Nikarakara Tsara Ahy i Jehovah
RAHA tsorina, dia nanomboka nanompo an’i Jehovah tamin’ny fomba hafakely aho. Nihalehibe tao amin’ny faritra ambanivohitra kanto iray tany amin’ny farany avaratr’i Nouvelle-Zélande aho, dia toerana izay saiky Maoris sahala amiko avokoa ny mponina any. Teo am-pitaingenana soavaly aho indray andro no nohatonin’i Ben, zanak’olo-mpirahalahy tamiko. Tamin’ny taona 1942 izany, tamin’ny fararano (any amin’ny Ila bolan-tany Atsimo, fa lohataona kosa any amin’ny Ila bolan-tany Avaratra). Fito amby roapolo taona aho tamin’izay sady mpikambana narisika tao amin’ny Eglizin’i Angletera.
Efa an-taonany maro i Ben no namaky ireo bokin’i Rutherford Mpitsara, izay prezidan’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izay. Ary izao izy, dia nitondra teny an-tanany taratasy avy tany amin’ny birao lehiben’ny Fikambanana Watch Tower tao Nouvelle-Zélande, izay nangataka azy mba hanasa ireo olona teo an-toerana ho any amin’ny toerana iray izay hahafahan’izy ireo hiara-mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Ankoatra izany, dia tsy maintsy nitady olona iray hitarika ny fotoam-pivavahana i Ben. Niandrandra nijery ahy i Ben nilaza hoe: “Ianao izany olona izany.” Nieboebo aho noho ny niheverana ahy ho ampy fahaizana — ary noho ny tenako mpandray ny fanasan’ny Tompo tao am-piangonana — ka nanaiky.
Tamin’ilay takariva voalaza, dia nisy olona sahabo ho 40 no nivory tao amin’ny tranon’i Ben mba hankalaza ny nahafatesan’ny Tompontsika, ary tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo Vavolombelon’i Jehovah. Teo am-pahatongavako, dia nanolotra ahy ny planin’ny lahateny ilay zanak’olo-mpirahalahy tamiko. Nofoanako ilay hira nasaina natao ary nangataka ny fanampian’ny zaodahin’i Ben aho mba hanomboka tamin’ny vavaka. Avy eo aho dia namelabelatra ilay foto-kevitra vita planina, izay voaforon’ny filaharana fanontaniana niaraka tamin’ny valiny niorina tamin’ny Soratra Masina. Ny mpitondra fivavahana iray teo an-toerana izay nanatrika dia nanapa-dresaka tamin’ny fanoherana, kanefa dia voavaly izany tamin’ny famakiana ireo andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina tao anatin’ilay planina.
Tsaroako fa ny iray tamin’ireo fanontaniana tao anatin’ilay planina dia nifandray tamin’ny fotoana ao anatin’ny taona izay tsy maintsy nankalazana ilay fisehoan-javatra. Toy inona moa ny fahafaham-po, rehefa nijery tany ivelan’ny varavarankely izay rehetra teo ka nahita ny volana fenomanana. Nazava tsara fa 14 Nisana ilay andro.
Alina toy inona moa izany! Naharitra adiny efatra ny fankalazanay! Fanontaniana maro no nipoitra ary voavaly tao amin’ny Soratra Masina tao amin’ilay planina nalefan’ny Fikambanana. Raha mitodika ny lasa aho, dia fantatro fa tsy ho tafavoaka tamin’ilay fanandraman-javatra aho raha tsy teo ny fikarakaran’i Jehovah tamim-pitiavana — na dia tamin’ny fotoana mbola tsy naha-Vavolombelona vita fanoloran-tena ahy aza. Na dia izany aza, tamin’io alin’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1942 io, dia nahita ny zava-kendreko eo amin’ny fiainana aho.
Fiainako tany am-boalohany
Teraka tamin’ny 1914 aho. Maty ny raiko sahabo ho efa-bolana teo ho eo talohan’ny nahaterahako, ary tsaroako fa fony aho mbola kely dia nitsiriritra ireo ankizy hafa nanan-dray tia azy aho. Nahatsapa izany fahabangana izany mafy aho. Ho an’ny reniko, ny fiainana tsy nisy vady dia ady mafy, izay vao mainka nohasarotin’ireo vokatra lasa lavitra nateraky ny Ady Lehibe Voalohany.
Teo amin’ny fahatanorako, dia nanambady vehivavy tanora iray antsoina hoe Agnes Cope aho, ary namako teo amin’ny fiainana nandritra ny 58 taona mahery izy. Tamin’ny voalohany dia niara-nifofotra mba hahomby teo amin’ny fiainana izahay. Tsy nahomby aho tamin’ny naha-mpamboly noho ny hain-tany mafy. Nahita fanamaivanana sasany aho teo amin’ny fanatanjahan-tena, kanefa mandra-pahatongan’io fanandraman-javatra tamin’ny Fahatsiarovana 1942 io, dia tsy nanana tena zava-kendrena teo amin’ny fiainana aho.
Fanambarana tamin’ireo havana
Taorian’io Fahatsiarovana io, dia nianatra ny Baiboly tamim-pahatapahan-kevitra aho, niara-nandinika ireo zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, tamin’ireo zanak’olo-mpiray tam-po tamiko. Tamin’ny Septambra 1943, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah sasany avy tany amin’ny faritra samy hafa nitsidika ilay fitambaran’olona nitokana nisy anay. Nanao ady hevitra nafana naharitra adiny efatra izahay. Avy eo, rehefa nahafantatra aho fa tsy maintsy niainga izy ireo ny ampitso marainan’iny, dia nanontany aho hoe: “Inona no manakana ahy tsy hatao batisa izao?” Nalentika tao anaty rano ny tenako sy ny zanak’olo-mpirahalahy tamiko anankiroa tamin’ny iray ora sy sasany maraina.
Taorian’izay, dia nanao dia lavitra aho mba hanao fanambarana tamin’ireo havako. Ny sasany dia nandray tsara, ary ho azy ireny dia naoriko tamin’ny Matio toko faha-24 ny dinidinika nataoko. Tsy nandray tsara ny hafa, ary tamin’ireny dia nampiasaiko ny tenin’i Jesosy ho an’ireo Fariseo voarakitra ao amin’ny Matio toko faha-23. Rehefa afaka kelikely anefa, dia nianatra ny hahay handanjalanja kokoa aho ho fanahafana an’ilay Raintsika tsara fanahy sy be fitiavana any an-danitra. — Matio 5:43-45.
Tamin’ny voalohany dia nanohitra ny faniriako hanompo an’i Jehovah ny vadiko. Tsy ela anefa dia niaraka tamiko izy, ary tamin’ny Desambra 1943, dia tonga vady mpanampy vita fanoloran-tena sy batisa izy. Nisy olona dimy hafa, avy tao Waima tanànanay, niara-natao batisa taminy tamin’io andro tsy hay hadinoana io, ka nampiakatra ny totalin’isan’ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’io toerana io ho sivy.
Fitahiana na dia teo aza ny fanoherana
Nandritra ny taona 1944, dia notsidihin’ireo rahalahy avy tany ivelany indray izahay, ary tamin’izay izy ireo dia nanome anay fampiofanana tena nilaina teo amin’ny fanompoana isan-trano natao ara-potoana. Rehefa nanjary niharihary kokoa teo amin’ilay fitambaran’olona ny fisianay, dia nitombo ny fanoheran’ireo solontenan’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. (Jaona 15:20). Nisy fifanatrehana imbetsaka tamin’ireo mpitondra fivavahana teo an-toerana izay niteraka ady hevitra lava be momba ny fampianarana. Nanome fandresena anefa i Jehovah, ary nisy mpikambana hafa tamin’ilay fitambaran’olona, anisan’izany ny anabaviko, tonga teo ambany fikarakaran’i Jehovah tamim-pitiavana.
Niforona ny kongregasiona iray tao Waima tamin’ny Jona 1944. Nitombo ny fanenjehana sy ny fankahalana ara-pivavahana. Tsy navela handevina tao amin’ny fasana teo an-toerana ny Vavolombelon’i Jehovah. Indraindray dia nanjary nahery vaika ny fanoherana. Nisy fanoherana ara-batana. Ny fiarako sy ilay garazy nisy azy dia may hatrany amin’ny fotony. Na dia izany aza, noho ny fitahian’i Jehovah, tao anatin’ny telo volana latsaka monja, dia afaka nividy kamiao iray izahay. Ary nampiasa kalesy tarihin-tsoavaly aho mba hitondrana ny fianakaviako, izay nitombo hatrany, nankany amin’ny fivoriana.
Ny isan’ireo mpikambana izay nitombo hatrany dia nilaza fa nilainay maika ny toeram-pivoriana lehibe kokoa. Koa nanapa-kevitra ny hanorina Efitrano Fanjakana iray tany Waima izahay. Io no Efitrano Fanjakana voalohany naorina tany Nouvelle-Zélande. Efa-bolana taorian’ny nikapana ireo hazo voalohany tamin’ny 1 Desambra 1949, dia natao tao amin’ilay efitrano vaovao nisy fipetrahana 260 ny fivoriambe iray nakambana tamin’ny fitokanana. Tamin’izany andro izany, dia zava-bita lehibe tokoa izany, vita noho ny fanampian’i Jehovah.
Porofo fanampiny ny amin’ny fikarakaran’i Jehovah
Koa satria tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tany amin’ny farany avaratr’i Nouvelle-Zélande, ireo mpiandraikitra mpitety faritany dia nanolotra fampirisihana mba hanompo any amin’ny toerana ilana izany bebe kokoa. Ho valin’izany, tamin’ny 1956, dia nafindrako ny fianakaviako nankany Pukekohe, any atsimo kelin’i Auckland. Nanompo 13 taona tao izahay. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:9.
Miavaka tsara kokoa ato an-tsaiko ny ohatra roa ny amin’ny fikarakarana nataon’i Jehovah nandritra io fotoana io. Fony aho nampiasain’ny vaomieran’ny comté tamin’ny naha-mpamily kamiao sy mpampandefa milina ahy, dia nasaina aho hanatrika fianarana iray haharitra herinandro efatra, amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Auckland. Nangataka fahazoan-dalana ny tsy ho eo mandritra ny herinandro efatra aho noho io antony io, ary hoy ilay lehiben’ny enjeniera: “Edre avelako tokoa moa izany. Iriko ny hisian’ny olona maromaro kokoa toa anao. Rehefa miverina ianao dia tongava mijery ahy any amin’ny biraoko.” Rehefa nitsidika ny biraony aho araka izany, dia nahazo karama ho an’ireo herinandro efatra tsy naha-teo ahy aho. Araka izany, dia voakarakara izay nilain’ny fianakaviako ara-nofo. — Matio 6:33.
Izay ilay ohatra voalohany. Nitranga ny faharoa rehefa avy nirotsaka tamin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra izahay mivady tamin’ny 1968. Teo indray, dia niantehitra tamin’i Jehovah mba hahazo fanohanana izahay, ary dia namaly soa anay izy. Indray maraina taorian’ny sakafo, dia nanokatra ny varavaran’ny vata fampangatsiahana ny vadiko ary tsy nahita afa-tsy dibera latsaky ny fahefa-kilao sisa tao anatiny. “Sarn a”, hoy izy, “tsy manana na inona na inona tavela hohanina intsony isika. Mbola handeha hivoaka hanompo ihany ve isika anio?” Inona no valinteniko? “Eny!”
Tao amin’ny fitsidihana voalohany nataonay, ilay tompon-trano dia nandray ilay zavatra vita an-tsoratra natolotray ary nanome anay tamin-katsaram-panahy atody dozenina maromaro ho fanomezana. Ilay olona faharoa notsidihina dia nanome anambazaha ho fanomezana — kumaras (vomanga) sy soflera ary karaoty. Ny sakafo hafa nentinay nody tamin’io andro io, dia hena sy dibera. Marina taminay tokoa ny tenin’i Jesosy hoe: “Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?” — Matio 6:26.
Fanendrena tany an-tany hafa
I Rarotonga any amin’ireo Nosy Cook! Io no toerana nanendrena anay tamin’ny naha-mpisava lalana manokana anay tamin’ny 1970. Tany no fonenanay nandritra ireo efa-taona nanaraka. Ny zava-tsarotra tsy maintsy noresena voalohany teto dia ny fianarana fiteny vaovao iray. Kanefa, noho ny fitoviana misy eo amin’ny fiteny Maori any Nouvelle-Zélande sy ny fiteny Maori any amin’ireo Nosy Cook, dia afaka nanao ny lahateniko ampahibemaso voalohany aho iray volana sy herinandro taorian’ny nahatongavanay.
Tany amin’ireo Nosy Cook, dia nisy mpitory ilay Fanjakana vitsivitsy, ary tsy nanan-toerana hivoriana izahay. Teto indray, ho valim-bavaka, dia nanome izay nilainay i Jehovah. Ny resaka kisendrasendra natao tamina mpivarotra an-tsinjarany iray dia nahatonga ny fanofanay tany sahaza, ary tao anatin’ny herintaona izahay dia nanana trano kely iray sy Efitrano Fanjakana nisy fipetrahana 140. Nanomboka tamin’izay no ho mankatỳ, dia nandray fitahiana nisesy izahay, ho fiderana an’i Jehovah.
Nankasitrahanay indrindra ny fahaizana mampiantrano vahiny nasehon’ireo mponina anosy taminay. Matetika izahay, teny amin’ny fanompoana, dia notoloran’ny olona zava-pisotro nampangatsiatsiaka — izay raisina am-pahafinaretana tokoa any amin’ny tany mafana sy mando. Matetika izahay, rehefa tonga tany an-trano, dia nahita akondro, papay, manga, ary voasary napetraka tsy an-kiteniteny teo an-tokonanay.
Tamin’ny 1971, izahay mivady, niaraka tamin’ny mpitory telo hafa avy tao Rarotonga, dia nandeha nankany amin’ny nosy Aitutaki, izay miavaka noho ireo vinany kanto ananany. Nahita olona tia ny Tenin’Andriamanitra teo amin’ireo mponina tia mandray vahiny izahay ary nanomboka fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano efatra, izay notohizana tamin’ny alalan’ny fandefasana taratasy taorian’ny niverenanay tany Rarotonga. Tatỳ aoriana dia natao batisa ireo mpianatra tany Aitutaki ireo ary niorina ny kongregasiona iray. Tamin’ny 1978 dia naorina tany ny Efitrano Fanjakana faharoa tany amin’ireo Nosy Cook. Nanohy nampitombo i Jehovah ho valin’ny fambolena sy ny fanondrahana nataonay. — 1 Korintiana 3:6, 7.
Nanana tombontsoa hitsidika nosy folo tao amin’ny fitambaran’ireo Nosy Cook aho, matetika tao anatin’ny toe-javatra nisedra. Ny sambo mpanao dia lavitra iray mankany Atiu, 180 km miala eo, dia nila enina andro mahery noho ny rivotra mafy dia mafy sy ny ranomasina mahery. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 11:26.) Na dia voafetra aza ny vatsin-tsakafo ary maro no tsy nahatanty nandeha sambo nanodidina ahy, dia nisaorako ny fikarakaran’i Jehovah izay nitarika ny fahatongavako soa aman-tsara tany amin’izay nalehako.
Tamin’ny 1974, dia tsy nomen-dalana hijanona tany amin’ireo Nosy Cook izahay, koa dia voatery niverina tany Nouvelle-Zélande. Tamin’izay fotoana izay dia efa nisy kongregasiona telo teo amin’ireo nosy.
Tombontsoam-panompoana fanampiny — Ary fitsapana
Rehefa tafaverina tany Nouvelle-Zélande izahay, dia nisy varavarana vaovao hahafahana hanao asa, nisokatra. (1 Korintiana 16:9). Nila olona izay afaka nandika Ny Tilikambo Fiambenana sy ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly hafa tamin’ny fiteny Maori any amin’ireo Nosy Cook ny Fikambanana. Nomena ahy ilay tombontsoa, ary mbola mitoetra ho ahy izy io hatramin’izao. Avy eo aho dia nomena tombontsoa hitsidika tsy tapaka ireo rahalahiko tany amin’ireo Nosy Cook, voalohany tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany, ary avy eo dia tamin’ny naha-mpiandraikitra ny distrika mpisolo toerana.
Tamin’ny iray amin’ireny fitsidihana ireny, ny Rahalahy Alex Napa, mpisava lalana manokana tany Rarotonga, dia nanao dia an-dranomasina niaraka tamiko nandritra ny 23 andro mandra-pahatonganay tany Manahiki sy Rakahanga ary Penrhyn — nosy any avaratr’ireo Nosy Cook. Tany amin’ireo nosy tsirairay, dia natosik’i Jehovah ny fon’ireo olona teo an-toerana tia mandray vahiny mba hanome anay filasiana sy handray zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly maro. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:15.) Feno sifodranomasina (huîtres) misy perla any amin’ireny nosy ireny, ary imbetsaka ny olona no nanolotra anay perla ho fanomezana ho an’ny fandaniana eo amin’ny asa fitoriana maneran-tany. Noho izany, rehefa nanome perla ara-panahy izahay, dia nomena perla tena izy kosa. — Ampitahao amin’ny Matio 13:45, 46, fanamarinana ambany pejy.
Endre ny hakanton’io faritra mitokana eto amin’izao tontolo izao io! Alao sary an-tsaina ange, antsantsa fotsy makadiry maro milomano miaraka amin’ny zanany eo amin’ny vinany iray! Fampisehoana faran’izay kanto toy inona moa no atolotry ny lanitra amin’ny alina! Marina tokoa ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy. Ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.” — Salamo 19:2.
Avy eo, sivy taona lasa izay, dia nisy tena fitsapana ny tsy fivadihana. Niditra hopitaly ny vadiko noho ny lotsi-dra tany amin’ny atidoha. Nilaina ny fandidiana, kanefa dia tsy nanaiky hanao izany ilay dokotera raha tsy nisy fampiasana ra. Tsy afaka nanaiky tamim-pieritreretana tsara izany fomba mandika ny lalàn’Andriamanitra izany izahay mivady. Ny fieritreretan’ilay mpandidy anefa dia nibaiko azy mba hampiasa izay fomba rehetra azo atao, tafiditra amin’izany ny ra, mba hamonjena aina.
Niharatsy ny fahasalaman’ny vadiko, ary dia nalefa tany amin’ny toerana fikarakarana manokana ireo marary mafy izy, ka voafetra ihany ny fitsidihana azo natao. Nanjary narenina izy noho ny dona mafy nahazo ny ampongantsofina. Nanjary nihombo be ny aretina. Taorian’ny fitsidihana iray, dia nanaraka ahy tany amin’ny fiarako ny dokotera iray, nanantitrantitra fa ny hany hahavonjy ny vadiko dia ny fandidiana misy fampiasana ra, ary nitalaho tamiko izy mba hanaiky izany. Kanefa na dia izany aza, dia natoky an’i Jehovah izahay mivady — na dia hiteraka famoizana taona vitsivitsy amin’ity fiainana ity aza ny fankatoavana ny lalàny.
Tampoka teo, dia nisy fihatsarana niavaka teo amin’ny toe-pahasalaman’ny vadiko. Tonga aho indray andro, nahita azy nipetraka niarina teo am-pandriana namaky boky. Tamin’ireo andro nanaraka izany dia nanomboka nanao fanambarana tamin’ireo marary sy ireo mpiasa mpanampy ny mpitsabo izy. Avy eo dia voantso tany amin’ny biraon’ilay mpandidy aho. “Atoa. Wharerau”, hoy izy, “lehilahy tsara vintana marina tokoa ianao! Mino izahay fa sitrana ny zava-manahirana ny vadinao.” Tamin’ny fomba tsy nampoizina, dia nijanona teo amin’ny antonony ny tosi-dran’ny vadiko. Niara-nisaotra an’i Jehovah izahay mivady ary nanavao indray ny fahatapahan-kevitray ny hanao izay farany azonay atao amin’ny fanompoana azy.
Izao aho dia notendrena indray ho any amin’ireo Nosy Cook ary mbola manompo indray eto Rarotonga. Izany ka tombontsoa mitondra fitahiana! Raha mitodika any aoriana izahay mivady, dia mankasitraka ny fikarakaran’i Jehovah efa ho nandritra ny dimampolo taona mahery tao amin’ny fanompoana azy. Teo amin’ny lafiny ara-nofo, dia mbola tsy diso ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana mihitsy izahay. Teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia maro loatra ka tsy ho voatanisa ireo fitahiana. Ny anankiray miavaka amin’izany dia ny isan’ireo havako ara-nofo izay nandray ny fahamarinana. Afaka manisa maherin’ny 200 aho ny amin’ireo izay efa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa amin’izao fotoana izao, tafiditra amin’izany ny 65 izay taranako mivantana. Ny zafikeliko lahy iray dia anisan’ny fianakavian’ny Betela ao Nouvelle-Zélande, ary ny zanako vavy miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy dia manao asa fanorenana any amin’ireo sampana. — 3 Jaona 4.
Rehefa mijery ny eo aloha aho, dia ankamamiko ny fahatsinjovana ny hiaina eo amin’ny paradisa iray haneran-tany izay hanana hakanto mihoatra lavitra noho ilay lohasaha maitso mahafinaritra izay nahaterahako. Tombontsoa toy inona moa ny hitsena ny reniko sy ny raiko amin’ny fitsanganan’ny maty ary hampahafantatra azy ireo ny amin’ny avotra, sy ny Fanjakana ary ireo porofon’ny fikarakarana nataon’i Jehovah hafa rehetra.
Ny fahatapahan-kevitro, tohanan’ny fahalalana fa mikarakara ahy Andriamanitra, dia mitovy amin’izay voalazan’ny mpanao salamo ao amin’ny Salamo 104:33 manao hoe: “Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina.” — Notantarain’i Sarn Wharerau.
[Sary, pejy 28]
Ny Efitrano Fanjakana naorina voalohany tany Nouvelle-Zélande, tamin’ny 1950