FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/10 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizarana faharoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Iray Ihany ve ny Andriamanitra Marina?
    Mifohaza!—2006
  • Ahoana ny amin’ireo “andinin-teny lazaina fa porofo” manamarina ny Trinite?
    Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
  • Jaona 1:1: “Tany Am-piandohana ny Teny”
    Fanazavana Andinin-teny
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/10 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Ahoana no mety hahatonga an’i Jesosy ho “andriamanitra” noforonin’i Jehovah, kanefa ao amin’ny Isaia 43:10 i Jehovah dia nanambara hoe: “Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy”?

Marina fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampianatra — araka ny Baiboly — fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, fa noforonina izy ary eo ambany fahefan’ny Rainy (Jaona 14:28; I Korintiana 11:3). Na dia izany aza, noho izy nomena fahefana sasany ka miasa amin’ny maha-mpitondra teny (na Logos) ho an’Andriamanitra, dia araka ny fandrindran-javatra tanteraka ny hiantsoana azy hoe “andriamanitra”. Ny fandikan-teny sasany amin’ny Baiboly dia milaza, ao amin’ny Jaona 1:1, fa “andriamanitra” ny Logos. Ohatra, hita ao amin’ny Das Evangelium nach Johannes (1979) natontan’i Jürgen Becker izao: “(...) und der Logos war bei dem Gott, und ein Gott war der Logos.” [Amin’ny teny malagasy: “(...) ary ny Logos niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Logos dia andriamanitraa.”]

Kanefa, araka ny asehon’ilay fanontaniana, izany dia mety ho toa mifanohitra amin’ny Isaia 43:10, 11, izay milaza hoe: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.”

Amin’ny fandinihantsika amim-pahatsorana an’io andinin-teny ao amin’ny Soratra masina io, dia mahazo fanampiana isika raha mandinika amim-pitandremana ny teny manodidina. Eo ilay Andriamanitra Tsitoha atao hoe Jehovah dia mampitaha ny tenany amin’ireo sampin’ny firenena nanodidina ny Isiraely, dia sampy nataon’ny tanan’olombelona. Hoy ny fanontaniany: “Koa ampitovinareo amin’iza moa Andriamanitra? Ary endrik’inona no ampanahafinareo Azy?” Azo antoka fa tsy sary vita amin’ny metaly narendrika na sary sokitra vita tamin’ny hazo (Isaia 40:18-20; 41:7). Ny “andriamanitra” toy izany dia tsy ho afaka ‘hamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina’ toy ny nataon’i Jehovah (Isaia 40:21-26). Afa-tsy izany koa, Jehovah dia manana fahefana hilaza mialoha ny ho avy, kanefa kosa ireo sampin’ny firenena dia tsy mahay tanteraka ‘manambara izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatsika fa andriamanitra izy ireny’. (Isaia 41:23.) Io hevitra io dia lazaina indray ao amin’ny Isaia 43:9 izay anambaran’i Jehovah hoe: “Aoka hiangona ny firenena rehetra, ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; aoka ho entiny ny vavolombelony.” Rariny tokoa ny nanambaran’ny Tsitoha hoe: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” — Isaia 42:8.

Porofoin’ny teny manodidina àry fa mandefa fihaikana ho an’ireo lazaina fa andriamanitry ny firenena ny Tsitoha. Noho izy ireny sampy fotsiny tsy manana fahefan’ny andriamanitra mihitsy, dia azo antoka fa tsy andriamanitra izy ireny ka tsy tokony hanolotra fanompoam-pivavahana ho azy ireny mihitsy isika; tena tsinontsinona tokoa izy ireny. Manohy ny teniny toy izao i Jehovah: “Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany. Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; ary ny zavatra tiany indrindra [amin’ny metaly voarendrika na voasikotra ao amin’ny hazo] dia tsy mahasoa.” (Isaia 44:8-17). Noho izany, ny teny manodidina ny Isaia 43:10 dia mampiseho mazava fa tsy Jesosy akory no resahina eo; ireo “andriamanitra” asiana fitenenana dia sampy tsy manan-kerin’ireo firenena.

Ny anarana hoe “Andriamanitra” na “andriamanitra” dia mazàna no ampiasaina mba hanondroana zavatra hajaina ambony noho ny olombelona. Araka izany, ao an-tsain’ny maro, ny hoe “andriamanitra” dia milaza na 1) fisiana tampony, ny Tsitoha, na 2) andriamanitra sandoka toy ny sampy. Ny Baiboly anefa dia mampiasa azy amin’ny fomba hafa koa, araka ny ahitana azy ao amin’ny Salamo 82:1, 2. Eo ilay Andriamanitra (Jehovah Andriamanitra) dia avahana amin’ireo mpitsara olombelona antsoin’ilay mpanao salamo hoe “andriamanitra”. Nampahatsiahy an’io andinin-teny io ny tenan’i Jesosy indray andro. Nitady hitora-bato azy ny Jiosy sasany satria izy niresaka an’i Jehovah Andriamanitra ho Rainy. Tamin’ny fiampangan’izy ireo hoe ‘nanao ny tenany ho Andriamanitra’ izy, dia izao no navalin’i Jesosy: “Tsy voasoratra ao amin’ny lalànareo va hoe: ‘Hoy Izaho: Andriamanitra hianareo’? Raha ireny [mpitsara olombelona] izay nanaovana izany tenin’Andriamanitra izany no natao hoe ‘andriamanitra’ (...) moa izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’Andriamanitra Aho?” — Jaona 10:31-36.

Tsy azo lavina fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra Tsitoha iray ihany, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra (...) ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.” (I Korintiana 8:5, 6). Jesosy Kristy Tompo dia tsy andriamanitra sandoka, na andriamanitra demonia, na sampy fotsiny. ‘Taratry ny voninahitr’i Jehovah Andriamanitra’ izy (Hebreo 1:3.) Araka izany, dia tena nety ny naneken’ny Jaona 1:1 an’i Jesosy ho “andriamanitra” na “fisiana araka an’Andriamanitra”. (Bible du Centenaire.)

[Fanamarihana ambany pejy]

a “Ny anaram-boninahitra hoe ho theos [ilay Andriamanitra, na Andriamanitra] izay manondro ny Ray amin’ny maha-persona tena misy, dia tsy ampiharina amin’ny tenan’i Jesosy ao amin’ny T[estamenta] V[aovao]; Jesosy dia Zanak’Andriamanitra (an’ny ho théos). (...) Manome izao ny fandikana hentitra ny Jaona 1:1: ‘ny teny dia niaraka tamin’ilay Andriamanitra [= ny Ray], ary ny teny dia fisiana araka an’Andriamanitra.’ ” — Diksioneran’ny Baiboly (anglisy, 1965), nataon’i John McKenzie.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara