Hoderaina anie Andriamanitra, Loharanon’ny fiainana sy ny fitomboana
Tantarain’i Eduard Warter
FINARITRA ny maso mahita ny fijoalajoalan’ny tendron’ny tendrombohitra izay mampisaraka hady lalina sy lohasaha midadasika. Mivarina manaraka ny hantsana ny rian-drano ka manondraka ny zaridaina, ny voaloboka ary ny sahan’ny tany lemaka lonaka. Nefa moa ve izay finaritra amin’izany fitazanana izany, mihevitra ilay Loharanon’aina, izay mahatonga izany fitomboana izany hisy, ho mendrika ny fankalazana? — Salamo 36:9.
Any Kirghizistan no azo itazanana an’izany fahitana tendrombohitra talaky masoandro izany, repoblika sovietika tena be mponina iray any Azia afovoany. An’aliny maro ny olom-pirenena sovietika manana fiaviana alemana monina ao amin’io tany io. Niaina nandritra ny fotoana sasany tao amin’io faritra lonaka io koa ny fianakaviako, ary talanjona foana izahay ny amin’ilay Andriamanitra mpanome fitomboana mahagaga toy izany. Eny, nidera azy izahay ka niresaka an-karihary tamin’ny hafa ny amin’ireo asany lehibe.
Manaiky ilay Loharanon’aina
Fony aho teraka tamin’ny 1901, ny ray aman-dreniko dia nonina tao Memel (Klaïpeda ankehitriny), tanàna iray any amin’ny morontsiraka baltika izay nitambatra tamin’i Prusse Atsinanana tamin’izany, ary teo amin’ny am-polony kilaometatra avy eo amin’ny sisin-tany rosiana. Raha mbola tany an-tsekoly aho dia nipoaka ny Ady Lehibe voalohany ary nanatri-maso vonoana olona mahatsiravina izahay. Nifankahazo tsara tamin’ireo rosiana nifanakaiky taminay, izahay mponina teo an-tsisintany alemana; nanontany tena toy izao àry izahay: “An’iza ny fahadisoana? Amin’ny an-daniny aiza no misy an’Andriamanitra?” Nefa tany an-tsekoly ny fitenenana fohy manaitra toy ny hoe “Ho an’Andriamanitra, ho an’ny emperora sy ho an’ny tany” dia nampirehitra ny fitiavan-tanindrazana.
Taty aoriana, taorian’ny ady, dia lavon’io fitaomana io ny tenako: nilatsaka an-tsitrapo hanompo amin’ny maha-mpiandry sisin-tany aho, avy eo dia tao amin’ny tafika alemana tany Königsberg, Kaliningrad ankehitriny. Tany, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra aho fa ny miaramila tsotra dia tsy inona fa saribakoly afindrafindra etsy sy eroa, araka izay itiavan’ny olona hafa azy. Afaka kelikely taorian’ny nahazoan’i Lituanie ny faritanin’i Memel tamin’ny janoary 1923, dia nanoratra ireto andalana ireto tamiko ny reniko: “Tsy tokony ho any an’ady ianao, satria hoy ny didy fahadimy hoe: ‘Aza mamono olona’. Ny mpianatra ny Baiboly [ny Vavolombelon’i Jehovah] koa dia tsy mandeha any an’ady”. Sanganehana aho. Iza moa ireto Mpianatra ny Baiboly ireto? Rehefa niverina tany an-trano aho tamin’ny fotoana tsy fiasako dia nahafantatra sasany tamin’ireo fahamarinana fototra araka ny Baiboly nampianarin’izy ireo. Nisy vokany nahery tamiko izany: ny hevitro ara-pivavahana sy ara-politika rehetra dia nandray fiolahana voamarika.
Tsapako tamin’izay fa akaiky ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ary hitarika ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izany. Nahoana no handany fotoana betsaka kokoa amin’ny fanarenana indray an’i Alemaina? Tsy nitaredretra aho nanao ireo dingana ilaina mba handaozana ny tafika ary niverina tany amin’ny tanàna nahaterahako aho mba hahafantatra bebe kokoa ny amin’ireo fahamarinana ireo. Vokatr’izany dia natao batisa tamin’ny 1924 aho. Nisy zavatra iray azoko tanteraka tamin’izay: tafiditra tamin’io dingana io ny hanompoako an’Andriamanitra, tsy hatreo amin’ny daty iray monja, fa mandrakizay kosa ary amin’ny toe-javatra rehetra. Dibo-kafaliana ny foko. Nomena ahy ny tombontsoa lehibe indrindra ho antsika, olombelona malemy: hanompo an’ilay Avo Indrindra ary hitondra ny hafany amin’ny hafa.
Tapa-kevitra ny hiseho ho mendrika an’io tombontsoa io aho. Tokony hitsidika faritra any ambanivohitra midadasika izay itsitokotokoan’ny tanàna kely maro sy toeram-piompiana izahay. Tsy vitsy àry ny alahady izay nandehananay an-tongotra nandritra ny 10 ka hatramin’ny 12 ora mba hampielezana ny hafatra. Ny sakaiza ao amin’ny finoana izay nanan-trano malalaka dia nanokatra izany ho an’ireo fivoriana kristiana nataonay. Tsy nisy lalana lavitra loatra, na lanitra mitrahotraho nandrahona anay tamin’ny fanatrehana ireny fihaonana sarobidy ireny. Nanatanjaka any ho amin’ireo fotoan-tsarotra ho avy hisedra anay izy ireny.
Midera an’Andriamanitra izahay na dia ao anatin’ny sarotra aza
Rehefa nanomboka nitatra tany amin’ireo tany balta ny asan’ilay Fanjakana, dia ny Biraon’ny Fikambanana Watch Tower ho an’ny Eoropa Avaratra, niorina tao Danemark no nanara-maso izany. Tamin’ny 1928, dia nanambady aho; niaraka tamin’ny kongregasiona tao Hydekrug izaho sy Ruth vadiko. Raha mbola niharan’ny fanenjehana mivaivay ireo rahalahintsika tany Alemaina nazia, dia voatsimbina izahay ... hatreo amin’ny 1939. Vao mangiran-dratsy tamin’ny marainan’ny 22 martsa tokoa, tamin’io taona io, dia niely ny vaovao: “Afaka Memel! Tonga ny Führer!”
Ny maraina tontolo, ny firohondrohona mahatahotry ny fiaramanidina maro nisidina teo ambonin’ny lohanay dia nankarenin-tsofina. Nanomboka ho tompon’ny tany Hitler. Ny ampitson’iny ihany dia nosavaina daholo ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nosamborina ny sasany taminy. Ny zavatra vita an-tsoratra, ary na dia ny Baibolinay aza, dia notanana ary nodorana ampahibemaso teo an-tsena. Vao norarana fotsiny ny asanay dia efa nanomboka niasa an-tsokosoko izahay, nizara zavatra vita an-tsoratra sy nitsidika tamim-piafenana ny olona tsara fikasa.
Tamin’ny fiandohan’ny Ady Lehibe faharoa, dia nantsoina hiady aho. Nifanaraka tamin’ny hevitro, dia nanda ny ho eo ambany faneva aho, ka noho izany, tamin’ny 10 aprily 1940, ny Tribonaly miaramilan’ny Reich tao Berlin dia nanameloka ahy ho faty. Nampanalaina tany an-trano ny vadiko mba hampiaiky ahy hamonjy ny laharan’ny tafika. Nitoetra ho tsy azo hozongozonina koa izy, ka nahazo ny fanajan’ny manamboninahitra be taona iray, izay nanao izao fanamarihana izao: “Miaiky aho fa ny fihetsikareo dia feno fahendrena. Ny ady dia mampahory.” Tsy nanana olona hamelona azy intsony ny vadiko sy ireo zanakay efatra ary ny reniny be taona. Moa ve Ruth mba nitaraina ny amin’izany? Tao amin’ireo taratasy vitsivitsy navela hosoratany ho ahy, dia namporisika ahy izy mba hitoetra tsy hivadika na osa noho ireo olon-tiako navelako ho irery.
Tamin’ny oktobra 1940, dia nofoanana ny fitsarana ahy. Kanefa dia mbola nigadra foana aho, nafindrafindra avy tany amin’ny foibe fitanana iray ho amin’ny hafa, ary tamin’ny farany dia tonga tao amin’ny toby fitanana tao Stutthof, akaikin’i Dantzig (Gdańsk ankehitriny), aho. Ireo Vavolombelona nahatoky izay efa voatana tao, toa an-dry Joseph Scharner, Wilhelm Scheider, Herman Raböse ary Hermine Schimdt, no ho tonga tena namana izay hanatanjaka ny finoakoa. Tao, teo afovoan’ny mpigadra 30 000 voaheloka sy tsy nanam-panantenana, dia nanana tombontsoa hitondra fampaherezana izahay, tamin’ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Velom-pankasitrahana noho ny hatsaram-pon’i Jehovah
Tamin’ny janoary 1945, raha nihananakaiky ny vava ady Atsinanana, dia nanomboka nialana ny toby. Tao an-tseranan’i Dantzig, ny Wilhelm Gustloff dia niandry mba hitondra anay ho any andrefana. Tonga aoriana loatra izahay (nandatsaka baomba tamin’ny laharana nisy anay ny fiaramanidina), ka tsy nahatratra ny dia izay nivadika ho loza, satria vitsy tamin’ireo mpandeha no tafita velona tamin’ny faharendrehan’io sambo iob. Nohidiana mafy tao amin’ny trano fitehirizan-javatra nandritra ny fotoana vitsy niaraka tamin’ny mpigadra 200 teo ho eo àry izahay. Tao anatin’izany toerana tsy mahasalama izany no nahavoan’ny tefoedra ahy. Avy eo dia nahazo izao baiko izao izahay: “Miverena any amin’ny tobin’i Stutthof!” Nanavy be aoka izany aho hany ka zara raha afa-nandeha; tsy afa-namita ny dia lavitra niverina aho raha tsy noho ny fanampian’ny rahalahy iray, Hans Deike. Tsy maintsy nijanona folo andro tao amin’ny toeram-pitsaboan’ny toby aho vao nisava ny fanaviana.
Ny 25 aprily 1945 dia lasa indray namony ny morontsiraka izahay. Mbola narary mafy aho ary ireo anabaviko kristiana dia nanao izay azony natao mba hampitsangana ahy. Kanefa ny sasany dia nanao fihirana. Naondrana tamin’ny sambokely tsotra iray izahay; fiatombohan’ny dia nampidi-doza izany. Nihetsiketsika nampahatahotra ilay sambokely, satria olona nihoatra ny 400 no niondrana tao. Mba tsy hivadihany, dia nisy mpigadra nokapohina sy noterena hidina any ambany lakaly. Nitsitra ara-bakiteny teo ambonin’ny hafa ny olona. Navarina tany an-dranomasina ireo maty. Tena fitahiana no azon’ny antoko kelin’ny Vavolombelona 12 izay nisy anay, satria navela nitoetra tety ambony izahay, ka nisaoranay an’Andriamanitra izany.
Ny ampitso dia tody tao Sassnitz, tao amin’ny nosin’i Rügen izahay, ngoly tanteraka. Nanda ny handray anay ny mponin’ilay nosy fa nanome rano mangatsiaka kely fotsiny. Tamin’ny alin’ny 29 sy ny 30 aprily, dia nidona tamin’ny iray amin’ireo harambato maro nanodidina ny nosin’i Eulenbruch ny sambokelinay. Nilaozan’ny sambo mpitarika tao amin’ny faritra feno vanja ny sambokelinay ary tsy hita izy. Fomba iray nataony mba hanariana anay ve izany? Rehefa nahare ny fikasohan’ny vatan-tsambo tamin’ny harambato izahay, dia nivavaka tamin’Andriamanitra mba tsy handaozany anay.
Ny mpiandry morontsiraka dia nanala anay avy tao an-tsambo tamin’ny alalan’ny lakana vita amin’ny fingotra. Nambanana tamin’ny fiadiana ny antokonay ary voatery nanohy ny dia tao anatin’ny sambo hafa. Teo an-tanan’ny tafika mpiray dina avokoa ny seranana alemana rehetra; nidifinay àry izy ireny ka tonga tao amin’ny nosy danoan’i Møn izahay tamin’ny farany. Afaka izahay, ary nanontany ny mpitazana nijorojoro teo raha nisy Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay nosy. Adiny roa tato aoriana, dia nofihinin’ny anabavy roa tamin-kafanana izahay. Gaga aoka izany ny olona nijery nanodidina anay. Rehefa nampandrenesina ny amin’ny fahatongavanay ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, dia naniraka haingana an’i Filip Hoffmann izy mba hikarakara tsara anay. Toy inona moa ny fankasitrahanay an’i Jehovah!
Manome aina sy fitomboana Andriamanitra
Tafarina haingana tamin’io fisedrana io izahay ka tamin’ny septambra dia nahafaly anay ny nanatrika ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Copenhague. Vehivavy tanora roa, Letona iray sy Okrainiana iray, izay nahafantatra ny fahamarinana tany amin’ny tobin’i Stutthof, no natao batisa. Rehefa niverina tany amin’ny Firaisana Sovietika izy ireo dia efa tonga anabavinay ara-panahy. Ary Andriamanitra dia mbola hanome anay fitomboana.
Anisan’ny Repoblika sosialista sovietikan’i Lituanie izao Memel. Na dia tao aza ny fampitandremana nataon’ireo mpitsoa-ponenana rosiana, dia nandray ny lalana niantsinanana aho tamin’ny jona 1946 mba hihaona amin’ny fianakaviako. Nitondra fonosan’entana mavesatra feno zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly aho. Rehefa nandalo ny sisin-tany aho, dia variana tamin’ny habetsahan’ny tongolo lay nentiko ny mpisafo, ka tsy niraharaha firy ny fonosana nentiko. Hafaliana toy inona kosa anefa ny an’ireo rahalahy tao amin’ny faritra nisy ahy nahazo sakafo ara-panahy sarobidy!
Nitafotafo ny fankasitrahako an’i Jehovah noho ny niarovany tamin’ny fomba mahagaga ny fianakaviako namakivaky ny ady sy ny fotoan-tsarotra nanaraka izany, mba hanohizanay ny asanay. Na oviana na oviana dia tsy nitsahatra nidera an’Andriamanitra izahay.
Famelezana mavesatra iray
Kanefa, ny septambra 1950 dia nosamborina ary nafindra toerana ny Vavolombelona rehetra tao amin’ny faritra nisy anay. Maro taminay no voaheloka handany 10 ka hatramin’ny 25 taona any amin’ny toby fiasana iray. Ny mpikambana rehetra amin’ny fianakaviako dia natao sesitany mandra-pahafaty tany Siberiac.
Famelezana mavesatra ho anay izany, nefa takatray haingana fa tokony hampiely ny hafatr’ilay Fanjakana any amin’io faritra midadasika io koa izahay. Nanana tombontsoa aho, niaraka tamin’ny Vavolombelona telopolo hafa, hitory tamin’ireo voatana 3 000 tao amin’ny tobin’i Vorkouta, any avaratr’i Rosia eoropeana. Maro no nanaiky ny fahamarinana, natao batisa ary nanohy ny asa tany amin’ny faritany tsy misy mpitory, taorian’ny nanafahana azy ireo.
Rehefa afaka dimy taona teo ho eo, tamin’ny lohataona 1957, dia nomen-dalana mba honina tao amin’ny faritr’i Tomsk aho, ka noho izany dia nihaona indray ny fianakavianay. Tany Siberia, ireo rahalahinay dia tsy maintsy niasa manomboka maraina ka mandra-paharivan’ny andro, tsy misy andro fiatoana. Farany, saiky ireo rehetra nafindra toerana dia nafahana, ka izany dia nahatonga fifindra-monina lehiben’ireo tera-tany alemana nankany atsimo. Araka ny voalazako teo am-piandohan’ity fitantarana ity, dia nanorim-ponenana tao amin’ny Repoblikan’i Kirghizistan, tany Azia afovoany, izahay tamin’ny 1960. Tany, tao an-tanànan’i Kant, akaikin’i Frounze, dia nifankahalala tamin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah maromaro izay tonga tao talohanay izahay.
Nandalo tamim-pilaminana tsara ihany ireo taona voalohandohany. Nony nihanisy vokany ny ranon’ny fahamarinana, dia nitombo tao amin’io faritra io sy tany amin’ny tapany hafa amin’ilay tany ny paradisa ara-panahy. Kanefa, ny hafanam-ponay nidera an’i Jehovah dia tsy takona afenina. Namoaka lahatsoratra fanaratsiana momba anay ny gazety. Ireo filohan’ny fivavahana ofisialy dia nandrara anay tsy hitsidika ny “ondriny” sy nandrahona handray fepetra hanoherana anay. Tamin’ny 1963, dia rahalahy dimy no nalaina an-keriny tampoka ary nohelohina hotanana 7 ka hatramin’ny 10 taona any amin’ny toby fiasana. Ny herim-pon’ireo rahalahy nandritra ny fitsarana sy ny tsy fetezany hanaiky lembenana dia nahatalanjona ny mpanatrika. Hitan’ny olona fa tapa-kevitra ny ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’ ny Vavolombelona. — Asan’ny apostoly 5:29.
Rehefa tonga tamin’ny fotoana fisotroan’dronono aho, dia nilazana izahay fa homen-dalana hifindra monina any amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina. Talohan’ny fiainganay, dia nanantitrantitra ny hampitanay ny fitiavana lalina sy ny fiarahabany ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ireo rahalahy sy anabavy tany Kirghizistan sy tany atsimon’i Kazakhstan tamin’ny fanononana ny Joba 32:19-22 sy Jeremia 20:9, 10, ireo rahalahy sy anabavy tao Kirghistan sy tany atsimon’i Kazakhistan. Hatramin’ny 1969 dia monina tao Bremerhaven izaho sy Ruth. Na dia mihabe taona aza izahay, dia manohy midera an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny aina sy ny fitomboana, noho ny hatsaram-pony. Miandry amin-toky ny andro izay hahatongavan’ny tany manontolo ho paradisa ka hideran’ny manam-pofonaina rehetra an’Andriamanitra izahay. — Salamo 150:6.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny La Tour de Garde tamin’ny 15 janoary 1969, pejy 60 ka hatramin’ny 63 (BI 1/70, pejy 28 ka hatramin’ny 32).
b Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 septambra 1978, pejy 16 ka hatramin’ny 20.
c Jereo La Tour de Garde tamin’ny 15 aogositra 1956, pejy 252 sy 253 (BI 12bis/56, pejy 46 à 51).
[Sary, pejy 23]
Eduard sy Ruth Warter ankehitriny
[Sary, pejy 24]
Ny antokona Vavolombelona tsy maty tany amin’ny toby fitanana tany Stutthof teo am-pahatongavany tany Danemarka tamin’ny 1945, notsenain’ny rahalahy iray tao amin’ilay tany. (Eo amin’ny farany ankavia Eduard Warter.)