Ny fivavahana ankehitriny: amin’inona no ilàna azy?
“NIHAZAKAZAKA ho any amin’ny efitranoko aho, sady nanipy ny Baiboliko teo amin’ny toerana iray. Nieritreritra aho fa tsy hanokatra azy io intsony mihitsy, ary tsy ho anisan’ny Fiangonana iray intsony. Efa enin-taona izao no nitady aho nefa tsy nahita famonjena mihitsy.”
Ronald, mpandefa milina amin’ny “informatique” izay 26 taona, dia namakivaky karazan-java-manahirana maro ary nanahy ny hirodanan’ny fiainany. Toa tsy hitany mihitsy izay ilàny ny fivavahana amin’ny fomba azo ampiharina. “Ny fivavahana sy ny tenako, vita hatreo!” hoy izy.
Olona maro be, toa an’i Ronald, no diso fanantenana tamin’ny fivavahana. Izany ve no izy ny aminao? Mihevitra ve ianao fa ny fivavahana dia nitondra fanampiana azo ampiharina ho an’ny olombelona sy ny fitarihana ilainy mba hahatongavana ho mpiara-miasa, mpiara-monina, lehilahy vady, vehivavy vady, ray aman-dreny na zanaka tsaratsara kokoa? Nanamora ny filaminana sy ny firaisan-tsaina teo amin’ny olombelona ve ny fivavahana? Nanampy azy ireny hahatakatra ny hevitry ny fiainana ve izany? Nampitsiry fanantenana mafy tao am-pony sy tao an-tsainy ve izany?
Tsy misy fitarihana azo ampiharina mihitsy
Eto amin’izao tontolo izao mizarazara maro misy antsika, ny olombelona dia mila fitarihana feno fahendrena sy mazava. Afaka manantena handray izany fitarihana izany avy amin’ireo filohany ara-pivavahana ve izy ireo? Ity taratasy manaraka ity, nosoratana ho an’ny revio iray, dia manome ho antsika santionany amin’ny valiny:
“Ny zavatra re ankehitriny any am-piangonana (...), ary izany dia hatramin’ny elaela izao, dia fitiavana, fitiavana, fitiavana. (...) Inona no niafaran’ny fandrarana toy ny hoe: “Aza mamono olona”, “Aza mangalatra” sy ny hafa rehetra? Zavatra maro be no tsy azo atao ary ilaintsika ny hampahatsiahivana izany matetika. Kanefa tsy fandre akory intsony na dia ny teny hoe ‘fahotana’ aza. Toy ny hoe tsy azo ampiasaina izany, toy ny atao amin’ny teny ratsy.”
Ny olona sasantsasany dia toa mihevitra fa ireo mpanolo-tsaina ara-pivavahana dia manana toe-tsaina milefitra loatra. Ireny mpitari-dalana ara-panahy ireny dia mampiseho fahalemena. Mitovy amin’ny dokotera manafina amin’ny marariny ny aretina mahazo azy izy ireo ka manome azy fitsaboana sady tsy dia misy vokany no tsy maharitra. Inona avy ireo antony sasantsasany mahatonga izany tsy fahombiazana izany?
Toerana iray ao anatin’ny fahasahiranana
Ny olona iray trotraky ny zava-manahirana dia tsy ho afaka hanokana fotoana betsaka na hanao fiezahana maro mba hanampiana olon-kafa. Ireo fomba fampitam-baovao dia mampiseho fa mpitondra fivavahana mihamaro hatrany no mahita fahasahiranana lehibe eo amin’ny fanompoany sy eo amin’ny fiainany manokana. Ireto misy ohatra vitsivitsy ny amin’izany zava-mitranga izany:
“Raha mahakasika toerana maro ny fihenjanan’ny hozatra sy ny fahatrotrahana amin’ny andro ankehitriny, dia eo anivon’ny klerjy jiosy indrindra no misy voka-dratsin’izany lehibe”, hoy ny nambaran’ilay mpandinika toe-tsaina atao hoe Leslie Freedman rehefa avy nanao fianarana nandritra ny efa-taona momba ny klerjy jiosy tao amin’ny oniversite izy.
“Raha manana zanaka lahy aho, iriko ve ny hahita azy ho tonga pretra? Miala tsiny aho fa ny valin-teniko dia tsia.” Izany no nambaran’ny pretra iray, William Wells, tao amin’ny rapaoro iray momba ny fahasahiranan’ireo mpitondra fivavahana. Inona no antony? Tsy afaka hamporisika tovolahy iray hiditra amin’ny lalana ravan’ny “fikorontanana, fisavorovoroana, sy ny fisalasalana toy ny maha-izany ny fisoronana katolika ankehitriny” izy, hoy ny nambarany.
Any Soeda, izay anohanan’ny Fanjakana ny Fiangonana loteriana, dia misy tsy metimety toy izany koa eo amin’ireo pretra. Izao no azo novakina tao amin’ny gazety iray mivoaka isan’andro ao amin’io firenena io: “Ireo pretra dia ahitana fikorontanana ara-tsaina izay, amin’ireo tena voa mafy, mitarika ireo voany ho amin’ny famonoan-tena. (...) Ao anatin’ny fahasahiranana ny fitambaran’ny klerjy.
Ny tsy fisian’ny firaisan-tsaina
Ny fitsofohan’ireo mpitarika ara-pivavahana amin’ireo ady mandreraka izay mandrotidrotika ny firenena sasany dia nampiodina azy amin’ny asa nanirahana azy, dia ny hanome fahafaham-po ny filàna ara-panahin’ireo vahoaka. Ireny filoha ara-pivavahana ireny koa dia tompon’andraikitra amin’ny famoizana mpanao raharaha sy vola izay ho azo nampiasaina ho amin’izay mahasoa ara-nofo ho an’ireny mponina ireny.
Eran-izao tontolo izao, dia nisy olona nanary ny fitokisany ny fivavahana ary tonga tsy mihontsina intsony amin’ny raharaha momba ny fivavahana. Any Soeda, Finlanda, Alemana, Grande-Bretagne, Italia, Kanada ary Etazonia indrindra, dia voamarika fa olona maro no nandao ny Fiangonana ary tsy manatrika fotoam-pivavahana intsony.
Anisan’ny olona izay, toa an’i Ronald, mihevitra fa tsy manan-draharaha amin’ny fivavahana intsony ve ianao? Kanefa, mety hisy ve fivavahana iray izay efa nanaporofo sahady fa tena sarobidy amin’ny fomba azo ampiharina izy ho an’ny maro? Ny lahatsoratra manaraka dia hanadihady ireo fanontaniana ireo.