FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/6 p. 30-31
  • Fisehoana vaovaon’ny bokikely tranainy iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fisehoana vaovaon’ny bokikely tranainy iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Ambarao ny Vaovao Tsara Momba Ilay Fanjakana Amin’ny Alalan’ny Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mampiasà Bokikely Isan-karazany eo Amin’ny Fanompoanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fitaovana Vaovao Iray Hanampiana ny Olona mba Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andria
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/6 p. 30-31

Fisehoana vaovaon’ny bokikely tranainy iray

NY NORAKETIN’NY lahatsoratra teo aloha no ventin’ny lahateny iray natao nanerana ny tany manontolo tamin’ny 1986, tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Teo am-pifaranan’io lahateny io, ny mpandahateny dia nanao fanamarihana vitsivitsy, voafintina manaraka eto:

“Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”. Izany no lohatenin’ny bokikely navoakan’ny Fikambanana Watch Tower raha vao tamin’ny 1959. Ireo misionera tany Japon no nangataka bokikely karazan’io. Nilain’izy ireo, araka ny filazany, ny zavatra vita an-tsoratra iray hampiseho ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny fomba tsotra sy mazava hahasoa ny olona tsy dia mba nifankazatra loatra tamin’ny Baiboly. Teo ambany fitarihan’ny Fikambanana Watch Tower, dia nisy misionera 30 mahery nandray anjara tamin’ny fanoratana io bokikely io, izay nanjary ny fitaovana lehibe indrindra nanombohana fampianarana Baiboly tany Japon. Nanome fahafahampo tamin’izany zavatra nilaina izany ve izy io?

Miteny ho azy ny vokatra. Tamin’ny fotoana namoahana io bokikely io, dia 1 390 ny tampon’isan’ny mpitory tany Japon. Ankehitriny dia 114 480 izany. Saika izy rehetra no nianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ny bokikely hoe “Indro”. Nandritra ireo 27 taona lasa, dia maherin’ny 8 750 000 tamin’io bokikely io no nozaraina tamin’ny fiteny japone fotsiny. Ary nandritra ny 20 taona farany, isam-bolana afa-tsy roa monja, dia nilaza tampon’isa amin’ny mpitory foana i Japon. Marina aloha, fa nisy anton-javatra hafa koa nandray anjara tamin’izany fitomboana tsara dia tsara izany, nefa tsy misy iadian-kevitra mihitsy fa ny fampiasana ny bokikely “Indro” mba hanombohana fianarana Baiboly no tena lehibe.

Ny fanontana indray io boky io, natao araka ny toetr’andro mifanaraka amin’ny ilaina ankehitriny, dia navoaka tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiadanan’Andriamanitra”. Manana endriky ny gazety izy io ary misy 32 pejy. Ny tapany vaovao mitondra ny lohateny hoe “Nahoana Andriamanitra no mamela ny fahoriana hisy?” no nanampy. Ireo fehintsoratra farany koa dia naverina nosoratana, mba hamporisihana amin-kafanana ny mpianatra hifanerasera amin’ny fandaminan’i Jehovah. Io bokikely io izao dia mirakitra teny amin’ny soratra vaventy kokoa, noho izany dia mora vakina tsara, ary misy sary vitsivitsy fampianarana. Ny fonony vaovao, tena tsara tarehy sy miloko, no aseho eto ankavanana, mivelatra sy nohakelezina.

Io bokikely nasiana fanitsiana io, “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”, ve tsy hampiasaina afa-tsy any atsinanana? Tena hahomby tokoa izy io any. Kanefa, mino izahay fa hilaina torak’izany koa izy io any amin’ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao mba hanombohana fampianarana Baiboly. Efa ho telopolo taona izao no lasa hatramin’ny nanontana azy io voalohany. Ary nandritra izany taona izany, na dia tany amin’ireo tany milaza tena ho kristiana aza, dia latsaka ambany dia ambany ny ambaratongan’ny fahalalana ny Baiboly. Nitombo ny taranak’olombelona vaovao, tsy amin’ny fihainoana ny ray aman-dreniny milaza fitantarana fantatra tsara ao amin’ny Baiboly, fa amin’ny fampifantohana ny maso sy ny sofina amin’ny televiziona, mitelina izay rehetra omen’izao tontolo izao azy. Izany, ampian’ny fialam-boly hafa atolotr’izao tontolo izao tsy mihevitra afa-tsy ny fahafinaretana, dia naka ora sarobidy nety ho azony natokana tamin’ny fitomboany ara-panahy. Ny taranaka vaovao, na ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izany na any an-kafa, dia tsy mahalala zavatra betsaka ny amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mila ny ‘rononon’ny teny’, izay omena amin’ny fomba tsotra tokoa ao amin’ny bokikely “Indro” izy. — Hebreo 5:12.

Hatraiza hatraiza maneran-tany dia misy olona manana fo tia ny fahamarinana sy ho sambatra mahafantatra ny fomba hahatongavana ho mpikambana amin’ny “olona betsaka” ho tafita velona ao Haramagedona (Apokalypsy 7:9, 14). Mandritra ny asantsika isan-trano, dia angamba isika hahita olona maro be variana amin’ny fonony misy sary manintona amin’io bokikely io sy amin’ny filazalazana mambabo ny amin’ny Paradisa atao eo amin’ireo fehintsoratra voalohandohany. Mandritra ny fiverenana mitsidika, dia ho azontsika atao ny mampiasa ireo tenin’ny Soratra Masina maro be voasoratra ho fanamafisana ireo fehintsoratra mba hampisehoana amin’ny olona fa tsy nofinofy akory izany fanantenana izany. Avy eo noho ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly amin’ny alalan’ny bokikely “Indro”, dia ho azontsika atao ny hanampy azy hiditra ao amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.

Enga anie isika rehetra hampiasa amin-jotom-po ny bokikely “Indro” mba hampamirapiratana ny fahamarinan’ilay Fanjakana, ireo anisan’ny “olona betsaka” mikambana amin’ny sisa voahosotra amin’ny fanjaka-mpisorona mba ‘hazava eo imason’ny olona ny fahazavany’! (Matio 5:16.) Hohamasinina tanteraka anie ny anarana malazan’ny Tompom-piandrianana Jehovah! Ho voaporofo mandrakizay anie fa ny fampanantenan’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny lanitra sy ny tany, dia “mahatoky sy marina” mandrakariva! Izy, avy eo amin’ny seza fiandrianany, no manambara hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” — Apokalypsy 21:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara