Andriamanitra fitiavana ve ilay Andriamanitry ny “Testamenta Taloha”?
“ILAY Andriamanitry ny Testamenta Taloha, ilay Iave an’ny jodaisma, dia andriamanitry ny fanozonana, andriamanitry ny fahatezerana sy ny fialonana. Tsy afaka ny hahatsiaro ho akaiky azy aho.” Izany no nolazain’i Youji Inoue, pretra katolika japone, tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Japon sy ny kristianisma” navoaka tao amin’ny anankiray amin’ireo gazety lehibe indrindra any Japon, ny Asahi Shimbun. Nanohy ny teniny anefa izy tamin’ny filazana fa tamin’ny farany io Andriamanitra io dia “niova mba ho tonga ilay Andriamanitry ny Testamenta Vaovao, izany hoe ilay Andriamanitra nampianarin’i Jesosy”.
Azo antoka fa tsy io mpitondra fivavahana io ihany akory no nieritreritra toy izany. Ary ianao, mihevitra koa ve ianao fa ilay Andriamanitry ny “Testamenta Taloha”, na Soratra hebreo, dia Andriamanitra masiaka sy mpamaly faty raha oharina amin’ny Andriamanitry ny “Testamenta Vaovao”, na Soratra grika kristiana?
Raha ny amin’ny olombelona, dia mety hiova ny toetrany. Ohatra, ny Baiboly dia mananatra an’ireo izay tia an’Andriamanitra mba ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. (Efesiana 4:24.) Tamin’ny fianarana ny Baiboly sy ny fampiharana izay nianarany, dia olona maro namelona fialonana, fahatezerana sy fihetseham-po ratsy hafa no nahavita fiovana lehibe ka ankehitriny dia maneho eo amin’ny fiainany andavanandro, ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia: “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po.” — Galatiana 5:22, 23.
Kanefa, azo atao ve ny milaza toy izany ny amin’ny Mpamorona, Jehovah Andriamanitra? Ilay izy “andriamanitry ny fahatezerana” ve “niova” mba ho tonga Andriamanitry ny kristiana, Andriamanitra fitiavana, araka ny iantsoan’ny sasany azy?
Mbola Andriamanitra fitiavana foana Jehovah
“Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona (I Jaona 4:8). Nambarany tamin’izany ny fahamarinana mandrakizay iray: ny Mpamorona, Jehovah, dia Andriamanitra izay tsy miova ny fitiavany, taloha sy ankehitriny ary ho mandrakizay. Ary manamarina izany fanambarana izany ny fitantarana araka ny Baiboly manontolo.
Rehefa namorona ny tany Andriamanitra, noho ny fitiavany, dia nataony ho fonenana tsara indrindra ho an’ny olombelona izany (Isaia 45:18). Taty aoriana, rehefa namorona ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, Adama sy Eva, izy, dia nanao azy ireo “tahaka ny endriny”, izany hoe nomeny azy ireo ny toetr’Andriamanitra toy ny fitiavana, ny fahamarinana, ny fahendrena sy ny hery. Napetrany teo anoloan’izy ireo koa ny fahatsinjovana ny hiteraka sy hanova ny tany manontolo ho tonga paradisa hiainan’izy ireo mandrakizay (Genesisy 1:27, 28). Moa ve izany tsy porofo fa Andriamanitra fitiavana izy?
Ny mpivady olombelona voalohany dia resin’ny fakam-panahy nampiharin’i Satana taminy tamin’ny alalan’ny menarana. Tamin’izay Adama sy Eva dia nanary izany soa mandrakizay izany tsy ho an’ny tenan’izy ireo ihany, fa ho an’ireo taranany mbola ho avy koa. Tamin’izay fotoana lehibe dia lehibe izay no nanononan’i Jehovah ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly. Izany dia ilay fampanantenana ilazana fa ny ‘taranaky ny vehivavy’ dia hanorotoro ny menarana amin’ny lohany (Genesisy 3:15). Moa ve io fampanantenana momba ny fanantenana sy fanafahana io tsy fisehoana mahagagan’ny fitiavan’Andriamanitra?
Tokony ho roa arivo taona taty aoriana, dia nanome izao fampanantenana izao ho an’i Abrahama mpanompony nahatoky Jehovah: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Naharihariny tamin’izany fa ‘ny taranaky ny vehivavy’ dia ho avy amin’ny taranak’i Abrahama (Genesisy 22:18). Io fampanantenana io dia nanamafy ny fanantenana fanafahana ary nampiseho fa tsy nihena araka ny fandehan’ny fotoana akory ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona. Tamin’ny fanomezana io fampanantenana io, dia ho avy mahatalanjona no natokany ho an’ny olombelona. Tsy isalasalana fa Andriamanitra fitiavana izy.
Ny fitiavan’Andriamanitra ny Isiraely
Taty aoriana, tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Jehovah Andriamanitra dia nanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana azy ireo tany Egypta ary nanao tamin’izy ireo ny faneken’ny Lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy. Tao amin’ny didy faharoa, dia izao no nambarany: “Izaho, Jehovah [Iave, Jé] Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro [mitaky fifikirana amiko irery ihany, MN ] ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.” — Eksodosy 20:5, 6.
Noho izy Mpanjaka, Tompo sady vady ho an’ny Isiraely, dia zon’i Jehovah ny hitaky fifikirana aminy irery ihany avy amin’io firenena io izay nifanaovany fanekena (Isaia 54:5; Jeremia 3:14). Imbetsaka dia imbetsaka io firenena io no niseho ho nivadika ary nitodika tany amin’ny andriamanitra sandoka. Moa ve tsy ara-drariny raha toa, noho ny fitiavany azy, ka nifehy azy Jehovah, ary naneho tamin’izany ny tsy fankasitrahany sy ny fanamelohany ny fitondrantenan’io firenena io nampiseho fikomiana?
Imbetsaka Jehovah no nampiseho fa nihevitra be dia be ny olony izy, ary nitaona azy hiverina aminy izy (Isaia 55:7). Na dia nanasazy ny Isiraelita noho ny fahotan’izy ireo aza izy ka tonga hatramin’ny famelana ny hanafoanana azy ireo tamin’ny naha-firenena sy ny hitondrana azy ireo ho any amin’ny fahababoana, tamin’ny fotoana mety dia namerina azy ireo ho any amin’ny taniny izy. Mampahafantatra inona antsika ny amin’i Jehovah izany rehetra izany? Moa ve izy Andriamanitra mialona, Andriamanitra feno fankahalana sy mpamaly faty? Tsia! Mifanohitra amin’izany kosa fa izy dia miharihary ho “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. — Eksodosy 34:6; Nehemia 9:17; Joela 2:13; Nahoma 1, 2, 3.
Ny fitiavany aseho amin’ny alalan’ny Zanany
Tao anatin’ny taonjato maro, Jehovah Andriamanitra dia nanome antsipiriany hafa ny amin’ny ‘taranaky ny vehivavy’ sy ny amin’ny ‘taranak’i Abrahama’; tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny, dia naminany ny amin’ny hahatongavan’ny Mesia izy. Rehefa tonga ny fotoana voatendry, dia nampiseho ny fitiavany tsy mbola nisy toy izany mihitsy izy tamin’ny fanirahana ny Zanany lahitokana ho eto an-tany mba hanolorany tena ho fanati-panavotana.
Raha niresaka ny amin’izany fandaharana mahatalanjona izany ny apostoly Jaona dia nilaza toy izao: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very [ringana, MN ] izay rehetra mino [maneho finoana, MN] Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Lehibe aoka izany ny fitiavana nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany, Jesosy Kristy, hany ka nanatsoaka hevi-diso avy amin’izany ny sasany fa tsy mety ho ilay Andriamanitry ny Soratra hebreo izany, dia Andriamanitra iray mitsara sy manasazy.
Kanefa, moa ve ilay Andriamanitra noresahin’i Jesosy hafa dia hafa noho ilay Andriamanitra voalazalaza ao amin’ny Soratra hebreo? Sa kosa nofidina ny tsy hijery afa-tsy izay tiana hojerena. Moa ve io andinin-teny fantatra loatra ao amin’ny Jaona 3:16 io tsy mampiseho mazava fa izay tsy mety “maneho finoana” ny Zanaka dia ho “ringana”? Afa-tsy izany koa, dia nanampy teny toy izao i Jaona: “Izay tsy mino [tsy mankatò, MN ] ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:36). Raha toa izany ka tsy manaisotra na inona na inona amin’ny fahalehibeazan’ny fitiavan’i Jehovah, nahoana ny fisehoan’ny fahatezerany tamin’ny Isiraelita nivadika sy ny firenena hafa ao amin’ny Soratra hebreo no tsy hanao azy ho Andriamanitra fitiavana kokoa?
Ny fikasan’Andriamanitra feno fitiavana ny aminao
Izao no nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Malakia mpaminaniny: “Fa Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:6). Tsy vitan’ny hoe mbola Andriamanitra fitiavana ihany izy, fa tsy miova hatrany koa ny fikasany feno fitiavana ny amin’ny olombelona sy ny tany. Toy ny nametrahan’i Jehovah teo anoloan’i Adama sy Eva ny fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany tonga paradisa, dia toy izany koa fa io Andriamanitra fitiavana io dia maniry ny hahatongavanao ho anisan’ireo izay hiaina sambatra mandrakizay ao amin’ny Paradisa (Lioka 23:43, MN; II Petera 3:13; Apokalypsy 21:4). Fa inona no tokony hataonao amin’izany? Hoy Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahafantatra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra manana fitiavana tsy miova.