‘Aoka isika hamafy be dia hijinja be’
“Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.” — II KORINTIANA 9:6.
1. Nahoana moa Jehovah Andriamanitra no ny sambatra indrindra eo amin’izao rehetra izao?
JEHOVAH Andriamanitsika dia “Andriamanitra finaritra”. Tsy isalasalana fa marina izany satria izy no Ilay manome be dia be. Nanambara toy izao tokoa i Jesosy Kristy Zanany: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (I Timoty 1:11; Asan’ny Apostoly 20:35). Tsy nisy mihitsy anefa olona nanome nihoatra noho Jehovah — hatramin’ny nanirahany ny Zanany lahitokana, ny Logos — ka mandraka ankehitriny. Tsy isalasalana na dia kely akory àry fa izy no olona sambatra indrindra eo amin’izao rehetra izao.
2, 3. a) Tamin’ny fomba ahoana avy moa no namafazan’Andriamanitra be dia be? b) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa nijinja sy mbola hijinja be dia be Jehovah?
2 Ny fotopoto-pitsipika iray somary sahala amin’izany dia voambara ao amin’ny II Korintiana 9:6. Izao izany: “Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.” Toy inona moa ny habetsahan’ny nafafin’i Jehovah raha ny amin’izay mikasika ny famoronany! Ny Teniny dia manisy fitenenana ny amin’ny zavaboary ara-panahy an-jatony tapitrisa maro (Apokalypsy 5:11). Eritrereto koa ireo vahindanitra tsy tambo isaina ao amin’ny lalana eny amin’ny habakabaka, ka ny tsirairay avy aminy dia misy kintana an-davitrisany maro. Etỳ akaikintsika kokoa, eto an-tany, Jehovah Andriamanitra dia namorona zavatra manana aina sy tsy manana aina maro karazana tsy hita fetra. Tsy azo lavina fa ‘henika ny zavatra nataony ny tany’. (Salamo 104:24.) Afa-tsy izany koa, dia nomeny antsika tamim-pahalalahan-tanana ny fahaizana ara-tsaina, ara-piraiketam-po sy ara-batana. Tena ‘mahatalanjona tokoa ny nanaovana’ antsika. — Salamo 139:14.
3 Tsy isalasalana mihitsy fa namafy be dia be Jehovah Andriamanitra. Voamarina izany, tsy amin’ny zavatra noforoniny ihany, fa amin’ny fifandraisana tanany amin’ireo zavaboariny eto an-tany koa. Kanefa, moa ve izy nijinja be dia be? Izany dia izany tokoa! Zavaboary manan-tsaina maro be no nanompo azy, manompo azy ary mbola hanompo azy mandrakizay ihany noho ny fitiavana. Mampifaly ny fon’i Jehovah ny fihetsik’izy ireny, indrindra fa noho izy ireny manaporofo fa ny Devoly, io mpihantsy io, dia mpandainga. — Ohabolana 27:11.
4. Ahoana moa no nahitana fa marina ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny II Korintiana 9:6 tamin’ny fotoana rehetra, anisan’izany ny antsika?
4 Tantarain’ny Baiboly fa nanomboka tamin’ny Logos, dia mpanompo mahatokin’i Jehovah Andriamanitra maro koa no namafy be dia be sy nijinja be dia be. Tsy mahagaga izany, satria ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah dia mihatra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny olona rehetra. Azo hamarinina eo amin’ny fiainanao àry ny fotopoto-pitsipika mahakasika ny famafazana.
5, 6. a) Noho ny fahavalo inona avy moa no maha-sarotra ny famafazantsika be dia be? b) Tokony haniry ny hanao inona isika, ary izany dia amin’ny lafiny inona avy amin’ny fanompoantsika masina?
5 Na dia manome antony sy ohatra be dia be manosika antsika hamafy be dia be aza ny Soratra Masina, dia tsy mora atao velively izany. Nahoana? Satria fahavalo telo no manohitra mafy ny hanaovantsika toy izany. Inona izany? Voalohany indrindra, dia ao ny fironana ho amin’ny fitiavan-tena raikitra ao amintsika. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Genesisy 8:21: “Ny fisainan’ny [fironan’ny, MN] fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” Asehon’ny Tenin’Andriamanitra amintsika koa fa mamitaka sy tsy azo sitranina ny fontsika (Jeremia 17:9). Faharoa manaraka izany, dia iharan’ny fitaoman’izao tontolo izao ratsy izay mitoetra eo ambany fahefan’ilay ratsy isika (I Jaona 5:19). Fahatelo, ny Devoly mihitsy dia vonona ny handrapaka antsika raha tsy miambina isika. — I Petera 5:8.
6 Mitandrin-tena mandrakariva amin’ireo fahavalo telo ireo ve ianao? Noho ireo, dia tokony haniry mafy isika ny ‘hihaino ny saina atolotra sy handray ny fananarana, mba ho hendry amin’izay hiafarantsika’. (Ohabolana 19:20.) Raha ny marina, dia tokony hanao tahaka ny apostoly Paoly isika, izany hoe ‘hanisy ny tenantsika ho mangana sy hanandevo azy’ sao mihemotra amin’ny farany (I Korintiana 9:27). Ny fotopoto-pitsipika ilazana fa hijinja be dia be isika raha mamafy be dia be dia mihatra amin’ny lafiny rehetra amin’ny asa masina ataon’ny tsirairay avy amin’ny vavolombelona kristian’i Jehovah. Eny, na inona na inona lafiny heverintsika, dia ho tsikaritsika fa voamarina io fotopoto-pitsipika io: eo amin’ny fianarantsika manokana, eo amin’ny famonjentsika ireo fivoriana, eo amin’ny vavaka ataontsika, eo amin’ny fanambarana ataontsika isan-trano sy tampotampoka, ary amin’ireo fifandraisantsika ara-pianakaviana.
Aoka isika hamafy be dia be raha ny amin’izay mahakasika ny fianarantsika ny Baiboly
7, 8. a) Inona no tokony hananantsika mba hamafazana be dia be raha ny amin’ny fianarantsika manokana? b) Zava-kendrena inona avy no tokony hoferantsika ho an’ny tenantsika, ary ahoana no mety hahatratrarantsika izany?
7 Mba hahatongavana ho minisitr’i Jehovah Andriamanitra mahavokatra, dia tokony hamafy be dia be isika voalohany indrindra raha ny amin’izay mahakasika ny fianarantsika manokana ny Baiboly. Ho tiantsika ny hazoto homana ara-panahy, noho ny fahatakarana fa tsy zavatra ara-nofo ihany no ivelomantsika. Noho ny asantsika rehetra sy ny fanahiantsika rehetra isan’andro, dia tokony hanao fiezahana mafy isika mba hahatsapana lalina izay ilaintsika ara-panahy. Tena hahasoa tokoa ny tsirairay avy amintsika ny hiheverana ny Tenin’Andriamanitra ho sarobidy toy ny niheveran’ny mpanao salamo azy izay nanoratra hoe: “Faly aho noho ny teninao tahaka ny mahazo babo be.” — Salamo 119:162.
8 Hahazo fanampiana lehibe isika amin’izany raha manaraka ny torohevitra mba ‘hitandrina tsara izay fandehantsika, mba tsy hitondrantsika tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry ka hanararaotra ny andro azo anaovan-tsoa’. (Efesiana 5:15, 16.) Angamba aza ho tianao ny handini-tena manokana amin’io lafiny io. Raha izany no izy, dia manontania tena hoe: Moa ve aho maka fotoana hamakiana ny tsirairay avy amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! raha vao mivoaka izany? Ahoana ny amin’ny Annuaire, ny boky sy zavatra voasoratra hafa voaraintsika amin’ireo fivoriambe? Tsy manana ora iray na roa foana isika mba hamakiana ireny zavatra voasoratra ireny, kanefa raha mitandrina izany isika, dia afaka maka minitra vitsivitsy etsy sy eroa mba hamakiana toko iray ao amin’ny Baiboly na lahatsoratra iray amin’ny gazety. Kristiana maro no mifoha 10 na 15 minitra mialoha mba hamakian-teny amin’ny fotoana mbola mampangatsiatsiaka sy mavitrika azy. Ny hafa nahatsikaritra fa afaka mamaky be dia be izy ireny eny amin’ny fitateram-bahoaka. Ary ianao, ahoana no fandaminana ataonao?
9. Ahoana no azontsika ijinjana be dia be raha ny amin’ny fianarantsika manokana ny Baiboly?
9 Amin’ny famafazana be dia be amin’izany fomba isan-karazany izany, dia afaka manantena tsara ny hijinja be dia be isika. Amin’ny lafiny inona avy? Hanana finoana mafy orina sy fanantenana mafy kokoa ary toe-tsaina falifaly sy manorina isika. Afa-tsy izany koa, dia ho ampy fitaovana kokoa isika mba hanomezana fanambarana ho an’ny mpiara-belona amintsika. Ho afaka hanao resaka mampandroso isika ary hanampy ireo rahalahintsika rehefa hisy fahafahana hanao izany. Mariho ny mety ho fiafaran’ny fitondrantena toy izany araka ny I Timoty 4:15, 16.
Aoka isika hamafy be dia be raha ny amin’izay mahakasika ny famonjena ireo fivoriana
10. Ahoana no tokony hiheverantsika ireo fivoriana?
10 Manontany tena angamba ianao raha mahakasika koa ny famonjena ireo fivorian’ny kongregasiona ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mijinja be dia be isika raha mamafy be dia be? Eny, izany tokoa! Tokony hitovy fihetseham-po amin’i Davida mpanao salamo izay nanambara toy izao isika: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” Tokony hahatsiaro ho voatosika hiara-hivory amin’ireo rahalahintsika isika. — Salamo 122:1.
11, 12. Ahoana no azontsika amafazana sy ijinjana be dia be raha ny amin’ny famonjena ireo fivoriana?
11 Mitaky inona amintsika izany? Tokony hanatrika tsy tapaka sy amim-pahatokiana ireo fivoriana dimy fanaontsika isan-kerinandro isika. Tsy ho tiantsika ny hijanona ao an-tranontsika noho ny tsy metimety kely monja na satria hoe tsy tsara ny andro. Manapaka matetika ny fivoriana ve isika noho ny toetr’andro — mafana na mangatsiaka, manorana na maina? Kanefa, arakaraka ny tsy maintsy handresentsika vato misakana mba hanatrehana fivoriana iray, no ahatsapantsika fa manome antsika ny fitahiany Jehovah. Afaka mamafy be dia be koa isika amin’ny fahatongavana alohaloha mba hananana resaka mampahery alohan’ireo fivoriana, sy amin’ny fijanonana aorian’io noho ny fikendrena izany ihany koa. Inona avy no fahazaranao amin’izany lafiny izany? Tokony hanandrana hamafy betsaka kokoa ve ianao? Farany, dia tokony hiomana tsara koa isika ho amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo fivoriana hafa, mba hamafazana be dia be amin’ny fanomezana valinteny rehefa omena fahafahana hanao izany ny tenantsika.
12 Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anantenana hijinja be dia be amin’ny fanaovana toy izany? Tsy afaka manome fanamarihana mampahery isika raha tsy mahazo fampaherezana koa ny tenantsika; tsy afaka mampahery fanahy ketraka isika raha tsy mafana ny fontsika. Eny, tsy afaka manome valinteny amin’ny fivoriana iray isika raha tsy manatanjaka ny finoan’ny tenantsika ireo fahamarinana lazaintsika. Tsotra fotsiny: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” — Ohabolana 11:25.
Aoka isika hamafy be dia be raha ny amin’ny vavaka ataontsika
13, 14. Raha ny amin’izay mahakasika ny vavaka ataontsika, ahoana no azontsika a) amafazana be dia be, b) ijinjana be dia be?
13 Ny fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly mamporisika antsika mba hamafy be dia be dia mahakasika koa ireo vavaka ataontsika manokana. Moa ve nalaina tahaka, mandeha ho azy, averimberina, sa tena avy amin’ny fontsika tokoa izany? Moa ve tsy fangatahana fotsiny no voafaoka amin’izany fa fiderana sy fisaorana amin-kafanam-po koa, ary indraindray fitalahoana. Heverintsika ho zava-dehibe tokoa ve ny vavaka izay tombontsoa sarobidy? Mamboraka ny ao am-pontsika eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra ve isika? Sa kosa maimaika no ivavahantsika aminy amin’ny fiheverana aza indraindray fa sahirana loatra isika ka tsy afaka hanao izany? Ny Soratra grika kristiana dia mitantara fa nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny an’ny apostoly Paoly ny vavaka. — Lioka 6:12, 13; Jaona 17:1-26; Matio 26:36-44; Filipiana 1:9-11; Kolosiana 1:9-12.
14 Afaka manantena ny hijinja be dia be isika raha mamafy be dia be amin’izay mahakasika ny vavaka ataontsika: hihaino izany Jehovah ary hitana fifandraisana tsara aminy isika. Etsy andaniny koa, ireo vavaka atao ao anatin’ny fianakaviana dia mampifanatona ny tsirairay avy amin’ny mpianakavy amin’ilay mivavaka. Aoka hotadidiantsika ao an-tsaina koa ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 7:7 (MN): “Mangataha hatrany, dia homena ianareo; mitadiava hatrany, dia hahita ianareo; dondòny hatrany, dia hovohana ianareo.”
Aoka isika hamafy be dia be raha ny amin’ny fanompoantsika
15. Amin’ny asa inona indrindra moa isika no afaka ny hanana fifaliana hamafy sy hijinja be dia be?
15 Angamba mifandray amin’ny asa fanambarana ataontsika no azo anamarinana mazava indrindra ny foto-kevitr’io fianarana io. Miharihary fa arakaraka ny ahafahantsika manokana fotoana misimisy kokoa amin’io asa io no ahafahantsika manantena ny hijinja zava-mitranga mahaliana, fiverenana mitsidika mahavokatra sy fianarana ny Baiboly any an-tokantrano izay miteraka taratasy filazan-tsoa velona. — II Korintiana 3:2.
16, 17. a) Inona no tokony hataontsika mba hamafazana be dia be raha ny amin’ny fitoriana? b) Raha manao toy izany isika, vokany inona avy no azontsika antenaina fa ho azo?
16 Kanefa, raha ny amin’ny fitoriana, dia afaka mamafy be dia be isika, tsy amin’ny lafin’ny habetsahana ihany, fa amin’ny an’ny hatsarana koa. Irintsika ny “harehitry ny fanahy” rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana isika (Romana 12:11, MN). Tokony hanatona ny olona amim-pahatsorana sy amim-pitsikiana amin-kafanam-po mampiseho fisakaizana isika, na mandeha isan-trano na manao fanambarana eny amin’ny arabe. Raha azo ampiasaina ao amin’ny fitenintsika ilay bokintsika vaovao ho amin’ny fitoriana hoe Comment raisonner à partir des Ecritures dia tokony hanampy antsika rehetra hanjary hahita vokatra kokoa, noho izany dia hijinja bebe kokoa raha ny amin’ny fotoana sy ny hery atokantsika amin’ny fanompoana.
17 Etsy andaniny koa, moa ve ny hoe mamafy be dia be raha ny amin’izay mahakasika ny fitoriana tsy milaza fanamarihana tsara ny fahalianana nasehon’ireo olona hitantsika? Tokony hiantsorohantsika koa ny andraikitra hiverina sy hitana izany fahalianana izany mba hanombohana fianarana ny Baiboly any an-tokantrano, araka izay rehetra azo atao. Afa-tsy izany koa, dia ilaintsika ny miahy ny amin’ny hanorenana amin’ny fitaovana tsy mety may. Izany dia milaza fampianarana amim-piaikena, nefa koa amim-pahaiza-manavaka sy amin’ny fipetrahana eo amin’ny toeran’ireo izay mianatra ny Baiboly, mba hitarihana azy ireny amim-pahakingana hampahafantatra ny fihetseham-pony eo anoloan’ny fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly. Amin’ny famafazana be dia be amin’izany fomba isan-karazany izany ihany no azontsika anantenana hamolavola toetra kristiana afaka mahatohitra ireo fanafihan’i Satana sy ny fandehan-javany. — I Korintiana 3:12-15.
Aoka isika hamafy be dia be raha ny amin’ny fifandraisam-pianakaviantsika
18. Torohevitra inona no tokony hotadidiantsika ao an-tsaina raha ny amin’ny fifandraisantsika ara-pianakaviana?
18 Ny fotopoto-pitsipika teokratika ilazana fa mijinja arakaraka ny fomba famafintsika isika dia mihatra koa ao anatin’ny faritry ny fianakaviana. Aoka hotadidiantsika ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Lioka 6:38, manao hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.”
19. Ahoana no azon’ny lehilahy manambady sy ny vehivavy amafazana be dia be sy andraisan-tsoa avy amin’izany?
19 Ny lehilahy sy ny vadiny dia manana fahafahana tsy tambo isaina hamafy be dia be amin’ny fifanehoana ny firaiketam-pony amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra voamariky ny famalifaliana sy tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena. Nanome torohevitra tsara dia tsara ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesiana 5:22-33. Vakio ireo andinin-teny ireo sady mieritreritra ny fomba azon’ny tenanao amafazana betsaka kokoa. Tena azo inoana fa hijinja be dia be ny vehivavy vady kristiana iray raha tena manaiky ny lahy tokoa izy, miara-miasa aminy sy manohana azy. Hijinja inona izy? Hampiseho hafanana aminy ny vadiny, haneho firaiketam-po lalina aminy izy ary ho voatosika ho tia azy tahaka ny tenany. Toy izany koa, ny lehilahy kristiana iray dia afaka manantena ny hijinja fanekena sy fanohanana amim-pahatokiana avy amin’ny vadiny raha miezaka izy maneho fiheverana ny vavy araka ny ananaran’ny teny ao amin’ny I Petera 3:7, sy fitiavana tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena, araka ny torohevitra omena ao amin’ny Efesiana 5:28, 29.
20. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny amafazana be dia be raha ny amin’ny fanabeazana ireo zanany, ary inona avy no vokany?
20 Tsy tokony hataontsika tsirambina koa ny andraikitra hitaiza ireo zanatsika ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsain’i Jehovah (Efesiana 6:4). Raha ny marina, io andraikitra io dia mialoha ny adidy sy andraikitra teokratika hafa ananantsika. Mampalahelo anefa fa fotopoto-pitsipika hadinon’ny ray aman-dreny kristiana sasany izany. Etsy andaniny koa, ny ray aman-dreny dia tokony ho vonona ny hahafoy fahafinaretana sy zavatra mahafinaritra sasany mba hiantohana ny fahasambarana ara-piraiketam-po sy ara-panahin’ireo zanany, amin’ny fiaraha-mandany fotoana mety amin’izy ireny sy amin’ny fanehoana fitiavana be dia be azy. Etsy andaniny koa, dia tokony haneho tsy fileferana loatra izy ireny. Omena azy izao torohevitra izao: “Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy sy ho fifalian’ny fanahinao.” Mamafaza amin’izany fomba isan-karazany izany, dia azo inoana tokoa fa hijinja be dia be ianao: tsy hivadika hatrany ireo zanakao, hanaja anao sy hahatsiaro tena fa akaiky anao. — Ohabolana 29:17.
Mijinjà soa!
21, 22. Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika amafazana sy ijinjana be dia be raha ny amin’ny asantsika masina sy ny fifandraisantsika ara-pianakaviana?
21 Takatsika àry fa ilay fotopoto-pitsipika ilazana fa mijinja arakaraka ny fomba famafazantsika isika, dia voamarina eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika amin’ny maha-kristiana. Raha mamafy be dia be isika amin’ny fianarantsika manokana ny Baiboly, dia hijinja finoana mafy orina, fanantenana mahatalanjona sy fahitam-bokatra lehibe kokoa eo amin’ny fanompoantsika. Raha mamafy be dia be isika amin’ny fivoriana, dia hatanjaka ny finoantsika ary hanatanjaka ny an’ny hafa koa isika. Raha mamafy be dia be isika amin’ny vavaka ataontsika, dia hohenoina izany ka hijinja fifandraisana tsara amin’ny Raintsika any an-danitra isika. Farany, raha mamafy be dia be isika amin’ny asa fanaovantsika fanambarana, dia handray soa eo amin’ny lafiny ara-panahy avy amin’izany isika ka ho afaka hanantena ny hahazo taratasy filazan-tsoa ho porofon’ny fiezahantsika.
22 Aza hadinoina na oviana na oviana koa fa mihatra amin’ireo fifandraisantsika ara-pianakaviana io fotopoto-pitsipika io. Na lehilahy manambady isika, na vehivavy, na ray na reny na zanaka, raha mamafy be dia be isika amin’ny fanehoana famalifaliana sy tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena, dia afaka manantena ny hijinja fiainam-pianakaviana sambatra sy feno tsara. Izany dia hanome fanambarana tsara koa ho an’ny olona any ivelany ka hampiseho aminy ny fahamendrehan’ny fomba fiainantsika.
23. Torohevitra inona no tsara raha harahintsika?
23 Aoka àry ny kristiana Vavolombelon’i Jehovah tsirairay avy hanontany tena toy izao: Ho afaka hamafy bebe kokoa ve aho? Mariho izao teny mety dia mety nataon’i Paoly izao, voasoratra ao amin’ny I Tesaloniana 4:1: “Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra — dia araka ny andehananareo ihany — no hitomboanareo bebe kokoa.” Eny, aoka isika rehetra hiezaka hamafy bebe kokoa mba hahafahana mijinja bebe kokoa, ho voninahitr’i Jehovah sy mba hahasoa antsika mbamin’ireo rahalahintsika.
Famerenana
◻ Ahoana no ampisehoan’ny ohatra ny amin’i Jehovah ny fahamarinan’ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny II Korintiana 9:6?
◻ Inona no azonao atao mba hijinjana betsaka kokoa raha ny amin’ny fianarana ny Baiboly sy ireo fivoriana kristiana?
◻ Ahoana no azonao amafazana sy ijinjana betsaka kokoa raha ny amin’ny fitoriana.
◻ Inona avy no fandaharana azo ampiharina mety hanampy ny fianakavianao hamafy sy hijinja betsaka kokoa?