Aoka isika hiaro ny firaisan-tsaina kristiana eo amin’ny fifandraisana amin’ny raharaha
“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina ao anatin’ny firaisan-tsaina mafy!” — SALAMO 133:1, MN.
1. Nahoana moa no faniry aoka izany ny firaisan-tsaina kristiana?
MARINA tokoa fa ‘tsara sady mahafinaritra raha ny kristiana no miara-monina ao anatin’ny firaisan-tsaina mafy’, indrindra fa amin’izao androntsika feno fisarahan-tsaina izao. Tena mahafinaritra tokoa ny miaina ao amin’izay anjakan’ny tena firaisan-tsaina; miteraka fatorana mafy, fitiavan-drahalahy eo amin’ny olona izany, hany ka mitondra fifaliana ny fiarahan’izy ireo. Ratsy kosa ny fisarahan-tsaina; miteraka fahasosorana, fankahalana sy tsy fifanarahana eo amin’ireo izay miaraka izany.
2. Ahoana no anamafisantsika ny fihetsika iombonantsika eo anoloan’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy asehontsika, na dia amin’ny raharaha aza?
2 Rehefa misy kristiana miditra hanao raharaha miaraka amin’ny mpanompon’i Jehovah hafa, ny fihetsika iarahany mampiseho eo anoloan’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia tokony hanamafy ny firaisan-tsainy amin’ny maha-mpirahalahy. Nanazava izany tamin’izao teny izao ny mpiandraikitra iray tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Raha miha-tsy mendri-pitokisana hatrany izao tontolo izao, dia mampahery ny miara-miasa amin’ny namana kristiana manana fotopoto-pitsipika. Tsy mila ny ‘hitandrina’ foana isika. Mihamahalana no ahitana mpikambana amin’ny asa mahitsy sy marina ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Mahafinaritra tokoa àry ny miara-miasa amin’olona tsy mivadika izay tsy mifoka, tsy mampiasa fiteny tsy mendrika, olona maneho fifehezan-tena ka ny antony manosika azy indrindra dia tsy ny fitiavan-karena fatratra.”
3. a) Inona moa no sasantsasany amin’ireo tarehin-javatra mitarika mpinamana mpino hanana fifandraisana amin’ny raharaha? b) Fotopoto-pitsipika inona no tokony hitarika ny ataon’ny kristiana ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany?
3 Karazam-pifandraisana amin’ny raharaha inona moa no mety hampifamatotra kristiana? Hanapa-kevitra ny hiara-manangana raharaha iray, ohatra, ny kristiana roa na mihoatra. Mety ho anankiray amin’ireo rahalahiny no lehiben’ny kristiana iray. Ao koa ny fanoloran’ny kristiana iray vokatra na asa atao ho an’ny mpino hafa. Na inona na inona fifandraisana amin’ny raharaha misy eo amin’ny samy kristiana, ny ataon’izy ireo dia hotarihin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’i Jehovah momba ny fanaovana ny marina sy ny tsy fivadihana. Amin’izany no hitomboan’ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy sy ny fifaliana miara-miasa. — I Korintiana 10:31.
4. Loza inona no mandrahona ny kristiana mifampiraharaha?
4 Misy loza anefa: mety hiala amin’ny fanarahana lalana kristiana mendrika ny sasany. Angamba izy ireny hanomboka hiahy be loatra ny amin’ny tombontsoany manokana (Filipiana 2:4). Mety hanjary ho zava-dehibe kokoa eo imasony noho ny firaisan-tsaina kristiana ny vola. Ny fitiavan-tena eo amin’ny raharaha anefa dia mety hanimba ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Tsy ho tiantsika na oviana na oviana anefa ny hitrangan’izany. — Jaona 13:34, 35; Hebreo 13:5; I Timoty 3:2, 3; I Jaona 3:16; 4:20, 21.
Ny maha-zava-dehibe ny fifanarahana ara-dalàna
5. Amin’ny ahoana moa ny nataon’i Abrahama fony izy nividy tany no mampiseho ny vidin’ny fifanarahana ara-dalàna?
5 Mba hanalavirana izay rehetra mety ho tsy fahazoan-dresaka eo amin’ny fifandraisana amin’ny raharaha, dia jereo ny fomba nividianan’i Abrahama tany iray. “Nolanjainy ho azy [ho an’i Efrona] ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ny taranak’i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ny mpivarotra. Ary ny sahan’i Efrona, ilay tao Makpela (...) sy ny zohy izay teo anatiny (...) dia natao varo-maty tamin’i Abrahama ho fananana, teo imason’ny taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany”. Tsy fifanarahana tamim-pihavanana natao manokana izany, fa fifanarahana ara-dalàna, nohamafisina teo anoloan’ny vavolombelona. Tsy nisy fifandisoan-dresaka mihitsy raha ny amin’izay novidina sy ny vidiny. — Genesisy 23:2-4, 14-18.
6. Ahoana no azon’ny kristiana anoratana ara-dalàna ireo fifanekeny lehibe?
6 Toy izany koa, ny kristiana dia hanao zavatra amim-pahendrena amin’ny fanoratana ara-dalàna ireo fifanekena lehibe. Raha varotra izany, dia ho tian’ny andaniny roa angamba ny hilaza an-tsoratra izay namidy, ny vidiny, ny fomba handoavana azy, rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no tokony hanomezana ilay zavatra amidy mbamin’ny fepetra hafa rehetra hifanarahan’izy ireo. Raha asa atao ho an’olona izany, dia angamba ireo kristiana roa hanao an-tsoratra izay tokony hatao, rahoviana no tokony ho vita izany, ny vidiny ifanarahana sy lafin-javatra hafa amin’ilay raharaha. Ny tsirairay avy amin’ny andaniny roa dia handray kopian’ilay filazana hotehirizina misy daty sy sonia. Zava-dehibe indrindra ny fifanarahana an-tsoratra toy izany rehefa misy fikambanana ho amin’ny asa. Izany dia hanampy ny andaniny roa hahatakatra mazava ny fifandraisan’izy ireo ka hiaina mifanaraka amin’ity torohevitr’i Jesosy ity: “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny, Tsia, tsia.” (Matio 5:37). Amin’ny raharaha sarotra kokoa, dia ho fahendrena angamba ny hampiasana mpanao raharaha hanao ny fifanarahana an-tsoratra.
7. a) Inona no tokony hoheverina rehefa manoratra fifanarahana? b) Amin’ny toe-tsaina manao ahoana moa no tokony hanaovan’ny kristiana zavatra eo amin’ny raharaha?
7 Rehefa manoratra fifanarahana ireo kristiana andaniny roa dia tokony hieritreritra, tsy ireo zava-kendrena ihany, fa ny mety ho vokany koa, ohatra, ny fomba hanapahana ny fifanarahan’izy ireo raha miharihary fa ilaina izany (Ohabolana 21:5). Misy zavatra setraina daholo amin’ny raharaha rehetra, ary tsy misy mihitsy filazana tehirizina afaka mitsinjo ny mety hitranga rehetra. Raha misy fiovan’ny tarehin-javatra, dia angamba tokony hovana na hatao indray ny fifampiraharahana. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hanjary hiharihary amin’ny kristiana iray angamba fa nanaikinaiky foana an’ilay raharaha izy ka tokony hanafa-tena amin’izany amin’ny fomba mendri-kaja. Izany anefa tsy tokony ho fomba handosirana ny andraikitry ny tena noho ny trosa vokatry ny fandanilaniana foana na tsy fitantanana tsara ny raharaha. Tokony hisy fiaraha-midinika ny amin’ilay raharaha mba hamantarana raha azo foanana ilay fifanarahana ary fomba fandoavam-bola inona no azo ampiasaina, raha ilaina izany. Mazava ho azy anefa fa ny kristiana mahitsy fo iray dia hanao izay rehetra azony atao mba hanajana ny teny nataony, na dia tokony hanova ny fomba fiainany kelikely aza izy (II Tesaloniana 3:12). Raha maniry handeha tsy misy tsiny sy hampihatra ny rariny ny kristiana iray, dia hiezaka hiantsoroka ireo andraikitra entin’ny fanekena nataony, na dia tsy misy tombontsoa ho azy aza izany, mba hitanana ny fankasitrahan’i Jehovah. “Tsy mivadika amin’ny fianianany (izy), na dia maningotra ny tenany aza.” (Salamo 15:1-4). Amin’izany karazan-draharaha izany, ireo mpanompon’i Jehovah dia tokony hiahy ny amin’ny hanaovana ny ‘zavatra rehetra amin’ny fitiavana’. — I Korintiana 16:14.
8. Nahoana moa no tsara ny hanombanana ny ho lany alohan’ny hidirana ao amin’ny raharaha iray?
8 Rehefa heverina amin’izany rehetra izany, alohan’ny hidirana amin’ny raharaha iray, dia tsara ny hanombanana ny vidiny (Lioka 14:28-30). Ny sasany angamba handray raharaha ara-barotra amin’ny fijerena lafitsaran-javatra, nefa amin’ny farany dia ho rendrika eo amin’ny harambato voasaron-drano. Ohatra, nisy kristiana nanao sary an-tsaina fa afaka hahazo tombony tahaka ny lehibeny izy ireo raha mba nanana raharaha toy ny azy koa ny tenan’izy ireo. Hadinon’izy ireny fa tsy mora akory ny mitarika raharaha iray ao anatin’ny fandehan-javatra anjakan’ny fifaninanana mafy. Maneran-tany, dia raharaha an’aliny maro no mahita fatiantoka isan-taona. Araka izany, rehefa avy nahita fahadisoam-panantenana mangidy tamin’ny fisetran-javatra ara-barotra ny kristiana maro dia nahita fanamaivanana rehefa tonga mpiasa mandray tsy tapaka ny karamany indray.
Manajà ny mpiray raharaha aminao
9. Inona moa no sasantsasany amin’ny fomba azon’ny kristiana ifanomezam-boninahitra ao anatin’ny faritry ny asa?
9 “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra”, hoy ny vakintsika ao amin’ny Romana 12:10. Ireo mpiasa kristiana manao toy izany dia tsy haniry ny hanararaotra ny lehibeny satria hoe Vavolombelona namany io; raha tsy izany, izy dia hanahaka izao tontolo izao izay mitady ny handeferan’ny lehibe eo anoloan’ny fahadisoan’ireo mpiasa ao aminy, satria hoe afaka manao izany izy. Hanaja ny mpampiasa azy kosa izy ireo amin’ny fanarahana fihetsika tsara sy amin’ny fanaovana ny asany amim-paharisihana (I Timoty 6:2). Etsy andaniny koa, ireo mpampiasa kristiana dia hanaja ireo Vavolombelona ampiasainy amin’ny fomba iresahany amin’izy ireny sy ataony aminy. Ny lehibe kristiana iray dia tsy tokony hieritreritra na oviana na oviana fa ambony noho ny anankiray amin’ireo namany mpino izy satria io miasa ho azy. Hotadidiany kosa fa samy mpanompon’i Jehovah izy ireo, mitovy eo imasony (Efesiana 6:9). Afa-tsy izany koa, izy roa ireo dia samy tokony hitadidy izao torohevitra voalaza ao amin’ny Galatiana 6:10 izao: “Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.”
10. Ahoana no anampian’ny fanetren-tena ny kristiana hifanaja?
10 Tsy mora akory ny manaja ny mpiara-belona amin’ny tena rehefa maneho fanetren-tena ny tena. Ohatra, ny kristiana manetry tena iray, izay loholona ao amin’ny kongregasiona iray, dia tsy ho sahirana hanaiky ao amin’ny asany, ny anankiray amin’ireo namany kristiana tsy mitovy tombontsoa aminy ao amin’ny kongregasiona. Mifamadika amin’izany, ny mpampiasa kristiana manetry tena iray dia tsy hahita fa sarotra ny manaiky hotarihin’ny loholona iray miasa ao aminy amin’ireo asan’ny kongregasiona. Afa-tsy izany koa, dia hitandrina izy ireo mba tsy hanjary ho be fanakianana loatra na hifampitaky fahatanterahana, satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. — Romana 3:23; 12:3.
11. Ahoana no azon’ny kristiana isehoana ho mahay mandanjalanja eo amin’ny raharaha?
11 Manome izao didy izao ny Baiboly: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo.” (Filipiana 4:5). Araka izany, dia tsy hety amin’ny kristiana iray ny hanantena hahazo tombontsoa manokana, handray soa amin’ny asa tsara kokoa na hahazo vidin-javatra ambany indrindra foana noho izy mifampiraharaha amin’ny namana kristiana fotsiny. Ny kristiana iray koa dia tsy tokony hanantena fa ny lehibeny, noho izy io kristiana koa, dia hanome azy avy hatrany ho toy ny zo, fotoana tsy hiasana fanampiny na tombontsoa hafa, toy ny fampiasana milina na fiarakodia. Homena angamba ny tombontsoa iray, ny asa tsara kokoa, vidin-javatra ambany na andro tsy fiasana fanampiny, kanefa tsy tokony hotakina izany. Mety hiteraka fahasosorana ny fanantenan-javatra mampiseho tsy fiheverana ary manimba ny fifandraisana eo amin’ny samy kristiana. — Ohabolana 18:19.
12. Inona no tokony hotandremana rehefa manao fanambarana ny amin’ilay Fanjakana eo amin’ny toeram-piasan’ny tena?
12 Ny kristiana dia maniry hampahafantatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny tsy mpino, kanefa any amin’ny toeram-piasana izy ireny dia tokony hitandrina tsara mba tsy hanao izany fanambarana izany raha tsy amin’ny fotoana mety (Mpitoriteny 3:1, 7). Tsy hatao mandritra ny ora fiasana izany raha tsy mahazo lalana avy amin’ny mpampiasa. Raha tsy izany, dia mety hampahasosotra an’io mpampiasa io izany ka hanala baraka an’i Jehovah sy ny olony (I Timoty 6:1). Azo atao ny manao fanambarana amin’ny fotoana hafa, amin’ny ora fisakafoana, ohatra, na mandritra ny fiatoana. Toy izany koa, raha miara-miasa ny Vavolombelona maromaro, dia tsy ho tian’izy ireo ny handany fotoana hifampiresahana ny amin’ny raharaha teokratika, kanefa izy ireo tokony ho eo am-piasana.
Aoka isika hitandrina ny antony manosika antsika
13. Ahoana no niheveran’i Paoly sy ireo mpampiantrano azy tany Korinto ny asany tsy ara-pivavahana?
13 Fony izy tany Korinto, ny apostoly Paoly dia niara-nanao raharaha tamin’i Akoila sy Prisila, mpampiantrano azy kristiana (Asan’ny apostoly 18:1-3). Niasa mba hameloman-tena izy ireo, kanefa ny raharahany dia nomena toerana nanarakaraka ny fanitarana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, zava-kendreny lehibe indrindra. Azo antoka fa tsy nisy afaka niampanga azy ireny ho ‘nanao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra [ara-nofo]’. (I Timoty 6:5.) Nitahy aoka izany an’ireo kristiana telo ireo Jehovah, ary milaza zavatra tsara ny amin’izy ireo ny Baiboly. — Romana 16:3-5.
14. a) Nahoana moa no tsara ny handinihana ny antony manosika ny tena alohan’ny hidirana ao amin’ny raharaha iray? b) Ahoana no nandaminan’ny Vavolombelona telo ny zava-nanahirana azy ireo?
14 Hisoroka fahasahiranana maro ny kristiana iray amin’ny fandinihana amim-pitandremana ireo antony manosika azy alohan’ny hidirana amin’ny raharaha iray. Ohatra, ny kristiana iray angamba dia haniry ho afaka hampiasa fotoana misimisy kokoa mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, kanefa ilay mety ho mpiray raharaha aminy haniry hanatsara ny fandehan’ny fiainany. Ny anankiray haniry hampiasa indray ny tombombarotra mba hanitarana ny raharaha, fa ny anankiray kosa ho vonona ny handoa hetra betsaka kokoa toy izay hampiasa indray ny tombombarotra, mba tsy hahavoatery hanome fotoana bebe kokoa ho an’ny raharahan’izy ireo. Tao amin’ny tany iray, ny Vavolombelon’i Jehovah telo izay nanana fatoram-pihavanana, dia nikamban-draharaha. Rehefa nandeha ny fotoana, dia naneho fiheverana samy hafa izy ireny raha ny amin’ny anjara nirin’ny tsirairay avy horaisina mba hampandeha ny raharaha. Nahita fanafodiny izy ireo: nanapa-kevitra ny hisaraka tamim-pifanarahana izy ireo ka hifampizara ny mpankao aminy. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia niaro ny fifandraisan’izy ireo tsara ara-panahy sy ara-pianakaviana izy ireo. Narahiny ny torohevitra ao amin’ny Baiboly milaza mba “hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana”. — Romana 14:19.
15. Nahoana moa isika no tokony hitandrina ny antony manosika antsika indrindra raha ny amin’ny vola?
15 Tokony hotandremana indrindra ny antony manosika ny tena raha ny amin’ny vola. “Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.” (Ohabolana 28:20). Ny kristiana “maimay ta-hanan-karena” dia mety tsy hahita intsony, zavatra sarobidy lavitra, dia: ny fifandraisana kristiana amin’ireo rahalahiny. Mety hiteraka fisarahan-tsaina ao anatin’ny kongregasiona ny fihetsiny, satria sosotra ireo mpikambana hafa ao mahita kristiana toy izany mametraka ny vola alohan’ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Koa manome izao fampitandremana izao ny Baiboly: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — I Timoty 6:9, 10.
16. Ahoana no tokony hanamboarana ny zavatra momba ny raharaha rehetra?
16 Ny “fitiavam-bola” dia mety hampaniasia ny kristiana iray lavitra ny finoana, amin’ny fanosehana azy, ohatra, hanaraka fanao ara-barotra tsy madio loatra na tsy marina tsotra izao aza. Rehefa mifampiraharaha amin’ny olona toy izany ny kristiana hafa, dia mety hiteraka fisarahan-tsaina izany. Amin’ny fanao toy izany, io kristiana io dia mahatandindomin-doza ny fifandraisany amin’i Jehovah. Mba hahatsara hatrany ny fifandraisana amin’ny raharaha, dia zava-dehibe ny tsy hanadinoana fa ny famitahana amin’ny raharaha “dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah”. (Ohabolana 11:1; 20:23.) Ho tian’ny kristiana kosa ny ho afaka hanantitrantitra toy izao sahala amin’ny apostoly Paoly: “Matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.” — Hebreo 13:18.
Ny fomba handaminana ireo zava-manahirana eo amin’ny raharaha
17. Ahoana no azo andaminana zava-manahirana sasany tsy dia lehibe raha ny amin’ny raharaha?
17 Na inona na inona fifandraisana amin’ny raharaha mampifamatotra ny kristiana, dia mety hitranga ny zava-manahirana. Azo alamina ny zava-manahirana sasany tsy dia lehibe loatra amin’ny fanarahana fotsiny ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny I Petera 4:8, manao hoe: “Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara: fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’ ”. Raha tsy mety ho voalamina amin’izany fomba izany ny zava-manahirana iray, dia tsy tokony havela hitombo sy hiharatsy. Izany dia mety hitarika kristiana tsy hifanaja intsony, na hanapaka izay rehetra mety ho fifandraisana aza. Matetika tokoa ny fanafodiny dia ny firesahana ny amin’ilay zava-manahirana amim-pahatsorana sy fahamoram-panahy dieny tsy mbola miharatsy ny tarehin-javatra. Manoro hevitra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba handamina haingana izay rehetra mety ho tsy fifanarahana. — Matio 5:23-25; Efesiana 4:26, 27.
18. Afaka manao inona moa ny kristiana iray izay mieritreritra fa voafitaky ny kristiana hafa iray mafy tamin’ny raharaha?
18 Raha mihevitra anefa ny kristiana iray fa namitaka azy mafy ny mpino hafa iray, dia hiahy ny amin’ny hanaovana ireo dingana voalazalaza ao amin’ny Matio 18:15-17. Ny dingana voalohany na ireo roa voalohany dia tokony hamela handamina ilay zava-manahirana. Raha tsy izany no izy, ny dingana fahatelo dia mitsinjo ny handinihan’ireo loholona ilay raharaha. Raha tsy maintsy mitranga izany, dia hosakanan’ireo loholona mafy ireo rahalahy voakasika mba tsy hankany amin’ny fitsarana. Raha toa miady amin’ny fitsarana amin’ny rahalahiny ny kristiana iray, izany, araka ny nolazain’i Paoly, dia ho “kilema aminareo [faharesena tanteraka ho anareo, MN ]”. Ary dia ampiany hoe: “Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo?” (I Korintiana 6:1-8). Aleo iharam-pahavoazana ara-pananana toy izay hanala baraka ny anaran’i Jehovah sy ny kongregasiona ka hanapaka ny firaisan-tsaintsika amin’ny fitoriana kristiana hafa iray any amin’ny fitsarana. Mazava ho azy fa na dia tsy misy fitoriana amin’ny fitsarana aza, raha nisy fanaovana ny tsy marina, dia angamba tokony hisalovana ny kongregasiona.
19. Ohatra tsara dia tsara ao amin’ny Baiboly inona moa no azon’ireo loholona tononina rehefa manome torohevitra mifandray amin’ny raharaha izy ireo?
19 Rehefa misy loholona voatarika hanoro hevitra kristiana izay manan-java-manahirana eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny raharaha, dia azon’izy ireo atao ny manintona ny sainy ho amin’ny ohatra mampiseho tsy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena nomen’i Abrahama rehefa notandindomin-doza ny fifandraisany tsara tamin’i Lota. Tsy nisetra ny faharavan’izany i Abrahama fa na dia be taona kokoa noho Lota aza izy, dia nanome an’io fahafahana hifidy voalohany ny faritaniny (Genesisy 13:5-11). Ireo loholona dia afaka manonona koa ny ohatra tsara navelan’i Zakaiosy. Vonona izy ny hanome ny antsasaky ny fananany ho an’ny mahantra sy hampiasa ny antsasany mba hanonerana avo efatra heny izay nalainy an-keriny tamin’olona tamin’ny alalan’ny fiampangana lainga. — Lioka 19:1-10; jereo koa I Korintiana 10:24.
20, 21. Inona indrindra moa no tokony hotadidiantsika ao an-tsaina raha ny amin’ny asantsika tsy ara-pivavahana?
20 Mahafinaritra ny mahita ireo kristiana mandamina amin’ny fomba mandaitra ireo zava-manahirana hitany amin’ny raharaha amin’ny fanarahana amim-pitandremana ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly. Amin’izany izy ireo dia tafaray hatrany na dia tsy mandeha aza ny raharaha sasany. Ho azo izany vokatra tsara izany raha tadidiana tsara ao an-tsaina amin’ny toe-javatra miseho rehetra, fa eo amin’ny kristiana, ny asa tsy ara-pivavahana dia manarakaraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana sy ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy. Ny tsara dia tsara koa, dia ny fahafahana mandamina ny raharahan’ny tena mba hananana fotoana misimisy kokoa hatokana amin’ny zavatra lehibe indrindra, ireo mahakasika ny asa ho an’ilay Fanjakana. — Matio 6:33; jereo Filipiana 1:9, 10.
21 Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy amin’ny fitambaran’ireo rahalahintsika kristiana àry no zava-dehibe tokoa eo amin’ny fiainantsika (Matio 22:36-39). Tsy havelantsika ho simba na oviana na oviana izany noho ny fitaomana mampiavaka izao tontolo izao na noho ny raharaha. Tsy hisy na inona na inona tokoa hety hitovy amin’ny hasoan’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah na ny hasoan’ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy.
Famerenana
◻ Amin’ny ahoana ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra no manamafy ireo fifandraisana amin’ny raharaha?
◻ Nahoana no fahendrena ny hanoratana fifanarahana ara-dalàna amin’ireo fifanekena lehibe?
◻ Ahoana no azon’ireo kristiana ifanomezam-boninahitra rehefa miara-miasa izy ireo?
◻ Nahoana moa isika no tokony handinika ireo antony manosika antsika raha ny amin’ny raharaha?
◻ Inona no fihetsika tokony haseho rehefa mandamina zava-manahirana mahakasika ny raharaha?
[Sary, pejy 16]
Nanao fifanarahana ara-dalàna tamin’i Efrona i Abrahama ny amin’ny fividianana tany iray.
[Sary, pejy 18]
Ho an’i Paoly, Prisila sy Akoila, ny asa fivelomany dia nitana ny toerana faharoa.