Natao ho an’ny kristiana ve ny lakroa?
“FANOMEZANA avy amin’ny reniko ity.” “Mahatsara ahy ity.” “Entiko toy ny firavaka izy.” “Tsy ho azoazoko ny aiko raha tsy etỳ amiko izy.” “Miaro ahy amin’ny ratsy izy.” “Mba ta-hanantona zavatra eo amin’ny rojoko fotsiny aho.”
Toy izany ny valintenin’ny olona sasany rehefa nanontaniana izy ireo hoe nahoana izy no miambozona lakroa. Na dia miharihary aza fa tsy noho ny fitiavam-pivavahana no anaovan’ny rehetra izany, dia saika fanao ny miambozona lakroa any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao. Hita niambozona izany na dia ny tanora Sovietika aza, ary maro no manome azy heviny ara-pivavahana. Niteny tsy nihambahamba toy izao mihitsy aza ny iray tamin’izy ireo: “Masina izy io”.
Nefa, mety tokoa ve ny hiambozonan’ny kristiana lakroa? Moa ve izy io mampiseho tokoa ny fitaovam-pamonoana izay teo aminy no nahafatesan’i Kristy? Moa ve misy antony mafy orina manohitra ny fitondrana azy io, na dia toy ny firavaka aza? Mba hamaliana izany fanontaniana izany, dia aoka aloha hofantarintsika ny fiavian’ny lakroa.
Famantarana kristiana ve?
Angamba ianao nanombatombana fa ireo kristiana no voalohany nampiasa lakroa toy ny famantarana. Ny Encyclopédie américaine anefa dia miresaka ny amin’ny “fampiasana azy taloha tany amin’ireo Hindoa sy bodista any India sy any Chine, ary koa tany amin’ireo Persiana, Asyriana sy ireo Babyloniana”. Toy izany koa, ny “encyclopédie” iray amin’ny teny anglisy (Chambers’s Encyclopaedia, fanontana tamin’ny 1969) dia milaza fa ny lakroa dia “famantarana izay nifamatotra tamin’ny hevitra ara-pivavahana sy mifono zava-miafina ela be talohan’ny andro kristiana”.
Raha ny marina, dia tsy misy mihitsy porofo ilazana fa nampiasa ny lakroa teo amin’ny fanompoam-pivavahany ireo kristiana voalohany. Tamin’ny fiandohan’ny kristianisma dia ireo Romana kosa no nampiasa izany! Ny amin’izany, dia izao no azo vakina eo amin’ny fanamarihan’ny Baiboly iray (The Companion Bible): “Ireo lakroa ireo dia mampiseho ny andriamanitra-masoandro tany Babylona (...) ary niseho voalohany izany teo amin’ny vola madinik’i Jules César (100-44 al-fan-ir.), avy eo dia teo amin’ny vola madinika natontan’ny mpandova azy Auguste, tamin’ny taona 20 alohan’ny fanisan-taona iraisana.” Bacchus, ilay Andriamanitr’ireo romana momba ny zavaboary, indraindray dia naseho manao fehiloha rakotry ny lakroa.
Raha izany no izy, tamin’ny fomba ahoana àry no nahatonga ny lakroa ho famantaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
Constantin sy ny lakroa
Tamin’ny taona 312 amin’ny fanisan-taona iraisana, Constantin, izay nanjaka teo amin’ny faritany misy an’i Frantsa sy Grande-Bretagne ankehitriny, dia nandeha niady tamin’i Maxence zaodahiny tany Italia. Teny an-dalana dia toa hoe nahita fahitana iray izy — lakroa iray mitondra ny soratra hoe “Hoc vince”, izay midika hoe “Mandrese amin’ny alalan’ity”. Rehefa nahazo ny fandresena i Constantin dia nanao ny lakroa ho fanevan’ireo tafiny. Tatỳ aoriana, rehefa tonga fivavaham-panjakana teo amin’ny Empira romana ny kristianisma, dia voafidy ho famantaran’ny Eglizy ny lakroa.
Nefa moa ve nahazo izany fahitana izany tokoa i Constantin? Ny fitantarana an’io lovantsofina io, raha hoe marina aza, dia efa niampitampita sy feno fifanoherana. Raha tsorina dia tena hafahafa tokoa raha olona toa an’i Constantin no lazaina fa nandray fahitana avy amin’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana izay ho nitrangan’izany fisehoan-javatra izany, dia nanompo tamin-jotom-po an’ilay andriamanitra-masoandro io emperora io. Tonga hatramin’ny fanokanana ny alahady ho amin’ny fanompoana ny masoandro mihitsy izy. Ankoatr’izany, na dia taorian’ny fihamboany ho niova finoana aza, dia nampiseho fihetsika ratsy teo anoloan’ny fifikirana amin’ny fotopoto-pitsipika mahitsy i Constantin. Ny famonoana olona, ny teti-dratsy ary ny fanirian-daza fatratra ara-politika no nanapaka ny fiainany manontolo. Teo imasony, ny kristianisma dia toa fitaovana ara-politika mety hamerina ny firaisan’ny empira voazarazara iray fotsiny.
Tena vitsy koa anefa ireo foto-javatra manondro fa ilay karazana lakroa “hitan’ ”i Constantin dia mampiseho tokoa ny fitaovam-pamonoana izay nampiasaina tamin’ny famonoana an’i Kristy. Marina tokoa fa maro be tamin’ireo vola madinika izay natontan’i Constantin tatỳ aoriana no misy lakroa voaforon’ny “X” sy “P” mifanaingina (jereo ny sary). Ao amin’ny Dictionnaire interprétatif des mots du Nouveau Testament (anglisy), i W. Vine dia manambara hoe: “Raha ny amin’ny Khi, na X, izay nambaran’i Constantin fa hitany tamin’ny fahitana izay nahatonga azy hiandany tamin’ny finoana kristiana, io litera io dia ny litera voalohany amin’ny teny hoe ‘Kristy’ [amin’ny teny grika] ary tsy misy ifandraisany amin’ny ‘lakroa’ ”, izany hoe amin’ny fitaovam-pamonoana iray. Raha ny marina, io karazana lakroa io dia saika nitovy tamin’ny famantaran’ny mpanompo sampy mampiseho ny masoandro.
Raha izany anefa no izy, nahoana no mora toy izany tamin’ireo “kristiana” ny nanaiky ny lakroa? Manohy toy izao i Vine: “Teo antenatenan’ny taonjato faha-III aorian’i J.-K., dia na nihataka tamin’ny fampianaran’ny finoana kristiana sasany ny Eglizy, na nanova izany. Mba hampitomboana ny lazan’ny fandaharana misy mpitondra fivavahana mpivadi-pinoana, dia neken’ireo Eglizy ho eo anivony ireo mpanompo sampy, tsy mbola nohavaozin’ny finoana, ary navelany izy ireo hitana tapany lehibe amin’ireo marika sy famantaran’ny mpanompo sampy. Izany no niavian’ny Tau na T, amin’ny endriny mahazatra indrindra, miaraka amin’ny tsipiny mitsivalana nampidinina izay noraisina mba hampisehoana ny lakroan’i Kristy.”
Ny lakroa araka ny fandehan’ny fotoana
Moa ve noho ny fitiavana an’i Kristy no mahatonga ny lakroa ho ny famantarana hamasinina aoka izany amin’izao fotoana efa tratra aoriana izao? Ny “encyclopédie” (Encyclopaedia of Religion and Ethics) dia nanambara fa: “Tamin’ny taonjato fahefatra, ny finoana ara-majika dia nanomboka namaka teo anivon’ny Eglizy.” Noheverina fa, toy ny amin’ny herin’ny majika, ny famantarana ny lakroa dia “ny fiarovana tsara indrindra amin’ireo demonia, sady fanafody amin’ny aretina rehetra.” Ny fampiasana amim-pinoanoam-poana ny lakroa dia naharitra hatramin’izao androntsika izao.
Araka ny fandehan’ny fotoana dia tokony ho 400 ny karazana lakroa niforona. Tamin’ny voalohany dia tsy naseho teo ny Kristy fa zazakely mitondra lakroa nampihaingoana firavaka. Tatỳ aoriana dia nampiana sarin-janak’ondry iray izany. Avy eo, tamin’ny 691, ny kaonsily in Trullo dia “nanaiky ho ara-dalàna” ny lakroa misy sarin’ny tovolahy iray hatramin’ny tratrany no ho miakatra fa tsy zanak’ondry iray. Rehefa nandeha ny fotoana, io lakroa io dia niova ho hazo fijaliana — lakroa iray izay teo aminy no isehoan’ny vatan’i Kristy.
Maty teo ambonin’ny lakroa ve i Kristy?
‘Nefa moa ve ny Baiboly tsy mampianatra fa Kristy dia tena maty tokoa teo amin’ny lakroa?’ hoy angamba ny sasany. Mba hamaliana izany fanontaniana izany dia ilaintsika ny mandinika ny hevitry ny teny grika roa izay nampiasan’ireo mpanoratra Baiboly mba hanondroana ilay fitaovam-pamonoana izay nahafatesan’i Kristy: stauros sy xulon.
Izao no azo vakina ao amin’ny “encyclopédie” iray (The International Standard Bible Encyclopedia, fanontana tamin’ny 1979) eo amin’ny fanombohana hoe “Lakroa”: “Tany am-boalohany, ny teny grika stauros dia nanondro tsato-kazo marani-doha, natsangana mahitsy ary miraikitra mafy amin’ny tany. (...) Napetraka mifanila ireny tsato-kazo ireny, nalahatra mba hahaforona fefy na rindrina fiarovana manodidina ireo toby, na natsatoka mitokantokana izy ireny mba hampiasaina toy ny fitaovana fampijaliana izay hamonoana ampahibemaso ireo mpanao heloka bevava lehibe (na, raha efa maty izy, dia mba hanalana baraka tanteraka ny fatiny).”
Marina tokoa fa ireo Romana dia nampiasa fitaovam-pamonoana antsoina amin’ny teny latina hoe crux. Ary io teny crux io no nampiasaina tao amin’ireo fandikana ny Baiboly amin’ny teny latina mba ho dikan’ny teny grika stauros. Koa satria ny teny latina hoe crux dia mitovy amin’ny teny malagasy hoe lakroa, dia maro no mihevitra amim-pahadisoana fa ny crux iray dia tsato-kazo tsy maintsy misy hazo lavalava mitsivalana. Ny Dictionnaire impérial de la Bible (anglisy) anefa dia milaza toy izao momba izany: “Na dia teo amin’ireo Romana aza, ny crux (izay niavian’ny tenintsika hoe lakroa) dia tsy maintsy ho tsato-kazo mahitsy tany am-boalohany, ary izany dia nijanona ho marina amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra.”
Ahitana fanazavana fanampiny momba izany ao amin’ilay boky Ny lakroa tsy kristiana (anglisy): “Ao amin’ny teny grika tany am-boalohany, dia tsy misy na dia iray aza tamin’ireo boky maro be ao amin’ny Testamenta Vaovao ahitana na dia fehezanteny kely monja aza manaporofo na dia tsy mivantana aza fa ny stauros nampiasaina tamin’i Jesosy dia hafa fa tsy stauros mahazatra ihany [tsato-kazo marani-doha na andry hazo]; vao mainka tsy misy na inona na inona manaporofo fa izy io dia voaforon’ny sombin-kazo roa, fa tsy iray, izay mifantsika miaraka mba haka endriky ny lakroa.” Mety ho nofantsihina marina teo amin’ny karazana crux (stauros) antsoina hoe crux simplex tokoa Kristy. Izy io dia mifanitsy amin’ilay filazalazana, araka izay asehon’ilay sary nataon’ny manam-pahaizana Katolika iray tamin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo, Justus Lipsius.
Inona no holazaina ny amin’ilay teny grika hafa, xulon? Hita ao amin’ny fandikan-teny grika an’ny Septante izy io, ao amin’ny Ezra 6:11. Toy izao no nandikana an’ireo teny ireo ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao: “Ary izaho manao didy: fa na iza na iza no mandika izao didy izao, dia hangalana sakamandimby avy amin’ny tranony, dia hafatotra eo ny tenany, ary ho tonga fivoaham-bahoaka ny tranony noho izany.” Miharihary tokoa fa ny zavatra resahina eto dia sombin-kazo tokana, na “sakamandimby”.
Noho izany dia mpandika tenin’ireo Soratra grika kristiana (Testamenta Vaovao) maro no nandika toy izao ireo tenin’i Petera voalaza ao amin’ny Asan’ny apostoly 5:30: “Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’i Jesosy, Izay novonoin’ny tananareo nahantonareo teo amin’ny tsato-kazo [na “teo amin’ny hazo”, araka ny fandikan-teny Chouraqui, Darby, Synodale, Segond, ary ny Fandikan-teny ekiomenikan’ny Baiboly].” Angamba azonao atao koa ny mijery ny fomba nandikan’ny Baibolinao ny teny hoe xulon ao amin’ny Asan’ny apostoly 10:39; 13:29, ao amin’ny Galatiana 3:13 sy ao amin’ny I Petera 2:24.
Aoka isika handeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana
Na dia rehefa avy nandinika ireo porofo manondro fa tena maty teo amin’ny tsato-kazo tokoa aza Kristy, dia mety tsy ho hitan’ny sasany ihany izay maha-ratsy ny hiambozonana lakroa. ‘Firavaka fotsiny ity’, hoy angamba ny eritreriny.
Kanefa aoka tsy hohadinointsika ny fomba nampiasana ny lakroa nandritra ny Tantara rehetra — toy ny famantarana ara-pivavahan’ny mpanompo sampy sy zavatra nohodidin’ny tahotra feno finoanoam-poana. Ho azo atao ve ny hiambozona lakroa, na dia toy ny firavaka tsotra fotsiny aza, sady hanaraka ny fananarana nomen’ny apostoly Paoly antsika ao amin’ny I Korintiana 10:14; “Koa amin’izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy”?
Inona no holazaina ny amin’ireo kristiana marina amin’izao androntsika izao? Tokony hahatsapa koa izy ireo fa ilaina ny ‘hiaro tena amin’ny sampy’, toy ny andidian’ny Baiboly izany (I Jaona 5:21). Eo imason’izy ireo, ny lakroa àry dia tsy firavaka mendrika ny hanaovana. Tsaroany ity fanambarana nataon’i Paoly ity: “Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo”, aleon’izy ireo maka sary an-tsaina an’i Jesosy ao amin’ny toerany be voninahitra amin’ny maha-Mpanjaka nandray fiandrianana! — Galatiana 3:13; Apokalypsy 6:2.
Na dia tsy miambozona lakroa aza ireo kristiana marina, izy ireo dia velom-pankasitrahana lalina an’i Kristy noho ny nanolorany ny ainy ho azy ireo. Fantany fa ny soron’i Kristy dia fanambarana mahatalanjona ny amin’ny “herin’Andriamanitra” sy ny fitiavany mandrakizay (I Korintiana 1:18; Jaona 3:16). Na dia izany aza, dia tsy mila zavatra azo tsapaina toy ny lakroa izy ireo mba hanompoana an’io Andriamanitra fitiavana io. Marina tokoa fa araka ny torohevitr’i Paoly, dia ‘mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana’ izy ireo. — II Korintiana 5:7.
[Sary, pejy 22]
Nandritra ireo taonjato dia niseho ireo karazana lakroa rehetra ireo.
[Sary, pejy 23]
Sary vaton’ilay andriamanitra grika atao hoe Marsyas nendahan-koditra velona eo amin’ny vatan-kazo iray — Musée du Louvre, Paris.