Mety hampidi-doza ny fitsiriritana
“NY ANTONY? Ny fitsiriritana”, hoy ny navoakan’ilay mpisolo ny mpampanoa lalàna amin’ny fitsarana ambony. Fa raha ny amin’ilay heloka bevava, dia vonoan’olona telo izany. Ny lehilahy iray 29 taona dia voampanga ho ninia namono ny rai-keliny, ny reniny, ary ny rahalahiny 16 taona. Nahoana? Mba handoavana fananana tombanana ho 200 000 dôlara, izany hoe 1 600 000 iraimbilanja frantsay.
Marina fa ny ankamaroan’ny olona dia tsy hamela ny fitsiriritana hitarika azy ireo ho amin’ny vonoan’olona. Kanefa tsy maintsy ekena fa io kilema io dia matetika ampy mba hanimba fifandraisana tsara. Rehefa tafiditra ao amin’ny kongregasiona kristiana ny fitsiriritana dia mety hiteraka, araka ny fomba fiteny ara-panahy, fandravana ary eny, fahafatesana aza amin’ny fampiadiana ireo rahalahy sy amin’ny fandranitana ny fankahalany ka ho tonga hatramin’ny fanaovana ‘famonoana olona’ ara-panahy. — I Jaona 3:15; Marka 7:21, 22.
Iza no mety ho hiara-pahavoazana amin’izany?
Amin’ny fomba miafina, ny fitsiriritana dia mifitsaka ao amin’ny tsirairay avy amintsika. Vokatry ny tsy fahatanterahana nolovantsika rehetra izy io. Izany dia fiharatsian’ny faniriana ara-dalàna, dia ny hanana fananana ara-nofo sy hiantoka ny tsy fananan’ny tena ahiahy ara-bola (Romana 5:12). Izany dia avy amin’ny fitsiriritana fatratra tafahoatra ny vola sady tsy afa-po, ny voninahitra na ny hery, ary izany dia mety hampiova olona iray malemy fanahy ho tena masiaka. Tato ho ato dia misy sokajin’olona niseho indrindra ho mety voan’ny tetik’adin’ireo olona mpanao raharaham-barotra fatra-pitia harena.
Ireo olona ara-pivavahana tokoa dia mahaforona izay tena iantefan’ny safidin’ireo mpifetsy. Nahoana? Satria amin’ny fitsipika ankapobeny dia matoky kokoa izy ireny ary te-hanao izay hahafaly ny hafa. Ireo olona lian-dremby amin’izany dia mahita mariky ny fahalemena sy ny fetezana hinohino foana. Rehefa avy nanao famotopotorana ny amin’ny fitaka, tany Utah izay nanaisotra 200 tapitrisa dôlara (1 600 000 000 iraimbilanja frantsay] amin’ireo mpikambana tamin’ny antokom-pivavahana iray ihany tao anatin’ny roa taona teo ho eo ny Maître Brent Ward, mpisolo vava amerikana dia tonga tamin’izao fanatsoahan-kevitra izao: “Araka ny miseho, isaky ny manao fampielezan-kevitra mifototra amin’ny fivavahana ny mpanao raharaham-barotra iray dia tonga amin’ny fampinoana izay tsy azo inoana izy.” Amin’izany tarehin-javatra izany dia natao izay inoan’ireo iharam-pahavoazana fa azon’izy ireo atao ny hanan-karena ao anatin’ny fotoana fohy sy tsy misy fahasahiranana amin’ny fianinana mametraka ny volan’izy ireo amin’ny fomba iray. Nefa raha ny tena izy, moa ve ny antony manosika mitarika ny sasantsasany tamin’izy ireny hiala amin’ny fanangonam-bola mananosarotra tsy ny fitsiriritana indrindra?
Tsy fananana ahiahy hevi-dravina
Ahoana no itomboan’ny fitsiriritana sy fitiavan-karena manampy azy? Amin’ny ahoana ny fitsiriritana no mety hanova ho mora fitahina ny mpanangom-bola iray faran’izay malina? Ny anankiray amin’ny valin’ireo fanontaniana ireo dia voalaza toy izao ao amin’ny Mpitoriteny 4:4: “Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fitiavana hahomby kokoa noho ny mpifanolobodirindrina. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.” — Bible en français courant.
Ireo mpanao raharaham-barotra maty eritreritra dia matetika mampiseho ny fikasany ao anatin’ny fiainana mampahatsiahy ny harena. Tonga amin’ny fiarakodia mirenty izy ireny ary mitondra firavaka fatratra. Raha ny tena izy dia mampiasa izany rehetra izany izy ireo ho toy ny jono mba hitaomana ireo tsy mitandrina ho voafitaky ny fitsiriritana. Iriny ny hitsiriritanao ny fananany ka inoanao fa raha mametraka ny volanao ao amin’ny fiantohan-draharahany ianao dia hiaina ao amin’ny fahatondrahana koa, hanan-karena nefa tsy nila nanao fiezahana be dia be. Raha ny marina, ka tsy sendra mamoy avy hatrany ny anjara volanao rehetra ianao, dia tsy maintsy miasa ela kokoa sady mafimafy kokoa tsy misy toy izany.
Ny fitsiriritana dia mampino ny olona tratrany fa ny vola no hany zavatra ilain’ny olombelona. Marina fa mety hiantoka fiarovana sasany ho an’izay manana azy ny vola, nefa dia tsy hitondra fahasambarana na fiainana mandrakizay ho azy izany; manana ny fetrany koa izy. “Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola, hoy ny vakina ao amin’ny Mpitoriteny 7:12, ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” Ao amin’ny fomba fiaina mifototra amin’ny fahalalana marina an’i Jehovah sy ny Zanany, Jesosy Kristy, no misy ny zava-miafin’ny tena fahasambarana sy ny fiainana mandrakizay. Araka izany, moa ve tsy fahendrena koa ny “mametraka” amin’ny fahatongavana ho manan-karena ara-panahy miaraka amin’Andriamanitra toy izay ny fikatsahana ireo harena ara-nofo miaraka amin’ny olombelona? — Matio 5:3; Lioka 12:20, 21; Jaona 17:3.
Kanefa tsy ny vola amin’ny maha-izany azy no fototry ny zava-manahirana. Ny zavatra rehetra dia miankina amin’ny fomba ahazoan-tsika sy ny fomba ampiasaintsika azy — Matio 6:24.
Ny fifandraisana amin’ny samy kristiana
Maro amin’ireo fikambanam-barotra no mamporisika ireo solon-tenany hihevitra ireo olom-pantany ary indrindra ireo mpiara-mivavaka aminy ho toy ny mpividy manan-kery. Noho izany, ny fikambanam-pivavahana misy azy ireo dia manjary tsena azon’izy ireo handefasana ny vokatr’izy ireo rehetra. Izany dia anankiray amin’ireo fomba ampiasain’ireo fiantohan-draharaha mba hampitomboana ny mpividiny. Nefa moa ve ny tena kristiana dia haniry hitady tombony amin’ny fifandraisany amin’ireo rahalahiny sy anabaviny ao amin’ny finoana? — I Korintiana 10:23, 24, 31-33.
Rehefa avy nandany telo taona tao amin’ny kongregasiona tao Efesosy ny apostoly Paoly dia afaka nilaza marina tsara hoe: “Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’olona aho.” (Asa. 20:33). Tsy hoe fotsiny nanda tena tsy hitsiriritra fananan’ny hafa izy fa tsy naniry koa hampiasa ny fahamarinana ho fikendrena ny tombontsoany manokana.
Misy fiantohan-draharaha mampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny dokam-barotr’izy ireo ary mifampiraharaha mivantana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fampiasana ny Efitrano Fanjakana. Moa ve io fanao io mety hifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:33? Tsy izany velively. Ny Efitrano Fanjakana sy ireo toerana hafa ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hianarana Baiboly dia tsy efitrano fivarotana na fanaovan-draharaha momba ny asa. Ny fiaraha-midinika atao ao, aloha, mandritra ary aorian’ny fivoriana dia tokony hijanona ho ara-panahy (Hebreo 10:23-25). Noho izany, izay mandoto ny hatsaran’ny fifandraisana kristiana amin’ny fampidirana toe-tsaina fatra-pitia vola ao dia mampiharihary tsy fahampiam-panajana lehibe ny zava-tsarobidy ara-panahy.
Ny hafa dia manararaotra ny fifandraisany kristiana any ivelan’ny Efitrano Fanjakana. Te hilaza ve izahay fa ireo mpanompon’Andriamanitra dia tsy manana zo hanao fifanarahana miaraka na hiombona amin’ny raharaham-barotra? Tsy izany velively. Raharaha manokana izany. Kanefa ny sasany dia manorona raharaha kinanga mamporisika ny fitsiriritana, ary avy eo dia manasa ireo rahalahiny hikambana aminy na ho tonga solon-tenany. Maro amin’ny karazana fiantohan-draharaha toy izany no tsy mahomby ary dia vidin’ireo nanaiky ho tratra amin’izany lafo tokoa izany.
Miharihary fa amin’ny tarehin-javatra sasany, dia ny faniriana hanan-karena haingana no manosika ireo liana amin’izany hanao kitoatoa. Kanefa moa ve ilay mpampiditra raharaham-barotra tsy tokony hahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’izay mety ho fahadisoam-panantenana ara-bolan’ireo notarihiny ho amin’ny fiantohan-draharahany? Tsy hety ve ny handanjalanjany mialoha ny vokatra ara-panahy ny amin’ny fatiantoka ao amin’ireo mpiara-miasa aminy? Amin’io fiheverana io, moa ve izy tsy hampamoahina?
Nisy mpiandraikitra kristiana sasany tafiditra tamin’ny raharaha maizimaizina nitondra fahavoazana ho an’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana. Ho takatr’izy ireny fa izany dia mety hampiala ny tombontsoa azon’izy ireo ao amin’ny faritry ny kongregasiona. Marina fa ny tsirairay avy dia manana zo hanana ny asa fivelomany araka izay tiany. Kanefa tsy misy na iza na iza mahazo lalana haka tombony ara-nofo amin’ny fifandraisany amin’ireo namany kristiana. — II Korintiana 6:3, 4; 7:2; Titosy 1:7.
Aza mahatoky “ireo raharaha ahitan-tombony be”
Ny kristiana iray hahita ny loza mananontanon’ny raharaha be tombony aoka izany raha atsangan’ny fikambanana iray eo amin’izao tontolo izao dia mety hiala amin’ny fahamalinany rehefa fikasana novolavolain’ireo rahalahiny izany. Mety hanaiky ho diso hevitra tokoa izy noho ity fanjohian-kevitra manaraka ity: ‘Tsy raharaha toy ny hafa izany. Mpanompon’Andriamanitra no nihevitra azy ary ny vola ho azoko amin’izany dia hahasoa ahy. Azoko antoka fa tsy hiditra velively amin’ny raharaha kinanga izay mety hampidi-doza ny tahirim-bolan’ireo rahalahiny izy. Ankoatr’izany, raha mandray soa amin’izany aho dia hanana fotoana bebe kokoa hatokana ho an’ny asa ara-panahy. Angamba àry ho afaka hanao ny asan’ny mpitory maharitra aho’. Nefa tandremo! “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”, hoy ny Baiboly. Tsy maningana ny anao. Ny fitsiriritana dia mety hanajamba antsika ka hitondra antsika hatramin’ny fidirana ho amin’ny lalana malama, eny ny fanambakana ireo rahalahintsika noho ny zava-kendrena feno fitiavan-tena. Zava-dehibe àry ny hamakafakantsika amim-pahatsorana ny antony manosika antsika araka ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. — Jeremia 17:9, 10.
Tsy fahendrena ny mikambana tsy misy fieritreretana na amin’iza na amin’iza, na dia amin’ireo rahalahintsika aza. Aleo lavitra “mihevitra izay ho lany” mialoha (Lioka 14:28, 29). Ilainao tokoa ny mahalala izay fetran’ny fahafahanao sy ny an’ilay fiantohan-draharaha mifampiraharaha aminao.
Aoka hohazavaintsika amin’ny ohatra izany: Ny mpamily fiarakodia malina iray dia mahafantatra ny lalana sy ny fiarakodiany. Fantany fa ny fiara hafa dia tsy mora mivadika kokoa amin’ny fiolahan-dalana, ary na dia alefa mafy be aza dia hety kokoa amin’ny familiana tampoka mba hisorohana zavatra misakana. Tsy hoe tsy mahalala izy fa arakaraka ny andehanana mafy no mahakely ny fahazoana manao fahadisoana sy mahabetsaka kokoa ny mety hitrangan’ny loza tampoka. Noho izany dia tsy mitady hanatratra ny vokatra azon’ireo mpamily hafa amin’ny fiarakodia hafa izy. Fantany ny fetrany. Mba hiverenana amin’ny foto-kevitsika dia tsy izao no fotoana handehanana lavitra kokoa hatrany sy haingana kokoa eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Raha sambatra amin’ny raharaham-barotra ny kristiana iray dia tsy voatery milaza akory izany fa ho toy izany koa ny hafa. Ambonin’izany, toy ny alkaola amin’ny mpamily, ny fitsiriritana dia mety hitarika olona iray ho matoky tena loatra amin’ny fahaizany, ka izany dia mety hiafara amin’ny loza lehibe, eny mahafaty aza eo amin’ny lafiny ara-panahy. — Galatiana 5:26.
Alohan’ny hidiranao amin’ny fiantohan-draharaha iray dia tsara ny hanontanianao tena hoe: Tena ilaiko ve izany? Moa ve ny dokam-barotra naseho ahy mampiasa ny fitsiriritana? Moa ve mifanitsy amin’ny tena zavatra ilaina io raharaha io? Azoko atao ve mamoy ny vola rehetra tsy maintsy apetrako ao? Raha tsy mahomby ilay fiantohan-draharaha, moa ve tsy hanana ny tsy fananana ahiahy ara-bola ilaina izahay mianakavy? Inona avy no fanaovana vy very amin’io fametrahana io? Raha voantso ho lasa tompony na mpiombom-barotra aho, moa ve aho manana fanandraman-javatra ampy sy fahiratan-tsaina amin’ny fitatanan-draharaha mba hiantsorohana tsara io andraikitra io? Mitatra ve ny tsena? Hanan-trosa be loatra amin’ilay fikambanana ve aho ka ho sarotra amiko ny hiala aminy? Raha marary mafy aho, inona no hitranga?
Ireto misy fanontaniana hafa mbola lehibe kokoa: Hanam-potoana tokoa hatokana ho an’ny asa ara-panahy ve aho? Tsy ho kely kokoa aza ve izany? Firy tamin’ireo efa tafiditra tamin’ilay raharaha no nampitombo ny fandraisany anjara amin’ireo asa ireo?
Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia mifamatotra akaiky amin’ny ara-panahinao. Ny fitantanana ratsy, ny hevi-diso na ny drafitra tsy ary fomba dia tsy ho lasa tsara satria fotsiny hoe kristiana ireo mpanao azy. Ny trano iray na dia natao tamin’ny fitaovana tsara aza dia tsy hahatohitra ny tafiodrivotra raha naorina teo ambony fasika. Kanefa ny loza mananontanona ny kristiana dia tsy fahoriana ara-bola fotsiny; firodanana ara-panahy koa izany. — Matio 7:24-27.
Daniel, amerikana iray manan-janaka enina dia nahazo 200 000 dôlara [1 600 000 iraimbilanja frantsay] isam-bolana. Kanefa tsapany fa ny toerany dia nanery azy handany fotoana be loatra lavitra ny fianakaviany sady nanimba ny ara-panahiny. Inona no nataony? “Nanapa-kevitra ny handao ny fiantohan-draharahako aho” hoy ny navaliny. Roa ambin’ny folo taona tatỳ aoriana dia niteny toy izao izy: “Tsy nanenenako velively izany. Nahazo soa lehibe maro avy amin’i Jehovah aho ary ny fianakaviako manontolo dia tafaray ankehitriny mba hanompo ilay Mpamorona antsika lehibe.”
Fikororosiana manodoka
Ahitana fikororosiana manodoka ho amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso amin’izao androntsika izao. Kristiana maro no manahy ny amin’izany, ary mitarika azy ireo hanao fanamarihana toy itony:
“Manao zavatra isan-karazany ireo olona eo amin’izao tontolo izao mba hananan-karena haingana, amin’ny fotoana tapatapany na manontolo andro, indrindra amin’ny lafiny fivarotana mivantana amin’ny sokajy rehetra. Maro tamin’ireo namako kristiana no nanaiky ho voafitaka tamin’izany, ary namoy vola sy fotoana sarobidy taminy izy ireo. Fa raha ny tenako, dia niharam-pahavoazana in-telo tamin’ny karazan-draharaha toy izany aho. Nanenenako mafy ny nitarihako ny sasany tamin’ireo rahalahiko tamin’ny raharaha toy izany. Namela fananana izay tsy azony nafoy izy ireny”.
“Ny kristiana sasany tsara toerana dia manolotra fametraham-bola isan-karazany ary fifanarahana hafa amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona. Tamin’iny herinandro lasa iny fotsiny dia nangatahana in-telo aho. Ny rahalahy iray dia nanao fanoloran-kevitra ny amin’ny zavatra amidiny, ny faharoa dia nanoro hevitra ahy hametraka ireo tahirim-bolako any amin’ny klioba fametraham-bola noforonin’ny Vavolombelona ho an’ny Vavolombelona, ary ny fahatelo dia nanontany ahy raha ho tiako ny hiombom-barotra aminy.”
“Araka ny hita dia nafana fo aoka izany tamin’io lalana ivoahana io [fananganana fikambanam-piantohana foronin’ny saina fotsiny] ireo rahalahy hany ka ny olon-drehetra, hatramin’ireo olona liana amin’ny fahamarinana vao haingana ka hatramin’ireo kristiana ianjadian’ny fahasahiranana amin’ny lafiny ara-panahy dia heverina ho toy ny mpirotsaka manan-kery ao amin’ilay fandaminana”.
“Ireo izay mandoka fomba iray na hafa mba hananan-karena haingana dia tonga hatramin’ny fanovana ny zava-tsarobidy ara-panahy. Izany no mitranga rehefa toa mamela hino ny sasany na manamafy tsotra izao fa ny hareny na ny fahombiazany dia vokatra mivantan’ny fitahian’Andriamanitra.”
Ny fomba fijery tsara ny harena dia hanampy ny kristiana hiaro tena amin’ny fandriky ny fitsiriritana ary hanome azy ny hery hanoherana ny fironana ho amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso omen’izao tontolo izao antsika. Araka izany, ahoana no tokony hiheverana ny harena raha te-hiaro tena amin’ny fitsiriritana?
[Teny notsongaina, pejy 24]
Rehefa tafiditra ao amin’ny kongregasiona ny fitsiriritana dia maniry ny hitsiriritanao ny harenany mety hitondra fanimbana izany.
[Teny notsongaina, pejy 25]
Ny fitsiriritana dia mampino ilay tratrany fa ny vola no hany zavatra ilain’ny olombelona.
[Teny notsongaina, pejy 26]
Ny Efitrano Fanjakana dia tsy efitrano fivarotana na fiantohan-draharaha momba ny asa.
[Teny notsongaina, pejy 26]
“Nanenenako lalina tokoa ny nitarika sasan-tsasany tamin’ireo rahalahiko tamin’ny raharaha toy izany. Namela tao fananana izay tsy tokony ho veriny izy ireo.”
[Sary, pejy 25]
Ireo mpanao raharaham-barotra maty eritreritra dia maniry ny hitsiriritanao ny hareny
[Sary, pejy 27]
Ny fomba fijery tsara ny harena dia hanampy ny kristiana hiaro tena amin’ny fandriky ny fitsiriritana.