Ireo fanandramana mitady fahafahana ahoana no hevitry ny kristiana ny amin’izany?
LAVIN’NY kristiana izay rehetra mety ho fanandramana mitady “fahafahana” ka mandà ny fahefana ampiharina tsara. Fa nahoana? Satria raha ny marina, dia tsy manafaka izany fa manandevo. Ampy ny ohatra iray mba hanazavana izany.
Toherin’ny zazalahy iray ny fahefan’ny ray aman-dreniny izay mandrara azy tsy hifoka sy handray zava-pisotro misy alikaola. Noho ny tsy fahatakarany fa mba hahasoa azy no ampiharan’izy ireo fahefana toy izany, dia iriny fatratra ny ho afaka amin’izany. Rehefa ampy taona izy, dia mandao ny tokantrano ka mahita ny fahafahana nirina aoka izany. Taona vitsivitsy atỳ aoriana anefa, rehefa tonga mpifoka be izy ary mila ho za-dratsy amin’ny fisotro misy alikaola, dia nanambara taminy ny mpitsabo azy fa noho ny antony ara-pahasalamana dia tokony hitsahatra tsy hifoka sy hisotro izy. Zavatra hitany ho sarotra ekena koa izany. Ny fiezahany ‘hanafa-tena’ dia nitarika azy ho amin’ny fahazaran-dratsy, ho amin’ny fanandevozana.
Manafa-tena amin’ny Fahefana feno
Feno ny fahefan’Andriamanitra ary miorina amin’ny maha-Mpamorona azy. Izany dia manome azy zo hametra ny fitondrantena mety amin’ireo zavaboariny, izay tsara sy ratsy amin’izy ireny. Izany marika naorina mba hahasambatra ny olombelona izany dia velabelarina mazava ao amin’ny Baiboly. “Aza mety hofitahina hianareo, hoy izy: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — I Korintiana 6:9, 10.
Tao anatin’izao taonjato faha-20 vonton’ny fahendren’izao tontolo izao sy amboamboarina izao indrindra ny olombelona no nanandrana nanafa-tena tamin’ireny fitsipi-pitondrantena tsara ireny. Kanefa, na dia ao aza ny fihetsiketsehana rehetra lazaina fa fanafahana, dia tsy mahay manafa-tena amin’ny vokatry ny fahotana, araka ny ilazalazan’Andriamanitra azy izy. Tsy afaka izy fa manjary andevon’ny filan’ny tenany, ny fitsiriritana sy fahamaimaizana, araka ny nasehon’i Jesosy mazava fony izy nilaza hoe: “Izay rehetra manota dia andevon’ny ota.” — Jaona 8:34; jereo koa Romana 6:16.
Manafa-tena amin’ireo fahefana voafetra
Ireo solontenan’ny fitondram-panjakana dia manana zo hampihatra fahefana eo anivon’ny fanjakana, ny ray aman-dreny eo anivon’ny fianakaviana, ny mpampianatra eo anivon’ny sekoly ary ireo loholona eo anivon’ny kongregasiona kristiana. Mazava ho azy fa voafetra ihany izany fahefana izany. Ohatra, ny fahefana fenon’i Jehovah, izay mandidy ny hamakian’ireo mpanompony ny Teniny sy hiarahany mivory amin’ireo namany kristiana, dia mialoha ny fahefana voafetra ananan’ny lehilahy iray izay hitaky ny tsy hanaovan’ny vadiny ireo zavatra roa ireo. — Asan’ny apostoly 5:29.
Etsy andaniny koa, ny fanekena ny fahefan’ny fanjakana voafetra dia milaza fa ny kristiana dia tsy afaka miaraka amin’ny fihetsiketsehana ho fanafahana amin’ny fikendrena ny hanongana io fahefana io. Tsy azon’izy ireo atao koa ny hanaiky tsy hankatò ny fitondram-panjakana noho izy ireo tsy mifanaraka amin’ny politikany fotsiny, na hamporisika olona tsy handoa ny hetrany mba hanoherana ny sasany amin’ireo fitarihany. “Izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra [ny fandaharan’Andriamanitra, MN]”, hoy ny apostoly Paoly izay manampy teny toy izao: “Ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.” — Romana 13:1-4.
Inona anefa no hatao raha toa ny solontenan’ny fitondram-panjakana iray ka tsy marina sy manampatra ny fahefany? Raha manavakavaka izy ka mitondra fatiantoka ho an’ny olona sasany na ny olom-bitsy tsy tiam-bahoaka? Manome antsika izao torohevitra manaraka izao ny Baiboly: “Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin’ny tany, dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.” (Mpitoriteny 5:7). Azo atao indraindray ny mangataka fanampiana amin’ny fahefana mitondra na ny fitsarana ambony. Kanefa, na dia tsy mahazo rariny amin’izany fomba izany aza ireo mpanompon’Andriamanitra dia mbola matoky ihany, satria “ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy”. — II Tantara 16:9.
Izay vao avy nolazaina dia mihatra koa amin’ny fianakaviana. Raha misy lehilahy vady na ray mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahefany, dia afaka matoky isika fa hanarina ny zavatra Andriamanitra amin’ny farany ary tsy hamela ny hisian’ny tsy rariny mihitsy ao anatin’ny fandehan-javatra vaovaony sy marina efa antomotra. Eo am-piandrasana, ny vehivavy sy ny zanaka kristiana dia manohy manaja ny fotopoto-pitsipiky ny fahefana kristiana, na dia ampiharina amim-panararaotana loatra aza izany indraindray. Takatr’izy ireo fa tsy natao hampietrena azy izany fa mba hiantohana ny filaminana sy ny firaisan-tsaina ao anatin’ny fianakaviana sy ao anatin’ny kongregasiona kristiana. — I Korintiana 11:3.
‘Manafa-tena’ amin’ny fahefan’ny kongregasiona
Raha ny amin’izay mahakasika ny fahefana ao anatin’ny kongregasiona kristiana, dia izao no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina.” (Hebreo 13:17). Na dia voafetra aza ny fahefana ampiharin’ireo loholona, dia tsy hoe tsy avy amin’Andriamanitra akory izany, tamin’ny alalan’ny fanahiny masina; noho izany dia amin’ny fomba mivantana kokoa noho ny fahefana voafetra omena ireo solontenan’ny fitondram-panjakana, ohatra. — Asan’ny apostoly 20:28.
Mihevitra ny sasany fa ireo fitsipika sy toromarika avy amin’ny fandaminan’Andriamanitra dia manery loatra ary tsy mamela fahafahana ampy ho an’ny olona. Izany dia nitarika azy ireo hanapaka ny fifandraisany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izy ireo tsy vonona ny hanaiky ireo izay niahy ny amin’ny fanahin’izy ireo. Na dia mety hihevitra aza ireny olona ireny fa nanafa-tena izy, raha ny marina, ny “fanafahana” azy ireny dia nanandevo azy indray tamin’ireo zavatra inoana sy fanao ara-pivavahana diso.
Ireo kristiana marina dia manaja ny fahefana; ny fahefan’Andriamanitra feno sy ny fahefan’olombelona voafetra. Izany fiheverana mety ny amin’ny fahefana izany dia misakana azy ireny tsy hampiasa amin’ny fomba ratsy ny fahafahana kristiana nentin’ny fahalalana ny fahamarinana ho azy ireny.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Feno ny fahefan’Andriamanitra ary miorina amin’ny maha-Mpamorona azy.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Tsy mikomy amin’ny fanjakana ny kristiana noho ny politika izay hanadinana azy eo anatrehan’Andriamanitra.
[Teny notsongaina, pejy 7]
Manaja ny fahefana ny kristiana marina; ny fahefana fenon’Andriamanitra sy ny fahefan’olombelona voafetra.
[Sary, pejy 7]
Aoka homentsika an’ireo fahefana eo amin’izao tontolo izao izay tokony ho azy.
Aoka isika hanaiky ny fahefana voafetra ao anatin’ny kongregasiona.
Aoka ho tsapantsika ny Fahefana tampony, Jehovah Andriamanitra.