Manehoa fahadodonana hanambara ny vaovao tsara
“Koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara [dodona, MN ] aminareo.” — ROMANA 1:15.
1, 2. Ahoana matetika no fihetsiky ny olona rehefa mitranga ny loza iray?
“MPIASA an-tsitrapo an-jatony maro (...) no tonga saiky avy tamin’ny faritra rehetra ary niely tao amin’ny faritany, niaraka tamin’ny fiara vaventy feno sakafo sy fitafiana. Nanorina fialofana ho an’ny tra-boina izy ireo, ny sasany niasa teo amin’ny valo ambin’ny folo ka hatramin’ny roapolo ora isan’andro, ny sasany aza tsy natory akory nandritra ireo andro voalohany nanaraka ny fahatapahan’ny fefiloha.”
2 Toy izany no fihetsiky ny olona rehefa nitranga tampoka tao afovoan’i Californie ny tondradrano iray tamin’ny lohataona lasa ary nahatonga olona efatra arivo sy roa alina ho tsy nanan-kialofana. Marina tokoa fa rehefa mitranga ny loza iray — hatreo amin’ny tondradrano voafaritra amin’ny toerana iray ka hatramin’ny loza noklehera, mandalo amin’ny horohorontany — ny olona matetika dia manolotra an-tsitrapo ny fanampiany. Azo lazaina hoe ‘mamoritra ny tanan’akanjony’ izy ireny. Misetra loza maro izy, manaiky hisahirana ary mailaka ny manampy ny namany na dia tsy fantany akory aza ireny.
Maika ny fotoana
3. Loza lehibe tsy misy toa azy inona no miandry ny olombelona ankehitriny?
3 Ny olombelona izao dia eo am-piatrehana ny loza lehibe indrindra eo amin’ny Tantara, ary izany dia tsy noho ny fanimbany ny tontolo iainany, na noho ny fandrahonan’ny ady noklehera iray na koa noho ny fitomboan’ny heloka bevava sy ny herisetra, na dia hoe lehibe tokoa aza ireo loza ireo. Raha ny marina, ny miandry ny olombelona dia ilay aantsoin’i Jesosy hoe “fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. Mba hampisehoana ny endrika mandringan’io “fahoriana lehibe” io dia manampy toy izao Jesosy: “Raha tsy efa nohafohezina izany andro izany dia tsy nisy nofo hovonjena.” — Matio 24:21, 22.
4. Raha mifanehatra amin’ny tarehin-javatra toy izany isika, inona no tokony hataontsika?
4 Inona moa no hataonao raha fantatrao hoe olona maro, anisan’izany ny olona akaiky anao indrindra, no ho faty tsy ho ela ao amin’io fahoriana io? Ho maika ve ianao hitondra ny famonjenao ho azy ireny? Tadidio ny fahitana ara-paminaniana azon’i Ezekiela ny amin’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra. Fantatr’io fa ireo izay hanana ny marika ara-panoharana eo amin’ny handriny ihany no ho tafita velona amin’ny fandringanana an’i Jerosalema ary izy no tokony hametraka izany mari-pamonjena izany. Noho izany, inona no nataony? Rehefa nanao ny filazan’asany izy taty aoriana, dia afaka niteny hoe: “Efa vitako izay nandidianao ahy.” — Ezekiela 9:1-11.
5. Inona moa no asa nandidiana hotanterahintsika ary manao ahoana ny halehiben’izany asa izany?
5 Moa ve ianao mampiseho fandavan-tena sy fahadodonana mitovy amin’io lehilahy mitafy rongony fotsy io, amin’ny fanaovana araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy? Nefa inona moa ny didin’i Jehovah? Tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany dia nanome izao baiko izao izy: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra (...), sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20). Izany koa dia asa famonjena tahaka ny fanasiana marika ara-panoharana teo amin’ny handrina tamin’ny andron’i Ezekiela. Izay rehetra tsy manaiky izany ka tsy tonga mpianatr’i Jesosy dia haringan’ilay Mpanatanteraka lehibe ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra (II Tesaloniana 1:6-8). Tsapanao ve ny ilàna hanaovan-javatra? Asehonao ve izany amin’ny fahadodonanao manambara ny vaovao tsara?
Amin’ny fomba ahoana no anehoana fahadodonana?
6. Inona no hevitry ny hoe mampiseho ‘fahadodonana’?
6 Ny mpanompon’i Jehovah, amin’ny fitambarany, dia mahatsapa fa miaina amin’ny fotoana tokony hanaovany zavatra. Ny tsirairay avy amintsika dia maniry hahita olona faran’izay betsaka havotana amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy. Araka ny boky iray, ny fahadodonana dia midika hoe: “Hafanam-po aseho amin’izay atao.” Izay manana hafanam-po hanao zavatra iray dia mitarika ny sainy sy ny asa ataony amin’ny fahavitan’io zavatra io. Manao izay rehetra azony atao izy mba hihoatra ny vato misakana mety hiseho ary maharitra izy ambara-pahatrarany ny zava-kendreny. Izany no fiheverana nananan’ny apostoly Paoly ny amin’ny fanompoany ary tsara raha manahaka azy isika. — I Korintiana 4:16.
7. Nahoana i Paoly no naniry ho any Roma?
7 Aoka hodinihintsika, ohatra, ny teny nosoratan’i Paoly ho an’ny kristiana tany Roma. “Matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo”, hoy izy. Inona àry no antony? Nanazava izy hoe: “[Mba] hananako izay vokatra atỳ aminareo koa.” (Romana 1:13-16). Tamin’ny filazana izany, moa ve Paoly nihevitra fotsiny hitsidika ireo rahalahy tany Roma ka angamba hamporisika azy hamboly amin’ny fomba feno kokoa ny “vokatry ny fanahy”, araka ny voalazan’ny mpivaofy teny sasany (Galatiana 5:22, 23)? Tsia, satria nanampy izao izy: “Toy ny any amin’ny jentilisa sasany koa.” Nasehony mazava fa ny vokatr’ilay Fanjakana no niriny ho azo tamin’ny fitoriana teo amin’ireo tsy kristiana tao Roma. Naniry hitondra ny vaovao tsara tao Roma izy ary angamba avy tao dia ho any amin’ny tanàna hafa. — Romana 15:23, 24.
8. Inona no ‘nanakana’ an’i Paoly tsy handeha tany Roma?
8 “Saika azon-tsampona mandraka ankehitriny aho” hoy Paoly. Inona no nanakana azy? Moa ve izy variana loatra tamin’ny raharahany manokana? Marina fa lehilahy sahirana Paoly, nefa tsy noho ny tombontsoany manokana. Tamin’ny fotoana nanoratany ny taratasiny ho an’ny Romana, tamin’ny taona 56 teo ho eo, dia efa nahavita dia misionera roa lehibe izy ary ny fahatelo dia efa niatomboka ela. Matetika, nandritra ireny dia ireny, dia notarihin’ny fanahy masina izy mba hanatanteraka asa manokana iray (jereo Asan’ny apostoly 16:6-9). Tamin’ny fotoana nanoratany ny taratasiny dia efa nihevitra ny handeha any Jerosalema izy “hanompo ny olona masina [tany]”. (Romana 15:25, 26.) Ary tamin’ny asany dia nahita ‘fanakanana’ maro hafa toy izany izy. — Jereo II Korintiana 11:23-28.
9. Nahoana no azo lazaina fa nampiseho fahadodonana Paoly tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara?
9 Kanefa tsy nihevitra ho nanana asa ampy Paoly. Tsy nihevitra izy hoe nanana asa hotanterahina iray ka efa betsaka izany. Naniry hanao mihoatra izy; noho izany no ilazany hoe: “Koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara [dodona hanambara ny vaovao tsara, MN ] aminareo izay any Roma koa aho.” Izany no zavatra tokony hahamaika antsika. Marina tokoa ny ilazan’ny profesora Bruce an’ilay apostoly ao amin’ny bokiny Ny epistilin’i Paoly ho an’ny Romana (angl.) toy izao: “Tao anaty rany ny fitoriana ny filazantsara, tsy afaka nitsahatra nanambara ny vaovao tsara izy. ‘Teo am-piasana’ sy tokony ho hita nanao izany foana izy mba hanala amin’ny fomba tsaratsara kokoa hatrany ny trosan-dra azony tamin’ny olombelona rehetra, trosa izay tsy mahafaka azy tanteraka na oviana na oviana raha mbola velona koa izy.” Toy izany koa ve ny fomba fiheveranao ny fanompoana?
10. ‘Fanakanana’ inona avy moa no mety hitranga eo amin’ny lalantsika, ary amin’ny fomba ahoana no tokony hiatrehantsika izany?
10 Amin’izao andro izao, ao anatin’ny vahoakan’i Jehovah, ny tsirairay avy dia tokony hiantsoroka andraikitra maro. Ny sasany miandraikitra fianakaviana na manana adidy samihafa. Ny hafa, noho ny taonany na ny fahasalamany, dia voafetra amin’izay azony atao. Ny hafa koa manaiky andraikitra mavesatra ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Kanefa, mahatsapa izany isika, mihafohy ny fotoana ho an’izao fandehan-javatra izao ary ny fanambarana momba ilay Fanjakana dia tokony homena (Marka 13:10). Araka izany, ho fanahafana an’i Paoly dia tokony haneho fahadodonana isika eo am-panatanterahana ny asa fitoriantsika, ary izany na dia mety hisy ‘fanakanana’ hitranga aza. Tsy tokony hahatsiaro tena ho afa-po isika ka hihevitra fa efa betsaka ny zavatra sahanintsika. — I Korintiana 15:58.
‘Mpitrosa’ amin’ny rehetra
11. Inona moa no tian’i Paoly holazaina amin’ny teny hoe ‘mpitrosa aho’?
11 Nisy hery hafa iray nanetsika an’i Paoly teo amin’ny asany tsy nahavizana mba hanambarana ny vaovao tsara. Hoy izy: “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho.” (Romana 1:14). Amin’ny heviny ahoana no ‘mpitrosa’ Paoly? Ny fandikan-teny hafa dia mandika toy izao an’io teny io: “Adidiko izany” (La Bible en français courant); “Manery tena aho.” (Jérusalem; Osty; Segond; TOB). Noho izany, mao ve tian’i Paoly holazaina fa ny asa fitoriana dia adidy sarotra izay tokony hefainy eo anatrehan’Andriamanitra? Mora ny manana toe-tsaina toy izany raha tsy hitantsika intsony ny ilàna iasana raha mbola mety ny fotoana na raha variana isika, voasarik’izao tontolo izao. Nefa tsy izany akory no noeritreretin’i Paoly.
12. ‘Mpitrosa’ tamin’iza Paoly, ary nahoana?
12 Satria “fanaka voafidy” sy “apostolin’ny jentilisa” Paoly, dia niantsoroka andraikitra tena navesatra marina teo anatrehan’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 9:15; Romana 11:13). Kanefa tsy nihevitra ho nanana adidy afa-tsy tamin’Andriamanitra ihany izy. Nanambara izy fa ‘mpitrosa’ tamin’ny “Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry.” Noho ny famindrampo sy ny tombontsoa nomena azy, dia noheveriny fa adidiny ny mitory mba hahafahan’ny olona rehetra mandre ny vaovao tsara. Takany koa fa Andriamanitra dia tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. (I Timoty 1:12-16; 2:3, 4.) Izany no antony niasany tsy nisy fitsaharana, tsy hoe mba hiatrehana ny andraikiny amin’Andriamanitra fotsiny fa mba hanefany koa ny trosany amin’ny mpiara-belona aminy. Moa ve ianao mahatsiaro tena fa ananan’ireo olona ao amin’ny faritaninao trosa manokana? Tsapanao ve fa manana andraikitra handany hery ho azy ireny ianao mba hitondra ny vaovao tsara ho azy ireny?
Aoka isika ‘tsy ho menatra ny vaovao tsara’
13. Ahoana no niheveran’i Paoly ny vaovao tsara?
13 Paoly dia ohatra miavaka tokoa amin’ny fahadodonany nitory ny vaovao tsara. Tsapany tamin’ny fomba feno fa nanana ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory izy, ka tsy tiany ho foana izany (I Korintiana 15:9, 10). Izany no antony anohizany toy izao: “Fa tsy menatra ny filazantsara [vaovao tsara, MN ] aho.” (Romana 1:16). Amin’ny fomba fijerin’olombelona dia tsy hoe tsy tiam-bahoaka fotsiny ny kristiana fa nohamavoina koa. Manambara Paoly hoe: “Atao toy ny faditr’izao tontolo izao izahay, dia faikan’ny olona rehetra.” (I Korintiana 4:13). Kanefa tsy menatra nitondra ny vaovao tsara tany Roma, foiben’izao tontolo izao nandroso ary foiben’ny Empira romana, izy. Rehefa mifanehatra amin’ny tsy firaikana, ny fanaratsiana na ny fanoherana mihitsy aza isika amin’ny asa fitoriana, dia afaka mitadidy ny ohatra mampahery navelan’i Paoly.
14. Nahoana moa Paoly no “tsy menatra ny filazantsara”?
14 Ny hoe ‘tsy menatra ny vaovao tsara’ dia toy ny ‘mirehareha ny amin’ny vaovao tsara’ ary tokony ho toy izany ny amintsika. Nahoana? Satria araka ny filazan’i Paoly dia “herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany”. Ny fanandraman-javatra nitatra sy manokan’ilay apostoly dia nanampy fahefana ny fanambarany. Noho ny vaovao tsara, hoy ny fanambarany ihany, dia “mandrava ny fisainana sy zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay, ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy”. (II Korintiana 10:5.) Nandresy foana ny vaovao tsara, na tamin’ny fanoherana ny fampianaran’ny Jiosy natolotry ny razany izany, na ny filozofian’ny Grika na ny herin’ny Romana.
15. Inona moa no ahafahantsika milaza fa ny fahazotoan’i Paoly dia nanosika azy hiasa nandritra ny fiainany manontolo?
15 Tsy nihevitra ny andraikitra nankinin’Andriamanitra taminy ho toy ny enta-mavesatra Paoly fa nanefa izany kosa tamim-‘pahadodonana’. Fitondrantena tsara tokoa re izany! Araka ny fanantitranterana nataon’ny tenany, “tsy maintsy manao izany [aho]; fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho”! (I Korintiana 9:16.) Izany fahadodonana izany no nahafahany naharitra tsy nety vizana teo amin’ny fanompoana, hany ka afaka nilaza izy taona maro taty aoriana hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho.” — II Timoty 4:7.
Mitondra vokatra ny fandairana
16. Tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, inona araka ny hevitrao ny fahasahiranana hitan’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra?
16 Tsy isalasalana fa ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, toa an’i Paoly, dia nanatanteraka ny andraikiny tamim-pahadodonana. Izany no nahafahany namerina filazan’asa tsara tato aoriana, izay azo fintinina toy izao: tanteraka ny iraka. Tsy milaza ny fomba nahitany ireo rehetra izay ‘nisento sy nitaraina noho ny fahavetavetana rehetra natao’ ny fitantarana. (Ezekiela 9:4.) Na dia tsy fantatra mihitsy aza ny amin’ny fomba nanaovana an’io asa fanisiana marika io, dia miharihary fa tsy raharaha mora izany.
17. a) Zava-tsarotra inona moa no hitanao amin’ny asa fanaovana mpianatra, ary ahoana no andresenao izany? b) Misy vidiny ve ny fiezahana atao sy ilaina?
17 Toy izany koa, ny asantsika dia tsy ny mora indrindra ankehitriny. Noho izany, moa ve isika mandaitra eo am-panatanterahana io asa famonjena io? Mba hanaovana mpianatra betsaka araka izay azo atao, dia tokony hanao io asa io amin’ny fomba tsy tapaka sy ara-dalàna isika, tsy manao tsirambina ny fahafahana rehetra hampiely ny vaovao tsara. Ny olona tsidihintsika dia manan-javatra betsaka hatao, tahaka antsika koa; mety mahalana izy ireny no ao an-tranony rehefa tonga mitady azy isika na, raha ao aza izy, dia matetika no sahirana. Inona no azontsika atao? Tokony haka fanamarihana hentitra isika ka hiverina indray amin’ny fotoana samy hafa, tsy ketraka, amin’ny fanantenana fa hahita olona hanaovana fanambarana. Misy vidiny ve ny fanaovana fiezahana toy izany? Aoka avelantsika hamaly ireto taratasy fohy roa ireto:
“Iriko ny milaza ny fankasitrahako ny fitsidihana maro nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamiko. Fantatro fa ny iraka tanterahinareo matetika dia tsy raisin’ny olona tsy anisan’ny Eglizinareo amin-kafanam-po araka ny tokony ho mendrika azy. Noho izany dia noheveriko fa tokony hampahafantatra anareo ny fihetseham-poko aho sy hisaotra anareo.”
“Maro tokoa izahay no noana ny fahamarinana, mino fa ny lalana rehetra dia mitarika ho amin’ny famonjena! Ianareo, izay manana herim-po hitady amim-paharetana olona hitoriana, aza afoy izahay! Na dia ataonay sakodiavatra aza ianareo, na teneninay ratsy sy lavinay, dia tsy lozabe toy izany akory izahay. Aza mitsahatra, satria nampianarina lainga maro izahay, nilazana tantara mahatsiravina betsaka ary nampianarina hankahala anareo izahay, mba hanakanana anay tsy hahazo ny hafatra momba ny Fanjakan’i Jehovah.”
18. a) Ahoana no azo anampiana olon-kafa hahatakatra ny hevitry ny vaovao tsara? b) Ahoana moa no nandresen’ny vehivavy mpitory iray ny toa tsy fisian’ny fahalianana?
18 Mba hanohinana ny fon’ny olona ka hanampiana azy hahatakatra ny hevitry ny vaovao tsara, dia ilaina ny manao mihoatra noho ny firesahana tsotra izay hampitana aminy hafatra iray nomanina na fametrahana zavatra vita an-tsoratra iray araka ny Baiboly. Tokony hiezaka isika hanavaka ny zavatra ilain’ny olona sy izay mitana ny sainy, ny zavatra tiany, ny tahotra sy ny fitompoan-teny fantatra ananany. Izany rehetra izany dia mitaky fisaintsainana sy fiezahana betsaka avy amintsika, ary koa “fahadodonana” — araka ny fanambaran’ny fitantarana manaraka:
Ny vehivavy mpitory iray dia niresaka tamin’ny ramatoa iray teo am-baravaran’ny tranony, nefa tsy tena nanaitra ny fahalianany. Nahamarika ankizy maro izy ka nanontany ilay olona hoe firy ny azy. Novaliany fa tsy azy ireo, fa an’ny zaodahiny, izay vao tonga avy any amin’ny tany hafa iray. Vetivety dia tonga tamin’ny raharaha ny amin’ny fonenana ny resaka. Ilay mpitory — izay niandry koa ny fahatongavana tsy ho elan’ny mpikambana amin’ny fianakaviany — dia niaiky fa sarotra ny fahitana trano itoerana amin’ny vidiny ara-drariny amin’ny tanàn-dehibe ka nanolotra ny fanampiany izy. Faly ilay ramatoa, ka lasa niantso ny zaodahiny izay tao an’efitra. Nitohy ny resadresaka ary nifanakalo nomeraon’ny telefaonina izy ireo. Tsy nanadino ny anton-diany ilay mpitory ary nanokatra tamim-pahaiza-mandanjalanja ny boky Hiaina mandrakizay tao amin’ny pejy 157 ka nohazavainy fa ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ny zava-manahirana ny amin’ny fonenana sy ny asa dia tsy hisy intsony. Tohina lalina ilay lehilahy ka dia nanaiky handray ny boky. Taty aoriana ilay mpitory dia niverina nitondra filazalazana ny amin’ny trano ahofa iray; notohizany koa ny resaka momba ny Baiboly tamin’ireo olona ireo.
19. Asa inona no tokony hahavariana antsika izao? Fanontaniana inona avy no mbola tokony hodinihintsika?
19 Fohy kely sisa ny fotoana tavela hitoriana ny vaovao tsara. Tsy fantatsika raha mbola ‘hihazona mafy ela foana ny rivotra efatra amin’ny tany ny anjely efatra’. (Apokalypsy 7:1.) Na ahoana na ahoana dia mbola ho avy ny “fahoriana lehibe”, ary eo am-piangonana ny olona tso-po. Azo lazaina marina tokoa fa “ny eny an-tsaha” dia “masaka sahady hojinjana”. (Matio 24:21, 22; Jaona 4:35.) Ho antsika dia fotoana tokony hiadiana mafy eo amin’io asa izay tsy hiverina intsony io izao. Ahoana no azontsika hampiasana tsara ny fotoana sisa tavela? Inona no azontsika atao mba handraisana anjara amin’ny fomba feno amin’izany asa famonjena izany? Ary inona no afaka hanampy antsika hanohy hitory ny vaovao tsara amim-pahadodonana? Ny amin’ireo fanontaniana ireo no horesahina amin’ny lahatsoratra manaraka.
Diniho ny ohatra nomen’i Paoly antsika ao amin’ny Romana 1:13-16
◻ Nahoana izy no dodona hankany Roma?
◻ Inona no nanakana azy tsy handeha? Nefa ahoana no nandraisany izany?
◻ ‘Mpitrosa’ tamin’iza izy, ary nahoana?
◻ Ahoana no niheverany ny vaovao tsara, ary nahoana?
◻ Inona no azontsika atao mba hanambarana amin’ny fomba mandaitra ny vaovao tsara, tahaka an’i Paoly?