Eo am-pikatsahana ny tena sakaiza
NARATRA mafy noho ny loza tamin’ny “moto” ny tovolahy anankiray. Rehefa lasa ny herinandro maromaro tsy nahatsiarovany tena vao nanomboka nihatsara izy tamin’ny farany, nefa miandalana. “Raha nanan-tsakaiza tsara maro sahala amin’ny ananako olom-pantatra maro aho,” hoy izy tamin’izay, “dia ho nihatsara haingana lavitra.” Maro tamin’ireo namana nananako talohan’ny loza nanjo ahy no namela ahy tamin’izao. Mety handray anjara be dia be amin’ny fanasitranana anefa ny sakaiza tsara.’
Mahazatra io tarehin-javatra io eto amin’izao tontolo izao misy antsika izay miha-very ny fisakaizana. Maro be ireo mihambo ho sakaiza rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra. Rehefa mamely anefa ny loza, dia tsy hita izy ireny. Amin’ny fitsipika ankapobeny, dia sarotra ny mahita tena sakaiza.
Kanefa, manova ny fiainana ny tena sakaiza sasantsasany. Misy manam-pahaizana manokana ny amin’io raharaha io manantitrantitra hoe: “Ny faniriana hamorona fatoram-pihavanana akaiky kokoa amin’olona iray no anankiray amin’ireo foto-javatra lehibe indrindra imasoana amin’ny androntsika.” Ambonin’izany, araka ny fomba fiteny tranainy iray, dia “ao anatin’ny fahasahiranana no ahafantarana ny sakaizan’ny tena”.
Nisy fotoana niheverana ny hafa bebe kokoa sy naha-vonona hanampy ny sakaiza na ny mpifanolobodirindrina amin’ny tena. Hatramin’ny vanim-potoana fiolahana tamin’ny Ady lehibe Voalohany anefa, dia tsikaritra ny fikororosiana ankapoben’ny fifandraisan’olombelona. Amin’izao fotoana izao, dia ny tsy fahampiam-pankasitrahana, ny hamafiam-po ary ny fihetsiky ny izaho aloha no fitsipika.
Izany toe-javatra mampalahelo izany dia efa voalaza mialoha taonjato 19 lasa izay, tamin’ireto teny ireto: “Tena ho sarotra ny haha-kristiana ny tena amin’ny andro farany. Satria ho tia tena sy ho tia vola ny olona; ho mpiavonavona sy mpidera tena izy, hanamavo an’Andriamanitra, ho mafy hatoka sy tsy hahay hankasitraka ny ray aman-dreniny izy, ary ho ratsy fanahy tokoa. Noho izy kirina, tsy maniry ho ambanin’olona na iza na iza, dia ho mpandainga sy hamafy fikorontanana izy, tsy hampitahotra azy mihitsy ny fahalotoam-pitondrantena. Hasiaka sy tsy hifaditrovana izy ary hihomehy ireo izay manandrana ho tsara toetra. Hamitaka ny sakaizany izy.” (2 Timoty 3:1-4, Le Livre, fanontana Farel).
Endrey izany filazalaza manjombona, ary anefa tena misy, mampiseho an’izao tontolo izao ankehitriny! Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia kely tokoa ny fanantenana hahita tena sakaiza. Na dia izany aza dia azo atao ny mahazo tena sakaiza, eny sarobidy tokoa, na dia amin’izao androntsika izao aza! Sakaiza maro no malalaka foana rehefa mila fanampiana, torohevitra, fampaherezana ary fiarahana mafana ny tena. Alohan’ny zavatra rehetra anefa, dia tena zava-dehibe ny hanavahana ny tena sakaiza amin’ny tsy toy izany.
Tsy tena sakaiza avokoa ny “sakaiza” rehetra
Ilay tovolahy niharan-doza noresahin’ny fiandohan’ity lahatsoratra ity, dia anisan’ny antoko iray mpanao baolina kitra ary nanan-“tsakaiza” maro be. Eo amin’ireo anisan’ny klioba na fikambanana madinika maro dia matetika no misy fatoram-pifandraisana mahafinaritra, saingy tsy “fisakaizana” tena miorina mafy foana akory. Ambonin’izany, araka ny fanandraman-javatra hitan’ilay tovolahy resahina ny amin’izany, dia tena mahakivy ny manan-“tsakaiza” maro nefa afoin’ny tena avokoa avy eo. Mora ny mamatotra fifankahalalana, saingy sarotra ny manorina tena fisakaizana.
Ny olona mpanan-karena na ireo izay manana toerana tsara dia afaka mora foana mahazo “sakaiza” be dia be. Araka ny ilazan’ny Baiboly azy, dia “ny manankarena dia maro sakaiza”. Manantitrantitra ihany koa izy hoe: “Olona maro no mandokadoka izay malaza; ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’izay mpanome zavatra.” (Ohabolana 14:20; 19:6, La Bible en français courant). Kanefa moa ve tsy mihatsaravelatsihy ny ankamaroan’izy ireny? Raha sendra mamoy ny harenany na ny toerany ireny olona tena maro sakaiza ireny, dia mety hanjavona haingana ny sakaizany rehetra.
Ny olona manana fisehoana ivelany manintona ihany koa dia matetika no manan-“tsakaiza” maro be — izay ny ankamaroany dia mora taitran’ny lafiny ara-batana. Mety hitera-pahavoazana be dia be anefa ny “fisakaizana” toy izany ary ho levona ao anatin’ny alahelo sahala amin’ny zavona ao anaty afo. Izany no antony tena ilàna...
Hisafidy tsara
Mamporisika tokoa ny fahendrena mba hifidianana amim-pitandremana ny naman’ny tena. Matetika ireo sakaiza sandoka dia fatra-mpandokadoka, mitady hahazo ny fankasitrahanao noho ny zava-kendrena mampiseho fitiavan-tena. “Izay olona mandrobo ny namany dia mamela-pandrika ny tongony.” — Ohabolana 29:5.
Noho izany, dia diniho amim-pitandremana ireo izay mahaforona ny fitambaran-tsakaizanao ankehitriny. Manan-kery mitaona eo aminao ho amin’ny tsara ve izy ireny sa ho amin’ny ratsy? Tsy mihevitra afa-tsy ny tenany, kirina na mpieboebo ve izy? Moa ve izy manao zavatra tsy amim-piheverana sy tia mankahatra loza? Ahoana no fihetsiny manoloana ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka azy? Mahalala fomba sy mahay manaja ve izy, sa kosa mifankazatra be loatra, na ratsy fitondrantena tsotra izao mihitsy aza? Nahatsapa ve ianao fa tsy mahatoky ireo sakaizanao, tsy azo ianteherana? Mampiasa zavatra mahadomelina ve izy? Mpimamo ve izy? Raha eny, dia misetra loza ianao. Raha ny aminao, dia angamba olo-mahatoky ianao, madio sy manetry tena, kanefa tsarovy fa “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. — 1 Korintiana 15:33.
Rehefa manana naman-dratsy ny olona iray, dia ampoizina mafy hanahaka azy ireny. Miandalana, angamba tsy tsikariny akory, ireo fomba sy fihetsiny dia ho hita soritra eny aminy. Milaza tokoa ny Baiboly hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza [ho ratsy, La Bible en français courant ]. — Ohabolana 13:20.
Mety ho diso hevitra mora foana ny tena rehefa mitady sakaiza. Aza manary toky anefa. Mbola ahitana olona an-tapitrisany maro mahafinaritra sy mampiseho fitiavana ihany eto amin’izao tontolo izao. Amin’izany, ahoana no mety hahitanao tena sakaiza eo amin’izy ireny?
[Sary, pejy 4]
Misy heriny lehibe eo aminao ireo olona ifaneraseranao.