Ny fivavahana marina: mety ho hita ve izany?
RONALD, izay noresahin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nihevitra fa tsaratsara kokoa ny hamelana ny fikarohany. Tsy hahita mihitsy fivavahana iray izay afaka hanome azy ny fanampiana sy ny fitarihana nilainy izy. Nanapa-kevitra ny hanandrana farany anefa izy. “Raha misy tokoa Andriamanitra iray, hoy izy ankehitriny, dia tiako ny hahafantarany fa nitady azy tamim-pahatsorana aho.” Indray alina àry, dia nanao izao vavaka izao izy: “Raha tena Andriamanitra tia ianao, dia tadiavo aho fa mitady anao efa hatramin’ny taona maro aho nefa tsy misy vokany.”
Andro vitsivitsy taorian’izay, dia voatarika hiasa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nanombohany nametrahana fanontaniana maro momba ny Baiboly i Ronald. Nanitikitika ny fahalianany ta-hahafanta-javatra ireo valin-teny azony, ary vetivety dia nianatra ny Baiboly tsy tapaka izy. Nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy.
Rehefa afaka enim-bolana, dia niaiky Ronald fa nahita fivavahana iray izay nanome azy ny hery ilaina mba hanovana amin’ny fomba mandaitra ny fiainany. Rehefa nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny telo taona izy, dia nanazava tao amin’ny taratasy iray nosoratana ho an’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny sasantsasany amin’ireo soa noraisiny tamin’ny fiainany vaovao.
Nariany ny “fironana hamono”
Nanoratra toy izao i Ronald: “Mahafehy tena kokoa aho. Izany no soa voalohany nentin’ny fahamarinana [ny fampianarana ara-Baiboly] ho ahy. Nianatra niady hatramin’ny ela aho. (...) Nanao fanazaran-tena adiny enina ka hatramin’ny valo isan’andro aho, novolavolaina tsy an-kiato aho; nirina ny hananako fironana hamono.”
Tsy misy mahalamina ireo ady mampifanohitra azy amin’ny namany amin’ny alalan’ny fiadiana sy ny famonoana olona. Ny fivavahana ilaina àry dia fivavahana izay miasa ho amin’ny filaminana. Ao amin’ny Romana 12:18 ny Baiboly dia manambara hoe: “Ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” Ireo Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manaza-tena ho amin’ny ady ary tsy mitady hiaro tena amin’ny fianarana mampiasa fiadiana fitifirana. Fantatra maneran-tany amin’ny fialanalanana milamina izay arahiny amin’ny fotoan’ny ady izy ireo.
Nihetsi-po tamin’ny fahaizan’io fivavahana io manosika ireo mpanaraka azy hanao zavatra ny relijiozy iray ka nanoratra toy izao tao amin’ny revio katolika italiana iray: “Tena ho hafa tanteraka izao tontolo izao raha toa indray andro isika ka hifoha amin’ny fahavononana hentitra ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony mihitsy, toy ireo Vavolombelon’i Jehovah!”
Izany rivo-piainana feno filaminana izay manjaka eo amin’ireo Vavolombelona izany dia nandray anjara tamin’ny fiforonan’ny fianakaviana iraisam-pirenena iray izay misy olona maherin’ny telo tapitrisa miely patrana ao amin’ny tany 208. Na inona na inona fireneny, firazanany na laharany ara-tsosialy, dia mifampitondra toy ny tena mpisakaiza marina izy ireo. Eo amin’izao tontolo izao feno fankahalana izay iainantsika, izany fiahiana ny hafa izany dia tena sarobidy, indrindra rehefa mila fanampiana ny tena. Izany no fanandraman-javatra hitan’i Eva, tovovavy avy any Soeda izay Vavolombelon’i Jehovah.
Tratran’ny “méningite” (aretin’ny fonon’ny atidoha) Eva raha mbola nivahiny tany Gresy. Tany Atena, izay tsy nahafantarany na iza na iza izy, raha tsy nahatsiaro tena sy voan’ny fahapoizinan’ny ra sy ny fahaverezan-dra anaty, ka nentina haingana tany amin’ny hôpitaly. Nampandrenesina tamin’ny telefaonina ny rainy. Io indray, tany Soeda, dia niantso ny loholona iray an’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay nandefa antso an-telefaonina tamin’ny Vavolombelona sasantsasany fantany tany Atena. Araka izany, dia Vavolombelona grika maro izay tsy mbola fantatr’i Eva hatreo no nifandray haingana taminy.
Izany fitantarana izany dia mampahatsiaro antsika ohatra iray izay nampiasain’ny apostoly Paoly mba hampisehoana fa ny firaisan-tsaina sy ny fangoraham-po dia miaraka foana. Ao amin’ny 1 Korintiana 12:25, 26, dia izao no vakina: “Mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra. Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena.”
Izany no nitranga tamin’i Eva tany Gresy. Nandritra ny telo herinandro teo ho eo, ireo namany vaovao dia tsy namela azy ho irery. Nihatsara izy ary afaka nody tany aminy. Nanambara toy izao izy: “Tena nandray ireo soa entin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy aho.”
Tsy mitady izay ‘hampitomboina ny vola miditra aminy isam-bolana’ intsony izy
Nefa aoka isika hiverina amin’ny taratasin’i Ronald. Rehefa avy nanazava tamintsika izy hoe tamin’ny ahoana ny finoany vaovao no nanampy azy hifehy tena, hanary ny ‘fironany hamono’ sy ho tonga tony kokoa, dia nandray ny resaka momba ny asa sy ny vola, ary nampiseho fa ny fampianaran’ny Baiboly dia nanampy azy hahay handanjalanja kokoa amin’io lafiny io. “Izaho no mpandefa milina nahay indrindra tao amin’ny orin’asako, hoy ny nambaran’i Ronald, ary nanao ora fanampiny aho, ka izany dia nitarika ahy matetika hanao tsirambina ny ankohonako sy ireo namako. Nandritra ny fito taona mahery dia niasa alina aho. Niriko foana ny hanao izay hampitomboana ny vola niditra amiko isam-bolana.
Izany faniriana ‘hampitombo ny vola miditra isam-bolana’ izany dia mety, amin’ny farany, hiharihary fa manimba, na mahafaty mihitsy aza. “Ho an’ny sasany, ny vola dia mampiseho ny tsy fananana ahiahy, ho an’ny hafa, ny fahefana. Ho an’ny hafa koa, izany dia mahatonga azy ho afaka hividy ny fitiavana. Ary farany, ho an’ny sokajin’olona fahefatra, dia mampiseho ny fifaninanana sy ny fandresena izany.” Izany no tenin’i Jay Rohrlich, mpitsabo aretin-tsaina izay ireo olona tsaboiny dia olona ambony ao amin’ny fitantanam-bola izay miasa ao amin’ny Wall Street ny ankamaroany.
Ny revio Science Digest dia manome ny heviny ny amin’ny fanambaran’io mpitsabo aretin-tsaina io: “Ny finoana fa ny vola dia afaka manome ireo zavatra ireo (...) dia matetika no mahatonga faharerahana, tsy fahitan-tory, aretim-po maro ary fahasahiranana ara-pianakaviana.” Ny Baiboly kosa dia manome izao torohevitra manaraka izao: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo.” Nahafantatra izany torohevitra izany i Ronald ary nampihatra izany. Hitany ho tena mahasoa izany. — Hebreo 13:5
Nahazo fomba fijery tsara ny asa izy
Ny hetahetam-bola dia matetika no manosika ny olona hiakatra ny tohatra ara-tsosialy na inona na inona vidiny, ka izany dia mety hiteraka fihenjanan’ny hozatra mafy sy fikorontanan’ny fihetseham-po lalina ao amin’ireo olona faran’izay matanjaka ka mety hitondra ho amin’ny famonoan-tena. Rehefa nanontanian’ny revio U.S.News & World Report ny amin’ny fifandraisan’ny asa fivelomana sy ny tsy metimety ara-pihetseham-po, ny dokotera Douglas LaBier dia nitantara ny amin’ny “lehilahy iray izay, rehefa tonga tao am-piasana ny maraina, dia nahita fa niova toerana ny biraony. Niakatra tany an-tampon’ilay trano goavana izay misy ny orin’asany izy ary dia niantoraka tamin’ny tsy misy”.
“Ny ilaina, hoy ny nambaran’ny dokotera LaBier, dia fiainana manorina kokoa sy mivelatra kokoa, izay tsy mifantoka fotsiny ihany amin’ny asa fivelomana. Ireo olona maniry hanana fiainana voalanjalanja dia tokony hanana fahazarana ara-tsakafo mety tsara, haka fialan-tsasatra ampy tsara ary hanao fampiasan-tena. Ankoatr’izany, dia tokony hanokana fotoana misimisy kokoa ho an’ny fianakaviany sy hamboly fahaizan-javatra tsy misy ifandraisana mivantana amin’ny asany sady manome fahafinaretana, izy.”
Noho ny Baiboly, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia mianatra ny hahay mandanjalanja eo amin’ny fomba fijeriny ny asa sy ny vola. Ny Mpitoriteny 4:4, 6 dia miresaka ny asa mafy izay mitarika “fifampialonan’ny olona” ary manambara hoe: “Tsara ny eran-tanan’ila misy fiadanana [fialan-tsasatra, MN ] noho ny eran-tanan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.” Niaiky ny maha-fahendrena azo ampiharina ireo teny ireo i Ronald. Niasa kely kokoa izy, mba hahafahana manokana fotoana misimisy kokoa amin’ny zavatra ara-panahy sy ny ankohonany ary ny namany.
Mifaly amin’ny fiainam-pianakaviana sambatra kokoa izy
Niaiky Ronald avy eo fa ireo torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana dia nanampy azy handamina amim-pahendrena kokoa ireo raharaha ara-pianakaviana. Amin’ny fotoana izay, any amin’ny tany maro, toa mahamontsamontsana ny fiainam-pianakaviana, dia tena ilaina tokoa ireo torohevitra ireo. Any amin’ireo firenena mandroso, dia kely kokoa ny isan’ny fanambadiana, betsaka kokoa ny fisaraham-panambadiana, ary marihina ny fihenan’ny isan’ny zaza teraka.
Mampanahy izany fironana izany, satria ny fianakaviana no toerana izay ahitan’ny sasantsasany amin’ireo filan’ny olombelona tsotra indrindra fahafahampo. Tamin’ny fanadihadiana nalamin’ny Sydney Morning Herald, gazety mivoaka isan’andro any Aostralia, dia olona 2000 no nanontaniana izay tena nitondra fahafahampo ho azy ireo indrindra: ny asa ara-nofo, ny fianakaviana, ireo sakaiza, ireo fialam-boly, ireo fananana ara-nofo na ny fivavahana. Ho an’ny tena maro be, dia nataon’izy ireo eo amin’ny laharana voalohany “ny fianakaviana”.
Ireo Vavolombelon’i Jehovah dia manao izay hitanana ny fatoram-pianakaviany ho mafimafy kokoa hatrany. Noho izany, tao anatin’ireo dimy taona lasa, ireo gazetiny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! (izay eo amin’ny 22 tapitrisa amin’ny fitambarany ny indray mivoaka amin’ny fiteny maherin’ny 100) dia nanolotra teo amin’ny lahatsoratra 60 teo misy vidiny azo ampiharina, manazava lafiny samihafa amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy isalasalana mihitsy fa ny fivavahana iray izay miorina amin’ny Baiboly ny fampianarany sady manampy olona hikarakara ny fianakaviany amim-pahendrena sy fitiavana dia manana hasarobidy azo ampiharina lehibe.
Nahita valin’ilay “fanontaniana lehibe” izy
Namarana ny taratasiny tamin’ireto teny ireto i Ronald: “Misy zavatra iray miverina matetika ato an-tsaiko rehefa mamaky gazety na mihaino vaovao aho, rehefa miady hevitra amin’ireo mpiara-miasa amiko aho na rehefa mampahafantatra ny finoako amin’ny mpiara-belona amiko. Marina tokoa fa satria Vavolombelon’i Jehovah ny tenako, dia manana valin’ny iray amin’ireo fanontaniana lehibe apetraky ny olona manerana izao tontolo izao aho: Inona no mahatonga ny heloka bevava, ny herisetra, ny ady, ny fahalotoam-pitondrantena amin’ny lahy sy ny vavy, ny aretina, ny fikorontanana, tsy lazaina intsony ny fitambaran’ireo fanahiana isan’andro? Rehefa nahafantatra aho fa ity fandehan-javatra ity sy ireo zava-manahirana entiny dia tsy maharitra, dia tena nohamaivanina tamin’ny enta-mavesatra ireo soroko.”
Ny Baiboly dia manala sarona izay miafina ao ambadiky ny tarehin-javatra mahasanganehana hitan’izao tontolo izao ankehitriny. Hazavainy ny hoe nahoana ny fikasan’ny Mpamorona tany am-boalohany, dia ny hanao ny tany ho fonenana paradisa ho an’ny olombelona no tsy mbola tanteraka. Ambarany fa Andriamanitra dia hanala ny hery ratsy rehetra eto an-tany ary hanorina paradisa iray izay hifalian’ny olombelona mandrakizay. — 2 Petera 3:9-13.
Mba hananana hasarobidy azo ampiharina, ny fivavahana iray dia tokony hitondra vokatra tsara. Tokony “hamokatra” olona tsaratsara kokoa izy. Tokony ho afaka hanazava izy hoe nahoana ny zavatra rehetra no toy izao eto an-tany ankehitriny. Ary tokony hampitsiry fanantenana mafy orina ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona izany. Fivavahana toy izany no notadiavin’i Ronald, ary dia hitany izany. Mety ho toy izany koa ny aminao. — Matio 7:17-20.
[Sary, pejy 5]
Ny kristiana marina dia mifampitondra toy ny namana azo antoka.