Ny fahafahana irina aoka izany!
“OMEO fahafahana aho na omeo fahafatesana!” hoy ny fihiakan’ilay tia tanindrazana amerikana atao hoe Patrick Henry, roanjato taona mahery lasa izay. Taminy, dia sarobidy noho ny aina mihitsy ny fahafahana. Tao anatin’ny taonjato maro, dia olona an-tapitrisany maro no nitovy fihetseham-po taminy.
Ireo dimampolo taona farany anefa dia nahita fitomboana vaovao teo amin’ny faniriana ny hafahana. Ireo fanjakana zanatany dia namoy vahoaka an-tapitrisany maro izay niady mba hahazoana fahafahana ara-politika. fihetsiketsehana ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ara-pivavahana maro no noforonina mba hanakifihana ny ziogan’ny fampahoriana sy ny fanavakavahana — tena misy na an’eritreritra fotsiny. Tsy mbola nisy toy izao mihitsy ny habetsahan’ny olona naniry ho afaka amin’ny fahefan’ny mpampiasa azy sy ny fitondram-panjakana; tsy mbola nisy toy izao ny habetsahan’ny vehivavy te-ho afaka amin’ny fahefan’ny vadiny na ny rainy, ny ankizy naniry ho afaka amin’ny fahefan’ny ray aman-dreniny sy ny mpampianatra. Tsy vaovao velively anefa ny fihetsiketsehana mba hahazoana fahafahana. Raha ny marina dia saika niara-nanomboka tamin’izao tontolo izao izany. Mampahafantatra antsika bebe kokoa ny amin’izany ny bokin-tantara tranainy indrindra tamin’izay rehetra nosoratana, dia ny Baiboly Masina. Velabelarina ao ny fototry ny zava-manahirana, ao amin’ny Genesisy 3:1-7.
Fotoana fohy taorian’ny namoronana ny mpivady olombelona voalohany, dia nanatona ny vehivavy ny anjely noforonina iray izay ny asany dia nampiseho faniriana ny ho afaka tamin’ny fahefan’ny Mpamorona azy. Tsy mahagaga àry raha toa io anjely io ka nanantitrantitra fa nila fahafahana bebe kokoa Eva sy ny vadiny. Tsy marina ve fa nanome fepetra ho azy ireo Andriamanitra? Kanefa, hoy ny fanontaniany, nahoana izy ireo no tsy tokony hihinana amin’ny “voan’ny hazo eo afovoan’ny saha”? Rehefa dinihina tokoa dia ‘nahafinaritra ny maso ilay hazo’!
Manafaha tena, hoy izy tamin’ireo, dia “hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy”. Zavatra faniry re izany! Eny, nahomby izy tamin’ny fanaovana izay hiheverana ny faniriana ho afaka amin’ny “fanapahana mangeja” nampiharin’Andriamanitra ho sarobidy toy ny aina mihitsy.
“Omeo fahafahana aho na omeo fahafatesana!” Nahazo ireo anankiroa ireo Adama sy Eva — ka nitondra loza lehibe indrindra ho azy ireo sy ho antsika izany! Tamin’ny fomba ahoana?