FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/10 p. 31
  • Natoky an’i Jehovah izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Natoky an’i Jehovah izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1998
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1998
  • Matokia an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Afaka Manompo an’i Jehovah Amin’ny Maha-mpisava Lalana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/10 p. 31

Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana

Natoky an’i Jehovah izy ireo

NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia nodidiany hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana manerana ny tany manontolo mba hananan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra fahafahana hahalala ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Any amin’ny tany sasany, matetika noho ny fampirisihan’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia asiana fameperana ny asantsika. Toy izany no mitranga any amin’ny tany sasany atsy Afrika. Nefa nanao toy izay nataon’i Davida mpanjaka ny Vavolombelon’i Jehovah any. Nilaza toy izao i Davida: “Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho.” (Salamo 56:11). Ny zavatra manjo ireo rahalahintsika any amin’io tany io dia mampiseho fa matoky an’i Jehovah izy ireo ary manohy manao ny asany lehibe.

Nisy Vavolombelona iray niasa tamin’ny naha-tale tao amin’ny sekoly iray, nanantitrantitra ny amin’ny hankatoavana ‘an’Andriamanitra ho mpanapaka fa tsy ny olona’, ary nanambara ny fialanalanany manoloana ny raharahan’ny fanjakana. (Asan’ny apostoly 5:29, MN). Nokapohina mafy izy ary nampoizina hoheverina ho mpamadika. Samy nihevitra ny rehetra fa hovonoina izy. Natoky an’i Jehovah anefa ilay Vavolombelona. Nitoetra ho nahatoky izy ary nanazava ireo antony mifandray amin’ny feon’ny fieritreretana mikasika ny zavatra itompoany. Inona no vokany? Nafahana izy ary niverina nankany amin’ny tanàna nisy azy, noho izany dia niala tsiny ireo mpiasam-panjakana nikapoka azy. Naverina ho amin’ny asa fampianarana io Vavolombelona mahatoky io, ary nasondrotra ho eo amin’ny toeran’ny inspekteran-tsekoly!

Nandroaka mpampianatra iray Vavolombelona ny mpampifandrindra ny sekoly iray. Afaka iray volana tatỳ aoriana, dia nandray ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany avy tamina mpitory maharitra manokana iray izy io ary nanaiky fampianarana Baiboly. Raha vao vita ny toko faha-6, dia niala tsy ho mpampifandrindra ny sekoly izy, ary nanomboka nanatrika ireo fivoriana rehetra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny vadiny. Indray marainan’ny alahady, dia nientam-pifaliana ilay mpampianatra voaroaka nifanena tamin’ilay rangahy nandroaka azy sy nahita fa eo an-dalam-pahatongavana ho rahalahy ara-panahy izy io.

Nisy zava-nitranga hafa tany amin’io tany io ihany mampiseho ny fomba fambolen’ny Vavolombelon’i Jehovah fanajana ireo fandaharan’i Jehovah sy fiezahany mba hitana ny fandaminana ho madio. Nianjadian’ny fanoherana maro ny mpitory maharitra manokana iray miasa any amin’ny faritany mitokana. Koa satria izy avy amina foko hafa sy faritra hafa, dia naniry ny handroaka azy tsy ho ao an-tanàna ireo fahavalon’ny fahamarinana. Kanefa nahamarika ny fitondrantena tsara nananany sy ny vokatra tsara dia tsara hitany amin’ny fanompoany ny lehiben’ny tanàna, ka tsy nanome lalana handroaka azy. Nomarihin’ilay lehiben’ny tanàna fa hatramin’ny nahatongavan’io mpitory maharitra manokana io, dia manaja ireo manam-pahefana manapaka ny olona amin’ny fandoavana ny hetrany ary nanao asa fanamboaran-dalana iarahan’ny fokonolona, indray mandeha isan-kerinandro. — Romana 13:1, 7.

Avy eo, indray alina, dia nisy Vavolombelona hafa tratra nijangajanga tamina vehivavy iray tsy Vavolombelona. Nanala baraka izany, ary ilay mpitory maharitra manokana dia voantso teo anatrehan’ilay lehibe, izay namelively azy, tamin’ny fitenenana hoe: “Io ny rahalahinao fa tratra nijangajanga. Tsy misy maha-hafa anareo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana hafa.” Nanazava toy izao anefa ilay mpitory maharitra manokana: “Na dia tsy tanteraka aza izahay dia miavaka amin’ireo fivavahana hafa satria tsy mba milefitra amin’izay ataon’ireo manao heloka lehibe.”

Nandany fe-potoana iray tany am-ponja ilay Vavolombelona nijangajanga ary nandoa sazy. Ambonin’izany, dia voaroaka tsy ho anisan’ny kongregasiona izy, tamin’ny naha-mpanao ratsy tsy nibebaka. Nanohina ilay lehibe izany zavatra izany ary nampikombona ny vavan’ireo izay naneso ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao fanamarihana toy izao ilay lehibe: “Aza misy miteny ratsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Manana ny fahamarinana izy ireo. Tsy fanaon’ny fivavahana hafa ny zavatra toy izany.”

Manaraka izao fampirisihan’ny Salamo 37:3 izao ny Vavolombelona mahatoky any amin’io tany io: “Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa, dia honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.” Moa ve isika hatoky an’i Jehovah tahaka ny nataon’ireo kristiana ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara