Nandresy ny fanirian-daza nandany ahy aho
Nataon’i Waikato Gray
MANOKANA ny fahaterahako nitranga tamin’ny 2 desambra 1928. Koa satria ny fitombenako no nivoaka aloha, dia saika namoy ny ainay tamin’izany izaho sy ny reniko ary teraka bingo aho. Soa ihany fa nanampy ahy ny nenitoabeko iray ka afaka nanitsy izany. Zava-dehibe ny fandraisany anjara ho an’ny fiainana Maoria hananako any Nouvelle-Zélande.
Ny raiko, Clark Gray, dia anisan’ny foko maoria teo amin’ny Ngati-Tuwharetoa, ary ny reniko, Hore Teree, dia avy amin’ny fokon’ny Ngati-Kahungunu. Araka ny firazanan’ny Maoria taloha, dia nahazo lova tsara aho, satria taranaky ny filoham-poko roa fatra-paniry laza aoka izany. Tonga hery nandany teo amin’ny fiainako koa ny fanirian-daza.
Ny fandreseko ny fahantrana
Izaho no zanaka fahatelo tao amin’ny fianakaviana iray nisy zanaka valo tamin’ny farany. Namakivaky ny fotoam-pahasahiranana lehibe izahay ary nahantra tokoa ny ray aman-dreniko. Nonina tao amin’ny trano iray nisy efitra roa tany Bay View, any akaikin’i Napier, ao amin’ny nosy Avaratra, any Nouvelle-Zélande, izahay folo mianaka. Tsaroako foana ireo raharaha tsy maintsy natao isan’andro: tsy maintsy naka kitay teny amoron-drano sy nantsaka tao amin’ny lava-dranon’ny mpiray tanàna iray tamin’ny siny fasiana “kérosène” mahalany 15 litatra. Na lohataona na ririnina, dia nandeha 8 kilaometatra an-tongotra tsy nikiraro izahay mba hankanesana any an-tsekoly.
Izany fahantrana izany dia namelona ny faniriako laza hanefy ho avy tsaratsara kokoa, hahazo fianarana mety sy ho tonga olo-malaza. Ny sekoly no toerana tsara indrindra mba hanombohana. Mora ny nanarahako ny fianarako ary nahay koa aho tamin’ny fifaninanana amin’ny fanatanjahan-tena sy tamin’ny rugby. Tonga ny haingam-pihazakazaka indrindra tao amin’ny lycée nianarako aho ary tsy ela dia noraisina tao amin’ny antokon’ny rugby aho. Niely tany amin’ny sekoly rehetra tao amin’ny nosy Avaratra ny lazako ho nitana ny lohalaharana tamin’ny mpilalao amin’ny andalan’ny mpanafika.
Rehefa avy tany amin’ny lycée aho dia nankany amin’ny Sekoly fiofanana ho mpampianatra tany Wellington, avy eo dia nandany herintaona koa aho tany amin’ny Oniversite Victoria talohan’ny handraisana ny raharahan’ny mpampianatra tao amin’ny lycée tany amin’ny distrikan’i Manutahi. Tany, dia nangatahina aho mba hilalao tamin’ny fifaninanana fifantenana mba hidirana tao amin’ny antokon’ny rugby an’ny “Alls Blacks” maoria. Maoria maro no nanonofy ny ho anisan’ny antokon’ny firenena tany Nouvelle-Zélande. Tena voninahitra ho ahy àry ny fandraisana anjara tamin’ireny fifaninanana ireny.
Teo am-panomezana fahafahampo ny faniriako laza aho. Tamin’ny naha-mpampianatra maoria ahy, dia nahazo fanajana aho na tamin’ny raharahako na tamin’ny fanatanjahan-tena. Nandositra ny fahantrana — lavitra an’ilay Maoria kely tany amin’ireo taona 1930 izany!
Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?
Tamin’ny fotoana nankanesako tany amin’ny Sekoly fiofanana ho mpampianatra, dia nanana antony tokony handinihana akaiky ny fivavahana aho. Notezaina tao amin’ny fivavahana anglikana aho. Raha lazaina daholo ny zavatra rehetra, dia nisy aza fotoana nanaovana ny fotoam-pivavahan’ny Fiangonana tao an-tranonay. Tojo tena fitsapana aho rehefa maty ny raiko. Tsy nitsahatra ny nanontany tena aho hoe nahoana no nalain’Andriamanitra izy, kanefa tena nila azy tokoa ny reniko sy ireo zanany valo. Hitako ho tsy ara-drariny izany.
Tany amin’izany fotoana izany ny reniko dia nanomboka nanatrika fivoriana momba ny Baiboly nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka tamin’ny mpiara-monina vitsivitsy. Tezitra aho. Nanana fivavahana iray izahay; inona no nilany hanadala anay amin’ireny Vavolombelona ireny?
Avy eo, indray andro, Rudolph Rawiri, Vavolombelona iray tao amin’ilay faritra, dia tonga nitsidika ahy. Tapa-kevitra ny hamerina azy amin’ny toerany aho. Nampitony ahy anefa ny tsikiny sy ny endriny nahay nifanaraka. Fanontaniana tsotra iray no napetrany tamiko: “Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?” “Jesosy”, hoy ny navaliko. Dia nasainy hanokatra ny Baiboliko aho, ny fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques amin’ny teny anglisy, ao amin’ny Salamo 83:18. Akory ny hagagana! Nirakitra ny anaran’Andriamanitra ny Baiboliko mihitsy; izao no voasoratra tao: “Mba hahafantaran’ny olona fa ianao irery, izay manana anarana hoe JEHOVAH, no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.”
Gaga aho. Nahoana ny Fiangonako no tsy nampisongadina an’io anarana masina io. Taty aoriana, ny Vavolombelona maoria hafa iray, Charles Tareha, dia tonga tao an-trano ary nitarika fianarana ny Baiboly tsy tapaka niaraka taminay. Fantatray ny feon’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ka nanapaka izay rehetra mety ho fifamatorana tamin’ny Fiangonana anglikana izahay. Natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelona aho tamin’ny 1955.
Nahoana no nambabo ahy ny fahamarinana
Koa satria aho notezaina tao anatin’ny fivavahana anglikana, nahoana no nambabo ahy ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah? Nanaitra ny saiko ny fahatsorana sy ny fifandrindrana tamin’ny nanazavan’ireny kristiana ireny ny Tenin’Andriamanitra. Marina fa izany fahatsorana izany indrindra no mahasosotra ny olona maro. Tsikaritro anefa fa ny Baiboly dia mirakitra fotopoto-pitsipika, lalàna sy toromarika fototra mifandray amin’izay rehetra mety ho zava-manahirana mety hitranga eo amin’ny fiainana. — Jereo Salamo 119.
Marina indrindra izany raha ny amin’ny fiainana ara-panambadiana. Hitako tao amin’ny Baiboly ny fitsipi-pitondrantena iray natao hitondra fahombiazana ho an’ny fanambadiana. Izany dia nanampy ahy hamantatra hoe amin’ny lafiny inona avy amin’ny anjara asan’ny lehilahy sady ray aho no afaka nihatsara tamin’ny fanekena ireo andraikitra entin’izany. Miaiky aho fa nambinina satria nahita vady tsara toa an’i Hinewaka, avy amin’ny fokon’ny Ngati-Porou, foko nonina tany amoron-tsiraka atsinanana. Nivady izahay tamin’ny 1954. Nanaiky tamin’ny fony rehetra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy io, ary niara-niasa izahay mivady mba hampihatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. — Jereo Ohabolana 31:10-31.
Nanaitra ny saiko aoka izany koa ireo fitsipika ara-pitondrantena ambony arahin’ny Vavolombelona. Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, dia ilaina ny hitsaharana tsy hanana fitondrantena maloto; marina tokoa fa ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny halatra, ny herisetra, ny famonoana olona, ny fankahalana sy ny fanavakavaham-pirazanana, izany fanao rehetra izany dia melohin’ny Tenin’Andriamanitra. Miharihary fa nitondra soa ho ahy sy ho an’ny hafa ny fitondrantena tsarako. Tsy nitondra vokatra tokony hanenenako izany. — I Korintiana 6:9, 10.
Afaka tamin’ny finoanoampoana
Ny finoanoampoana maoria dia anisan’ny lovan’ny firenenay. Natahotra ny fanahin’ny maty aoka izany aho, ary vao mainka nampitombo ny tahotro ny fampianarana anglikana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona anefa aho, dia fantatro fa nanambara toy izao i Jesosy: “Ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo.” (Jaona 8:32). Ny fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra dia tena nanafaka ahy tamin’ny fanandevozan’ny finoanoampoana maoria.
Tsaroako ny fisehoan-javatra iray nampiseho izany. Rehefa maty ny dadabeko, dia maty noho ny alahelo tao anatin’ireo 48 ora nanaraka ny renibeko. Nitsotra teo amin’ny tany tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy, teo anilan’ny raibeko izay nandry tao anaty vatam-paty. Nisy Maoria antitra maro nijoro nanodidina ny fatin’ny renibeko, nefa rehefa nangataka fanampiana ny mpandahatra ny fombafomba fandevenana mba hametraka azy ao anaty vatam-paty, dia tsy nisy hita tao amin’ny efitrano ny rehetra. Raha tsy nahalala ny fahamarinana aho, dia ho nandositra koa. Noho ny fahafantarako fa matory fotsiny ny maty, dia tsy nisalasala aho nitondra fanampiana mba hametraka ny fatin’ny renibeko malala tao amin’ny vatam-patiny.
Hatramin’izay, amin’ny maha-minisitra Vavolombelon’i Jehovah ahy, dia nankalaza fombafomba fandevenana maro aho, ary nanana fahafahana nampahery olona maro noho ireo fampianarana tsotra omen’ny Baiboly momba ny maty. Heveriko fa ny fahatsoran’ny fitantarana voarakitra ao amin’ny Jaona 11:11-44 dia tena manazava antsika raha ny amin’izay mitranga amin’izy ireny. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny torimaso ny fahafatesana. Tsy mijaly ny maty; miandry ny fananganana ny maty fotsiny izy ireny, toy ny matory.
Fitsapana ny tsy fivadihako
Notsapaina aloha ny tsy fivadihako rehefa nahalala ny Baiboly sy ny ohatr’i Kristy lalina kokoa aho. Mbola hery nandany teo amin’ny fiainako ihany ny fanirian-daza. Ny asako tamin’ny naha-mpampianatra sy ny fanatanjahan-tena dia nitondra ho ahy izay rehetra azo nirina. Tsy maintsy nisafidy anefa aho: hanana ny fiainana feno fanetren-tena sy tsotra fananan’ny vavolombelona kristian’i Jehovah iray ve aho sa hanandrana hampifanaraka ny faniriako laza amin’ny finoako vaovao?
Tamin’ny 1957, dia voatery aho nanao fanapahan-kevitra sarotra izay tena fitsapana ny tsy fivadihako tamin’Andriamanitra. Nangatahina aho mba hanao lahateny momba ny Baiboly tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Lower Hutt. Noho izaho mpampianatra anefa, dia tsy maintsy nangataka fahazoan-dalana manokana tsy ho eo mba hanatrehana ilay fivoriambe. Nolavin’ny “inspection académique” tany Hawke Bay ny fangatahako.
Tonga teo amin’ny fihaonan-dalana aho: hijanona ao amin’ilay sekoly ve aho ka handa ny fandraisana anjara amin’ny fivoriambe? Sa hisetra ny famoizana ny toerako aho amin’ny fankanesana any amin’ny fivoriambe nefa tsy nomen-dalana? Tsy mora akory ny nanao ny fanapahan-kevitra. Tiako ny asako; ambonin’izany, dia nila ahy ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’izy ireo. Niangavy ahy ny “proviseur” mba hijanona tao amin’ilay sekoly. Tsaroako anefa ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.” (Matio 10:38). Vonona ve aho ny hanaiky hahafoy zavatra tamin’ny lafiny ara-nofo mba hahazoana fitahiana ara-panahy? Sa kosa hanohitra izany ny fanirian-daza nandany ahy?
Navelako ny faniriako laza ka nilaozako ny asa iray nanjary tiako, ny fampianarana ny ankizy. Nankany amin’ny fivoriambe aho ary namoy ny toerako. Rehefa mieritreritra izany indray anefa aho, dia fantatro fa izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra. Nitsahatra tsy nampianatra ankizy aho, kanefa tamin’ny farany izany dia nitarika ahy hampianatra olon-dehibe tao amin’ny faritany iray midadasika lavitra. Mba hamelomana ny ankohonako, dia nandray ny asan’ny mpanao fanadiovana sy mpanao zaridaina aho. Tamin’ny farany aho dia niasa tapak’andro tany amin’ireo birao sy magazay, ka izany dia nahatonga ahy ho afaka hanokana fotoana misimisy kokoa amin’ny fanompoana.
Fisedrana mafy ny fahasalamako
Nisy fotoana niharan’ny famelezana nahatsiravina tamiko. Fony aho mbola mpanao fanatanjahan-tena, dia nikarakara ny vatako foana aho. Avy eo, tampoka teo, dia voan’ny ratra fotsy: ny raboka (tuberculose) aho. Nalefa tany amin’ny hopitaly fitsaboana aretin-tratra tany Waipukurau aho mba hanandramana manasitrana ahy. Tsy nety sitrana ny avokavoko. Nanoro hevitra ny mpitsabo mba hanesorana ny tapany ambony havia amin’ilay avokavoka. Tsy nanaiky handidy ahy tsy nisy fampidiran-dra anefa ilay mpandidy. Ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia nandrara ahy tsy handray ran’olon-kafa ao amin’ny tenako (Asan’ny apostoly 15:28, 29). Nanipy hevitra tamin’ny mpitsabo aho mba hampiditra amiko zavatra mahasolo ny ra nefa tsy misy ra ary vonona ny hanaiky izany aho. Nanda izy. Nametraka ny fiainako tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka àry aho.
Tapa-kevitra ireo mpitsabo fa hanapaka izay rehetra mety ho fitsaboana. Nanoroan’izy ireo hevitra ny fanasitranana ara-batana amin’ny fanaovana fampiasan-tena mandeha mandritra ny tapa-bolana. Avy eo, dia notarafina aho ary nantsoina ho any amin’ny trano fiasan’ny tale izay tokony hampahafantatra ahy ny vokany aho. Ela re izany! “Sitrana ny avokavoko. Afaka mody any an-tranonao ianao”, hoy ny nambarany tamiko. Nivaly ny vavaka nataoko, ary niverina teo anilan’ny vadiko sy ny zanako aho.
Ny fahafahampo tamin’ny asa fa tsy ny fanirian-daza
Tamin’ny fahatongavana ho Vavolombelona tsaratsara kokoa, dia tonga tamin’ny fianianana tamin’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana aho fa tsy naniry laza ho hita ivelany fa mahomby eo amin’izao tontolo izao. Nandritra ny 28 taona aho dia nanao ny asan’ny loholona tao amin’ny kongregasionan’i Wairoa. Tao amin’ny tanànan’i Wairoa, dia 5 000 monja ny isan’ny mponina, ary tafakatra ho 7 000 eo ho eo izany any ambanivohitra manodidina. Maoria ny ankamaroany, ka izy ireny, tahaka ny mponina rehetra eto Polynésie, dia mahay mampiseho fitiavana, mora iaraha-miaina sy malala-tanana. Izany toe-tsaina izany dia hita taratra tao amin’ny kongregasionanay izay nitombo ka nanjary niisa ho mpitory marisika ny vaovao tsara 90 mahery.
Nanokana ny tapany tamin’ny fanompoako aho mba hanampiana manokana lehilahy vady tsy mpino. Anankiray tamin’ireny i John McAndrew; mpifoka sy mpisotro za-dratsy izy io, nalaza ho ny lehilahy nahery setra sy mafy loha indrindra tao amin’ilay tanàna. Nanova azy anefa ny fahamarinana araka ny Baiboly, ka ankehitriny izy dia mpiandraikitra prezidà ao amin’ny kongregasionan’i Wairoa.
Ny lehilahy vady tsy mpino hafa iray koa, John Salmon, dia nanao raharaha ara-barotra ary nifindra nankao Wairoa mba hampanalavirana ny Vavolombelona ny vadiny. Rehefa tafahaona taminy aho, dia nanaiky hifanakalo hevitra izy raha mampiasa ny Baibolin’ny mpanjaka Jacques (fandikan-teny anglisy) aho. Tsy nisy nanahirana tamin’izany. Io tokoa ny fandikan-teny lehibe indrindra nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny anglisy hatreo amin’ny 1950, talohan’ny nivoahan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao tamin’ny teny anglisy. Koa nanampy azy tamin’ny alalan’ny Baiboliny ihany aho hahita sy hanaiky ny fahamarinana.
Tutura Waihape kosa dia olona tsy fahita firy: Maoria tanora nanambady vao haingana izy io, ary nivoha teo anoloany ny raharahan’ny mpanao rugby malaza. Fony vao nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy aho, dia tsy mbola hitako mihitsy izay lehilahy nanao volo lava tahaka ny azy. Arakaraka ny nandrosoany tamin’ny fahalalana an’i Jehovah sy Jesosy Kristy, dia niova ny toe-tsainy. Nanjary mafy kokoa noho ny faniriany hiavaka tamin’ny volony lava ny fitiavany ny fahamarinana, hany ka notapahiny ny volony. Manao ny asan’ny mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona izy ankehitriny.
Ny raharahan’ny mpampianatra manontolo andro
Folo taona izao no maha-mpitory maharitra mandavantaona ahy, izany hoe manokana 90 ora isam-bolana amin’ny fanompoana aho. Mpitory maharitra hatramin’ny 15 taona ny vadiko, ary nanandrana an’io asa io koa ireo zanakay telo rehefa tsy nianatra tany an-tsekoly intsony.
Ny nameno ny asanay ho an’i Jehovah dia satria ankehitriny izahay mivady dia miasa ao amin’izay ilàna izany indrindra, eto amin’ny nosy Niue. Ao avaratr’i Nouvelle-Zélande io nosy io, tena ao anatin’i Pasifika. Tsapanay fa tia fivavahana ihany ireo mponina eo amin’ny 2800 ao amin’io nosy io ary maro be no tia mifanakalo hevitra momba ny Baiboly. Nanampy kongregasiona kely iray hanao fandaminana tsara kokoa koa izahay.
Maty ny faniriana fisondrotana sy voninahitra manokana nandany ahy. Tsapako fa lehibe lavitra ny voninahitra tokony homen’ny olombelona an’i Jehovah Andriamanitra. Nanaporofo izany tamin’izao teny izao tokoa i Davida mpanjaka: “Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, eny manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany.” Izany no iezahanay atao eto Niue nosikelinay. — I Tantara 16:28, 29.
[Sary, pejy 12]
Manao fitafiana maoria araka ny fanaon-drazana