FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/1 p. 26-30
  • Lalana iray tsy misy farany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lalana iray tsy misy farany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanombohan’ny lalana
  • Mpiara-dia
  • Teny an-dalana
  • Fahatsiarovana teny an-dalana
  • Mitondra Fitahiana ny Fanaovana Safidy Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Nahazo Fanampiana mba Handresena ny Fahasarotan-kenatro Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fihazonana ny Fiainana ho Tsotra mba Hanompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/1 p. 26-30

Lalana iray tsy misy farany

Nataon’i Eva Carol Abbott

TERAKA tamin’ny 21 desambra 1908 aho, zanak’i Grace Pearl sy William Vaughan, tao amin’ny toeram-piompiana iray akaikin’i Emporia, any Kansas (Etazonia). Avy any Emporia izahay no niainga ho any amin’ireo tany lemak’i Colorado, nahitana fiainana mafy sy nitokana. Nanana sompitra izahay, milina fitotoana mihodina amin’ny rivotra sy trano izay, araka ny nilazalazan-dreniko izany tamiko, dia toa sahala amin’ny kalesin-dalamby. Nisy lakozia lehibe tokoa io fonenana io ary nisy efitra nalalaka hafa iray sady natao fandraisam-bahiny no natoriana.

Ny sasany tamin’ireo olona vitsy dia vitsy nanodidina anay anefa dia nonina tao amin’ny fialofana. Ny tapan’ireny fonenana ireny dia teo ambonin’ny tany ary ny tapany tany ambany. Nandritra ny vanim-potoan-dririnina naharitra sasany, dia rakotry ny orampanala tanteraka ireny trano bongo ireny. Tamin’izany ireo ray aman-dreniko dia naharay antso an-telefaonina avy tamin’ireny mpiara-monina voasakan’ny orampanala ireny (na dia nahantra aza izy ireny dia nanana telefaonina) izay niantso mba hanontany ora. Ary rehefa novaliana izy ireny dia nanampy teny hoe: ‘Maraina sa hariva?’

Imbetsaka isan-taona ireo mpamboly dia nandeha nandritra ny andro vitsivitsy tany an’ala mba hikapa tsato-kazo. Nalahany teo amin’ny kalesin-tsoavaly matanjaka izany ary nentiny ho any an-tanàn-dehibe mba hatakalo sakafo, vatsin-dririnina sy voa hafafy amin’ny lohataona. Nandritra izany vanim-potoana izany, dia izahay sy i Neny irery no nijanona; nandritra ireo takariva lava, dia nahazatra azy ny namela diloilo hirehitra tao anatin’ny antsasaky ny alina raha mbola namaky sy namerina namaky ny Baiboliny izy. Nino mafy dia mafy izy fa nanana vahoaka Andriamanitra ary nitady ny lalana nitarika ho amin’izany vahoaka izany izy.

Fony aho telo taona, dia nandamina tokantrano vaovao tany amin’ny toeram-pambolena iray any Kansas, any akaikin’ny tanàna kelin’i Kiowa, ireo ray aman-dreniko. Ny tapany tamin’ny dianay dia natao tamin’ny kalesy iray norakofan’ny raiko lamba. Voan’ny gripa aho, ary tsaroako fa natory teo ambony kidoro mololo tamin’ny tany tao anaty kalesy aho, nafana tsara, nijery ilay jiro mirehitra amin’ny diloilo nahantona teo amin’ny lamba ambonin’ny lohako nihetsiketsika. Nohorin-dreniko tamin’ny fifangaroa-mena-kisoa masaka sy “térébenthine” ary menak’arina aho. Mbola tsaroako ihany ny fahasambarana tsapako noho izany sy ny rivo-piainana nalefaka sy feno fitiavana niaraka tamin’izany.

Ny fanombohan’ny lalana

Anisan’ireo fahatsiarovana tamin’ny fahazazako koa ny nifindranay monina nankany Alva, Oklahoma. Notadiavin-dreniko foana ny lalana mitarika ho amin’ny “olon’Andriamanitra”. Indray andro, dia nahita trakitra vitsivitsy momba ny Baiboly tao an-davaranganay izy. Fotoana fohy taorian’izay, tao amin’ny magazay niasany, dia nanatona ny raiko ny “colporteur” (mpitory manontolo andro) iray ka nampiseho taminy anankiray tamin’ny Etudes des Ecritures nataon’i Charles Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower. Na dia i Dada aza no nividy ilay boky, dia i Neny no namaky azy, ary tsapany fa ny hafatra noraketiny dia nitovy fiaviana tamin’ireo trakitra napetraka tao an-davarangana.

Nanasa an’i Dada ho any amin’ny fivoriana iray ilay “colporteur” mba hianatra Baiboly tamin’io hariva io. Tsy naniry ho any izy fa i Neny no nankany niaraka tamiko. Manjavozavo fotsiny ny fahatsiarovako an’io fivoriana io; tsaroako anefa ireo andinindininy notantarain-dreniko tamiko imbetsaka. Teo amin’ny roa ambin’ny folo ny mpanatrika, ary napetraka izao fanontaniana izao: “Ahoana no fomba ahafatesana?” Teo amin’ny mpanatrika, dia namaly toy izao ny rahavavy iray: “Toy ny biby.” Tafintohina i Neny. Notapahiny ny fifanakalozan-kevitra: “Aza fady, tokony horaisiko amin’izany ve fa mino ianareo hoe maty toy ny biby isika?” Hoy ny navalin’ilay anadahy nitarika ny fifanakalozan-kevitra: “Tianao ve ny hamaky ny Mpitoriteny 3:19-21?”

“Navelany aho hanapaka ny fivoriana tamin’ny fanontaniana napetrako nisesy, ary nandany ny takariva manontolo izy ireo namaliana izany”, hoy ny fitantaran’i Neny tamiko tamim-pahafinaretana. Tsaroako fa rehefa nody tany an-trano izahay dia taitaitra aoka izany izy. Tsy isalasalana mihitsy fa hitany ny olon’Andriamanitra sy ny fomba fiaina tiany harahina. Nanomboka teo ny lalana.

Tamin’ny 1913 no nitrangan’izany. Nanaraka izany ny fandefasana sarimihetsika sy “diapositives” an’ny Fikambanana Watch Tower izay nahaforona ny “Photo-Drame de la création”. Faly aoka izany i Neny anisan’ireo mpanatrika tafavory tao amin’ny teatira tao an-tanàna. Nampahery an’i Neny tokoa ireo taona lany tany Alva ireo. Imbetsaka aho no niteny taminy hoe: “Neny a, mitsiky ianao izao; tsy fanaonao matetika izany.”

Efa niandany mafy tamin’ny fahamarinana i Neny. Tamin’izany fotoana izany, ny mpianatra ny Baiboly sasany dia nino fa “vetivety” dia hakarina ho any an-danitra izy ireo ary nihevitra fa hanomboka tsy ho ela ny fiainana mora. Tsy toy izany anefa ny fihetsiky ny reniko. Tsy main’ny fitsiriritana ho any an-danitra avy hatrany izy. Araka ny nolazainy, i Neny dia ‘variana loatra nianatra, nandinika, nankany amin’ireo fivoriana sy nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana’.

Taoriana kelin’izay, dia nirehitra ny Ady Lehibe Voalohany, ka izany dia nanosika ireo mponin’ny tanàna hanenjika anay. Tsaroako ny niarahako tamin’i Neny isam-baravarana mba hanangona sonia ho amin’ny fangatahana natao halefa any amin’ny fitondram-panjakan’i Etazonia. Io fangatahana io dia nitaky ny hanafahana ny anadahy Rutherford sy ireo namany fito, izay nampidirina tsy ara-drariny tany amin’ny tranomaizin’i Atlanta, any Géorgie. Nisy fisehoan-javatra hafa iray nanery anay hiainga anefa.

Rehefa vita ny ady, dia nipoaka ny gripa espaniola nifindra. Nampihena ny herin’i Neny ara-batana ny gripa. Nanoro hevitra ny raiko àry ny mpitsabo mba hanorim-ponenana tany atsimon’i Californie ho tsara toetr’andro kokoa. Tonga tany Los Angeles izahay, avy eo dia nanorim-ponenana tany Alhambra, tsy lavitra an’io tanàna io. Tao no tsy maintsy nanaovako ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra teo amin’ny fiainako.

Tamin’ny 1924, dia nandeha tamin’ny fiaran-dalamby ho any Los Angeles izaho sy ny namana iray mba hanatrika fandevenana ny anankiray tamin’ireo rahavavinay kristiana tianay tokoa. Tamin’ny dia niverina, dia nifanakalo hevitra ny amin’ny fanokanana (antsoina hoe fanoloran-tena amin’izao andro izao) izahay. Nanomboka nieritreritra tsara ny fiainako aho ary niresaka ny amin’io raharaha io tamin’i Neny. Nanao fikarohana ny amin’io foto-kevitra io àry aho tao amin’ireo fanontana indray Ny Tilikambo Fiambenana ary novakiko izay rehetra nosoratana momba ny fanokanana nanomboka tamin’ny taona 1908. Tsy ela taty aoriana, dia nanokana ny fiainako ho an’i Jehovah aho, ary tamin’ny oktobra 1925 dia natao batisa aho.

Mpiara-dia

Indray andro tamin’ny 1927, dia nisy nilaza tamiko fa naniry hihaona tamiko ny anadahy iray natao hoe Herbert Abbott. Gaga aoka izany aho, satria tsy fantatro akory izy io. Tsy ela anefa dia hitako izy. Reny fa 18 taona aho ary nanolo-tena ho an’Andriamanitra hatramin’ny roa taona, ka nahafinaritra azy izany. Nampifankahalalaina àry izahay; nifanerasera nandritra ny telo volana izahay, ary nivady tamin’ny jolay 1927.

Nividy trano iray tany amin’ireo havoana tsara tarehy any Pasadena izahay sy Herbert. Indray lohataonan’ny 1928, dia hitako ny taratasy iray nanome fanazavana momba ny asan’ny mpitory maharitra. Ny hariva, rehefa nody avy niasa i Herbert, dia namoaka hevitra aho fa afaka nivarotra ny tranonay izahay ary ho tonga mpitory maharitra. Namaly ahy izy fa raha vonona ny hamela ny fomba fiainanay aho, dia tsy nanda izy.

Ny faritany nomena anay dia Charles City, tany Iowa, ary tokony ho any izahay taorian’ny fivoriambe tany Detroit. Tamin’ny lohataona, dia vita ny fiomananay ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra, kanefa toy inona moa ny fahatairanay fa nitoe-jaza aho. Inona no hataonay? Ny fanovana ireo volavolan-kevitray dia toy ny filazana hoe: “Fantatray, Jehovah ô, fa ho afaka hikarakara anay roa ianao, fa tsy izahay telo mianaka.”

Taorian’ny fivoriambe, dia nankany amin’ny faritaninay izahay sy Herbert, tany Charles City. Rehefa bevohoka valo volana anefa aho, dia hitanay fa fahendrena ny niverina tany Los Angeles ka, tamin’ny fiandohan’ny janoary 1929, dia niteraka vavy kely tsara tarehy izahay, Perousia Carol. Tsy naharitra afa-tsy sivy volana anefa ny fifalianay; maty ilay zaza tamin’ny oktobra.

Nitana be dia be ny sainay ny fampanantenana fananganana ny maty nomen’i Jehovah. Fahavalo anefa ny fahafatesana ka trotraka izahay tamin’ny nahafatesan’ilay zanakay vavy kely. Ny eritreritra tamin’alahelo rehefa nahalala fa nandry tao amin’ny tany ilay zanakay malala, dia nihena noho ny fahalalanay ny Tenin’Andriamanitra. Natory fotsiny ilay zanakay vavy kely; hotsaroan’i Jehovah foana izy (Jaona 11:11-14, 23-25). Efa ela izay no natoriany, kanefa hifoha izy indray andro any ka izany dia ho porofo fa marina ny Tenin’Andriamanitra. Iriko foana ny hahita azy midera mandrakizay ny anarana lehiben’i Jehovah.

Teny an-dalana

Nanao volavolan-kevitra vaovao indray izahay ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Tamin’ny martsa tamin’ny taona nanaraka, dia nividy kalesy tarihin’ny fiarakodia nitafo lamba azo navalona izahay ary mba hitarihana azy, ilay Studebaker nahalany olona fito nanananay dia nosoloanay Ford A. Tamin’izany no nanombohan’ny 25 taona laninay teny an-dalana.

Naharitra valo taona mahery ilay kalesy tarihim-piarakodia nitetezanay lalana tamim-pifaliana. 1,50 metatra sy 1,20 metatra ny refiny. Teo amin’ny hazo fisaka azo nesorina 29 santimetatra sy 30 santimetatra no nahandroan-tsakafo. Azo natao ny nampiasa fandriana tsara roa, fatana mandeha amin’ny lasantsy misy afo roa, siny iray, fanilo mandeha amin’ny lasantsy, milina fanafanàna mandeha amin’ny diloilo, fasian-drano fanasan-damba, hazo fisaka fanasan-damba, fera fipasohana mandeha amin’ny lasantsy sy hazo fisaka fipasohana. Nisy talantalana azo nentina koa teo ambonin’ny fatana iray nametrahana talantalana kely nisy ny bakolinay avy any Haviland tsara tarehy, fanomezana tamin’ny fampakaram-badinay. Indray alina, dia niala ireo visy nitana ilay talantalana ka nianjera niparasaka ny zavatra rehetra, anisan’izany ilay fanilo teo amboniny. Tsy dia nisy fahavoazana be loatra, afa-tsy ireo lovianay potipotika.

Indraindray, dia tsy maintsy nosoloanay ny lamba nanarona ilay kalesy. Mba hanaovana izany dia nividy lamba henjana nampiasain’ny mpamboly hazo hanaronana ny voasary mba hampievohana azy izahay. Notapatapahinay lavalava izany ary nozairinay natambatra tamin’ny fanjaitra nibiloka mandra-pahavitan’ny tafon’ilay kalesy tarihim-piarakodia.

Ny alatsinainy dia andro fanasan-damba. Nanasa sy nanakoban-damba izahay tamin’ny rano nantsakainay tao amin’ny renirano na ny fantsakan’ny vohitra ary nafanainay tamin’ny afo natao teo ivelany. Nanana lafaoro azo nosaratsarahina koa izahay ka nanao mofo tamin’izany aho hatao sakafo nandritra ny herinandro. Vonona ny handresy ireo fahasahiranana tao amin’ny faritaninay àry izahay.

Tao anatin’ireo taona 1930 dia nisy fifindran’ireo mpamboly sy mpiompy toerana nankany amin’ireo tanàn-dehibe. Indraindray izahay dia nanaraka lalana iray kilaometatra maromaro namakivaky tendrombohitra sy hadilanana nefa tsy nahita afa-tsy trano tsy nisy nipetraka. Mba handaminana an’io zava-manahirana io, dia nojerenay tamin’ny masolavitra raha nisy lamba nihahy, na setroka nivoaka, na biby fiompy teny akaiky teny. Nahatonga anay ho afaka hitsitsy fotoana sy lasantsy izany. Mazava ho azy fa tsy azonay natao foana ny nahita raha nisy mponina teny amin’ny lalana; tamin’izany, dia nanontanianay ny olona raha nitarika ho any amin’ny trano iray ilay lalana.

Indray mandeha, dia tsy fantatray izay tokony hatao. Nisy toeram-piompiana sy fambolena tany amin’ny 24 kilaometatra tany ambadiky ny tendrombohitra, kanefa tsy azon’ny olona antoka raha nisy mponina tao. Tsy maintsy notombananay raha ho ampy ny lasantsy ho amin’ny dia ny ampitso. Teo akaiky teo dia nisy rano nikoriana tokony ho iray metatra ny sakany. Koa satria nangetaheta i Herb, dia nidina izy ka nandohalika mba hisotro rano. Tamin’izay no nisy zavatra namirapiratra nanintona ny sainy. Naninjitra ny tanany izy ka naka avy tao anaty rano, vola dôlara maromaro. Mazava ho azy fa tsy nisalasala izahay ary nandroso. Lava ny lalana sady sarotra ary tsy nahaliana an’ilay tompon-trano ny Baiboly, kanefa fantatray fa voatsidika ilay faritany ary nahazo fanambarana io lehilahy io.

Fahatsiarovana teny an-dalana

Tao anatin’ireo taona, dia nandia fotoana nampihetsi-po sy nampihomehy izahay. Rehefa nataon’ny vahoaka ratsy fitondra izahay tany Corning, any Californie, izaho sy ny rahavavy efatra dia nanampy an’i Aleck Bangle (izay misionera any Jamaïque amin’izao andro izao) nokapohin’ny olona. Tao an-dalana dia maherin’ny zato ny mpitanaka foana nitehaka daholo an’ilay nikapoka azy. Mihomehy aho izao rehefa mahatsiaro fa nesoriko ny kiraroko avo ka nikapohako ny lohan’ilay lehilahy rehefa niondrika izy mba hamely mafy an’i Aleck.

Ny fanontana amin’ny teny anglisy tamin’ny 29 may 1940 ny Consolation (Réveillez-vous! amin’izao fotoana izao, dia nametaka teo amin’ny fonony, ny sarin’ny prezidà amerikana fahatelo, Thomas Jefferson, niaraka tamin’ny saina amerikana. Tamin’izany vanim-potoana nisy fikorontanana sy fanenjehana izany, dia noheveriko fa tsara ny hananana foana sasany amin’ireny nomerao ireny tao anaty kitapoko fitondrana gazety, sao misy hilanay izany. Indray asabotsy tokoa, raha nanolotra gazety teny amin’ny arabe izahay, dia nanatona lehilahy roa aho. Ny anankiray tamin’izy ireo, niseho ho nasiaka aoka izany, dia niteny tamiko tamin’ny fomba nihaika: “Raha nanana anankiray nisy ny saina amerikana ianao, Ramatoa kely, dia ho noraisiko, saingy Vavolombelon’i Je...” Talohan’ny hanohizany ny teniny, dia alaonareo sary an-tsaina izay navaliko azy: “Faly dia faly aho, Andriamatoa; ananako indrindra ny tadiavinao.” Navoakako avy tao anaty kitapoko io nomerao io. Nitsahatra tsy nampaneno ny volany tao am-paosiny izy, tera-mena, ningonongonona ary nanome ahy ny takalon’ilay gazety.

Nandia fotoana hafa iray koa nahatsikaiky aho fony izahay nizara ho an’ny anisan’ny klerjy rehetra ilay bokikely manokana mitondra ny anarana hoe Le Royaume, l’espérance du monde. Tao amin’ny trano iray, dia tonga namoha varavarana ny mpitondra fivavahana iray. Tsy niriny velively ny handray an’io bokikely io, nefa ny toromarika azonay dia ny hamelana izany araka izay azo atao, hany ka niteny taminy tamim-pahalemem-panahy toy izao aho: “Ity ny anao, tompoko, apetrako eto ho anao.” Nihodina aho mba handeha, ary rehefa nidina teo amin’ny lalankely aho, dia nanidina teo amboniko ilay bokikely ary nianjera teo amin’ny tany teo anilan’ny rano nihandrona. Noraisiko ilay izy, satria tsy tiako havela teo. Tamin’izay indrindra anefa no nisy alika be nitsamboatra nivòvò tao an-damosiko; nalainy avy teny an-tanako ilay bokikely ary niverina nihazakazaka nanatona ny tompony, dia ilay pastora, izy. Izay tsy vitako, dia nataon’ilay alika!

Tamin’ny 1953, izahay sy Neny ary Herbert dia nanorim-ponenana tany Sacramento, any Californie. Koa satria nanan-java-nanahirana ara-pahasalamana i Herbert, dia tsy maintsy nanova ny fomba fiainanay izahay. Matetika aho no misaotra an’i Jehovah noho ny nitahiany ahy tamin’ny fanomezana ahy reny be fandavan-tena sy vady nahatoky. Efa maty izy ireo izao; nahazo ny valisoany any an-danitra izy ireo. Maty tamin’ny 1975 i Neny; nahavita ny fihazakazahany teto an-tany i Herbert tamin’ny septambra 1980, teo amin’ny faha-82 taonany. Mbola mahatsiaro ho tena irery foana aho, nefa rehefa eritreretiko indray ireo taona niarahanay nandany tamin’ny asa, dia mahazo fampaherezana aho. Ary fantatro fa tsy ho tapitra ny lalana, satria Jehovah, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, no Mpitarika ahy eo amin’ny lalana izay mitondra ho amin’ny mandrakizay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara