FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/9 p. 20-23
  • Ahoana no hifehezana ny fihetseham-pon’ny tena?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no hifehezana ny fihetseham-pon’ny tena?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no mifehy ny fihetseham-pon’ny tena?
  • Aoka homentsika ny toerana voalohany ireo fihetseham-po faniry
  • “Aza manahy intsony”
  • Mihevitra anao manokana Andriamanitra
  • Inona no irinao hatao?
  • Aoka Hisy ary ho Tondraka ny Fifehezan-tenanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ahoana no Ifehezako ny Fihetseham-poko?
    Mifohaza!—2005
  • Ahoana no Ahaizako Mifehy ny Fihetseham-poko?
    Manontany ny Tanora
  • Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/9 p. 20-23

Ahoana no hifehezana ny fihetseham-pon’ny tena?

AMIN’IZAO andro izao, dia be dia be no liana ta-hanana fihetseham-po. Mitady izay hananana izany izy amin’ny fandehanana mafy dia mafy, amin’ny fanaovana fanatanjahan-tena mampidi-doza, amin’ny fananana firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna sy amin’ny fandraisana zavatra mahadomelina manaitaitra. Raha ny marina, ny izao tontolo izao ara-barotra sy ara-pialam-boly dia mampitombo ny filana fahataitairana mafy. Araka izany, dia be dia be no tsy mahatanty ny fiadanana sy ny filaminana noho ny fieritreretana fa zony ny hahita harevoana lehibe kokoa amin’ny alalan’ireo vavahadin-tsaina, eo amin’ny fiainana.

Mazava ho azy fa manana fihetseham-po daholo isika rehetra. Ohatra, rehefa mitsiky isika, rehefa mihomehy na rehefa mitomany, dia mampiseho ny toe-pientanam-pontsika amin’izay fotoana izay. Nefa moa ve fantatrao fa ny fihetseham-ponao aza dia mety hisy vokany eo amin’ny vatanao? Ohatra, izany dia mety hisy heriny eo amin’ny tosidra, ny fitepon’ny fo sy ny fahatsembohana. Mety ho fototry ny tsy metimety ara-batana koa izany, toy ny aretina an-doha, ny fikorontanan’ny vavony sy ny zava-manahirana momba ny lamosina. Noho izany antony izany no mahatonga ny olona hitady fahatsapan-javatra mahafinaritra matetika ary manalavitra izay tsy toy izany. Ny sasany manandrana miala amin’ny zavatra tsy mahafinaritra matetika ary manalavitra izay tsy toy izany. Ny sasany manandrana miala amin’ny zavatra tsy mahafinaritra amin’ny fanaranam-po amin’ny fanofinofisana, ny fihinanana na ny fisotroana tafahoatra. Ny toe-pientanam-po voalanjalanja anefa dia mitondra fahasambarana. Izao tokoa no ambaran’ny Ohabolana 14:30: “Ny fo mionona [tony, MN] no fiainan’ny nofo.”

Mahaliana fa ny Tenin’Andriamanitra dia manonona izao karazam-pihetseham-pon’olombelona rehetra izao, toy ny fitiavana, ny fankahalana, ny fifaliana, ny alahelo, ny herim-po sy ny tahotra. Tsaroanao angamba fa ‘nitomany Jesosy’ indray andro, nampiseho ny fihetseham-po tsapany tamin’ny fahafatesan’ny sakaiza iray (Jaona 11:35). Ary niady mba hitanana ny ranomasony i Josefa, “fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny” izay tsy hitany hatramin’ny taona maro. — Genesisy 43:30.

Nahoana no mifehy ny fihetseham-pon’ny tena?

Noho isika miaina ao anatin’ny “vanim-potoana sarotra” sy noho isika tsy tanteraka, dia matetika kokoa isika no azon’ny fihetseham-po tsy mahafinaritra noho ny mahafinaritra (II Timoty 3:1-5, Maredsous). Araka ny lazain’ny Baiboly, “ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”. (Mpitoriteny 7:7.) Koa raha tsy miezaka hifehy ny fihetseham-pontsika ratsy isika, dia mety hanimba ny fifandraisana tanantsika amin’ny fianakaviantsika, ny mpiara-mianatra amintsika, ny mpiara-miasa amintsika sy ireo namantsika kristiana.

Mazava ho azy fa isika rehetra dia voakasik’izay antsoin’ny Baiboly hoe “fotoana sy fisehoan-javatra tsy ampoizina”. (Mpitoriteny 9:11, MN.) Indray andro, ohatra, ny mpivady mpitory manontolo andro dia nahita rehefa nody tao an-tranony fa nisy nangalatra saika izay nananany rehetra. Nampalahelo azy ireo tokoa izany ka namparary azy mihitsy aza. Nila andro maromaro izy ireo mba hifehezana indray ny fihetseham-pony. Rehefa sitrana anefa izy ireo, dia nanohy ny asany natao ‘hampiononana ny malahelo rehetra’. — Isaia 61:2.

Angamba ianao mahalala olona izay mamela ny fihetseham-pony hifoha amin’ny fijerena tantara mitohy mampihetsi-po nefa tsara fiafara foana. Mandray aoka izany ny toeran’ireo olona ao amin’ny tantara izy, ka matetika no mitomany eo anoloan’ireny zavatra noforonin’ny saina fotsiny ireny. Hevero koa izay hita tamin’ity vehivavy mpitovo niaina irery. Indray hariva izy dia nijery sarimihetsika mahatsiravina. Na dia “matin’ny tahotra” aza izy, dia tsy nahasakana ny tenany tsy hijery hatramin’ny farany. Sarotra taminy ny nahita tory nony avy eo. Azo vinanina mora foana izay nameno ny nofiny rehefa natory nikorontan-tsaina izy taorian’izany: vampira sy biby sampona. Inona no tokony hotsoahina avy amin’izany? Tsy azo lavina fa voakasik’izay mitranga manodidina antsika isika eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po. Azo antoka àry fa tokony hahay hifantina isika, izany hoe hanalavitra izay manimba na tsy mahasoa mba tsy hanakorontanany ny fijoroantsika ara-pientanam-po.

Aoka homentsika ny toerana voalohany ireo fihetseham-po faniry

Manoro hevitra antsika koa ny Tenin’Andriamanitra mba “hahonon-tena”, amin’ny fanaovana izay ‘mety’. (Titosy 2:2; Romana 12:1.) Tsy milaza akory izany hoe tokony hanery tena aoka izany isika ka hanjary tsy hiraika mihitsy. Manome tsirony ny fiainana ny fihetseham-po voafehy tsara. Izao, ohatra, no lazain’ny Baiboly: “Tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany.” — Mpitoriteny 3:22.

Noho izany, mba hanaovana izay hahatonga ny fiainantsika ho sambatra tokoa, dia aoka isika hianatra hamboly fihetseham-po manorina. Mifanohitra amin’ny hevitra mandrava, izany dia mety hanampy antsika ho ‘feno faharisihana amin’ny asa tsara’. (Titosy 2:14, TOB.) Ny fihetseham-po mahery sy mahasoa dia manamafy ny fahavononana sy ny faharetana, ka izany dia mahatonga ho afaka hanatratra zava-kendrena misy vidiny. Mazava ho azy fa mahalala ny kristiana hoe tsy ny hevitra manorina fotsiny akory no mahatonga azy ireo hahazo vokatra tsara eo amin’ny asany ho an’Andriamanitra. Miaiky kosa izy ireo fa ilaina ny hianteherana tanteraka amin’ny fanahin’Andriamanitra mba hiatrehana ny ho avy (Lioka 11:13; Ohabolana 19:21). Ahoana àry no azontsika ifehezana ny fihetseham-pontsika sady mampitombo izay mahasoa?

“Aza manahy intsony”

Koa satria misy vokany manimba ny fihetseham-po toy ny fahatezerana, ny fialonana, ny lolompo sy ny tahotra, dia tokony hofehezintsika izany. Mba hanazavana ny fomba mety hahatongavantsika amin’izany, dia aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny fihetseham-po iray monja: ny fanahiana.

Tamin’ny alalan’ny heriny miasa, Andriamanitra dia nanatanjaka ireo mpanompony tsara fikasa sy mahatoky taloha, toy ny ataony amin’izao andro izao. Notarihin’ny fanahy masina i Jesosy ka nitana toe-tsaina nanorina tamin’ny fiheverana mafy ny zavatra ara-panahy. Nampahery ny mpianany izy mba ‘tsy hanahy intsony’. (Lioka 12:29, MN.) Tsy nampisalasala azy mihitsy ny hoe nikarakara azy tamim-pitiavana ny Rainy (Jaona 15:9, 10). Tsy voasakantsakan’ny fahasorisorenana sy ny fahadisoam-panantenana ny zotom-pony sy ny hafanam-pony. Toy izany koa, raha tianao koa ny hifehy fanahiana tafahoatra, dia ampifantohy amin’ny ‘zavatra mendri-piderana’ ny sainao. (Filipiana 4:8.) Eny, ny fitokisana an’i Jehovah dia mety hampisava ireo hevitra mandrava.

Ohatra, ny zazavavy nanan-takaitra iray tany São Paulo, any Brésil, dia nanahy ny amin’ny fahaizany voafetra sy ny ho aviny. Nikarakara an’ireo zandriny tao an-trano izy raha mbola samy niasa ireo ray aman-dreniny. Nahatsiaro tena ho tsy nilaina firy izy ka nanoratra hoe: “Matahotra ny ho very saina sy hanao hadalana aho rehefa ela ny ela. Nieritreritra ny hamono tena mihitsy aza aho. Heveriko fa tsy ho afaka hanambady mihitsy aho.” Rehefa avy naharay taratasy namporisika azy hianatra ny Baiboly bebe kokoa izy, dia namaly izao: “Nanomboka nahatsapa aho fa nisy olona naniry tokoa hihevitra ny zava-manahirana ahy ihany tamin’ny farany. Nasehonao ahy fa tena ilaina tokoa ny hiaina ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’i Jehovah.” Araka izany, dia tsy tokony ho very hevitra fotsiny ianao fa nahoana no tsy mametra zava-kendrena hentitra tsara, indrindra fa amin’ny lafiny ara-panahy, toy ny an’ny fampielezana bebe kokoa ny vaovao tsaran’ny Fanjakana na ny fandaniana fotoana misimisy kokoa hianarana ny Tenin’Andriamanitra?

Tsy isalasalana fa azo atao ny mahita fanamaivanana vetivety amin’ny fialam-boly, amin’ny fitsangantsanganana, amin’ny fanapahana ny fahazarana, amin’ny fiovan-toerana na amin’ny fihainoana mozika mampitony. Mety hirona ho amin’ny hevitra mandrava sy ny fanahiana anefa isika noho ny fanabeazana antsika na ny fiainantsika tamin’ny lasa. Noho izany antony izany, dia tsy ampy ny fahaizana ara-tsaina sy ny finiavana mba hahitana fiadanan-tsaina na ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tokony hianatra ny ‘hametraka ny fanahiantsika rehetra amin’i Jehovah’ isika. Ary afaka manao izany isika, satria ‘Izy no miahy antsika’. — I Petera 5:7.

Mihevitra anao manokana Andriamanitra

Tsy irin’ny Mpamorona akory ny hitovian’ny olombelona rehetra sy ny hananany fihetsika iray ihany. Ao amin’ny Baiboly izy dia nanonona fotopoto-pitsipika mitarika izay mety sy ampy ho an’ny rehetra. Nomeny ohatra velona koa isika mba hampisehoana fa mihevitra manokana ny fahasambaran’ireo mpanompony izy. “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah (...). Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:18, 19). Raha ny marina, dia fantatr’i Jehovah ny fihetseham-pontsika miafina indrindra, na dia ny alahelo sy ny fahoriantsika aza. Manipika izany ny Salamo 56:8 amin’izao teny izao: “Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ny bokinao va ireny?” Rehefa tena mila izany tokoa àry isika, na dia mahatsiaro tena ho “ory sy malahelo” aza isika, dia mety ho ‘Mpamonjy sy Mpanafaka antsika’ Jehovah. (Salamo 40:17.) Fa toetra inona avy raha ny marina no tokony hasehonao mba handraisana izany fanampiana izany?

Ny fankasitrahana noho ireo toetra tsaran’Andriamanitra, ny ‘famindrampony’, dia manampy antsika tsy hihevitra be loatra ny tenantsika (II Korintiana 1:3, 4). Tsy tokony hanaiky ho resin’ny fihetseham-pontsika an-jamba sy amim-pitiavan-tena isika, satria ny fon’olombelona mety ‘hamitaka’; mety hitarika antsika hanao zavatra tsy amim-pahamalinana, hijangajanga aza, izy io (Jeremia 17:9). Ohatra, tany Amerika latina, ny vehivavy manambady iray dia nanomboka ho voasinton’ny lehilahy mpifanila trano taminy. Natosiky ny fihetseham-pony izy ka nanandrana nanamarina ny faniriany tamin’ny filazana fa tiany ny “hanampy” io lehilahy io. Soa ihany fa lasa nitady torohevitra tany amin’ny kristiana matotra izy. Noho izy nahatsapa fankasitrahana bebe kokoa noho ireo toetran’Andriamanitra, dia nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ilay mpifanila trano taminy izy. Izao ankehitriny no lazainy amim-pifaliana: “Voavonjy ny fanambadiako.” Marina tokoa fa tsara ny hambolen’ny tsirairay avy amintsika faniriana ny hampianarin’i Jehovah sy hanatona azy. — Salamo 19:7-11.

Ny finoana mafy orina, izany hoe ny fiandrasana amim-piorenana mafy sy ny fanantenana amin-toky, dia manampy antsika hanana fihetsika manorina, fa ny tsy fahalalana kosa mampitombo ny fanahiana sy ny tahotra (Hebreo 11:6). Tsy azo lavina fa ny eritreritra mandrava na ny fisalasalana dia mety hanao izay tsy hahombiazantsika ao amin’izay nety ho nahombiazana. Ny tsy fahampiam-pinoana dia manamarika fa ilaina ny hampitomboana fitokisana lehibe kokoa ny herin’Andriamanitra (I Jaona 5:10). Tena ilaina àry ny hametrahantsika ny fitokisantsika amin’Andriamanitra amin’ny fivavahana aminy matetika mba hanampiany antsika hifehy ny fihetseham-pontsika. — Jakoba 1:5.

Ny fifehezan-tena sy fihetsika mety koa dia toetra tokony hambolena mba hanatsarana ny fifandraisana amin’ny hafa. “Izay mahatsindry fo no manan-tsaina”, mahafehy ny fihetseham-pony (Ohabolana 17:27). Ambonin’izany, ny apostoly Paoly dia nanoratra toy izao: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo.” Raha manaraka an’io fananarana io isika, dia ho afaka mora kokoa hanana fiainana milamina sy tony. — Filipiana 4:5.

Ny fitiavana ny namana dia miteraka ny fihetseham-po mahafinaritra indrindra, satria manome faniriana hamporisika ny hafa sy hanao izay hahasambatra azy ireny. “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalàna amin’ny fifanomezam-boninahitra.” “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo.” — Romana 12:10; I Korintiana 13:4, 5, Le Nouveau Testament en français courant.

Raha manohy mamboly ireo toetra ireo ianao, dia azo antoka fa hanampy anao Jehovah. Izany no nohamafisin’ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao: “Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:7.

Inona no irinao hatao?

Na dia tsapantsika rehetra aza fa tokony hifehy kokoa ny fihetseham-pontsika sasany isika, dia aoka isika hatoky fa azontsika atao ny mandroso sy mampitombo ny fahasambarantsika. Amin’izany isika dia tokony hitandrina tsara mba tsy hanaiky ho voatariky ny fanonofinofisana, na hanaiky ho resin’ny fihetseham-po toy ny fanahiana tsy mahasoa. Aoka kosa isika hiezaka hamboly fihetseham-po manorina sy mahasoa izay hahatonga antsika hihavana amin’ny tenantsika, amin’ireo namantsika sy amin’Andriamanitra.

Eny, tena misy antony tokony hahavononana hanao toy izany, amin’ny fiandrasana ny andro ‘hamokisan’i Jehovah soa ny zava-miaina rehetra’. (Salamo 145:16.) Miasà amim-paharisihana àry mba hanandramana ny fiainana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao sy milamina nampanantenain’Andriamanitra. Izany dia hanampy dieny izao mba hahatsapanao fa sambatra, dia fihetseham-po azo antoka fa anisan’ny faniry indrindra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara