Fifaliana toy inona moa ny mipetraka eo amin’ny latabatr’i Jehovah!
Notantarain’i Ernst Wauer
Amin’izao fotoana izao dia azo lazaina hoe mora ho ahy ny manatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny mianatra ny Baiboly ary ny mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Kanefa, tsy toy izany foana ny toe-javatra teto Alemaina. Tamin’ny fotoana naha-tsy norefesi-mandidy an’i Adolf Hitler, nanomboka tamin’ny 1933 ka hatramin’ny 1945, dia nety ho nitarika famoizan’ny olona iray ny ainy ny fandraisana anjara tamin’ny asa kristiana toy izany.
HERINTAONA talohan’ny niakaran’i Hitler teo amin’ny fitondrana, fony aho 30 taona, no nihaonako voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Dresden. Tamin’ny Janoary 1935 aho no nanolo-tena ho an’i Jehovah ary nampiseho ny faniriako hatao batisa. Efa voarara ny asanay tamin’ny 1933, koa nisy nanontany ahy hoe: “Takatrao ve ny dikan’ny fanapahan-kevitrao? Manao izay hahatandindomin-doza ny fianakavianao, ny fahasalamanao, ny asanao, ny fahafahanao, ary hatramin’ny ainao mihitsy aza, ianao!”
“Efa notombanako ny tambin’izany, ary maniry an-tsitrapo hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ho faty noho izany aho”, hoy ny navaliko.
Na dia talohan’ny batisako aza aho dia nanomboka nitory isan-trano. Teo amin’ny varavarana iray aho, dia tojo mpitarika SS (Mpiaro voafidy an’i Hitler, manao ambonin’akanjo mainty) tanora manao fanamiana, izay nihiaka hoe: “Tsy fantatr’ialahy angaha fa voarara izao? Handeha hiantso pôlisy aho!”
“Mandehana. Miresaka momba ny Baiboly fotsiny aho, ary tsy misy lalàna manohitra izany”, hoy aho namaly tamim-pahatoniana. Taorian’izay, dia niverina tamin’ny varavarana nanaraka aho ary nampandrosoin’ny lehilahy tsara fanahy iray avy hatrany. Tsy naninon-tsy naninona aho.
Tsy ela aho dia nanankinana ny fikarakarana antokon’olona mpianatra iray voaforon’ny Vavolombelona teo amin’ny dimy ka hatramin’ny fito izay nivory isan-kerinandro. Nianatra tamin’ireo nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) nampidirina an-tsokosoko teto Alemaina, avy tany amin’ireo tany nanodidina, izahay. Noho izany, na dia teo aza ny fandrarana, dia nipetraka teo amin’ny “latabatr’i Jehovah” tsy tapaka izahay mba hahazoana tanjaka ara-panahy. — 1 Korintiana 10:21.
Niaritra fitsapana
Tamin’ny 1936, i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, dia nitsidika fivoriambe iray tany Lucerne, any Soisa, ary nanasa rahalahy mpiandraikitra teokratika teto Alemaina mba ho tonga. Koa satria voatana ny fahazoan-dalan’ny rahalahy maro be ary narahin’ny pôlisy maso akaiky ny rahalahy maromaro, dia vitsy monja no afaka nanatrika. Nangataka ahy ilay rahalahy niandraikitra ny asa tany Dresden mba hisolo tena azy tany Lucerne.
“Nefa tsy mbola tanora loatra ve aho sady tsy ampy fanandraman-javatra?” hoy aho nanontany.
“Ny ilaina izao”, hoy izy nanome toky ahy, “dia ny ho mahatoky. Izany no zava-dehibe indrindra.”
Fotoana fohy taorian’ny niverenako avy tany Lucerne, dia nosamborina aho ary nosarahina tampoka tamin’i Eva vadiko sy ireo zanakay kely roa. Teny an-dalana ho any amin’ny pôlisy, dia niezaka mafy aho nitadidy andinin-teny iray mba hitari-dalana ahy. Tonga tao an-tsaiko ny Ohabolana 3:5, 6, manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Nanatanjaka ahy hiatrika ny fanadinadinana voalohany ny fitadidiana io andinin-teny io. Taorian’izay aho dia nohidiana tao amin’ny efitrano kely tery iray, ary nisy fotoana nahatsiarovako ho nafoy tamim-pamoizam-po. Nameno fiadanana ahy anefa ny vavaka nafana nataoko tamin’i Jehovah.
Nanasazy an-tranomaizina ahy nandritra ny 27 volana ny fitsarana. Notanana tao amin’ny efitrano nihiboka nitokana tao amin’ny fonjan’i Bautzen aho nandritra ny herintaona. Indray mandeha, dia nisy mpiasan’ny fitsarana efa nisotro ronono iray — sendra nisolo olon-kafa — nanokatra ny varavaran’ilay efitrano kely nisy ahy ary nanao fanamarihana tamim-pisakaizana hoe: “Fantatro fa tsy mahazo mamaky zavatra ianao, nefa mety hila zavatra hanarianao dia.” Tamin’izay izy dia nanolotra mangingina ho ahy gazetim-pianakaviana tranainy vitsivitsy ary niteny hoe: “Nangoniko halina ireo.”
Raha ny marina, dia tsy nila zavatra ho ‘fanarian-dia’ aho. Tao amin’ilay efitrano nihiboka nitokana aho dia nitadidy an-tsaina andinin-teny ao amin’ny Baiboly sy lahateny voavelabelatra ka namerina azy ireny tamin’ny feo avo. Nefa nojereko maimaika ihany ireo gazety hahitana raha nisy andinin-tenin’ny Soratra masina — ary nahita maromaro aho! Ny iray dia ny Filipiana 1:6, manao hoe: “Ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany.” Nisaotra an’i Jehovah aho noho io fampaherezana io.
Taoriana kelin’izay aho dia nafindra tany amin’ny toby fiasana iray. Avy eo, tamin’ny lohataonan’ny 1939, rehefa tokony hifarana ny fitanana ahy, dia nanontany ahy ny mpiandraikitra ny toby raha niova hevitra aho. “Vonona ny hitoetra ho mahatoky amin’ny finoako aho” hoy ny valinteniko. Nampahafantatra ahy àry izy fa hafindra any amin’ny toby fitanana any Sachsenhausen aho.
Tany aho dia nanaisotra ny fitafiako manokana, notondrahana rano, noharatana ny volo rehetra tamin’ny tenako, ary notolorana ny fitafian’ny fonja aho. Avy eo aho dia natao teo ambanin’ny rano mifantsitsitra indray, niakanjo tanteraka tamin’io — fomba fanaovan-javatra iray nantsoin’ny SS hoe “batisa”. Taorian’izay aho dia noterena hijajirika tany an-tokotany, kotsa tanteraka, mandra-paharivan’ny andro.
Tany amin’ireo toby, dia nampiharan’ny SS herisetra manokana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy fotoana maro tsy maintsy nijoroanay toa tsy hisy farany nandritra ny ora maromaro teo amin’ny tokotany fanaovana matso. Indraindray dia niteny tamim-pisentoana ny iray taminay hoe: “Tsy tsara ve ny mba nihinana tena sakafo tsara?” Namaly ny hafa iray hoe: “Aza mampifantoka ny sainao amin’ny zavatra toy izany. Hevero fotsiny ny hoe voninahitra toy inona ny mijoro ho an’ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany.” Ary nisy hafa nanampy hoe: “Hanatanjaka antsika i Jehovah!” Tamin’izany fomba izany no nifampaherezanay. Indraindray, ny fiatokatoky ny loha amim-pisakaizana fotsiny dia ampy hilazana hoe: “Maniry ho mahatoky aho; toy izany koa ianao!”
Ny sakafo ara-panahy tany amin’ny toby
Nisy nandray fitarihana teo amin’ny famahanana ara-panahy ireo rahalahy, ary voafidy hanampy azy ireo aho. Baibolin’i Luther matevim-be iray izay no mba nanananay. Voarara, raha ny marina, ny fananana azy io. Noho izany dia nafenina io harena io, ary rahalahy iray voatendry isaky ny efitrano kely ihany no afaka namaky izany nandritra ny fotoana fohy. Rehefa anjarako, dia nandady nankao ambany fandriana aho nitondra jiro fanao am-paosy ka namaky nandritra ny 15 minitra teo ho eo. Nitadidy andinin-teny azoko noresahina taorian’izay tamin’ireo rahalahy tao amin’ny efitrano kely aho. Araka izany, dia nalamina tamin’ny ambaratonga sasany ny fizarana sakafo ara-panahy.
Nampirisihina ny rahalahy rehetra hangataka tamim-bavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana sakafo ara-panahy fanampiny, ary nohenoiny ny fitalahoanay. Tamin’ny ririnin’ny taona 1939/1940, dia nisy rahalahy mpigadra vaovao iray nahita fomba hitondrana an-tsokosoko nankao an-toby nomerao vaovao vitsivitsy tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tao anatin’ny tongo-kazony. Toy ny hoe fahagagana izany, koa dia notadiavina tamim-pitandremana daholo ny olona rehetra.
Ireo gazety ireo, noho ny antony ho fiarovana, dia natao ho azon’ireo rahalahy voatendry ampiasaina mandritra ny indray andro amin’ny fotoana iray. Indray mandeha, rehefa nisy garazy iray namboarina, dia nifitsaka tao anaty lavaka iray aho ary namaky izany raha mbola niambina tany ivelany ny rahalahy iray. Tamin’ny fotoana hafa iray aho dia nametraka Ny Tilikambo Fiambenana teo am-pofoako nandritra ny “ora fanjairana” (mipetraka ao an-tranokelinay izahay rehefa takariva mikarakara gan-tanana sy fitaovana hafa), raha mbola nipetraka teo an-daniny avy ireo rahalahy mba hijery ny any ivelany. Nony nisy mpiambina SS tonga, dia nafeniko haingana Ny Tilikambo Fiambenana. Ny fahatratrarana ahy dia nilaza famoizako ny aiko.
Nanampy anay tamin’ny fomba nahatalanjona i Jehovah mba hitadidy ireo hevitra nampahery tao amin’ireo lahatsoratra. Mitarika ahy ho amin’ny torimaso lalina mazàna amin’ny alina ny harerahana mafy. Nefa tamin’ireo alina taorian’ny namakiako Ny Tilikambo Fiambenana, dia taitra imbetsaka aho ary nahatsiaro ireo hevitra mazava tanteraka. Nahatsapa sahala amin’izany koa ireo rahalahy voatendry tany amin’ny efitrano kely hafa. Tamin’izany i Jehovah dia nampaharanitra ny fitadidianay mba hahafahanay hizara ny sakafo ara-panahy. Nataonay izany tamin’ny fanatonana ny rahalahy tsirairay nitokana ka nanatanjahana azy.
Nahatoky hatramin’ny fahafatesana
Tamin’ny 15 Septambra 1939, dia tsy maintsy nandeha niverina tany amin’ny toby aloha kokoa tsy toy ny nahazatra ny andia-mpiasa nisy anay. Inona no nitranga? Hotifirina ampahibemaso i August Dickmann, anisan’ireo rahalahinay tanora. Natoky ireo nazia fa hampanaiky maro be tamin’ireo Vavolombelona handa ny finoany izany. Taorian’ny fitifirana, dia nasaina niala teo ireo mpigadra hafa rehetra. Nefa izahay Vavolombelon’i Jehovah dia naverimberina teo amin’ny tokotany fanaovana matso, nodakana sy novelezina tamin’ny kibay mandra-pahatonganay ho tsy afa-nihetsika intsony. Nodidiana izahay hanao sonia fanambarana fandavana ny finoanay; raha tsy izany dia hotofirina koa.
Hatramin’ny ampitso dia tsy nisy nanao sonia. Raha ny marina aza, ny mpigadra vaovao iray nanao sonia teo am-pahatongavana, dia nanafoana indray ny soniany. Naleony niara-maty tamin’ireo rahalahiny toy izay handao ny toby tamin’ny naha-mpamadika. Tamin’ireo volana nanaraka izahay dia nosazina hanao asa mafy sy nampiharana fitondrana ratsy tsy an-kiato ary nihafy tamin’ny sakafo. Nihoatra ny zato tamin’ireo rahalahinay no maty nandritra ny ririnina namirifirin’ny 1935/1940. Nihazona ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah sy ny Fanjakany hatramin’ny farany indrindra izy ireo.
Avy eo i Jehovah dia nanome fanamaivanana. Rahalahy maro be no nafindra toerana hiasa tany amin’ny toby vao naorina izay nahazoany sakafo misimisy kokoa. Ambonin’izany, dia somary nihena ny fampahoriana. Tamin’ny lohataonan’ny 1940 aho dia nafindra tany amin’ny toby fitanana tany Neuengamme.
Fandaharana ara-panahy tao Neuengamme
Rehefa tonga aho, dia nisy antokona Vavolombelona teo amin’ny 20 teo ho eo tao, tsy nanana Baiboly na zavatra vita an-tsoratra hafa. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy hampiasa ireo zavatra nianarako tany Sachsenhausen mba hanatanjahana ireo rahalahy tao Neuengamme. Teo amin’ny dingana voalohany, dia nahatsiaro ireo andinin-teny aho ary nifantina azy ireny hatao teny hovakina isan’andro. Avy eo dia nisy fandaharana natao ho an’ireo fivoriana izay nahafahako nanazava ireo hevitra tao amin’ireo lahatsoratra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana novakiko tany Sachsenhausen. Rehefa nisy rahalahy vaovao tonga dia nitantara ireo zavatra nianarany tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana vao haingana izy ireny.
Hatramin’ny 1943, dia tafakatra ho 70 ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Neuengamme. Nanjary tia ny nanao asa tany ivelan’ny toby, toy ny fanadiovana taorian’ny tafio-drivotra, ireo Vavolombelon’i Jehovah. Vokatr’izany, dia afaka nitondra mangingina Baiboly sy nomerao maromaro tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ary boky sy bokikely sasantsasany an’ny Fikambanana, niditra tao amin’ny toby, izahay. Naharay fonosan’entana tamin’ny paositra koa izahay, nirakitra zavatra vita an-tsoratra amboniny ary koa divay mena sy mofo tsy nisy lalivay hanaovana ny Fahatsiarovana fanao isan-taona. Niharihary fa nampahajambena ireo izay nisava ny fonosana i Jehovah.
Niparitaka izahay satria nitoetra tamin’ny tranokely samy hafa, hany ka nahaforona antoko-mpianatra Ny Tilikambo Fiambenana fito, izay samy nisy mpitarika iray sy mpisolo toerana azy io iray avy. Natao mangingina tao amin’ny biraon’ny komandin’ny toby izay niasako vonjimaika ny fanaovana kopia Ny Tilikambo Fiambenana. Noho izany, dia nahazo nomerao feno iray, fara fahakeliny, ny antoko-mpianatra tsirairay mba hanaovana ny fianarana isan-kerinandro. Tsy nisy fivoriana nofoanana na dia iray aza. Ambonin’izany, isa-maraina teo amin’ny tokotany fanaovana matso, dia nahazo kopia iray tamin’ny teny natao hovakina isan’andro nisy fanazavana nalaina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ireo antoko-mpianatra.
Nahazo andro tsy niasana ny SS indray maka, koa dia afaka nanao fivoriambe tapak’andro sy nifanakalo hevitra ny amin’ny fomba fitoriana tao amin’ny toby izahay. Nozarainay ho faritany maromaro ilay toby, ary nanandrana tamin’ny fomba voalamina izahay ny hanao izay hahatratraran’ny “vaovao tsaran’ny Fanjakana” ny mpigadra rehetra. (Matio 24:14, MN). Koa satria avy tamin’ny tany maro samihafa ireo mpigadra, dia nanamboatra karatra fanaovana fanambarana tamin’ny fiteny maro nanazava ny asanay sy ilay Fanjakana, izahay. Nitory tamin-jotom-po izahay, hany ka nitaraina toy izao ireo mpigadra politika: “Na aiza na aiza alehanao, dia tsy mandre afa-tsy firesahana ny amin’i Jehovah!” Nisy tatitra momba ny asa nataonay tonga hatrany amin’ny biraon’ny sampana tany Berne, any Soisa mihitsy aza.
Nandeha tsara ny zavatra rehetra mandra-panaon’ny Gestapo fisavana tao amin’ny toby fitanana manontolo, tamin’ny 1944. Tsy voasava ilay fametrahanay zavatra vita an-tsoratra tany Neuengamme nefa nisy zavatra vitsivitsy kosa hita tany aminay sy i Karl Schwarzer. Nadinina sy nokapohina izahay nandritra ny telo andro. Nony nifarana ilay fisedrana mafy, dia feno mangamangana ny tenanay mirahalahy. Mbola velona ihany anefa izahay noho ny fanampian’i Jehovah.
Fitahiana ara-panahy tondraka
Nafahan’ny andian-tafika mitambatra aho tamin’ny May 1945. Ny ampitson’ny nahafahako aho dia nanomboka nandeha an-tongotra niaraka tamin’ny antokon’olom-bitsy voaforon’ny rahalahy sy sakaizan’ny fahamarinana. Vizana izahay ka nipetraka teo amin’ny fantsakana iray tao amin’ny vohitra voalohany nahatongavanay ary nisotro rano. Nahatsapa ho afaka hetaheta aho, ary nandeha isan-trano nisakelika Baiboly iray. Nisy vehivavy tanora iray tohina tanteraka tamin’ny fandrenesana fa natao tany amin’ny toby fitanana izahay Vavolombelon’i Jehovah noho ny finoanay. Lasa nankany an-dakoziany izy, ary niverina nitondra ronono vaovao sy “sandwiches” ho an’ilay antokon’olona nisy anay.
Taorian’izay, mbola nanao ny fanamiana avy tany amin’ny toby izahay, dia nanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana nanerana ilay vohitra manontolo. Nisy tantsaha hafa iray nampandroso anay hihinana sakafo matsiro ampy tsara. Nandroso ho anay zavatra tsy nohaninay nandritra ny taona maro izy. Nampilendalenda erỳ ny fahitana izany! Kanefa tsy hoe tonga dia nirangorango tamin’ilay sakafo izahay. Nanao vavaka izahay ary nihinana niadana sy tamim-pahalalam-pomba. Nanohina fatratra ireo nahita anay izany hany ka rehefa nanomboka nanao fivoriana izahay taorian’io, dia nihaino ny lahateny ara-baiboly izy ireo. Nanaiky ny hafatra ny vehivavy iray, ary anabavintsika ara-panahy izy io amin’izao fotoana izao.
Nanohy nandeha izahay ary nahatsapa ny fiahian’i Jehovah tamin’ny fomba nahatalanjona. Fihetseham-po lehibe toy inona moa no tsapa amin’ny fanohizana mahazo, amin-kalalahana ankehitriny, ny sakafo ara-panahy rehetra avoakan’ny fandaminan’i Jehovah sy mizara izany amin’ny hafa! Tao anatin’ireo taona nanaraka, dia novalian-tsoa hatrany hatrany ny fitokianay tanteraka tamin’i Jehovah.
Nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1950, dia nanana tombontsoa hanompo tao amin’ny Betelan’i Magdeburg aho, ary avy eo, hatramin’ny 1955, dia tao amin’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower tao Berlin. Taorian’izay aho dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany hatramin’ny 1963 nilazan’i Hidle vadiko tamiko fa nitoe-jaza izy. (Maty nandritra ny nigadrako i Eva, vadiko voalohany, ary nanambady indray aho tamin’ny 1958.) Tonga Vavolombelona be zotom-po ny zanakay vavy tatỳ aoriana.
Nanao ahoana ireo zanako tamin’ny vadiko voalohany? Nampalahelo fa tsy naneho fahalianana ny fahamarinana ilay zanako lahy. Nefa nanao izany kosa i Gisela zanako vavy, ary nanatrika ny sekolin’ny misioneran’i Gileada izy tamin’ny 1953. Izao izy dia miara-manompo amin’ny vadiny ao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe iray eto Alemaina. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka nanohy ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona aho hatramin’ny 1963 ary nanompo tany amin’izay nilàna fanampiana, voalohany tany Frankfurt ary avy eo teto Tübingen.
Hatramin’izao aho dia manohy mankafy ireo fandaharana rehetra ataon’ny fandaminan’i Jehovah ho an’ny ankohonany ao amin’ny finoana. (1 Timoty 3:15). Ankehitriny dia mora aoka izany ny mahazo sakafo ara-panahy, nefa moa ve isika mankasitraka izany foana? Matoky aho fa manana fitahiana tondraka ao amin’ny tahiriny i Jehovah ho an’ireo izay mitoky aminy sy mitoetra ho mahatoky ary mihinana eo amin’ny latabany.
[Kisary, pejy 26, 27]
(Jereo ny gazety)
TOBY FITANANA TAO SACHSENHAUSEN
A. Tobin’ny SS
B. Tokotany fiantsoana anarana
D. Trano figadrana
E. Fitanana mitokana
F. Toerana fanalana bibikely
G. Toerana fitifirana
H. Efitrano fanemporana amin’ny gaza