Aza hadinoina ny fivoriamben’ny distrika hoe “Matokia an’i Jehovah”
Telo andro hampitombo fahalalana, hatokana tanteraka ho amin’ny fianarana ny Baiboly ary hatao ao anatin’ny rivo-piainana kristiana hahasoa, no miandry anao amin’ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Matokia an’i Jehovah”. Saika hatraiza hatraiza maneran-tany, dia fivoriambe am-polony maro no hatao ao anatin’ny volana jona, jolay, aogositra sy septambra. Na aiza na aiza misy anao, dia azo antoka fa hisy anankiray tsy ho lavitra anao. Miomàna mba ho tonga raha vao amin’ny voalohany, ny zoma amin’ny 10.20, sy hijanona hatramin’ny farany, ny alahady tolakandro.
Ny zoma maraina, dia ho azo atao ny handre lahateny hahitana fianarana hitondra ny lohateny hoe “Vahoaka voatokana”. Ny tolakandro, dia hisy torohevitra hentitra, feno fahatsorana, homena ny ray aman-dreny aloha, avy eo dia ny tanora. Izany torohevitra izany dia hampitandrina ny tanora ny amin’izay ho azo antsoina hoe fiainana roa sosona. Rehefa avy eo dia horaisina indray io hevitra io ao amin’ny tantara mampihetsi-po iray araka ny andro ankehitriny.
Ny asabotsy maraina no hatao ny lahateny amin’ny batisa, ary koa, mifanaraka amin’ny foto-kevitry ny fivoriambe, toromarika momba ny fomba samihafa azontsika ampisehoana ny fitokisantsika an’i Jehovah. Ny anankiray amin’ireo lahateny lehibe indrindra ny tolakandro dia hitondra ny lohateny hoe: “Ny fiterahana amin’ny andro farany: andraikitra mavesatra”. Ny hamarana ny andro dia fitohitohizan-dahateny iray araka ny foto-kevitra hoe “Velona ny Tenin’Andriamanitra”.
Ny alahady maraina dia hatao ny lahateny hoe: “Mankahalà ireo lalana mahamenatr’izao tontolo izao” sy tantara araka ny Baiboly anaovana fitafiana araka ny fotoana nitrangany, manazava ny maha-zava-dehibe ny andro iainantsika. Ny tolakandro, ny lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe: “Eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tahotra, iza moa no tena azo ametrahana ny fitokisana?” dia ho fotoana lehibe hafa koa amin’io fivoriambe io.
Mangataha fanazavana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao ny amin’ny toerana sy ny datin’ny fivoriambe akaiky anao indrindra.