FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/12 p. 29-30
  • Ny Météores: ireo vatolampy goavana ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Météores: ireo vatolampy goavana ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny safodrano voalazan’ny angano
  • Ireo monasiteran’ny Météores
  • Pejy Faharoa
    Mifohaza!—2002
  • Safodrano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zeosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ahoana no Amaritana ny Datin’ireo Soratra Natao Tanana Fahiny?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/12 p. 29-30

Ny Météores: ireo vatolampy goavana ireo

IREO vatolampy goavan’ny Météores, any Thessalie, any afovoan’i Gresy, dia tena zava-mahatalanjona tokoa. Ny tany lemaka midadasik’i Thessalie mihitsy dia fitehirizana rakitry ny ela amin’ny sangan’asa araka ny natiora. Malaza noho izy tsara tarehy sy lonaka izy io. Rehefa miditra ao amin’io tany lemaka io avy ao atsinanana ny tena dia mandalo eo amin’ny vavahady iray mamakivaky ny hadilanana mahatalanjon’i Tempé, eo amin’ny alokaloky ny tendrombohitra Olympe manerinerina, voalazan’ny angano ho nitoeran’ireo andriamanitra grika roa ambin’ny folo. Mikoriana eo am-pototr’i Olympe i Penée, ary any amin’ny farany andrefana amin’ilay tany lemaka no mitsangana ny Météores.

Izany vatolampy goavana izany dia miteraka fahagagana, fahatalanjonana, tahotra, fifaliana sy mahafanina. Ny sasany amin’ireny vatolampy ireny, mahitsy toy ny tsangambato egyptiana, dia mahatratra 600 metatra ny haavony. Tsy azo lavina fa izy ireo dia mahaforona antontam-panambarana ny amin’ny herin’ny Mpamorona.

Araka ny filazan’ny manam-pahaizana momba ny toetry ny tany, ny fiforonan’ny Météores dia efa hatrany amin’ny vanim-potoana ela indrindra nisian’ny tany, tamin’ny fotoana naha-fanambanin’ny ranomasina ny tany lemak’i Thessalie manontolo ka nahaforona mikitoantoana sy tsy fitovian-javatra. Ny mpanao fikarohana hafa dia milaza ny datin’ny mety ho niforonan’ny Météores ho vao an’arivony taona maromaro ary milaza fa ny nahatonga ny fisehoany dia horohorontany sy fikikisan’ny ranomasina. Na ahoana na ahoana, izy ireo dia miray hevitra mba hiaiky fa ny rano no nisokitra an’ireo goavana ireo tamin’ny fampiasana hery mahagaga. Rariny anefa ny mety hanontaniana tena hoe avy aiza izany rano rehetra izany.

Ny safodrano voalazan’ny angano

Ny angano grika fahizay dia mampahatsiahy an’io faritra io. Ny karazan-tononkira nataon’i Pindare sy ireo zavatra nosoratan’i Apollodore dia mitantara fa tamin’ny andro nanjakan’i Deucalion voalazan’ny angano tany Phtiotide, any Thessalie, Zeus, mpanjakan’ireo andriamanitra olympiana, dia tapa-kevitra ny hanafoana ny olombelona ratsy fanahy sy nitera-doza tao amin’ny safodrano iray. Mba handosirana ny fahatezeran’ireo andriamanitra, Deucalion dia nanorina sambo fiara nitehirizany ireo vatsy tena nilaina mba hahatafita velona. Taoriana kelin’ny nidirany tao amin’ilay sambo fiara niaraka tamin’i Pyrrha vadiny, dia nipoaka ny safodrano nahery ka nanafotra ny tapany lehibe indrindra tamin’i Gresy ary nahafaty an-drano “saika ny olona rehetra”. Tao anatin’io safodrano io no niforona ireo tendrombohitr’i Thessalie. Nandritra ny sivy andro sy sivy alina, ny sambo fiaran’i Deucalion dia nitety onjan-drano mandra-pahatongany teo an-tampon’ny tendrombohitra Parnasse, any Thessalie.

Rehefa nivoaka ny sambo fiara i Deucalion dia nanolotra fanatitra ho an’i Zeus Phyxios. Io andriamanitra io dia nandidy azy sy ny vadiny hanipy vato eo ambonin’ny sorok’izy ireo. Ireo nalefan’i Deucalion dia niova ho lehilahy, fa ny natsipin’i Pyrrha kosa niova ho vehivavy. Nasiana fanovana be dia be ny fitantaran’ny Baiboly ny tena safodrano tamin’ny andron’i Noa tao amin’io fandikana azy ho angano io. — Genesisy 6:1 ka hatramin’ny 8:22.

Ireo monasiteran’ny Météores

Ny Météore Lehibe dia manerinerina any amin’ny 613 metatra eo ambonin’i Pénée. Mitsangana eo an-tendrony ny monasteran’i Metamorphosis, ny lehibe indrindra amin’ireo enina izay itoerana amin’izao andro izao. Tsy mora akory ny fidirana any: atao amin’ny lalankely vato sy ny tohatohatra natao tao anaty vato izany.

Ao amin’ireo monasiteran’ny Météores amin’izao andro izao dia ahitana fitehirizam-boky mirakitra soratanana maro be. Nahitana be dia be tamin’izany tao amin’ny fiafenana toy ny rindrina, hazo amin’ny lohan-trano, ary tany ambany kidoro aza.

Ireny soratanana ireny dia soratra ara-pivavahana sy ara-pitondrana fivavahana indrindra. Misy aminy koa anefa miresaka ny amin’ny tantara, literatiora, filozofia sy siansa. Ny pejiny dia hoditr’ondry manify na taratasy, ary natao tany amin’ny taonjato faha-9 ka hatramin’ny faha-19. Anisan’ireny soratanana ireny ny hoditr’ondry Codex 591 natao tamin’ny 861-862 amin’ny fanisan-taona iraisana. Io no soratanana tranainy indrindra misy any Gresy; misy 423 pejy izy io ary famoaboasana ny Evanjilin’i Matio.

Hita ao koa ny antontan-taratasy mirakitra tahirin-kevitra toy ny fitambaram-pitantarana ny fiainan’ireo emperora sy patriarka tany Byzance misy sokitra volamena. Eo amin’ny 3000 ny isan’izy ireny. Tsy betsaka kosa anefa ny soratanana amin’ny Baiboly, satria tsy nanokan-tena amin’izany karazana asa izany ireo mpanao kopia ao amin’ny Météores.

Ireo monasitera dia feno sary ara-pivavahana (icônes) izay mampiseho olona araka ny angano sy olona tena nisy, ary fisehoan-javatra manaporofo ny zavatra inoan’ireo moanina ara-pivavahana. Ohatra, ny fampisehoana ny fiverenan’i Kristy fanindroany dia mampiseho mpanota atsipy ao am-bavan’ny biby sampona mahatsiravina. Any an-toeran-kafa, ao amin’ny tempolin’i Joany Mpanao batisa, dia ahitana sary vato mivohitra kely mampiseho mpitaingin-tsoavaly izay eo anoloany no ijoroan’i Vénus.

Mifarana toy izany ny fitsidihanay tao amin’ny Météores. Na inona na inona fiheverana ireo zava-bitan’olombelona hojerena ao amin’io toerana io, ny halehiben’io vatolampy goavana io dia tsy mamela tsy hihetsi-po.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Photo: ambassade de Grèce

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara