FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/1 p. 5-8
  • Misy Zavatra Noforonina Vaovao Teraka!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Zavatra Noforonina Vaovao Teraka!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famoronana “lanitra vaovao sy tany vaovao”
  • “Miravoravoa mandrakizay”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny fomba nanombohan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • Havaoziko ny zavatra rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • ‘Havaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra’
    Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/1 p. 5-8

Misy Zavatra Noforonina Vaovao Teraka!

NITENY toy izao indray mandeha i Solomona Mpanjaka hendry: “Tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro”. (Mpitoriteny 1:9). Marina izany raha ny amin’ny tontolo fizika misy antsika, fa ahoana kosa ny amin’ny faritra midadasika misy ny famoronana ara-panahy ataon’i Jehovah? Tao amin’izany faritra izany, dia tonga zavatra noforonina vaovao niavaka ilay lehibe kokoa noho i Solomona, eny, ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Ahoana no nitrangan’izany?

Tamin’ny taona 29 amin’ny Fanisan-taona Iraisana, dia niseho teo anatrehan’i Jaona teo amin’ny Onin’i Jordana mba hatao batisa i Jesosy, ilay lehilahy tanteraka. “Raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17). Araka izany, dia ilay lehilahy natao hoe Kristy Jesosy no voalohany teo amin’ny zavatra noforonina vaovao, voahosotra mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tatỳ aoriana, niorina tamin’ny fahafatesany ho sorona, i Jesosy dia tonga Mpanalalana tamin’ny fanekena vaovao iray nifanaovan’Andriamanitra sy ny antokon’olona voafidy iray. Ny tsirairay amin’ireo olona ireo dia tonga “olom-baovao” [“zavatra noforonina vaovao”, NW ], nateraky ny fanahin’Andriamanitra ho amin’ny fanantenana any an-danitra, niaraka tamin’ny fanantenana ny hiara-manjaka amin’i Jesosy any amin’ny Fanjakany any an-danitra. — 2 Korintiana 5:17; 1 Timoty 2:5, 6; Hebreo 9:15.

Nandritra ireo taonjato, ireo Kristiana voahosotra nateraky ny fanahy ireo dia nangonina ho iray ao amin’i Kristy amin’ny maha-kongregasiona kristiana marina azy. Zavatra noforonina vaovao koa io kongregasiona kristiana marina io. Nantsoin’Andriamanitra hivoaka avy amin’izao tontolo izao noho ny fikasana iray izy io, araka ny ambaran’ny apostoly Petera hoe: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. (1 Petera 2:9). Sahala amin’i Kristy Jesosy, ilay zavatra noforonina vaovao nataon’Andriamanitra voalohany, io zavatra noforonina vaovao nanarakaraka io dia manana adidy hitory ny vaovao tsara voalohany indrindra. (Lioka 4:18, 19). Isam-batan’olona, ireo mpikambana aminy izay miisa ho 144 000 amin’ny farany, dia tsy maintsy ‘mitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy fahatokiana marina’. (Efesiana 4:24, NW; Apokalypsy 14:1, 3). Izany dia mitaky ny hambolen’izy ireo ny “vokatry ny fanahy” voalazalaza ao amin’ny Galatiana 5:22, 23, sy ny hikarakaran’izy ireo ny anjara fitantanan-draharahany. — 1 Korintiana 4:2; 9:16.

Ahoana ny amin’io zavatra noforonina vaovao io amin’izao andro maoderina izao? Tamin’ny taona 1914, araka ny asehon’ny fandaharam-potoan’ny Baiboly, dia tanteraka ireo teny ao amin’ny Apokalypsy 11:15 manao hoe: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay”. Ny asa voalohany nataon’i Kristy tamin’ny naha-Mpanjaka vao nahazo fiandrianana azy, dia ny fanjerana an’i Satana sy ireo anjeliny demonia avy tany an-danitra ho eto amin’ny faritra manodidina ny tany. Izany dia nitondra “loza ho an’ny tany”, tamin’ny endriky ny ady lehibe voalohany sy ireo fahoriana niaraka taminy. — Apokalypsy 12:9, 12, 17.

Izany koa dia natao ho famantarana ho an’ireo sisa amin’ny zavatra noforonina vaovao eto an-tany fa izy ireo dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ilay faminanian’i Jesosy hoe : “Hotorina any amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana [efa miorina] ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo, dia ho tonga ny farany”. Inona izany “farany” izany? Nanohy ny fanazavany toy izao i Jesosy: “Hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany”. — Matio 24:3-14, NW; 24:21, 22.

Ny fanahin’i Jehovah dia nanosika ireo voahosotra anisan’ny zavatra noforoniny vaovao mba hilofo amin’ilay asa fitoriana miitatra indrindra natao teto ambonin’ny tany. Ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana be zotom-po ireo dia niainga avy amin’ny an’arivony vitsivitsy tamin’ny 1919 ka tafakatra ho 50 000 teo ho eo tany antenatenan’ireo taona 1930. Araka ny voalazan’ny faminaniana, dia “efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony, ary ny teniny hatramin’ny faran’izao rehetra izao”. — Romana 10:18.

Moa ve ireo sisa eto an-tany amin’ny zavatra noforonina vaovao ihany no hany voangona ho amin’ny famonjena? Tsia, satria misy faminaniana milaza fa hitana ny rivotry ny fahoriana lehibe ireo anjelin’Andriamanitra mandra-pahavitan’ny fanangonana, tsy ny an’ireo Isiraelita ara-panahy tsy maintsy mankany an-danitra ihany, fa ny an’ny hafa koa, dia ny an’ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Inona no ho anjaran’izy ireo? Ho tafavoaka soa aman-tsara ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’ izy ireo mba hahazo fiainana mandrakizay eo amin’ny tany iray ho tonga paradisa! — Apokalypsy 7:1-4, 9, 14.

Soa ihany fa izany olona betsaka izay nangonina avy any amin’ny tany 229 eo ho eo izany, dia nitombo haingana dia haingana ho Vavolombelona marisika efa ho 4 500 000. Mbola misy maro kokoa eo am-pahatongavana, araka ny asehon’ny mpanatrika 11 431 171 tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny 17 Aprily tamin’ny taon-dasa. Teo amin’ireo olona an-tapitrisany maro ireo, dia 8 683 monja, izay milaza tena ho sisa amin’ny zavatra noforonina vaovao, no nandray anjara tamin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana. Tsy ho afaka nahavita velively samy irery ilay asa fitoriana miitatra amin’izao andro izao mihitsy ireo izay anisan’io antokon’olom-bitsy io. Amin’izao fotoana izao, dia miara-miantsoroka ilay asa amin’izy ireo mba hahavitana izany ireo olona an-tapitrisany maro izay mahaforona ny olona betsaka. (Zefania 3:9, NW ). Ambonin’izany, dia misy mpikambana tsara ofana amin’ny olona betsaka manao asa fitantanan-draharaha sy asa misy andraikitra hafa miaraka amin’ny Fitambara-mpitantana voahosotra amin’ny Isiraely ara-panahy, toy ireo Netinima tsy Isiraelita izay niara-niasa tamin’ireo mpisorona tamin’ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema. — Nehemia 3:22-26.

Famoronana “lanitra vaovao sy tany vaovao”

Fifaliana toy inona moa no miaraka amin’io fanangonana io! Izany dia sahala amin’ilay nilazan’i Jehovah azy hoe: “Indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.” (Isaia 65:17-19). Ilay lanitra vaovao amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah, amin’ny farany, dia ho voaforon’i Kristy Jesosy sy ireo anisan’ny zavatra noforonina vaovao 144 000 tafatsangana amin’ny maty izay novidina avy tamin’ny taranak’olombelona nandritra ireo taonjato 19 lasa. Izany dia be voninahitra lavitra noho izay nety ho fitondram-panjakana teto an-tany nanapaka tao Jerosalema ara-bakiteny, na dia ilay tamin’ny andron’i Solomona aza. Izy io dia tafaray amin’i Jerosalema Vaovao, tanàna iray any an-danitra, izay voalazalaza amin’ny famirapiratry ny hakantony rehetra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-21.

I Jerosalema Vaovao no ilay ampakarin’i Kristy ara-panahy, dia ireo mpanara-dia azy voahosotra 144 000. Hiaraka amin’ilay Mpampakatra azy any an-danitra izy ireo aorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ara-panahy. Aseho an-tsary ho “avy any an-danitra tamin’Andriamanitra” izy ireo ao amin’ny Apokalypsy 21:1-4. Izany dia midika fa izy ireo dia ampiasain’Andriamanitra eo amin’ny fanomezana fitahiana ny taranak’olombelona etỳ an-tany. Amin’izany fomba izany no ahatanterahan’ilay faminaniana hoe: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”.

Toy inona moa no fankasitrahana azontsika aseho noho ny namoronan’Andriamanitra io lanitra vaovao io! Tsy mitovy amin’ireo fitondrana mihelina ihany sy mpandray kolikoly izay nampahory hatramin’ny ela ny taranak’olombelona io fandaharam-pitondrana nataon’Andriamanitra io fa haharitra. Ny zavatra noforonina vaovao sy ny taranany ara-panahy, izany hoe ny vahoaka betsaka, dia hientan-kafaliana noho ilay fampanantenana fanampiny nataon’Andriamanitra hoe: “Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.” — Isaia 66:22.

“Ny tany vaovao” dia miandoha amin’io taranak’ireo voahosotra anisan’ny zavatra noforonina vaovao io. Izy io no ilay fitambaran’olona vaovao sy matahotra an’Andriamanitra eto an-tany. Ny fisian’ny fankahalana, ny heloka bevava, ny herisetra, ny fandraisana kolikoly, ary ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny fitambaran’olona amin’izao andro izao dia manamafy ny ilana fiovana tanteraka ho amin’ny fitambaran’olona vaovao iray eto an-tany izay hiasa eo ambany fitarihan’ny lanitra vaovao mpanao soa. Izany no kasain’i Jehovah hatao. Toy ny namoronany lanitra vaovao, dia eo am-pamoronana ny tany vaovao koa izy amin’ny fanangonana ny olona betsaka ho votoatin’ny fitambaran’olona eo amin’ny tontolo vaovao iray mandry fahizay. Io fitambaran’olona io ihany no hotsimbinina amin’ny “fahoriana lehibe”. — Apokalypsy 7:14.

Inona no azontsika ampoizina fa hanaraka ny fahoriana lehibe? Nampanantena toy izao i Jesosy rehefa niresaka tamin’ireo apostoliny, izay voalohany amin’ireo mahaforona ilay lanitra vaovao hitondra ny tany vaovao: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ny fanavaozana [“famoronana indray”, NW ], ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, hianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo”. (Matio 19:28). Hiara-mandray anjara amin’i Jesosy eo amin’ny fitsarana ny taranak’olombelona ireo 144 000 rehetra amin’io Jerosalema Vaovao io. Ny fitiavana amin’izany, dia hisolo toerana ny fitiavan-tena sy ny fankahalana, ho fototra iorenan’ny fitambaran’olona. Hofoanana ireo zava-manahirana ara-poko sy ara-pirazanana ary ara-pirenena. Hamerina tsikelikely ireo olon-tiana ny fananganana ny maty. Ny olombelona mahatoky, amin’ny hamaroany, dia ho tonga fianakaviam-be iray tafaray sy nasandratra ho amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany iray voaova ho paradisa.

Tsy ho hevi-dravina na hevi-poana fotsiny akory izany. Ho zavatra noforonina izay haharitra izany — “lanitra vaovao sy tany vaovao izay andrasantsika araka ny fampanantenany, ary tsy maintsy hitoeran’ny fahamarinana ireo”! (2 Petera 3:13, NW ). Azo antoka fa izany dia fahatsinjovan-javatra mahatalanjona, fampanantenana iray lehibe nataon’ilay nilaza hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”, sady nanampy izao fanambarana azo inoana izao: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara