“Harenan’ny Tany masina”
NY fisamboaravoarana tao Manhattan dia toe-javatra tsy fahita raha ny amin’ny fanangonana zava-kanto mahakasika ny tantara araka ny Baiboly. Ao amin’ny Central Park anefa, ao afovoan’i New York, no itsanganan’ny Metropolitan Museum of Art (Fitehirizana rakitry ny ela amin’ny zava-kanto ao an-drenivohitra), izay nandray vao haingana ny naseho ho “Harenan’ny Tany masina: zava-kanto fahizay avy any amin’ny Fitehirizana ny rakitry ny elan’ny Isiraely”. Io fampisehoana io dia nirakitra zavatra efa ho 200 nindramina avy any amin’ny Fitehirizana rakitry ny elan’ny Isiraely, any Jerosalema.
Ireny zava-kanto ireny dia manipika indray ny tantaran’ireo mponina taloha tao amin’ny tanin’ny Baiboly. Andeha isika hiditra: aoka isika hanokatra tsara ny masontsika sy ny sofintsika, dia hianatra zavatra be dia be. Alohan’izany anefa, dia ilainao ny mianika tohatohatra 28 izay mitarika ho any amin’ireo laharan’andry amin’ny fidirana ho ao amin’ny Metropolitan Museum. Mitsofoka ao anatiny ianao, ka ao ny dianao dia hitarika anao hamakivaky an’arivony taona maromaro amin’ny tantaran’ny Baiboly, noho ireto zavatra hojerenao ireto:
Ny famoaboasana ny Habakoka — horonan-taratasy vita amin’ny hoditr’ondry manify, efa ho 1,50 metatra ny halavany, ahitana imbetsaka ny anaran’Andriamanitra. Io horonana io no anankiray amin’ireo voalohany hita sy voatahiry tsara indrindra tamin’ireo horonana tao amin’ny ranomasina Maty, izay nantsoina hoe “ny fahitana araka ny arkeolojia lehibe indrindra tao anatin’ny taonjato”. (Ireo horonana dia mirakitra tapany avy amin’ny boky rehetra ao amin’ny Soratra hebreo, afa-tsy ny bokin’i Estera, ary natao tany amin’ny taonjato faharoa alohan’ny fanisan-taona iraisana. Raha tsy isaina àry ny tapany sasany amin’ny sora-tanana, izy ireny dia natao arivo taona eo ho eo talohan’ireo kopian’ny Baiboly tranainy indrindra fantatra.) Ny famoaboasana ny Habakoka dia mirakitra efa ho androantokon’ny bokin’i Habakoka (1:4 ka hatramin’ny 2:20); io tapany io, natao kopia tamin’ny soratra arameana tamin’ny faran’ny taonjato I alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tapatapahin’ny fanamarihana. “Ireo litera efatra amin’ny anaran’i Jehovah, na Tetragrama, kosa anefa dia hita amin’ny toerana rehetra amin’ny soratra hebreo tranainy”, hoy ny fanazavan’ny filazana apetaka eo amin’ilay fitehirizana ny rakitry ny ela. Eny, azo atao ny mahita mazava ny Tetragrama!
Ny akoran-javatra “Tranon’Andriamanitra” — sila-javatra vita amin’ny tanimanga ahitana indroa ny anaran’Andriamanitra amin’ny endriky ny tetragrama. Io sila-tanimanga io, hita tany atsimon’Isiraely dia sisa tavela tamin’ny taratasy iray natao ho an’izany Eliasiba izany, ary tany amin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato faha-7 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Manomboka amin’izao teny izao ilay taratasy: “Ho an’i Eliasiba tompoko; hangataka fiadanana ho anao anie Jehovah”, ary mifarana toy izao: “Mipetraka ao amin’ny tranon’i Jehovah izy.” — Jereo ny pejy faha-12 amin’ilay bokikely hoe Le nom divin qui demeure à jamais, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Ny soratra momba an’i Pontio Pilato — tahirin-kevitra ara-tantara tsy manam-paharoa tamin’ny taonjato voalohany, hita tany Kaisaria. Hatreo amin’ny 1961, dia tsy fantatra ny anaran’i Pontio Pilato afa-tsy tamin’ny alalan’ny Baiboly sy ireo soratra nataon’ny mpanoratra tantara romana sy jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Ankehitriny anefa dia azonao atao ny mahita, matimaty ny tapany, izao soratra amin’ny teny latina voaraikitra tao amin’ny vato sokay izao: “Pontio Pilato, lehiben’i Jodia.” Izany dia manamarina ny fisian’ilay lehilahy nanome lalana ny hamonoana an’i Jesosy Kristy.
Ny soratra hoe “Velaran-toerana fampanenoana ny trompetra” — fahiny dia teo amin’ny tapany atsimo andrefana amin’ny arofanina nanodidina ny tempolin’i Jerosalema. Rehefa rava ny tempoly tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia niendaka ilay vongam-bato ary nianjera teo amin’ny arabe. Ny teny hoe “mankany amin’ny velaran-toerana fampanenoana ny trompetra dia voasoratra amin’ny teny hebreo eo amin’io vato saika mahitsizoro io izay iray metatra ny lavany. Izany dia nanondro ny toerana tokony hitsanganan’ny mpitsoka trompetra, angamba rehefa nanamarika ny fanombohana sy ny fiafaran’ny sabata izy tamin’ny fampanenoana ny zavamanenony. Tamin’ny trano rehetra nitsangana tao an-kianjan’ny tempoly, dia io vato misy soratra io no hany zavatra hita malaza, ka izany dia manamarina ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 24:1, 2.
Ny soratra tamin’i fasan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda — vato fisaka iray 30 santimetatra ny lafiny, misy soratra arameana hoe: “Teto amin’ity toerana ity no nitondrana ny taolambalon’i Ozia, mpanjakan’i Joda. Tsy azo vohana.” Na, fanasiana fitenenana ny amin’ny habokany ny fampitandremana, na mifanitsy amin’ny fanaon’ny maro izay nandrara ny fanokafana ny fasana (II Tantara 26:16-23). Io vato fisaka kely io, tokony ho tany amin’ny taonjato I alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nofongarina tany akaikin’i Jerosalema ary nampiharihary fa nalevina fanindroany ny fatin’ilay mpanjaka, taonjato maro tatỳ aorian’ny nahafatesany, satria tamin’ny voalohany izany dia tsy nalevina tao amin’ny saha fandevenana ny mpanjaka tao an-tanàna.
Tongo-tsangambato voaravaky ny sarin’olona mitendry sy mitsoka zavamaneno — tongo-tsangambato iray vita amin’ny tany masaka tsy fahita firy, tokony no 30 santimetatra ny haavony, izay mampiseho amin’ny fomba velona tokoa, fisehoan-javatra fankalazana fotoan-dehibe teo amin’ny Filistina. Hita eo amin’io tongo-tsangambato kely io ny mpitendry sy mpitsoka zavamaneno dimy samy mampiasa ny zavamanenony: misy kipantsona, sodina roa, zavamaneno tendrena iray sy ampongatapaka kely iray. Hita tany Asdoda ilay tongo-tsangambato ary nisy tany amin’ny faran’ny taonjato faha-11 na ny fiandohan’ny taonjato faha-10 alohan’ny fanisan-taona iraisana.
Tongo-tsangambato masina kananita — tamin’ny tani manga voadotra, poakaty, efamira ny fanambaniny, izy io dia voaravaky ny sarin’olona sy biby madinika, indrindra fa sarin’ireo andriamanitra kananita roa lehibe indrindra: Aseraha, amin’ny endriky ny hazo na tsato-kazo masina, ary Bala, amin’ny endriky ny ombilahikely taingenan’ny tava masoandro misy elany (Eksodosy 34:12-14; II Mpanjaka 23:4, 5). Io tongo-tsangambato eo amin’ny 60 santimetatra io, azo inoana fa voatokana ho amin’ny fanatitra sy ny fanajan-tsampy, dia hita teo akaikin’i Megido ary tokony ho tany amin’ny faran’ny taonjato faha-10 alohan’ny fanisan-taona iraisana. — Jereo II Tantara 34:4.
Ivory tany Samaria — sary sikotra samaritana nisy tany amin’ny taonjato faha-9 na faha-8 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Izany dia mampahatsiahy “ny trano ivory” naorin’i Ahaba tany Samaria, na ny asa sokitra tamin’ny ‘farafara ivory’ nampiavaka ny fiainana nikororosy nomelohin’i Amosa mpaminany (I Mpanjaka 22:39; Amosa 3:15; 6:4). Koa satria ireo mpanao asan-tanana fenisiana nanam-pahaizana manokana tamin’ny fanamboarana ivory, ny sasany tamin’ireny sary kely ireny dia taratry ny fanompoam-pivavahana sampy tamin’i Bala, angamba nampidirin’i Jezebela, fenisiana vadin’i Ahaba.
Maro amin’ireo zavatra naseho no manana bika sy loko mahafinaritra. Ny sasany aminy kosa anefa, ireo tsangambaton’ny andriamanibavin’ny fahavokarana, ohatra, dia manaporofo ireo fanao ara-pivavahana ratsy teo amin’ny Isiraelita. Na asehony mazava koa ny fomba namolavolan’ireo fitaomana ivelany ny fahazaran’izy ireo. Noho ilay fampisehoana hoe “Harenan’ny Tany masina” sy ny hafa koa karazan’izany, dia voamaritsika tsara kokoa ny hoe iza ireo mponina tao amin’ny tanin’ny Baiboly, ary inona no politikany, fivavahany sy zava-kantony.
[Sary, pejy 24, 25]
Ny famoaboasana ny Habakoka
[Sary nahazoan-dalana]
Toerana masin’ilay Boky Fitehirizana rakitry ny elan’ny Isiraely, Jerosalema
Ny akoran-javatra “Tranon’Andriamanitra”
[Sary nahazoan-dalana]
Fitehirizana rakitry ny elan’ny Isiraely, Jerosalema
Ny soratra momba an’i Pontio Pilato
[Sary nahazoan-dalana]
Fitehirizana rakitry ny elan’ny Isiraely, Jerosalema
Ilay soratra hoe “Velaran-toerana fampanenoana ny trompetra”
[Sary nahazoan-dalana]
Fitehirizana rakitry ny elan’ny Isiraely, Jerosalema
Ny soratra tamin’i fasan’i Ozia
[Sary nahazoan-dalana]
Fitehirizana rakitry ny elan’ny Isiraely, Jerosalema
Ny tongo-tsangambato misy sarin’olona mitendry sy mitsoka zavamaneno
[Sary nahazoan-dalana]
Fitehirizana rakitry ny elan’ny Isiraely, Jerosalema