Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Ireo fivoriambe “Ny mpihazona tsy fivadihana” tany Philippines
IREO fivoriambe telo amby roapolo “Ny mpihazona tsy fivadihana” natao tany Philippines tamin’ny 1985 dia nahitana fahombiazana lehibe tokoa tamin’ny ambaratonga rehetra. Ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika, 213 734, dia nanamarika fitomboana 27 % amin’ny tamin’ny taona teo aloha ary avy roa heny sy tapany mahery noho ny isan’ny mpitory rehetra ao amin’io tany io. Mampiseho izany fa olona maro mankafy ny hafatra no nanatrika ireo fivoriambe. Afa-tsy izany koa, ny batisa 2 223 dia mampiseho fitomboana 14,5 isan-jato raha oharina amin’ny tarehi-marika tamin’ny taona teo aloha.
Tany Tuguegarao (Cagayan), dia olona teo amin’ny 12 000 eo ho eo no nandrasana, kanefa dia 24 327 ny isan’ny mpanatrika! Ny foiben’ny radiao iray dia nandefa fanadinadinana rahalahy nandritra ny 30 minitra, ka tsy isalasalana fa izany dia nanosika olona maro ho tonga. Nanontanian’ilay mpanao gazety an’ireo rahalahy ny fomba ahafahantsika mitana ny filaminana sy ny fiadanana amin’ireo fivoriambentsika. Nohazavain’ireo rahalahy taminy fa ny mpikambana rehetra ao amin’ny fandaminantsika dia miezaka hamboly lafiny roa amin’ny vokatry ny fanahy, dia ny fitiavana sy ny fiadanana. Araka izany, rehefa manao fivoriambe toy ireny isika, ny zavatra rehetra dia mandeha tsy misy fifandonana. Nanaitra mafy ny sain’ilay mpanao gazety izany ka nihiaka toy izao izy: “Tena mahatalanjona ny fandaminanareo! Tsy afaka manao toy izany ireo fandaminana hafa. Raha vao misy vahoaka be mivory toy izao, dia misy voina lehibe foana.”
Tamin’io fivoriambe io ihany koa, dia nanambara toy izao ny profesora iray tao amin’ny oniversite any Cagayan: “Be dia be ny mpanatrika; nanaraka fifehezana ireo solontena; niara-niasa izy ireo; naneho fandavan-tena tanteraka ho an’ny fanompoany izy ireo. Na dia maro be tokoa aza ny solontena, dia namirapiratry ny fahadiovana ny zavatra rehetra; nanjaka ny filaminana ary tsy nisy fisehoan-javatra nanahirana nitranga mihitsy, ka izany dia manaporofo fotsiny fa ireo Vavolombelona dia mampihatra ara-pivavahana izay ianaran’izy ireo ao amin’ny Soratra masina.”
Ny mpiandraikitra ny Rizal Memorial Stadium any Manille dia nanao izao filazana hevitra izao nandritra ny fivoriambe: “Ankasitrahako ny fandehan’ny fivoriambenareo. Tena voalamina tokoa ny Fikambananareo; vao voalohany izao no nahatsapako fa manaraka fifehezana tokoa ny Vavolombelona, satria vao voalohany izao no nahitako fivoriambe sahala amin’izao.”
Tao amin’ny fivoriambe tany Calbayog, ny mpitory fito tany amin’ny toerana nitokana dia nitondra olona tsara fikasa efatra ambin’ny folo niaraka tamin’izy ireo. Nahatsapa ny ilàna ho tonga tao amin’io fanasana ara-panahy io ireo anisan’ny fianakaviana iray tany Palawan ka nandany teo amin’ny 20 isan-jaton’ny vola miditra aminy isan-taona mba hankanesana tany amin’ny fivoriambe tany Puerto Princesa.
Tany amin’ny fivoriambe tany Manille, dia nisy solontena hafa firenena maro ka ny 80 isan-jato taminy teo ho eo dia nanao karazany iray tamin’ny asa manontolo andro. Nampahery ny nahita fa nitondra famporisihana ho an’ireo rahalahy aoka izany ilay tantara nitondra ny lohateny hoe Ny ho avinao — Mitaky fiezahana, izay nivaofy ny amin’ny asa manontolo andro. Tany Iloilo, ny olona telo izay nandray anjara tamin’io fampisehoana io dia voatohina aoka izany nandritra ireo famerenana, hany ka nandefa fangatahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona talohan’ny hanombohan’ny fivoriambe mihitsy aza. Tany Ormoc, dia nitantara ny prezidàn’ny fivoriambe fa taorian’ny fampisehoana tantara indrindra dia mpitory enina no nangataka taratasy fameno ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona.
Tsy isalasalana mihitsy fa ny fanahin’i Jehovah dia miasa eo amin’ny olony mba hahatonga azy ireo ‘hazoto hanolo-tena’ amin’izao andro farany izao (Salamo 110:3). Ireo fivoriambe “Ny mpihazona tsy fivadihana” natao tany Philippines dia namporisika be dia be an’ireo rahalahy sy ny olona mankafy ny fahamarinana ao amin’io tany io.