Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Rehefa mandray fitenenana ny lehibe
MAMPAHERY ny mahatsapa fa mbola misy ihany olona ambony toerana tia ny fahamarinana sy ny fahitsiana eto ambonin’ny tany, ka miaro amin’ny fomba avo tokoa ireo toetra tsara ireo. Ohatra iray ny amin’izany no omena antsika avy amin’ny lehibe afrikana iray monina any amin’ny tany ahitan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah fameperana. Izao no nambara taminay ny amin’izany:
“Mpikambana maro amin’ny fandaminana ara-pivavahana isan-karazany, anisan’izany ny katolika, ny presbiteriana ary pentekotista, no nanatrika fivoriambe niraisam-pinoana teto an-tanànanay vao haingana. Teo am-pifaranan’izany fivoriana izany, dia nasaina nandray fitenenana ny filoha Ambony. Gaga daholo ny rehetra fa ankoatra ny zavatra hafa, dia namporisika ny mpihaino azy izy hanahaka ny fahamarinana sy ny toetra tsara sy ambony ara-pitondrantenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady nanampy teny izy fa raha mitovy amin’izy ireo ny tsirairay, dia hisy filaminana eo amin’ny firenena.
“Ny ampitso, dia tompon’andraikitra sasany tamin’ireo Fiangonana nanatrika ilay fivoriambe no nankany amin’ny lapan’ilay filoha ary nanohitra mafy ny fomba nandokafany ny Vavolombelona. Nanontany azy izy ireo raha tsy fantany fa voarara izy ireny ao amin’ilay tany. Namaly hoe eny ilay filoha, sady nanambara fa tsy mahita hokianina amin’ny fitondrantenan’ny Vavolombelona. Nanohy toy izao izy: ‘Hatramin’ny taona maro naha-filoha Ambony ahy, dia tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah na dia iray aza nentina noho ny heloka lehibe. Mifanohitra amin’izany kosa, raha nisy mofo vita tamin’ny mangahazo nangalarina tao amin’ny toeram-piompiana iray, ilay meloka dia matetika no katolika. Raha oviala izany, dia presbiteriana iray no tompon’andraikitra tamin’ny halatra. Nandoto ny taniko ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonanareo tamin’ny fanaovana fanalana zaza, kanefa tsy nisy mihitsy Vavolombelon’i Jehovah iray meloka ho nanao fahadisoana lehibe toy izany. Tsy mandrara izany fanao ratsy izany ve ireo lalàn’Andriamanitra, sa kosa tsy manaraka intsony ny lalàn’Andriamanitra ireo Fiangonana?’ Tsy nahita havaly ireo mpitondra fivavahana.
“Avy eo, dia nampiantso ireo solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay filoha Ambony ary namporisika azy mba hitandrina mandrakariva ny fitondrantenan’izy ireo, mba tsy ho afa-baraka ny anaran’ny Andriamanitr’izy ireo sy ny anaran’ny tenany, satria izy niaro ireo Vavolombelon’i Jehovah.”
Nambara taminay fa, ankehitriny, dia olona maro no miandany amin’ny fahamarinana. Ny Vavolombelona iray dia mitantara fa, tsy ela izay, dia nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny filoha telo tao amin’ilay faritra izy, ary indrindra ilay filoha Ambony voalaza tetsy ambony, ary izy telo ireo dia manatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Mahamarika ireo tia ny fahamarinana sy ny fahitsiana ka miaro ireo mpanompony, Jehovah Andriamanitra. — Matio 10:42.