FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/99 p. 1
  • Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Manehoa fahadodonana hanambara ny vaovao tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitoria ary Manaova Fanambarana Feno
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Afaka Manao ny Aprily 2000 ho ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika ve Isika?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 4/99 p. 1

Torio Amim-pahadodonana ny Vaovao Tsara

1 “Maniry hahita anareo aho (...); koa raha izaho, dia [mahatsiaro ho dodona aho ny hanambara ny vaovao tsara aminareo (...) koa, NW].” Izany no tenin’i Paoly eo am-piandohan’ny taratasiny ho an’ireo rahalahy tany Roma. Nahoana i Paoly no dodona hitsidika azy ireo? Hoy izy: “[Mba] hananako izay vokatra atỳ aminareo koa (...). Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena (...) izany”. — Rom. 1:11-16.

2 Naneho an’io fahadodonana io koa i Paoly, rehefa niresaka tamin’ireo loholon’i Efesosy. Nampahatsiahy azy ireo toy izao izy: “Hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Asia (...), [dia] [tsy niahotra aho (...) nampianatra, NW] anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa”. (Asa. 20:18-21). Tapa-kevitra ny hampiely ny vaovao tsara momba ny famonjena sy hahazo ny vokatra nentin’ilay Fanjakana i Paoly, tao amin’ny faritany rehetra nanendrena azy. Izany ka toe-tsaina tsara hotahafina!

3 Mety hanontany tena toy izao isika: ‘Mampiseho fahadodonana mitovy amin’izany ve aho, rehefa manambara ny vaovao tsara eo amin’ny misy ahy? Dodona hizara ny vaovao tsara amin’ny olona maro araka izay azo atao ve aho, fa tsy hihevitra ny asa fitoriana ho toy ny adidy fotsiny? Efa nandinika tamim-bavaka ny tarehin-javatra misy ahy manokana ve aho? Efa nandinika ny fahafahana rehetra misy eo amin’ny faritaninay ve aho, toy ny fitoriana isam-baravarana, eny amin’ny arabe, eny amin’ny faritra fivarotana, amin’ny alalan’ny telefaonina, ary tsy ara-potoana?’

4 Mandraisa anjara amim-pahadodonana mandritra ny Aprily: Fotoana tsara hanamafisana ny fandraisantsika manokana anjara amin’ny asa fitoriana ny volana Aprily. Tokony hahatonga olona betsaka kokoa ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny fihenan’ny ora takina. Angamba hamela anao hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny Aprily sy May, ny tarehin-javatra misy anao. Na mety ho afaka hirotsaka ho mpisava lalana maharitra ianao, noho ilay fanitsiana ny ora takina. Raha mpitorin’ny kôngregasiôna ianao, moa ve ianao afaka mandany fotoana misimisy kokoa noho ny mahazatra eny amin’ny fanompoana amin’ity volana ity sy amin’ny volana ho avy, ka hanohana an’ireo izay afaka manao ny asan’ny mpisava lalana? Hampifaly ny fon’i Jehovah izany!

5 Tahaka an’i Paoly, dia tokony hanohy hampiseho fahadodonana ny mpitory ilay Fanjakana, amin’ny fikelezana aina eo amin’ny asa fitoriana. Hitondra tena fifaliana ho antsika ny fanaovana izay rehetra vitantsika eo amin’ny fanompoana. Nahita io fifaliana io i Paoly teo amin’ny fanompoany masina. Tsara ny hanahafantsika ny ohatra tsara dia tsara navelany. — Rom. 11:13; 1 Kor. 4:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara