FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/6 p. 25-29
  • Havaoziko ny zavatra rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Havaoziko ny zavatra rehetra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Famoronana vaovao iray” atỳ ambanin’ny masoandro
  • “Ny fanavaozana”
  • Ny andro “fampodiana”
  • Misy Zavatra Noforonina Vaovao Teraka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fotoana fanavaozana
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • Masoandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”
    “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra!”
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/6 p. 25-29

Havaoziko ny zavatra rehetra

“Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — APOKALYPSY 21:5.

1, 2. a) Inona no fanontaniana napetrak’i Solomona telo arivo taona lasa izay? b) Amin’izao andro izao, inona no toa manohitra ireo tenin’i Solomona?

“TSY MISY zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro.” Izany no tenin’i Solomona mpanjaka hendry. Manontany izy avy eo hoe: “Misy zavatra azo lazaina ve hoe: ‘Indro vaovao io’?” (Mpitoriteny 1:9, 10, MN ). Ahoana no hamaliantsika izany fanontaniana izany amin’izao andro izao?

2 Ny fahaizana amam-pahalalana ara-teknika ve tsy mitondra zava-baovao maro be ho an’ny taonjato faha-20? Hevero fotsiny ny fitaterana: ny fiaramanidina haingam-pandeha, ny fiarakodia tena matanjaka, sy ny fiarandalamby miriotra mafy. Jereo koa ny fandrosoana mampitolagaga vita tamin’ny fifandraisan-davitra: ny fampiasana zana-bolana sy fampisidinana sambon-danitra hametraka olona eny amin’ny volana. Ary inona koa no hambara ny amin’ny fitaovan-tokantrano araka ny toetr’andro, vata fampangatsiahana, milina fanasana lamba, mahazo fiandrianana ao amin’ny tokantrano maro be? Angamba halaim-panahy hilaza toy izao ny sasany: ‘Vaovao avokoa ny zava-drehetra atỳ ambanin’ny masoandro ka!’

3. Tarehin-javatra mahavery hevitra inona no atrehina ankehitriny “atỳ ambanin’ny masoandro”? (Lioka 21:25, 26; Salamo 53:1.)

3 Andraso kely, anefa. Misy zava-mahatsiravina sy maha-be fanahiana koa atỳ ambanin’ny masoandro. Inona izany? Izao: tena lasa toby nohamafisina ny tany. Izany dia nanomboka tamin’ny 1914 niaraka tamin’ny Ady lehibe Voalohany. Tamin’izay no nampiasaina voalohany tamin’ny ady ny basy marovava, ny fiaramanidina, ny fiara mifono vy fitondra miady sy ny sambo mpisitrika. Telopolo taona latsaka taty aoriana, ny Ady lehibe Faharoa dia niteraka fahafatesana sy fahasimbana ara-pitaovana avo efatra heny. Nitaky fampiasana fiadiana mbola mahafaty sy mampihorohoro kokoa izy io: ny fanipazana lelafo, ny baomba ataomika manambara ny fitaovana vaventy noklehera araka ny demonia izay, amin’izao andro izao, dia mandrahona ny fisian’ny olombelona mihitsy.

4. a) Fari-piainana manao ahoana no noheverin’i Solomona raha nilaza izy hoe “tsy misy zava-baovao”? b) Amin’ny ahoana ny fahendrena sy ny fitiavan’Andriamanitra no miharihary eo amin’izay nataony sy mbola hataony ho antsika “atỳ ambanin’ny masoandro”?

4 Hatreo àry, azo atao ve ny milaza fa “tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro”? Eny, satria ireo famoronan-javatra rehetra ireo dia miditra ao amin’ny faritr’izao tontolo izao ara-pitaovana izay efa an’ny taranak’olombelona hatramin’izay. Eny fa na dia manapoaka ny baomba amin’ny hydiraozena aza ny olona, dia tsy zava-baovao izany, satria ny fitresahan’ny ataoma amin’ny hydiraozena dia misy ao amin’ny masoandro efa nandritra ny an-davitrisany taona maro. Io fisehoan-javatra io no mandefa tsy tapaka ny angôvo (énergie) tena ilaina mba hanazavana sy hanomezana hafanana ny tany, ary mba hitanana ny fiainana eo aminy. Ny asan’ny hazavan’ny masoandro amin’ny “chlorophylle” amin’ny zava-maitso no manome fahafahana hamokatra siramamy sy tavolo, foto-javatra mahavelona ho an’ny zavaboary maro be eto an-tany. Afaka ny ho velom-pankasitrahana tokoa ny Mpamorona àry isika, dia izy izay, tamin’ny fahendrena tsy hita fetra, nanomana io famokarana angôvo noklehera mahasoa aoka izany io, sy mifehy azy (Salamo 104:24). Ny olona ratsy dia manan-kevitra ny hampiasa io endriky ny angôvo io mba handringanana olona, nefa soa ihany fa Andriamanitra dia “hanimba izay manimba ny tany”. — Apokalypsy 11:18.

5. a) Nahoana no azo atao ny milaza fa tsy diso hevitra i Solomona raha milaza fa “tsy misy zava-baovao atỳ ambanin’ny masoandro”? b) Manamarina ireo tenin’i Solomona ve ny endri-piainan’ny olombelona tsy tanteraka?

5 Tsy diso hevitra àry Solomona raha nilaza fa “tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro”. Tsy misy zava-baovao marina tokoa raha ny amin’ny fitaovana, ny loharanon’ny angôvo sy ny lalàna voajanahary iorenan’ny fandaharan-javatra ara-pizikan’ny tany. Efa anisan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra hatry ny ela izany rehetra izany (Salamo 24:1; Apokalypsy 4:11). Tsy nisy niova raha ny amin’ny fiposahana na filentehan’ny masoandro; ny fizaran-taona sy ny fihodinan-javatra ilaina amin’ny fanondrahana sy fanavaozana ny tany. Fa raha ny amin’ny fomba fiainan’ny olona tsy tanteraka sy mety maty indray, dia tsy misy zava-baovao loatra akory ao aminy, na dia eo aza ny lamaody miovaova. Na dia ao amin’ireo fitambaran’olona mandroso aza, dia efa lasa dridralava sy ‘mandreraka’ ny fiainana rehefa ela ny ela ho an’ny olona maro be. Rehefa afaka 70 na 80 taona, ny olona voaloton’ny fahotana dia “mandroso ho any amin’ny tranony mandrakizay”, dia ny fasana. Araka ny anambaran’i Solomona azy, “izay efa teo ihany no tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray; fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro.” — Mpitoriteny 1:4-9; 12:5.

“Famoronana vaovao iray” atỳ ambanin’ny masoandro

6. a) Nahoana moa no tsy tokony hanantena famoronana vaovao eo amin’ny lafiny ara-nofo ao anatin’ny ho avy tsy ho ela? b) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana Jehovah no nampiseho ‘zava-baovao tatỳ ambanin’ny masoandro’?

6 Araka izany, amin’ny lafiny ara-pizika dia “tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro”. Tsy hanao zava-baovao mihitsy koa Jehovah eo amin’ny lafiny ara-nofo, izao ka hatramin’ny faran’ny andro 7 000 taona ankehitriny izay itsaharany amin’ny famoronany. Nefa tsy hoe tsy nisy zava-baovao niseho akory taty ambanin’ny masoandro. Tamin’ny taona 2 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia niseho tampoka tamin’ny mpiandry ondry nanetry tena ny anjelin’i Jehovah tany akaikin’i Betlehema mba hanambara amin’izy ireo toe-javatra mahatalanjona. Izao no nolazain’io anjely io tamin’izy ireo: “Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Nisy anjely maro be tamin’izay niaraka taminy ka nidera an’Andriamanitra nanao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany. — Lioka 2:8-14.

7. a) Inona no zava-baovao nitranga tamin’ny fotoan’ny batisan’i Jesosy? b) Inona no nataon’i Jesosy mba hisehoan’ny fitrangan-javatra vaovao hafa?

7 Teo amin’ny faha-30 taonany, no natao batisa tao Jordana io Mpamonjy io. Raha vantany vao vita izany dia nisy zava-baovao hafa iray taty ambanin’ny masoandro. Voatantara ao amin’ny Lioka 3:21, 22 amin’izao teny izao izany fitrangan-javatra izany: “Ary Jesosy (...) nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” Tamin’izay fotoana izay i Jesosy dia tonga “zavaboary vaovao iray”, Zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy (II Korintiana 5:17, MN ). Nandritra ireo telo taona sy tapany nanaraka, Jesosy dia nanao fanambarana nahery ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy nanangona ireo mpianany voalohany. Avy eo, tamin’ny taona 33, taorian’ny nahafatesany ho sorona sy nitsanganany tamin’ny naha-fanahy, dia niseho teo “anatrehan’Andriamanitra” izy mba hisy fitrangan-javatra hafa mahatalanjona etỳ ambany etỳ, “ambanin’ny masoandro”. — Hebreo 9:24; I Petera 3:18.

8. Ahoana no nahaterahan’ny “zavaboary vaovao”?

8 Tamin’io taona io ihany, tamin’ny andro Pentekosta, dia nanomboka nandatsaka ny fanahy masina teo amin’ireo mpianany i Jesosy ka nasehony tamin’izany fa nakambany taminy izy ireo ho zanak’Andriamanitra. Resahin’ny apostoly Paoly izany “zavaboary vaovao” izany ao amin’ny II Korintiana 5:17, 18, raha nilaza izy hoe: “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao [zavaboary vaovao, MN ]; efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady manome anay ny fanompoana fampihavanana.”

9. Inona no fikasana tanterahin’ny “zavaboary vaovao”?

9 Raha niteny tamin’izany “zavaboary vaovao” izany ny apostoly Petera dia nilaza hoe: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjaka-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” (I Petera 2:9). Raha mbola eto an-tany, izany fanjaka-mpisorona izany dia manambara amin-jotom-po ‘ny asa lehibe ataon’Andriamanitra’ momba ny fikasany mifandray amin’ilay Fanjakana. Avy eo, rehefa nahavita ny fihazakazahany teto an-tany tamim-pahatokiana ireo kristiana anisan’izany “zavaboary vaovao” izany dia hatsangana amin’ny maty mba hanana anjara miaraka amin’i Kristy amin’ny Fanjakany any an-danitra. — Asan’ny apostoly 2:11; Romana 8:14-17; Malakia 3:1, 2.

“Ny fanavaozana”

10. a) Inona no nambaran’i Jesosy momba ny “fanavaozana”? b) Inona no asaina hataon’ireo mahaforona ny “zavaboary vaovao”?

10 Kanefa, izany “zavaboary vaovao” izany, izay nanomboka tamin’i Jesosy Kristy ve no hany zavatra ‘vaovao’ hitranga “atỳ ambanin’ny masoandro”? Tsia dia tsia tokoa. Fony izy tetỳ an-tany, Jesosy dia nanambara toy izao tamin’ny mpianany: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, hianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” (Matio 19:28). Araka izany, ireo mpianatr’i Jesosy 144 000 mahaforona ny “ondry vitsy” sy efa nosedraina dia asaina hipetraka miaraka aminy ao amin’ny Fanjakany sady “hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo”. — Lioka 12:32; 22:28-30; Apokalypsy 14:1-5.

11. Inona ireo endriny roa amin’ny soron’i Jesosy naseho an’ohatra tamin’ny Andro Fanavotana, ary inona moa izany?

11 Iza àry ireo “foko roa ambin’ny folo” ireo? Hita ny foto javatra iray hamaliana izany ao amin’ny fandaharana nomanin’i Jehovah ho amin’ny Andro Fanavotana teo amin’ny Isiraely fahiny. Eny tokoa, fa isan-taona, ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito, dia tokony hanolotra vantotr’ombilahy iray ny mpisoronabe, ho fanatitra noho ny ota, “ho an’ny tenany sy ho an’ny ankohonany”. Io sorona io dia tandindon’ny an’i Jesosy mihatra amin’ny “ankohonany” misy mpisorona lefitra. Nefa, nisy zavatra voaomana ho an’ny Isiraelita hafa ve? Izany tokoa, satria avy eo dia nanaovan’ny mpisoronabe filokana ny osilahy roa. Novonoiny ny voalohany ho “fanatitra noho ny ota ho an’ny olona”; fa ny faharoa kosa nalefany hankany an’efitra, rehefa avy niaiky ny heloky ny vahoaka teo amboniny izy. Io fanao amin’ny osilahy roa io dia tandindon’ny fomba handatsahan’i Jesosy ny rany na ny ainy ho sorona sy hanalany tanteraka ny otan’ny olombelona hafa rehetra ankoatra ny ankohonany mpisorona. — Levitikosy 16:6-10, 15.

12. Inona no ambaran’ny rakibolana iray momba ny hevitry ny fitenenana hoe “fanavaozana”?

12 Ny fitenenana hoe “firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” dia mitovy hevitra amin’izany ao amin’ny Matio 19:28. Ao amin’io teny io, ilay fitenenana dia tsy mihatra amin’ny mpisorona lefitr’i Jesosy nateraky ny fanahy, fa amin’ny olombelona hafa rehetra. Araka an’i W. Vine (ao amin’ny An Expository Dictionary of New Testament Words), ny teny grika palingénésia adika ao amin’io andininy io hoe “fanavaozana” dia manondro “fahaterahana indray (...), fiteraham-baovao ara-panahy”. Izao no anampiny: “Ao amin’ny Mat[io] 19:28, ny teny, tao amin’ny lahatenin’ny Tompo, dia ampiasaina amin’ny heviny malalaka, ny amin’ny ‘fampodiana ny zavatra rehetra’ (Asa 3:21, R.V.) rehefa, aorian’ny Fiverenan’i Kristy fanindroany, nanendry ny Mpanjakany tambonin’i Ziona, tendrombohiny masina’, Jehovah. (Sal. 2:6.) (...) Amin’izany fomba izany no hanafahana izao tontolo izao amin’ny fahefana sy ny famitahan’i Satana ary koa ireo filoham-pirenena tsy refesi-mandidy sy mpanohitra ny kristiana.”

13. a) Tamin’ny fomba ahoana no nandikana ny teny hoe palingénésia tao amin’ny fandikan-teny samihafan’ny Baiboly? b) Inona àry no tokony hiseho “atỳ ambanin’ny masoandro”?

13 Mifanaraka amin’izany, dia fandikan-teny samy hafan’ny Baiboly no mandika ny teny hoe palingénésia amin’ny hoe fiteraham-baovao, izao tontolo izao vaovao, fiterahana indray, izao tontolo izao vao teraka indray, izao tontolo izao ho avy, zavaboary vaovao, fandaharan-javatra vaovao, taona vaovao. Takatrao kokoa ve ny tenin’i Jesosy? “Ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” izay mampiseho ny vahoaka manontolo amin’ny olombelona, dia manondro izay hotsarain’i Kristy sy ireo mpisorona lefiny mahatoky. Tokony hitranga izany raha mby amin’ny fiteraham-baovao, amin’ny fanavaozana mahatalanjona izay rehetra nomanin’i Jehovah ho an’ny tany, “atỳ ambanin’ny masoandro”.

Ny andro “fampodiana”

14. a) Araka ny Asa 3:20, 21, inona no tokony handrasan’i Jesosy? Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nanendrena an’i Jesosy ho Mpanjaka?

14 Rahoviana no hitranga izany fiteraham-vaovao izany? Ao amin’ny Asa 3:20, 21, Petera dia miresaka an’i “Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ny voalohany indrindra”. Aseho amintsika eto Jesosy miandry eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra mandra-pahatapitry ny “andron’ny jentilisa”. (Lioka 21:24; Salamo 110:1, 2.) Avy eo, tamin’ny 1914, Jehovah tokoa, dia ‘nanendry ny Mpanjakany tambonin’i Ziona, tendrombohiny masina’. Fampodiana inona no atrehina manaraka? — Salamo 2:6.

15. a) Inona no nitranga “tatỳ ambanin’ny masoandro” taorian’ny nandraisan’i Jesosy fiandrianana? b) Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Matio 25:31-34 sy Isaia 11:6-9?

15 Marihina aloha ny zava-baovao iray atỳ ambanin’ny masoandro: ny sisa amin’ny mpisorona lefitr’i Kristy mahatoky, ny farany amin’ny “zavaboary vaovao”, dia voangona sy voalamina mba hanatontosa tsara ny asa natao ‘hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tafaorina’. Manaraka izany, ny “olona betsaka avy tamin’ny (...) firenena rehetra” dia angonina mba hiarovana azy amin’ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:14; Apokalypsy 7:9, 14.) Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka nahazo fiandrianana izao, dia eo am-panavahana ny olona, “tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. “Ny ondry” dia manondro ny olona miseho ho tsara amin’ny Mpanjaka sy ireo rahalahiny nateraky ny fanahy, ny “zavaboary vaovao”. Ireny ondry ireny àry dia asaina handova ny fiainana mandrakizay eo amin’ny faritry ny Fanjakan’i Jehovah eto an-tany. Efa mifaly sahady amin’ny paradisa ara-panahy naorin’Andriamanitra indray eto an-tany izy ireo. — Matio 25:31-34, 46; Isaia 11:6-9.

16. a) Inona no fitsarana efa atao izao? b) Inona no fitsarana hafa tokony hitranga aorian’ny Haramagedona?

16 Ny fitsarana ireo firenena sy ny “ondry” izay mitranga amin’izay fotoana izay dia natao hamantarana raha mendrika ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” izy ireo. (Matio 24:21, 22.) Moa ve izany ilay fitsarana voaresaka ao amin’ny Matio 19:28? Tsia, satria misy fitsarana hafa hataon’i Kristy sy ireo mpisorony lefiny aorian’izany fahoriana izany. Io ilay fitsarana ny “firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” ara-panoharana, izany hoe ny olombelona tsy anisan’ny fanjaka-mpisorona. Ny isa “roa ambin’ny folo” dia manondro fa ny olombelona manontolo no hotsaraina; hita amin’izany ny tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”, ny zaza mety haterany sy ny olona an-davitrisany maro hatsangana amin’ny maty eto an-tany.

17. Iza no hotsaraina amin’izay; ary araka ny “asa” inona?

17 Momba izany, dia manambara i Paoly araka ny Asa 17:31 fa Andriamanitra “efa nanendry andro iray hitsarany izao tontolo izao amin’ny alalan’ny Lehilahy iray [Jesosy Kristy] voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany azy tamin’ny maty”. Aorian’ny Haramagedona, ny olombelona izay ho velona eto an-tany sy hahaforona ny “tany onenana” dia tsy hotsaraina araka ny fahotana nataony tao amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, fa “samy (...) araka ny asany” hatao ao amin’ny tany vaovao, raha mbola handray soa amin’ny fanavotana natao amin’ny alalan’i Kristy izy ireo. — Apokalypsy 20:13; Matio 20:28; I Jaona 2:2.

18. a) Araka ny nampisehoan’Isaia azy, inona no hitranga amin’izay “atỳ ambanin’ny masoandro”? b) Fampanantenana inona no ho tanteraka amin’izany, ary inona no azontsika antenaina amin’ny mandrakizay ho avy (Romana 8:21)?

18 Amin’izay no hisy zava-mahatalanjona hitranga atỳ ambanin’ny masoandro. Hitatra ny paradisa ara-panahy mba ho tonga paradisa ara-bakiteny, ho fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny tany hatrany am-boalohany. Milaza amintsika ny Andriamanitsika fa ny ‘tany no fitoeran-tongony’, toerana masina tokony hanompoana azy. Milaza toy izao koa izy: “Hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.” (Isaia 66:1; 60:13). Atỳ ambanin’ny masoandro, ny tany àry dia natao ho tonga paradisam-pahafinaretana, saha tsara dia tsara, izay hahazoan’ny olombelona tanteraka, tafaray sy miadana hidera mandrakizay an’Andriamaniny sy Mpamorona. “Mahatoky sy marina” ny fampanantenana mahatalanjon’i Jehovah: “Indro havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalypsy 21:5). Ary ao amin’ny mandrakizay ho avy, zava-baovao mahatalanjona toy inona moa no tsy hoentin’ny Andriamanitsika fitiavana, atỳ ambanin’ny masoandro, ho an’ny fianakaviany olombelona!

Ahoana no havalinao mifandray amin’ny fitrangan-javatra miseho “atỳ ambanin’ny masoandro”?

◻ Amin’ny heviny ahoana moa no “tsy misy zava-baovao”?

◻ Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no niseho ny “zavaboary vaovao”?

◻ Iza no mandray soa amin’ny “fanavaozana”?

◻ Inona avy ireo dingana amin’ny “fotoana fampodiana”, ary hitondra ho amin’ny vokatra mahatalanjona inona izany?

[Sary, pejy 26]

Mahatafintohina ny mahatsapa fa ireo firenena eo amin’izao tontolo izao lazaina ho mandroso dia manokana vola be 120 tapitrisa ariary isa-minitra amin’ny fitaovam-piadiana. Mihoatra ny ilaina hanomezana sakafo, fitafiana sy fialofana ho an’ny olona rehetra miaina ao anatin’ny fahantrana ankehitriny izany. Etsy an-danin’izany, ny tahiry amin’ny baomba an-tapitrisany taonina dia hahafahana handringana ny mponina amin’ny tany misy olona dimy lavitrisa, indroa ambin’ny folo miverina. Kanefa, atidoha antsasa-tapitrisa, anisan’ny mamiratra indrindra maneran-tany, hono, no miasa amin’ny fanaovana fiadiana mbola mandrava kokoa ihany.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary U.S. Army

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara