Ny fampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly: ny lalana tsara indrindra
“KUNGSHI, kungshi fa tsaï!” (Arahabaina! Hanan-karena anie ianao!) Izany fiarahabana tratry ny taona, amin’ny fomba Sinoa izany, dia mampisongadina ny fahombiazana ara-nofo, izay tena mahazatra maneran-tany. Raha ny amin’ny fampitomboana ny fahafahana hanan-karena, dia tonga amin’ny fanomezana fiheverana lehibe aoka izany ny fianarana ny olona ka saiky lasa zavatra ivavahana izany. Any amin’ny tany maro any Atsinanana, matetika ny fanahian’ny ray aman-dreny lehibe indrindra dia ny hampiditra ny zanany any amin’ny sekolin-jaza tsara indrindra, mba ahafahany hiditra amin’ny sekoly fanabeazana fototra tsara indrindra avy eo, ary toy izany hatrany mandra-pahatongany any amin’ny oniversite. Toy izany koa any Andrefana, dia maro no sahirana amin’ny fikatsahana ny harena sy ny fiainana mety entiny.
Nefa inona no hambara ny amin’izany fanahiana ara-nofo mahazatra izany raha jerena amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly? “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra” hoy ny fampitandreman’i Paoly apostoly. Manohy ny teniny toy izao izy: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (I Timoty 6:9, 10). Ny Mpitoriteny 5:10, raha manipika zava-misy tena miharihary matetika rehefa ataon’ny olona ho ny fanahiany lehibe indrindra ny zava-kendrena ara-nofo, dia manambara toy izao: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola, ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.”
Firifiry akory moa ny mpivady samy miasa mafy mba hananana izao rendrarendra rehetra azo saintsainina izao ary lasa sahirana loatra amin’ny farany ka tsy mba hita ao an-tranony mihitsy mba hifaly amin’ny fananany! Mifanohitra amin’izany, fa nanoratra toy izao i Paoly alohan’ny anomezany ilay fampitandremana notononina teo aloha ho an’i Timoty: “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. (...) Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika dia aoka hianina amin’izany.” (I Timoty 6:6, 8). Ary ny Ohabolana 28:20 dia manampy izao hevitra izao: “Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.” Mampalahelo ny mahita olona, na dia tia namana sy mahay mandray olona aza, manao sorona ny fotopoto-pitsipika ambonin’ny fahamarinana, ny fahamendrehana sy ny fitondrantena ho an’ny fiezahana ataony mba hanangonan-karena bebe kokoa hatrany!
Ao amin’ny faritry ny fianakaviana
Any amin’ny firenena sy foko sasany, dia fanao ny manantena hahita ny ankizy — ary indrindra moa ny ankizivavy, izay handao ny tokantrano amin’ny farany mba hanambady — mandeha miasa ary mandefa isam-bolana vola sasany any an-trano mba hanaporofoana ny fitiavan’izy ireo amin’ny maha-zanaka sy hamaliana soa ny ray aman-dreniny noho ny nitaizany azy ireo. Ohatra, tao amin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah iray, dia nanambara tamin’ny ray aman-dreniny ny zazavavy iray fa naniry ho any amin’ny tanàna iray izy mba ho tonga mpitory maharitra (minisitra manontolo andro). Hevero ny fahaverezan-keviny rehefa nilaza taminy ireo ray aman-dreniny fa nirin’izy ireo ny handehanany miasa sy handefasany vola fanampiana ho azy ireo isam-bolana! Tsy tao anatin’ny filan-javatra ara-nofo izy ireo. Noho izany, ny fotopoto-pitsipika ilazana fa tokony hikarakara ny ray aman-dreniny be taona, marary na sahirana ny ankizy dia tsy mihatra amin’io toe-javatra io (Matio 15:4-6; I Timoty 5:8). Raharaha momba ny fanao naorina teo amin’ny foko nisy azy ireo fotsiny izany: manana andraikitra hanampy eo amin’ny fanangonan-karena ho an’ny fianakaviana ny ankizy. Na dia ilaina aza matetika io fanao io noho ny tsy fisian’ny fanampiana ara-tsosialy, dia tsy nitandrina izany io fianakaviana io afa-tsy hoe mba tsy hitsanga-menatra eo anatrehan’ny manodidina azy fotsiny na koa satria izy nifindran’ny faniriana fatra-pielin’ny “fa tsaï”.
Rehefa niresaka ny amin’io raharaha io tamin’ny loholona iray tao amin’ny kongregasiona kristiana ilay ray, dia nahazo fampaherezana hihevitra andininy maro tao amin’ny Soratra masina izy alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra. Hita tamin’ireo andininy nomena azy ny II Korintiana 12:14, izay nanorenan’i Paoly izao fotopoto-pitsipika izao: “Fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany.” Rehefa avy nieritreritra io fotopoto-pitsipika ara-baiboly io, sy ny hafa koa ireo ray aman-dreny, dia nandray ny fanapahan-keviny. Faly nahazo fahafahana ho tonga mpitory maharitra ny zanany vavy, ary mandray fanohanana ara-bola sasany mihitsy aza.
Ny fanekena: hatraiza?
Ny raharaha momba ny fanekena dia lafiny hafa iray koa izay matetika mampifanohitra ny fampiasana sy ireo fomba amam-panao amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Any amin’ny tany sasany dia takin’ny fomba amam-panao amin’ny tsirairay ny fanekena tanteraka ny ray aman-dreny sy ny fahefana hafa amin’ny endrim-piainana rehetra. Tsy mahalana, any amin’ny tany toy izany, no hisian’ny olona efapolo taona sy mihoatra aza mandà ny famakiana zava-boasoratra avy amin’ny fivavahana hafa noho ny an’ny ray aman-dreniny, na ny fandraisana fanapahan-kevitra lehibe raha tsy nisy fanontaniana azy ireo mialoha akory, noho ny tahotra sao mampahasosotra azy. Kanefa, miha-matetika any amin’ireny tany ireny no misy tanora mikomy tsotra izao amin’ny ray aman-dreniny. Amin’ny fiheverany voalanjalanja, no anampian’ny Baiboly antsika hanalavitra ireo lafiny roa mifanohitra. Ny fotopoto-pitsipiky ny fanekena mifandray amin’ny fahefana olombelona dia voambara mazava ao amin’ny Asan’ny apostoly 4:19 sy 5:29. Mariho koa fa raha mamporisika ny fankatoavan’ny ankizy ny ray aman-dreniny Paoly, dia asehony fa tsy hoe tsy voafetra akory izany raha nilaza toy izao izy: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’, fa izany no didy voalohany misy teny fikasana.” — Efesiana 6:1-3.
Mbola miankina amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly hafa iray koa ny fetra haneken’ny olona iray ny ray aman-dreniny: ny faneken’ny vehivavy ny vadiny. “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy”, hoy ny nosoratan’i Paoly. Nanitatra izany fotopoto-pitsipika izany izy avy eo tamin’ny fampahatsiarovana izay nambaran’i Jehovah taorian’ny nanorenana ny fanambadian’olombelona voalohany: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.” — Efesiana 5:22-31.
Inona no hambara, na dia izany aza, ny amin’ny toe-javatra any amin’ny tany maro, izay mbola hanohizan’ny zanakalahy miara-miaina amin’ny ray aman-dreniny aorian’ny nanambadiany? Ambaran’ny Baiboly ho mpitranga teo amin’ny mpanompon’i Jehovah izany, fara-faharatsiny talohan’ny andro kristiana. Tamin’izany toe-javatra izany, dia nitoetra ho patriarka ny raim-pianakaviana, nefa tokony hanaiky ny vadiny avy ireo vehivavy. Any amin’ny tany sasany anefa, dia matetika ny rafozam-bavy no manana fahefana amin’ny vinantovavy. Sarotra kokoa amin’izay ho an’ny zanakalahy ny mampihatra tsy misy fepetra ny fotopoto-pitsipiky ny fahefana amin’ny maha-lehilahy vady ary ho an-dravehivavy vadiny ny hanaiky marina tokoa an-dralehilahy vadiny. Amin’izay ny zanakalahy dia tokony hanorina fifandanjana eo amin’ny fanajana asehony amin’ny ray aman-dreniny sy ny ilàna hitarihana ny tokantranony raha maniry an’i Jehovah ho ny tady fahatelo izy ao amin’ilay “mahazaka telo olana tsy mora tapahina” ara-panoharana. — Mpitoriteny 4:12.
Any amin’ny tany sasany, mbola sarotra kokoa indray ny toe-javatra miseho rehefa maka vady amin’ny fianakaviana tsy misy mpandova lahy ny lehilahy iray. Ny toe-javatra hanaraka dia ny karazan’ny toe-piainana mihitsy hitan’ny lehilahy iray toy izany, rehefa mianatra izy, aorian’izany, ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ary miezaka ny hampihatra izany. Ny tovolahy katolika iray dia naka vady tao amin’ny fianakaviana katolika iray. Hatrany am-piandohana, dia nahatsiaro ho nohamavoin’io fianakaviana io izy; zara raha noheverina ho mihoatra noho ny mpiasa vonjy tavan’andro iray nantenaina hanome zanaka mba hampaharitra ny anaran’ny fianakaviana izy. Araka ny itiavan’ny fomba amam-panao azy ao amin’ny fandaharana toy izany, dia tokony hanary ny anarany manokana izy mba hahafahan’ny zanany hoheverina ho ny mpandova ny fananam-pianakaviana. Rehefa nianatra ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahefan-dray izy ary nanandrana nampihatra izany, dia izao no teny nalefan’ny vadiny taminy, nanao rodobe niaraka tamin’ny ray aman-dreniny: ‘Tsy nitondra na inona na inona tato amin’ity fianakaviana ity ianao, ka noho izany dia tsy manan-kambara raha ny amin’ny fomba tokony hanaovan-javatra!’
Na dia tsy mifanohitra loatra toy izany aza ny fanekena rehetra karazan’izany, dia azo atao mora foana ny mahatakatra fa raha fitsipika ny fomba amam-panao toy izany, raha antenaina ny haneken’ny lehilahy vady, dia hiseho ny zava-manahirana rehefa irina ny hampihatra ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly momba ny fahefana. Ho tena sarotra ho an’ny lehilahy vady kristiana ny mampihatra amim-pitiavana ny fahefany eo amin’ny fianakaviany manokana, ary mbola hanelingelina toy izany koa ho an’ny vadiny ny hanaiky azy ‘amim-panajana lalina’ fa tsy ireo ray aman-dreniny izay tsy isalasalana fa mbola ao aminy no iarahan’izy roa miaina. — Efesiana 5:33.
Azo atao ny mbola manazava ny fifandonana izay mateti-pitranga amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sy ny fomba amam-panao raha miresaka ny fanambadian’ny ankizy amboarin’ny ray aman-dreniny. Matetika izany no tena zava-manahirana, ho an’ny zatovo kristiana manan-dray aman-dreny tsy mpino, satria mihevi-tena ho tsy nahomby ny ray aman-dreny raha tsy ‘mitokan-trano’ ny zanany, rehefa tonga amin’ny taona toy izao. Mampihatra fanerena mafy amin’izy ireo àry izy, indrindra amin’ny zazavavy, ka tonga hatramin’ny famonoana azy mba hanerena azy hanambady. Raha tsy misy vady kristiana tian-janany, dia hataon’ireo ray aman-dreny tsy mpino izay rehetra saiky azony atao mba hanamboarana fanambadiana. Nefa hotsarovan’ilay kristiana ny fotopoto-pitsipika mibaiko ny hanambadiana “ao amin’ny Tompo ihany”. — I Korintiana 7:39; Deoteronomia 7:3, 4.
Mitondra soa ny fampiharana ny fotopoto-pitsipika ara-Baiboly
Ny hatsarana miavaky ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia mitoetra ao amin’ny fahafahany manatsara ny fiainan’izay maniry hampihatra azy, na aiza na aiza iainany. Misy vokany sy mampiray ny fianakaviana izy. Mahatonga ny olona ho mahatoky kokoa izy, mahatonga azy ho lehilahy vady sy ray tsaratsara kokoa, vehivavy sy reny tsaratsara kokoa. Izany fotopoto-pitsipika izany dia afaka mandresy ny zava-manahirana ateraky ny fomba amam-panao mifanohitra aminy, ary mamela hitandrina amim-pandanjalanjana ireo izay tsy manohitra mivantana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny olona angamba, nefa manasarotra kokoa ny fampifanarahan’itsy farany ny fiainany aminy. Ahoana no hetezan’izany?
Voalohany aloha, sahala amin’ireo kristiana tany Tesalonika, dia ilainao ny manaiky ny Baiboly ho “ny tenin’Andriamanitra” tokoa. Midika izany fa ilainao ny mahatsapa ny maha-fahendrena azy marina tokoa avy amin’ny Loharano ambony indrindra misy. Manaraka izany, dia ilainao ny miezaka hianatra izay ambaran’ny “tenin’Andriamanitra” ho tombontsoanao. Mianara mamoaka ny fotopoto-pitsipika sy ny lalàn’Andriamanitra mandritra ny famakiana sy ny fianaranao ny Baiboly. Avy eo, lafiny fahatelo, dia tokony havelanao ‘hiasa ao aminao’ izany teny izany. (I Tesaloniana 2:13.) Mitaky ny hifaneraseranao akaiky amin’ireo kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra izany, izay miparitaka any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 200 ankehitriny. Izany no nahatonga ny fianakaviana iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-izy azy: fianakaviana iray tena misy fa tsy amin’ny anarana fotsiny.
Alohan’ny zava-drehetra, ny mpanompon’i Jehovah dia miahy ny ho tafaray amin’Andriamanitra amin’ny famelana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly hibaiko ny fiainany. Inona no jinjainy avy amin’izany? Firaisana marina sy maharitra amin’ireo izay tafaray amin’Andriamanitra koa, sy ny fiadanan-tsaina izay manohana azy ao amin’ny tarehin-javatra rehetra misy eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny (Filipiana 4:6, 7). Io firaisana io, ireo fatorana akaiky amin’Andriamanitra sy ny hafa ireo dia tsy isalasalana fa manampy hanatsara ny toetry ny fiainana dieny ankehitriny. Ankoatr’izany, io firaisana io sy ireo fatorana ireo dia manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao sy marin’Andriamanitra izay hampanekena tanteraka ny zava-drehetra amin’ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny farany. — I Timoty 4:8; I Korintiana 15:28.
[Sary, pejy 7]
Ekeo ho “ny tenin’Andriamanitra” ny Baiboly.
Manaova fiezahana hianatra izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ho tombontsoanao.
Avelao io Teny io ‘hiasa ao aminao’.