Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
Natao Hampiasaina Rehefa Miverina Mitsidika sy Manomboka Fampianarana Baiboly
1. Inona ilay bokikely vaovao manampy antsika hiverina mitsidika sy hanomboka fampianarana Baiboly?
1 Faly isika nahazo ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao!, tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Arovy ny Fonao!” Solon’ny bokikely Takina izy io, ary manampy antsika rehefa hiverina mitsidika sy hanomboka fampianarana Baiboly. Tsotra toy ny ao amin’ny bokikely Takina ihany ny lesona ao, ka azo ampianarana na eo am-baravarana aza. Tsy miresaka be an’izay takin’Andriamanitra amin’ny Kristianina toy ny bokikely Takina anefa izy io. Mety ho sarotra amin’ny mpianatra vaovao mantsy ny manaiky azy ireny. Ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly kosa no tena resahiny.—Asa. 15:35.
2. Inona no antony namoahana ny bokikely Vaovao Tsara?
2 Inona no antony namoahana an’io bokikely io? Marina fa ny boky Ampianarina no tena ampiasaintsika hampianarana Baiboly. Rahalahintsika maro anefa eran-tany no nangataka boky tsotra kokoa hianarana alohan’izy io, mba hitarihana ny olona ho amin’ny fahamarinana. Tsy dia tia mamaky boky koa ny olona, ka mazoto kokoa izy ireo raha bokikely no ampianarana azy. Ankoatra izay, dia mora kokoa ny mandika bokikely amin’ny fiteny be dia be.
3. Inona no mampiavaka an’io bokikely io amin’ny boky fianarana hafa?
3 Inona no mampiavaka azy io? Mora azo ny boky sasany fianarana Baiboly navoakantsika na dia tsy misy mpampianatra aza. Hafa mihitsy anefa ity bokikely ity, satria natao hianarana miaraka amin’ny mpampianatra. Tena tsara àry raha mandinika fehintsoratra iray na roa isika rehefa manolotra azy io. Fohy ny fehintsoratra ao ka azo dinihina na eo am-baravarana sy any amin’ny toeram-piasana aza. Tsara raha atomboka hatrany amin’ny voalohany ilay izy, nefa azo atomboka any amin’izay tiana koa.
4. Nahoana io bokikely io no manampy antsika hampianatra mivantana izay lazain’ny Baiboly?
4 Matetika no ao amin’ny fehintsoratra ny valin’ny fanontaniana ao amin’ny bokintsika. Ao amin’ny Baiboly kosa no tena misy ny valin’ny fanontaniana ao amin’io bokikely io. Aleon’ny olona kokoa mantsy ny Baiboly mivantana no ianarana toy izay ny bokintsika. Tsy natao tao amin’ilay bokikely àry izay lazain’ny ankamaroan’ny andinin-teny, fa mila vakina ao amin’ny Baiboly mihitsy. Ho tsapan’ilay mpianatra amin’izay fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra ianarany.—Isaia 54:13.
5. Nahoana no tokony hanomana tsara ny mpampianatra isaky ny hampianatra?
5 Tsy hazavaina ao amin’ilay bokikely daholo ny andinin-teny ao. Amin’izay mantsy ilay mpianatra hametraka fanontaniana, ary isika mpampianatra hampiasa tsara ny fahaizantsika mampianatra. Tokony hanomana tsara àry isika, isaky ny hampianatra. Mitandrema anefa mba tsy ho be resaka loatra. Marina fa tiantsika ny manazava andinin-teny. Handaitra kokoa anefa ny fampianarantsika raha ilay mpianatra no asaintsika manazava azy. Raha mahay mametraka fanontaniana isika, dia hieritreritra tsara ilay mpianatra ka ho azony ny hevitry ny andinin-teny.—Asa. 17:2.
6. Ahoana no azontsika ampiasana an’ilay bokikely rehefa a) sendra olona tsy mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly, b) mitory isan-trano, d) manasa olona mivantana hianatra Baiboly, e) hiverina mitsidika?
6 Fampianarana Baiboly io bokikely io, ka azo apetraka foana na tsy zavatra atolotra amin’ny volana aza. Azo antoka fa maro amintsika no ho faly hampiasa azy io mba hanasana ny olona mivantana hianatra Baiboly, na dia eo am-baravarana aza. Araka ny nolazaina tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra koa, dia “tena mahafinaritra ny manao fiverenana mitsidika” rehefa mampiasa azy io.—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 5-7.
7. Ahoana no atao rehefa mampianatra amin’ilay bokikely?
7 Ahoana no atao rehefa mampianatra amin’izy io? Vakio aloha ilay fanontaniana amin’ny sora-matevina. Vakio avy eo ny fehintsoratra sy ny andinin-teny amin’ny sora-mandry. Mahaiza mametraka fanontaniana mba hanampiana an’ilay olona hahazo ny andinin-teny. Anontanio indray ilay fanontaniana amin’ny sora-matevina mba hahalalana raha azony tsara ny fianarana, izay vao mandinika ny fanontaniana manaraka. Fanontaniana iray ihany angamba no tsara dinihina amin’ny fitsidihana voalohandohany. Mety ho afaka hianatra lesona iray manontolo ianareo rehefa mandeha ny fotoana.
8. Inona no tokony holazaintsika rehefa hamaky andinin-teny, ary nahoana?
8 Izay andinin-teny misy hoe “vakio” no mamaly mivantana ny fanontaniana amin’ny sora-matevina. Rehefa hamaky andinin-teny, dia aza milaza hoe “Izao no nolazain’ny apostoly Paoly” na hoe “Jereo ange izay nolazain’i Jeremia e!” Manjary mieritreritra mantsy ilay olona hoe tenin’olona no vakintsika. Milazà kosa hoe “Izao no lazain’Andriamanitra” na hoe “Jereo ange izay lazain’ny Baiboly e!”
9. Tokony hovakina daholo ve ny andinin-teny rehetra?
9 Ny andinin-teny rehetra ve no tokony hovakintsika sa izay misy hoe “vakio” ihany? Miankina amin’ny zava-misy izany. Tsy hoe hampisehoana izay lazain’ny Baiboly fotsiny mantsy ny andinin-teny rehetra ao. Misy hevitra tsara hodinihina daholo koa ao amin’izy ireny. Tsy dia manam-potoana anefa ilay mpianatra indraindray, na tsy dia liana, na tsy dia mahay mamaky teny. Izay andininy misy hoe “vakio” ihany angamba amin’izay no tsara vakina.
10. Rahoviana no azo afindra amin’ny boky Ampianarina ny fianarana?
10 Rahoviana no azo afindra amin’ny boky Ampianarina ny fianarana? Mety ho efa elaela ianareo no nianatra tsy tapaka. Azo afindra amin’ny boky Ampianarina àry ny fianarana, na tohizina amin’ilay bokikely ihany mandra-pahavitan’ilay izy. Mila mahay mandinika tsara isika rehefa hanapa-kevitra momba izany. Raha hafindra amin’ny boky Ampianarina anefa ilay izy, dia tokony hatomboka amin’ny lesona voalohany ve? Tsy voatery, satria tsy mitovy ny olona ampianarintsika. Tsara kokoa ho an’ny mpianatra maro anefa raha iverenana ianarana amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny boky Ampianarina, izay nianarany tao amin’ilay bokikely.
11. Nahoana isika no tokony hampiasa tsara an’ilay bokikely vaovao?
11 Vaovao ratsy foana matetika no rentsika. Manana tombony àry isika manambara an’ilay vaovao tsara indrindra hoe: Efa manjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy ho ela izy io dia hampisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. (Mat. 24:14; 2 Pet. 3:13) Matoky isika fa hiaiky toy izao izay maheno an’izany: “Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ilay mitondra vaovao tsara mandeha eny an-tendrombohitra, ilay manambara fiadanana, ilay mitondra vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa, ilay manambara famonjena, ka miteny amin’i Ziona hoe: ‘Lasa mpanjaka ny Andriamanitrao!’ ” (Isaia 52:7) Ampiasao tsara àry io bokikely io mba hilazana vaovao tsara eny amin’ny faritany!
[Efajoro, pejy 5]
Rehefa Sendra Olona Tsy Mino An’Andriamanitra sy ny Baiboly:
● Matetika no tonga dia tsy te hihaino antsika ny olona sasany raha vao mandre hoe “Andriamanitra” na “Baiboly.” Tena tsara àry raha izay mahaliana azy no resahina rehefa mitory aminy. Ohatra hoe momba ny fitondrana mahay mitantana, na ny torohevitra mahasambatra ny fianakaviana, na ny hoavy. Rehefa nifampiresaka imbetsaka ianareo, dia azo aseho amin’izay ilay bokikely Vaovao Tsara. Azonao hazavaina hoe inona no porofo fa tena misy Andriamanitra ary azo itokisana ny Baiboly.
[Efajoro, pejy 6]
Rehefa Mitory Isan-trano:
● “Mba te hampahafantatra anao ny zavatra tian’Andriamanitra hatao ho antsika amin’ny hoavy aho. Araka ny hevitrao, mety hanafoana ny fijaliana ve Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Atoron’ity bokikely ity hoe aiza ao amin’ny Baiboly no ahitana ny valin’izany. [Omeo bokikely iray izy, ary vakio ny fehintsoratra voalohany amin’ny lesona 1 sy ny Jeremia 29:11.] Raha io no jerena, tsy tian’Andriamanitra ho tsara ve ny fiainantsika amin’ny hoavy? [Avelao izy hamaly.] Raha tianao, dia omeko anao iny bokikely iny. Dia hodinihintsika indray ny fehintsoratra faharoa amin’ny manaraka. Ho hitantsika amin’izay hoe ‘Ahoana no hanafoanan’Andriamanitra ny fijaliana?’ ” Raha hitanao hoe mbola manana fotoana ilay olona, dia diniho koa ny fehintsoratra faharoa, sy ny andinin-teny telo ao. Manaova fotoana aminy avy eo mba handinihana ny fanontaniana faharoa amin’ny sora-matevina.
● “Tia mivavaka ny ankamaroan’ny olona, indrindra rehefa manana olana. Ianao koa angamba hoatran’izany e? [Avelao izy hamaly.] Araka ny hevitrao, henoin’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra, sa misy vavaka tsy henoiny? [Avelao izy hamaly.] Miresaka an’izay lazain’ny Baiboly momba izany ity bokikely ity. [Omeo bokikely iray izy, ary iaraho midinika ny fehintsoratra voalohany amin’ny lesona 12, sy ny andinin-teny misy hoe “vakio.”] Mahafinaritra ny mahalala hoe vonona hihaino vavaka Andriamanitra. Mila mahafantatra azy tsara anefa aloha isika mba hihainoany ny vavaka ataontsika. [Avadiho any amin’ny lesona 2 ilay bokikely, ary asehoy azy ireo lohatenikely.] Raha tianao, dia omeko anao iny bokikely iny, dia amin’ny manaraka isika hijery ny valin’ireto fanontaniana ireto ao amin’ny Baiboly.”
● “Sahiran-tsaina ny olona amin’izao hoe hanao ahoana ny hiafaran’ny fiainantsika. Araka ny hevitrao, mety hihatsara ihany ve izany? [Avelao izy hamaly.] Be dia be no gaga rehefa mahafantatra ny vaovao tsara lazain’ny Baiboly. Mamaly an’ireto fanontaniana ireto, ohatra, izy io.” Omeo bokikely izy, ary asehoy azy ny fanontaniana any amin’ny pejy 32. Asaivo mifidy an’izay mahaliana azy izy avy eo. Asehoy ilay lesona miresaka an’ilay izy sy ny fomba fianarana azy. Mifanaova fotoana aminy mba handinihana ny fanontaniana manaraka amin’ilay lesona.
[Efajoro, pejy 7]
Rehefa Manasa Olona Mivantana Hianatra Baiboly:
● “Misy bokikely vaovao fianarana Baiboly tiako haseho anao ity. Misy lesona 15 ato, ary misy andinin-teny mamaly ny fanontaniana fametraky ny olona. [Asehoy azy ny fonony aloha sy aoriana.] Efa nisy fotoana ve ianao namaky Baiboly dia tsy azonao? [Avelao izy hamaly.] Aleo asehoko anao ny fianarana Baiboly amin’ity fa mora kely. [Diniho ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny fanontaniana 3 amin’ny lesona 3, ary vakio ny Apokalypsy 21:4, 5. Raha mety dia diniho koa ny fehintsoratra manaraka sy ny andinin-teny misy hoe “vakio.”] Omeko anao ity bokikely ity raha tianao. Asainay ianao hianatra Baiboly na indray mandeha fotsiny aza. Raha tianao ilay izy dia azo tohizina. Afaka manao ny lesona voalohany isika amin’ny manaraka. Pejy iray fotsiny izy ity ka vetivety ihany dia vita.”
[Efajoro, pejy 7]
Rehefa Hiverina Mitsidika:
● “Faly be aho mihaona aminao indray. Nitondrako an’ity bokikely ity ianao. Resahiny ato ny hevitry ny Baiboly momba ny fanontaniana fametraky ny olona. [Omeo bokikely izy, ary asaivo jereny ny pejy 32.] Iza amin’ireo fanontaniana ireo no tena tianao hovaliana? [Avelao izy hamaly. Jereo ilay lesona miresaka an’ilay izy avy eo.] Aleo asehoko anao ny fomba fampiasa an’ity bokikely ity mba hahitana ny valin’izany.” Mandiniha fehintsoratra iray na roa, miaraka amin’ny andinin-teny misy hoe “vakio.” Efa nanomboka fampianarana Baiboly sahady ianao izay! Mifanaova fotoana mba hiverenana any aminy. Rehefa mahavita lesona iray ianareo, dia asaivo mifidy lesona hafa indray izy na atombohy any amin’ny lesona voalohany.