Tadidinao ve?
Nankamaminao ve ny hasarobidy azo ampiharin’ireo nomerao vao haingana tamin’Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo raha toa ka tsaroanao ireto hevitra manaraka ireto:
◻ Inona no dikan’ny hoe voaisy marika ho amin’ny fahatafitana velona amin’ny alalan’ilay lehilahy ara-paminaniana mitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra, izay hitan’i Ezekiela tamin’ny fahitana (Ezekiela 9:2-6)?
Izany dia midika hoe nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony, natao batisa ho toy ny mpianatr’i Jesosy ary nitafy ny toetran’i Kristy. — 15/7.
◻ Inona no zava-kendren’ireo faminanian’ny Baiboly?
Ireo faminaniana dia mampahafantatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, ny sitrapony ary ireo fotopoto-pitsipiny ara-pitondrantena. Manazava ny fifandraisana tokony hotanan’ny olona aminy izy ireny mba hiainany indray mifanaraka amin’ny fikasany, izay mety ho tanteraka amin’izany fomba izany (Isaia 1:18-20; 2:1-5; 55:8-11). — 1/8.
◻ Mosary mahafaty inona no mamely ny tany manontolo ankehitriny?
Mosary ara-panahy, faniriana “handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11.) — 1/8.
◻ Inona moa “ny fahatahorana an’i Jehovah”? (Ohabolana 1:7.)
Izany dia tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy, izay mahazo antsika noho ny hatsaram-pony. Izany dia milaza ihany koa fahafantarana an’i Jehovah ho toy ny Mpitsara tampony sy Tsitoha, fitokisana tanteraka aminy, ary fankahalana izay ratsy eo Imasony (Salamo 2:11; 115:11; Ohabolana 8:13). — 15/8.
◻ Fotopoto-pitsipika inona avy no aseho miharihary ao amin’ny I Timoty 5 raha ny amin’ny fikarakarana ireo olona be taona?
Na dia ireo mpianakaviny aza no miantsoroka voalohany indrindra ny andraikitra hikarakara ireo olona be taona, ny zava-manahirana azy ireny dia raharaha tokony halamin’ny kongregasiona manontolo; ilaina ny hanorenana fandaharam-panampiana tsara; izany fanampiana izany dia tsy tokony homena afa-tsy ireo izay tena mila izany tokoa. — 1/9.
◻ Inona avy ireo lafin-javatra lehibe efatra nanadiovan’i Jehovah ny vahoakany tao anatin’ireo 69 taona lasa?
1) Ny fandaminana; 2) ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana; 3) ny famirapiratana miha-mitombon’ny fahazavan’ny fahamarinana; 4) ny fanariana ireo fanao maloto. — 15/9.
◻ Inona avy ireo asa roa natombok’i Mikaela ao amin’ny Daniela 12:1?
Lazalazaina ho ilay “mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao” i Mikaela. Amin’izany fomba izany no ampiharan’i Kristy Jesosy ny fahefana hatramin’ny 1914, daty nanomezana azy ny fiandrianana sy nahatongavany ho Mpanjaka manapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Milaza ny aminy toy izao koa Daniela: “Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela.” Io fomba fiteny io dia mifanaraka amin’ny ambaratongam-piovaovana vaovao amin’ny fanapahany, rehefa hanao zavatra amin’ny fomba tsy manam-paharoa izy mba hamonjena ny firenen’i Daniela. Araka izany, io vahoaka io dia tsy ho levon’ireo fitondram-panjakan’olombelona rehefa ho tonga “ny faran’ny andro” ho an’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo (Daniela 11:40-45). — 1/10.