Manana toe-tsaina ta-hahafanta-javatra ve ianao?
NY FITIAVANA hahafanta-javatra dia ny “faniriana hahalala”. Manana faniriana mirehitra ny olona iray ta-hahafanta-javatra, hahafantatra, hahita hoe manao ahoana ny zavatra. Jehovah no nametraka tao amintsika io fahalianana io, hany ka mahatsiaro tena ho voatosika handinika izao tontolo izao manodidina antsika isika, hatreo am-pahaterahana, raha azo atao ny milaza izany. Fianaran-javatra tsy misy fitsaharany ny fiainantsika mihitsy. Ilaintsika ny manome fahafahampo ny fitiavantsika hahafantatra, ny faniriantsika hahalala zavatra, mba hahatongavana ho olona matotra sy mandanjalanja.
Marina indrindra moa io eo amin’ny lafiny ara-panahy, satria miankina amin’ny fahalalantsika an’i Jehovah Andriamanitra ny fahafahantsika ho velona mandrakizay (Jaona 17:3). Ambaran’ny Baiboly amintsika izany, tian’Andriamanitra ny hitadiavantsika hahafantatra azy, ‘ny hahatsapana ka hahitana azy’. (Asa 17:23, 24, 27.) Hiadana be ny fandrosoantsika, raha tsy avelantsika ho afa-po ny fitiavantsika hahafanta-javatra na tsy ampiasaintsika. Mety hampidi-doza ny tsy fahampiam-pahalianana amin’ny zavatra ara-panahy, raha ambara marina. — Salamo 119:33, 34; Hosea 4:6.
Araka izany, hatramin’ny andro taloha, no nampahatsiarovan’i Jehovah mandrakariva ny vahoakany ny maha-lehibe ny ilàny hampianarina sy hianatra mba hahafa-po ny faniriany hahalala ara-dalàna (Deoteronomia 6:6, 7; 31:12; II Tantara 17:9). Jesosy, Mesia, no ilay mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany hatrizay (Matio 9:35). Nanaraka ny ohatra navelany ireo mpianany. “Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory “ny vaovao tsara izy ireo, na dia nanoloana ny fanoherana aza. (Asan’ny apostoly 5:42.) Nanaitra ny fahalianan’ny olona nanontany tena io fampianarana io. Maro no toa an’ireo Beriana, “nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany na tsia”. — Asa 17:11.
Torak’izany koa, ankehitriny, dia asa maro ao amin’ny kongregasiona kristiana no mifamatotra amin’ny fampianarana. Mahatontosa amin’izany fomba izany ny iray amin’ny andraikitra lehibe namoronana azy ny kongregasiona: mamporisika sy manome fahafahampo ny faniriana hahalala an’i Jehovah sy ny fikasany. Mahavonjy sy mitondra soa izany fitiavana hahafanta-javatra izany.
Misy fetrany ny fitiavana hahafanta-javatra
Kanefa, indraindray ny ankizy dia tokony harovana amin’ny fitiavany hahafanta-javatra. Raha toa ny zaza iray mandroso ny tanany hikasika zavatra mahamay na, taitram-pahalianana, ka manao am-bava zavatra vita amin’ny tavoahangy mba hahitana ny tsirony, dia mety haratra izy. Ary tsy manakana ny fitomboany ny tena raha tsy mamporisika ny fitiavany hahafanta-javatra amin’ireo lafiny ireo.
Mety hahitan’ny ankizy fahasahiranana koa ny fitiavana hahafanta-javatra, rehefa mitombo izy. Ohatra, mety ho ta-hahalala izay hita ao amin’ny bokin-tsary maloto momba ny lahy sy ny vavy ny zatovo iray; na hanandrana sigara na zavatra mahadomelina hafa ny zatovovavy iray, noho ny fitiavana hahafanta-javatra; na koa, mety hivorivory mba himamo amin-dabiera ny tanora vitsivitsy — mba hahitana fotsiny izay vokatr’izany! Eo indray koa, dia tsy mampiato ny fitomboana voajanaharin’ny tanora ny tena raha tsy mamporisika ao aminy izany endri-pahalianana hahafanta-javatra izany.
Misy lafiny mety hahatonga ny fitiavana hahafanta-javatra hanimba ny kristiana matotra ve? Eny tokoa! Izany no antony nampitandreman’i Paoly an’i Timoty tamin’ireo izay nety ho nanaitra ny fitiavana hahafanta-javatry ny kristiana mba hamadihana ny finoany. “Ry Timoty, hoy izy, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, izay neken’ny sasany ka nania tamin’ny finoana izy.” — I Timoty 6:20, 21.
Mampitandrina indray an’i Timoty i Paoly, tao amin’ny taratasiny faharoa: “Izay nania tamin’ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mamadika ny finoan’ny sasany.” (II Timoty 2:18). Azon’ny tena alaina sary an-tsaina ny fitiavana hahafanta-javatra tsy maintsy ho nateraky ny tenin’ireny lehilahy ireny. Nety ho nanontany tena toy izao angamba ny olona tsy malina: ‘Inona no dikan’izany teny izany?’ ‘Inona no nahatonga ireny lehilahy ireny hieritreritra fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty?’ Nihaino azy ireny angamba ireo olona taitram-pahalianana, ka nahatonga ny finoan’ny sasany hivadika. Tena nampidi-doza tokoa, tamin’izany fotoana izany, ny nihaino ireny lahateny mampivadi-pinoana ireny noho ny fahalianana tsotra fotsiny toy ny fitadiavana hanandrana zavatra mahadomelina na sary maloto, ankehitriny.
Midika ve izany fa tery saina, sy mikatona amin’izay fiheveran’ny hafa ny kristiana? Tsia, tsy izany. Ambaranay kosa fa manoro hevitra azy ireo ny Soratra masina mba tsy ho liana amin-javatra mety hampijaly azy aoriana. Alao sary an-tsaina fotsiny izay nety ho fisehoan’ny Tantara raha toa Eva nanda tsy hanome fahafahampo ny fitiavany hahafanta-javatra tamin’ny fihainoana ny teny mamitak’i Satana Devoly. Fahasamihafana toy inona miaraka amin’izay fantatry ny olona izany (Genesisy 3:1-6)! Nampiomana ny loholon’i Efesosy Paoly fa hisy “amboadia” haneho toe-tsaina toy izay nasehon’i Satana tamin’i Eva, ka hitory “teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy”. (Asa 20:29, 30.) Manana “teny mamitaka”, natao ‘hanaovany varotra’ antsika ireny lehilahy ireny; ka ny hevitra hazavainy dia manapoizina ny ara-panahin’ny kristiana. — II Petera 2:3.
Raha fantatrao fa mahafaty ny fisotro iray, mbola handray izany ve ianao noho ny fitiavana hahafanta-javatra fotsiny, mba hahitana ny tsirony, na mba hahitana raha ampy tanjaka haharitra ny poizina raketiny ny tenanao? Tsia dia tsia tokoa. Torak’izany koa, fahendrena ve ny hanokafana ny sainao amin’ny teny natao fotsiny hamitahana anao, hampanalavirana anao amin’ny fahamarinana? Vao mainka tsia.
Misehoa ho malina amin’ny filozofian’izao tontolo izao
Mety hanimba koa ny fitiavana hahafanta-javatra raha mitarika antsika ho liana amin’ny filozofian’izao tontolo izao. Mety ho azo faritana toy izao ny filozofia: “Fiezahana ataon’ny olona mba hahatakarana sy handikana, amin’ny alalan’ny rariny sy ny fikarohana tsy azo tsapain-tanana, ny fitambaran’ny fanandraman-javatr’olombelona, ny antony voalohany sy ny fotopoto-pitsipiky ny zava-misy.” Aorian’izany rehetra izany anefa, ireo mpiaro ny filozofian’olombelona dia miharihary fa sahala amin’ireo izay “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina”. (II Timoty 3:7.) Fitsipika ankapobe iray no iorenan’ny tsy fahombiazany: miankina amin’ny fahendren’olombelona izy toy izay amin’ny fahendren’Andriamanitra.
Ambaran’i Paoly tsy amim-pisalasalana io fahalemena io, raha niresaka ny “fahendren’izao tontolo izao” ho “fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra” tamin’ny Korintiana izy (I Korintiana 3:19); ary raha nampiomana ny Romana amin’ireo izay “tonga zava-poana tamin’ny fisainany”. (Romana 1:21, 22.) Loharanon’izay rehetra ananantsika Jehovah. Koa tsara ny hitodihantsika any aminy mba hanomezany antsika “fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra”, sy hanambarany amintsika ny “saina lalina izay an’Andriamanitra”. (Filipiana 1:9; I Korintiana 2:10.) Avy amin’ny teniny, ny Baiboly indrindra, no hiavian’ny fahendren’Andriamanitra amintsika.
Mampiseho loza tsy azontsika atao tsinontsinona na oviana na oviana ireo filozofian’olombelona, satria tsy mihevitra velively ny tenin’Andriamanitra. Nanosika mpampianatra maro ao amin’ny fivavahana milaza tena ho kristiana hanaiky ny fampianarana ny amin’ny evaolisiona ny hevitra ara-pilozofia ankehitriny; navelany mihitsy aza ny finoana ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly ho tombontsoan’ny fanakianana ambony — mba hiahiana ny fahalehibeazana ara-tsaina izany rehetra izany. Ny filozofia ara-politika sy ara-tsosialy izay manantitrantitra ny amin’ny fahafahana isam-batan’olona dia niteraka ny areti-mifindran’ny fanalana zaza, raha mbola miely saika hatraiza hatraiza, ny fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy, ny fampiasana zavatra mahadomelina sy fanao manimba hafa koa. Mitarika ny ankamaroan’ny olona hamatra fahasambarana sy fahombiazana ao amin’ny habetsahan’ny fananany ara-nofo ny toe-tsaina tia zavatra ara-nofo, ankehitriny.
Hita amin’izany filozofia rehetra izany ny fiezahan’ny olombelona handresy ny fahasahiranana na hahita fahasambarana, amin’ny fandrindran-kevitry ny tenany ihany, sy tsy mila ny fanampian’Andriamanitra. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo fandaharam-pisainana ireo mihevitra ny fahamarinana fototra neken’i Jeremia hoe: “Jehovah, ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Miankina amin’ny fankatoavantsika an’i Jehovah sy ny fitokisantsika azy ny fahasambarantsika sy ny famonjena antsika. Ho fanehoam-pahendrena àry ny hanoherana ny fakam-panahy hanampatra ny fitiavantsika hahafanta-javatra, sy hamelatra ny saintsika amin’ny hevitr’olombelona mety hanimba azy, hatramin’ny fanaovana izay hahavery ny fanantenantsika.
Manaitra ny fitiavana hahafanta-javatra ny farany efa akaiky
Hatramin’ny nanambaran’i Jehovah, tao Edena, fa nikasa hanaisotra ny vokatra manimban’ny fikomian’i Satana izy, dia liana ta-hahalala tokoa ny fomba hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra ireo mpanompony mahatoky. Marina indrindra, fa mahaliana ny anjely izany (I Petera 1:12). Tamin’ny andron’i Jesosy, dia maro no nanana faniriana mafy hahafantatra ny fotoana marina hahatongavan’ilay Fanjakana. Kanefa, mbola naverin’i Jesosy tamin’izy ireo fa tsy sitrak’Andriamanitra ny hahalalan’izy ireo izany (Matio 25:13; Marka 13:32; Asa 1:6, 7). Ho very maina ny fanandramana rehetra natao hamerana fotoana manokana. Toy izay hanao izany, dia nampahereziny kosa izy ireo hiahy ny amin’ny andraikiny kristiana, sy hiambina mandrakariva. — Lioka 21:34-36.
Ankehitriny, dia manaporofo amin’ny fomba mahery ny fitrangan-javatra maneran-tany fa akaiky ny farany, ka liana ta-hahalala bebe kokoa ihany ny fotoana hiavian’izany ny tena. Mety hisy fisehoan-javatra sasany hampiaiky ny sasany ho nahita ilay andro sy ora. Kanefa, rehefa hitany fa tsy tanteraka ireo fahitany, dia nahita alahelo mafy izay angamba hahatonga azy hamela ny fanompoana an’Andriamanitra aza izy. Araka izany, aleo lavitra mitoky amin’i Jehovah ny amin’io raharaha io, matoky fa hahatonga tsy hisy fahadisoana ny farany amin’ny fotoana mety izy. Efa nomena antsika izay rehetra ilaintsika mba hahavonona.
Ny ilàna handanjalanja
Noho izany, sahala amin’ny fironana hafa rehetra, ny fitiavantsika hahafanta-javatra dia mety ho ny zavatra tsara indrindra na ny ratsy indrindra. Mety hampahita antsika fahalalana sarobidy, mitondra fifaliana sy fampaherezana izy, raha voatarika tsara. Ny faniriana mahasoa hahafantatra ny Mpamorona antsika, ny sitrapony sy ny fikasany dia mety hahafa-po amin’ny fomba feno sy hahasoa. Etsy an-daniny kosa, ny fitiavana hahafanta-javatra ratsy, avela tsy misy fampiatoana, dia mety hitarika antsika ao amin’ny fiolikoliky ny fahalalana an’eritreritra sy tsanga-kevitr’olombelona, izay tsy hety hiveloman’ny finoana marina sy ny fitiavam-pivavahana. Noho izany antony izany, raha mandrahona hitarika antsika ho amin’ny lalana mampisalasala ny fitiavantsika hahafanta-javatra, ‘aoka hitandrina isika fandrao ho voataona (...) ka ho lavo hiala amin’izay iorenantsika’. — II Petera 3:17.