Nahoana no Mino An’i Jesosy Kristy?
“NA DIA olona maro izay tsy Kristianina aza dia mino fa mpampianatra lehibe sy hendry Izy. Azo antoka fa iray amin’ireo olona nanana fitaomana nahery indrindra teto an-tany Izy.” (The World Book Encyclopedia). Iza no “Izy”? I Jesosy Kristy, ilay mpanorina ny Kristianisma.
Na dia eo aza anefa izay lazain’ilay encyclopédie, ho an’ny olona an-jato tapitrisany maro any Orient sy any an-toeran-kafa, dia olon-tsy fantatra i Jesosy Kristy, ary anarana iray izay mety hotsaroan’izy ireo tao amin’ny boky fianarana tany amin’ny lise fotsiny. Na dia ao amin’ny fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina aza, dia misy teôlôjianina sy mpitondra fivavahana milaza fa tsy tena mahafantatra an’i Jesosy isika, ary mampisy fisalasalana ny amin’ny fahamarinan’ireo fitantarana efatra momba ny fiainany (ireo Filazantsara) misy ankehitriny, hita ao amin’ny Baiboly.
Afaka namorona ny tantaram-piainan’i Jesosy ve ireo mpanoratra ny Filazantsara? Tsy izany velively! Ilay mpahay tantara fanta-daza atao hoe Will Durant, dia nanoratra toy izao taorian’ny namakafakany ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara ireo: “Ny hoe nisy olon-tsotra sasantsasany nahavita namorona tao anatin’ny taranaka iray, olona niavaka tsara iray izay nanana toetra nahery sy nanintona aoka izany, fitsipi-pitondran-tena ambony aoka izany ary fahitana ny amin’ny firahalahian’ny olombelona mandrisika aoka izany, dia ho fahagagana sarotra inoana lavitra noho izay voatantara ao amin’ireo Filazantsara. Taonjato roa tatỳ aorian’ny fitsikerana ambony dia mbola mazava tsara ihany ny famintinana ny fiainana, sy ny toetra ary ny fampianaran’i Kristy, ary mahaforona lafin-javatra mahavariana indrindra eo amin’ny tantaran’ny tandrefana.”
Na izany aza, dia eo ireo izay nanilika an’i Jesosy Kristy ho tsy mendrika ny hitodihan’ny sainy, noho izay nataon’ireo nihambo ho mpanara-dia azy. ‘Nandatsaka baomba ataomika tany Nagasaki, izy ireo’, hoy ny holazain’ny olona sasany any Japon. ‘Ary nahitana Kristianina maro kokoa tany Nagasaki noho ny tany amin’ny ankamaroan’ireo tanàna any Japon.’ Afaka manome tsiny ny dokotera iray ve anefa ianao noho ny aretin’ny marary iray raha tsy manaraka ny tari-dalana omen’ilay dokotera ilay marary? Efa hatramin’ny ela ny ankamaroan’ny olona izay mihambo ho Kristianina no tsy miraharaha ny fanafody nomen’i Jesosy mba handresena ny aretin’ny olombelona. Kanefa, i Jesosy dia nanome ny fanafodin’ny zava-manahirana hitantsika isan’andro, ary koa ny an’ny fahoriana mahazo ny olombelona maneran-tany. Izany no antony anasanay anao hamaky ny lahatsoratra manaraka ka hahita hoe karazan’olona manao ahoana izy.