Ireo horonambokin’ny Ranomasina maty — Ilay zavatra hita sarobidy
EO AMIN’NY 24 kilaometatra eo ho eo any atsimo atsinanan’i Jerosalema, i Wadi En-Nar, lakandrano iray ritra sady simba, dia mikoriana miantsinanana midina mankany amin’ny Ranomasina maty. Misy tandavana tsefatsefa-bato tapaka miitatra ao ambadiky ny lemaka manamorona ny rano. Eo amin’io lemaka io, amin’ny andro migaingaina sy ny alina mamirifirin’ny fararano, no iandrasan’ny Ta‘amireh Bédouin ny andian’ondry aman’osiny.
Tamin’ny taona 1947, raha teo am-piandrasana andian’ondry ny Bédouin tanora iray mpiandry ondry, dia nanipy vato iray tao amin’ny loaka kely iray teo amin’ny lafiny nitresatresaka tamin’ilay tsefatsefa-bato. Nanaitra azy tampoka ny feo naterak’izany, toy ny avy amin’ny fahavakisan’ny siny tany iray. Nitsoaka tamin-tahotra izy, nefa roa andro tatỳ aoriana dia niverina ary nianika tany amin’ny 100 metatra mba hiditra tao amin’ny loaka iray malalaka sy avo kokoa. Nony nanjary zatra ny haizina ny masony, dia nahita siny lehibe folo nilahatra niankina tamin’ny rindrin’ilay zohy, sy vakin-javatra vita tamin’ny tanimanga maro be teo afovoana vato nianjera niraraka tamin’ny tany, izy.
Foana ny ankamaroan’ireo siny ireo, nefa nisy horonamboky tao anatin’ny iray taminy, ka ny roa tamin’ireo dia voafono. Nentiny nody tany amin’ny tobin’ny Bédouin ireo soratanana ireo ary navelany tao nandritra ny iray volana teo ho eo, tao anaty kitapo iray nahantony tamin’ny andrin-day. Farany, dia nisy Bédouin vitsivitsy nitondra ireo horonamboky ireo tany Betlehema mba hahitana izay tombam-bidiny. Noroahina tsy nisy fombafomba avy any amin’ny monasitera iray ilay Bédouin, nilazana fa tsy misy vidiny na dia kely aza ireo horonamboky. Nilaza ny mpivarotra hafa iray fa tsy misy vidiny eo amin’ny lafin’ny arkeôlôjia ireo horonamboky, ary niahiahy izy io fa nangalarina tany amina synagoga jiosy izy ireo. Tena diso hevitra izy! Tamin’ny farany, niaraka tamin’ny Syriana iray mpanao kiraro nanao ny asan’ny mpanera, dia voaorina ara-drariny ihany ny vidin’izy ireo. Tsy ela dia voatombana koa ny vidin’ireo soratanana hafa.
Ny sasany tamin’ireo soratra tranainy ireo dia namoha fahatakarana vaovao iray manontolo ny amin’ny zavatra nataon’ireo antokom-pivavahana jiosy tany amin’ny andron’i Kristy tany ho any. Nefa soratanana araka ny Baiboly iray momba ny faminanian’i Isaia no nanaitra izao tontolo izao. Nahoana?
Ilay zava-tsarobidy lehibe
Ilay horonambokin’i Isaia hita vao haingana dia nirefy teo amin’ny 7,5 metatra eo ho eo tany am-boalohany. Izy io dia voaforon’ny takelaka 17 vita tamin’ny hodi-biby voamboatra tamim-pitandremana tsara, saika voakaly sahala amin’ny boky hoditra. Natao nahaforona tsanganana 54, samy misy andalan-tsoratra eo amin’ny 30 avy, ny fanoratana azy io, ary nalahatra tamim-pitandremana izany. Teo amin’izany faritra izany no nametrahan’ilay mpanoratra mahay ny soratra, nosoratana isaky ny fehintsoratra. — Jereo ny sary.
Tsy voahorona tamin’ny hazo ilay horonamboky ary manjavozavo be ny eo afovoany izay noraisina tanana maro mba hovakina. Voatandrina tsara izy io, ary hita fa nanaovana fanamboarana sy fanamafisana tamim-pahakingana. Ny nahatonga azy io ho voatahiry tsara tsy ho simba dia noho izy voahidy tamim-pitandremana tao anaty siny. Amin’ny ahoana izy io no sarobidy ho an’ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly, ary raha itarina, amintsika rehetra?
Io soratanana an’ny mpaminany Isaia io dia efa nisy teo amin’ny arivo taona talohan’izay rehetra mety ho kopia hafa sisa tavela, kanefa tsy dia samy hafa loatra ny zavatra raketiny. Nilaza toy izao ny profesora Millar Burrows, mpanoratra ilay lahatsoratra nivoaka tamin’ny 1950: “Ny tenin’i Isaia ao amin’io soratanana io, izay misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana ary fanononana tsy mitovy maro be na tsy mahaliana loatra sy tsy dia lehibe, dia tena ilay naseho indrindra tatỳ aoriana kokoa tao amin’ny MT [Masoretic Hebrew Text].”a Tsara homarihina koa ny fampiasany hatrany ny anarana masin’Andriamanitra hoe Jehovah amin’ny Tetragrama hebreo, יהוה.
Soratanana sarobidy hafa
Ny anaran’Andriamanitra koa dia hita ao amin’ny soratanana hafa avy ao amin’io zohy io, izay fantatra amin’ny anarana hoe Zohy voalohany ankehitriny. Ao amin’ny fanazavana iray momba ny bokin’i Habakoka, ilay tetragrama dia hita inefatra amin’ny tarehintsoratra paleo-hebreo, fomba fanoratra tranainy kokoa iray samy hafa amin’ny fanoratana ny abidy hebreo mahazatra kokoa. — Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Habakoka 1:9, Baiboly misy fakàn-teny, (anglisy).
Ilay zohy dia nahitana tapany tamin’ny horonambokin’i Isaia hafa, niaraka tamina silaka hoditra avy amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly. Ny iray amin’izy ireo dia mitahiry ny fanovana avy amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny arameana ao amin’ny Daniela 2:4, toy izay hita ao amin’ireo soratanana natao arivo taona tatỳ aoriana.
Misy ampahany kely amin’ireo horonamboky ireo izay voatahiry tsara, atao fampisehoana any Jerosalema amin’izao fotoana izao, ao amin’ilay trano fitahirizana ny rakitry ny ela fantatra amin’ny anarana hoe Tahirim-boky. Any ambanin’ny tany no misy an’io fitahirizana ny rakitry ny ela io, koa raha mitsidika any ianao, dia hahatsapa ho toy ny miditra ao amin’ny zohy iray. Ny tapany ambony amin’ilay fitahirizana ny rakitry ny ela dia naka ny bikan’ny saron’ilay siny tany nahitana ny Horonambokin’ny Ranomasina maty an’i Isaia. Kanefa, kopia iray mitovy amin’ilay soratanana an’i Isaia ihany no hitanao. Mipirina tsara ao amin’ny efitrano fitahirizana eo akaikin’io ilay soratanana tany am-boalohany sarobidy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny sasantsasany amin’ireo fanononana azy lehibe kokoa dia marihina ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao — Misy fakàn-teny, (anglisy), ao amin’ny Isaia 11:1; 12:2; 14:4; 15:2; 18:2; 30:19; 37:20, 28; 40:6; 48:19; 51:19; 56:5; 60:21. Ilay horonamboky dia fantatra amin’ny famantarana 1QIs/a, eo amin’ny fanamarihana ambany pejy.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
Courtesy of The British Museum
[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]
Fanomezan-dalan’ny Israel Antiquities; Ny Tahirim-boky, Fitahirizana ny rakitry ny ela any Isiraely; D. Samuel and Jeanne H. Gottesman Center for Biblical Manuscripts