’i Hammourabi, David sy Socrate, ohatra. Na toy inona na toy inona fitompoan-teny fantatra sy porofo ara-teolojia eken’ireo mpanoratra filazantsara, izy ireo dia mitantara fisehoan-javatra mihoatra ny iray tsy ho noresahin’ny mpamoron-kevitra fotsiny: fifaninanan’ireo apostoly mba hitana ireo toerana voalohany ao amin’ny fanjakana, ny nandosiran’izy ireo taorian’ny nisamborana an’i Jesosy, ny fandavan’i Petera (...); amin’ny famakiana izany toe-javatra izany, iza no ho afaka handa fa tena nisy ilay olona?”
Ary dia namarana ny teniny toy izao io mpanoratra tantara io: “Ny hoe nakan’olon-tsotra tokoa sary an-tsaina, tao anatin’ny taranaka iray monja, olona mahery tokoa sy manintona tokoa iray, fahalalana ara-pitondrantena ambony aoka izany, fahitana firahalahian’olombelona feno tolo-tsaina aoka izany, dia ho fahagagana sarotra inoana kokoa noho izay rehetra tantarain’ireo filazantsara. Taorian’ny taonjato roa nisian’ny fanakianana ambony, ny ambangovangon’ny fiainana, ny toetra sy ny fampianaran’i Jesosy dia ampy fahazavana foana ary mahaforona ny zava-nitranga mahavariana indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona tany Andrefana.”