FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/1 p. 22-25
  • Ny fitosahan’ny ranon’ny Fanitsiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fitosahan’ny ranon’ny Fanitsiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rano tondraka
  • Nanomboka vaky ny fefiloha
  • Ireo rano vaky dia notarihina ho any ambadik’i Atlantika
  • Fahatsinjovan-javatra vaovao
  • Onjam-piovana mahery ara-pivavahana: vokatra farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Wessel Gansfort sy ny Fanavaozana Protestanta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mahasoa anao ve ny tantara ara-pivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Anisan’ny Fiangonana Protestanta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/1 p. 22-25

Ny fitosahan’ny ranon’ny Fanitsiana

“TAMPOTAMPOKA teo, dia nahare feon-javatra iray hafa izay nanatona haingana dia haingana aho; toy ny kotroka ilay izy. Tamin’izay fotoana izay, ireo mpianakaviko (...) dia nihazakazaka ho any amin’ny havoana iray teo akaiky teo. Ny rano feno roatra dia nahatratra anay ary tsy mbola nilomano toy izany mihitsy izahay. Nitelina ranomasina betsaka izahay, kanefa tamin’ny farany dia nahita fialofana izahay.”

Tapany amin’ny fitantarana nataon’ny mponina iray any Philippines momba ny loza aman’antambo mampivarahontsana iray izay nanova ny fizotry ny fiainany no vao avy novakinao teo. Tsy mbola voan’ny tondra-drano na loza aman’antambo araka ny natiora hafa angamba ianao. Kanefa ny indray mitopy maso amin’ny Tantara dia mampiseho fa aina an-tapitrisany maro no voakorontan’ny loza lehibe tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa.

Ny fivavahana koa dia nahita fikorontanana lehibe izay nampisamboaravoara ny fiainana andavanandron’ny olona tsy hita isa, hindoa, bodista, miozilimana, jiosy ary kristiana raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Mahakasika anao ve izany fikorontanana izany? Tena mety ho izany, na aiza na aiza toerana onenanao. Aoka hohazavaintsika amin’ny ohatra ny resatsika amin’ny fiverenana any amin’ny 400 taona lasa eo ho eo, tamin’ny taonjato faha-16. Eo am-panomboana dia hahaliana antsika i Eoropa, kontinanta izay nohozongozonin’ny fanoherana tamin’izany fotoana izany, toy ny tafio-drivotra izay mihamahery vaika.

Rano tondraka

Nandritra ny taonjato maro, ary izany dia nitarika izay mety ny hiantsoana azy hoe ny Fanitsiana, ny Eglizy katolika sy ny fitondrana misy mpanjaka eoropeana dia nifanohitra ka ny tsirairay avy dia nanambara fa nanana fahefana tao amin’ny iray sy ny vahoaka. Tany Eoropa, dia olona maro no nikomy tamin’izay hoheverin’izy ireo fa tafahoatra nataon’ny Eglizy.

Karazana fihetsika tafahoatra inona no nomelohin’izy ireo? Ny fanirian-javatra mihoa-pampana, ny fitondrantena ratsy mahatafintohina ary ny fidirana amin’ny raharaha ara-politika. Ny sarabambem-bahoaka dia tezitra nahita lehilahy sy vehivavy izay, etsy an-daniny, nitaky ireo tombotsoa manokana noho ny voady ho mahantra sy ho madio ara-pitondrantena notononin’izy ireo, nefa tetsy an-kilany, tsy nanisy lanjany ny lalàna amin’ny fanarahana ankarihary fanao misy kolikoly sy maloto. Tany Angletera, ireo andriana dia nisafoaka noho ny tarehin-javatra hafahafa nisy azy: tsy maintsy nandoa hetra tamin’ny papa izy ireo, nefa io tamin’izay fotoana izay dia nitoetra tany Frantsa ary nanohana io firenena io izay niady tamin’i Angletera.

Ny fandraisana kolikoly dia nandoto ireo ambaratonga ambony tao amin’ny Eglizy katolika. Tao amin’ilay bokiny hoe Ny fandrosoan’ny fahadalana (anglisy), ilay vehivavy mpanoratra tantara atao hoe Barbara Tuchman dia nanoratra fa ireo papa enina izay nifandimby nanomboka tamin’ny 1471 dia niseho ho “fatra-pitia vola, mpanaram-po amin’ny ratsy, tia kely ary nanapaka tamin’ny fomba mandrava”. Nolazainy mazava fa mba hanaovana izay hahambony sy hampanan-karena ny fianakaviany, izay nahantra hatramin’izay, Sixte IV dia nanendry dimy tamin’ireo zanaky ny iray tampo taminy sy iray tamin’ny zafikelin’ny iray tampo aminy ho kardinaly, zafikelin’ny iray tampo aminy iray hafa ho eveka, ary nampifamatotra tamin’ny fanambadiana, anisan’ny havany akaiky enina tamin’ny fianakavian’ny mpitondra. Rehefa tonga papa i Alexandre VI, dia fanta-bahoaka fa nanana vady tsy ara-dalàna maromaro sy zanaka fito izy. Tapa-kevitra ny hanao izay hahavoafidy azy ho papa izy ka nanome kolikoly ireo rafiny roa lehibe indrindra. Ny iray nandray “ramole efatra nivesatra anjam-bolamena maro”, hoy ny nosoratan’i Barbara Tuchman. Taty aoriana, tao Vatican, izy dia nanao fanasana izay “nalaza tao amin’ny tantaran’ny fahalotoam-pitondrantena”. Io boky io ihany no nitantara ny fomba nanafaran’ny papa Jules II tsangambato mampiseho azy tamin’ilay mpanan-talenta malaza atao hoe Michel-Ange. Rehefa nanontany azy ilay mpanao sary sokitra raha asiana boky iray eo an-tanany, dia namaly toy izao io papa tia ady io: “Asio sabatra eo. Tsy misy na inona na inona fantatro amin’ny soratra.”

Nanomboka vaky ny fefiloha

Tany Eoropa, ireo sarambabem-bahoaka dia naniry foana fitarihana ara-panahy iray. Rehefa nahatsapa izy ireo fa izay rehetra nitana fahefana dia nanana fiainana feno fahafinaretana mahatafintohina, ireny olona manetry tena ireny dia nitodika tany amin’ny fahefana hafa iray, izay teo imason’izy ireo dia nahery noho ny hafa rehetra: ny Baiboly. Noho izany, araka ny filazan’ilay mpanoratra atao hoe Joel Hurstfield, ny Fanitsiana dia “andro sarotr’ireo fahefana amin’ny heviny lalina indrindra”. Tany Italia, leon’ny fandraisana kolikoly nikiky ny Eglizy, ireo mpitory sy ireo moanina dia nanambara ampahibemaso ny ilàna fanitsiana. Kanefa tsy nisy fitomboan’ny ranon’ny fahasosorana mahery vaika toy ny tany Alemana.

Tamin’ny andron’ny fanompoan-tsampy, ireo foko alemà dia nanana lovantsofina nilazana fa izay nanao fahadisoana lehibe dia afaka, amin’ny fandrotsaham-bola, tamin’ny sazy nahameloka azy. Rehefa nitatra ny finoana katolika, io fomba fanao io dia niditra tao amin’ny Eglizy tamin’ny endriky ny fivarotana famotsoran-keloka. Ilay mpanota dia afaka nividy ny fahamendrehan’ireo “olo-masina” efa maty amin’ny papa, mba hanafoanana noho izany ny sazy amin’izao fiainana izao izay nampiharina taminy noho ny fahotany. Mba hanohanana ara-bola ireo ady natao tamin’i Frantsa sy ireo asa fanamboarana lehibe natao tany Roma, ny papa Léon X dia nanaiky ny varotra famotsoran-keloka, noheverina hanomezana famelana tanteraka ireo sazy amin’izao fiainana izao nampiharina noho ny ota. Sosotra tamin’izany fanao izany i Martin Luther ka nanazava ireo heviny 95, tonga malaza ankehitriny, mba hanalana sarona ireo fampianaran-dison’ny Eglisy. Ny fihetsiketsehana fanitsiana, ilay rano nitete kely izay nipoitra taranaka maromaro tany aloha, dia tonga riaka lehibe tohanan’ny olona mihabetsaka hatrany.

Tamin’ny taonjato faha-16, dia maro no nikambana tamin’ny olona toa an’i Luther tany Alemaina, Zwingli sy Calvin tany Soisa, ary Knox tany Ekosa, ka nihevitra fa tonga ny fotoana hanadiovana ny kristianisma sy hiverenana amin’ireo hasarobidy sy fitsipiky ny Baiboly. Tany Alemaina, dia natokana ny teny iray mba hanondroana ireo izay tsy nety nanaiky ny fahefana ara-pivavahana nampiharin’ireo andriana katolika sy izay nihevitra ny zavatra takin’Andriamanitra ho ambonin’ny hafa rehetra. Nampiharina tamin’izay rehetra nanohana ny Fanitsiana izany tamin’ny farany. Izany dia ny teny hoe “protestanta”.

Ny protestantisma dia niely haingana aoka izany tany Eoropa. Nanova ny endriky ny fivavahana sy namaritra tamin’ny fomba ankapobeny sisintany momba ny teolojia vaovao izany. Nanokatra ny lalana Alemaina sy Soisa, nanaraka azy akaiky Ekosa, Soeda, Norvezy ary Danemarka. Nisy fihetsiketsehana fanitsiana teraka tany Aotrisy, Bohême, Pologne, Transylvanie, Pays-Bas ary tao Frantsa.

Tany Angletera, ny fahasosorana dia niseho efa hatramin’ny taonjato iray mahery, tamin’ny andron’i John Wycliffe sy ireo “lollards”. Kanefa tamin’ny farany, rehefa nitranga ny fianjeran’ny Eglizy katolika, dia noho ny antony ara-nofo tanteraka indrindra satria nanapa-kevitra ny mpanjaka hiova vady fa tsy fivavahana. Tamin’izany, tamin’ny 1534, Henri VIII dia nanambara tena ho filohan’ny Eglizy vaovaon’i Angletera. Ny antony nanosika azy dia hafa noho ny an’ireo mpanohitra teo amin’ny sisa amin’ny Eoropa manontolo, nefa ny nataony dia tsy nahasakana ny ranon’ny fanitsiana ara-pivavahana tsy hitosaka tany Grande-Bretagne. Nanerana an’i Eoropa manontolo, izany rano izany dia vetivety dia menan’ny ran’ireo olona an’arivony maro izay natao sorona teo amin’ny alitaran’ny firehetana ara-pivavahana.

Tany amin’izay rehetra namakan’ny faniriana fanitsiana, ireo fananana sy tanin’ny Eglizy dia notsiriritina. Tao anatin’ny telo taona monja, ny fahefam-panjakana anglisy dia namabo monastera 560, izay ny sasany dia nanana fidiram-bola lehibe. Tany amin’ireo tany hafa, dia nisy mpanjaka sy lahika naka ny tanin’ny Eglizy. Rehefa fongotra ny haren’i Roma, dia tsy nisy fetra ny halozana. Mitantara izany toy izao i Barbara Tuchman: “Ny fahasiahana sy ny hetahetan-dran’ireo mpanafika dia ‘nahonena na dia ny vatolampy aza’. Re tany amin’ny faritra rehetra amin’ny tanàna ny kiakiaka sy ny fitarainana; ny Tibre dia nitondra faty.” Ireo antokon’olom-bitsy, na katolika na protestanta, dia nenjehina tamin-kalozana. Tany Bohême, dia nalaina ny fananan’ny protestanta, tany Irlanda kosa dia ny katolika no nankahalaina. Nokarohina fatratra ireo “huguenots” (protestanta mpanaraka an’i Calvin) frantsay, ireo presbyteriana ekosay ary ireo “puritains” (mpikambana amin’ny antokom-pivavahana presbyteriana nifikitra tamin’ny fomba hentitra tamin’ny Soratra masina) anglisy. Ny zavatra rehetra dia nitranga toy ny hoe nisy tadion-kadalana mahafaty nanomboka, teo ambanin’ny herin’ny fivavahana indrindra. Tsy hifarana mihitsy àry ve ny halozana?

Tsy nanana filaminana hatolotra na dia kely akory aza ny Eglizy. Nefa ny andriana, leon’ny ady an-trano nandaniam-bola be, dia afaka nanao fifanarahana izay nanisy fetra teo amin’ireo fivavahana nifanohitra. Ireo fanekena tao Augsbourg tamin’ny 1555 sy tao Westphalie tamin’ny 1648 dia nampifanitsy ny sisintany ara-pivavahana sy ara-politika, ka ny mpanjaka tsirairay dia afaka nanapa-kevitra ny hoe fivavahana inona no tokony harahin’ireo vahoakany. Niditra tao amin’ny fotoana vaovao i Eoropa tamin’izay ka haharitra 300 taona eo ho eo izany. Tany amin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa vao novan’ny mpandresy tamin’izany fifanolanana izany, dia ireo Mpiray dina, tanteraka ny endriky ny fivavahana.

Ny faniriana fahafahana sy fanitsiana ara-pivavahana dia nitombo tao ambadiky ny fefy izay nasehon’ny fameperana nandidian’ny Eglizy. Rehefa notanana mafy nandritra ny taonjato maro ny rano dia niboiboika tamin’ny farany, nitosaka tany amin’ireo lohasahan’i Eoropa ary namela tao aoriany endri-javatra rava. Any amin’ireo firenena protestanta, rehefa nitony ny tafiodrivotra, ny fitantanana ireo raharaha ara-pivavahana dia nesorina tamin’ny klerjy ary ireo lahika dia fefika teo amoron’ny fahefana tsy ara-pivavahana. Kanefa, Eoropa dia mbola vonton’ny tsy fileferana ara-pivavahana foana, ary nisy mpialokaloka nandositra avy tamin’ny tany iray ho any amin’ny hafa. Ilay kontinanta dia tsy nahatana intsony ny rano vaky. Tsy ela dia nanomboka nihoatra tany ivelany izany. Ny taonjato faha-17 dia nanome azy lalana fivoahana, satria ny Izao Tontolo Izao Vaovao dia teo an-dalan’ny fanjanahana.

Ireo rano vaky dia notarihina ho any ambadik’i Atlantika

“Ny iray amin’ireo antony voalohany nahatonga ny fifindra-monina aloha be nankany Amerika, hoy ny nosoratan’i A. Stokes tao amin’ny bokiny hoe Ny Fiangonana sy ny Fanjakana any Etazonia (anglisy), dia ny hetahetam-pahafahana ara-pivavahana.” “Leon’ny famelezana nihatra taminy ny olona. Ny batista, ny “quackers”, ny katolika, ny “huguenots”, ny “puritains”, ny “mennonites” sy ny hafa koa dia vonona ny hiaritra ny hamafin’ny dia sy ny hiroboka ao amin’ny tsy fantatra. Nanonona ny tenin’ny iray tamin’ireo mpifindra-monina i A. Stokes: “Maniry tany iray izay hahafahako manompo an’Andriamanitra mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly ahy aho.” Ny hamafin’ny fanoherana izay nilaozan’ireny mpifindra-monina ireny dia afaka mifampitaha amin’ireo zava-manahirana izay mahavonona azy ireo ny hiaritra azy. Tao amin’ilay boky hoe Ny zavatra tsapa rehefa mankany amin’ny zanatany (anglisy), David Hawke dia mitantara fa taorian’ny fialana mampalahelo tao amin’ny tany nahaterahana, izy ireo dia tsy maintsy nanampo ny handia “volana roa, telo na efatra ao anatin’ny tahotra tsy misy farany ny ranomasina misamboaravoara sy ireo jiolahin-tsambo lozabe”. Aorian’izany dia tsy milamina izany, ilay mpandeha trotraka dia “hiakatra an-tanety eo afovoan’ny Indiana baribariana, malaza ho tsy mifaditrovana (...) [ary hijaly] noho ny hanoanana mandritra ny ela be”.

Ireo mpifindra monina dia naniry fahafahana, ary ireo hery mpanjanaka naniry harena. Na inona na inona antony nanosika azy, ireo mpanjanaka dia nitondra ny fivavahany niaraka taminy. Alemaina, Holanda ary Grande-Bretagne dia nanao an’i Amerika Avaratra ho mandan’ny protestantisma. Ny fitondram-panjakana britanika indrindra no naniry “hanakana ny fivavahana katolika (...) tsy hamabo an’i Amerika Avaratra”. Niharan’ny herin’i Frantsa sy Grande-Bretagne i Kanada. Ny politikan’ny fitondram-panjakana frantsay dia ny “hitazona an’i Frantsa Vaovao eo am-pofoan’ny Eglizy katolika”. Tonga hatramin’ny fisakanana ireo “huguenots” tsy hiditra ao Québec izy. Teo ambanin’ny fahefana protestanta i Afrika atsimo sy faritra sasany tao Afrika andrefana. Nitombo izany rehefa nandeha ny fotoana, ary Aostralia, Nouvelle-Zélande mbamin’ny nosy maro ao Pasifika dia nanampy tao amin’ny an’ny protestanta.

Namboly ny fivavahana katolika tao Amerika atsimo sy Amerika afovoany sahady i Espaina sy Portiogaly. Ireo frantsay sy ireo mponina tao Portiogaly dia nanangana ny faneva katolika tany Afrika afovoany. Teo ambanin’ny herin’i Portiogaly i Goa ka namaka tany India ny fivavahana katolika.

Ny “Compagnie de Jésus” (ireo jesoita) dia niforona tamin’ny taonjato faha-16 mba hanandratra ny fivavahana katolika. Teo an-tenatenan’ny taonjato faha-18, dia jesoita maherin’ny 22 000 no niasa naneran-tany, ary nanamafy ny herin’ny fivavahana katolika tany Shina sy Japon aza izy.

Fahatsinjovan-javatra vaovao

Ireo rano mitosaka dia manana hery mahatalanjona, araka ny asehon’ilay fitantarana nambara teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Mampitovy tantana tany izany, mandavaka lohasaha vaovao ary manorotoro ny vato misakana sendra azy. Tsy mba manana mpifehy ny riaka mahery, tsy mba tarihina na tantanana izy. Izany indrindra no izy ny amin’ny fitosahan’ny Fanitsiana.

Tao amin’ny bokiny hoe Ny fahasahiranan’ny Fanitsiana (anglisy), G. Elton dia nanoratra fa “izay nitranga (...), araka izany, dia tsy dia fandresen’ny finoana vaovao nisaraka tamin’ny teo aloha akory fa fanekena ankapobeny sy miandalana ny fivavahana lazaina fa kristiana nozarazaraina, izay tsy nisy naniry azy”. Nivoaka avy ao amin’ny Fanitsiana voazarazara, rotidrotika, malemy, ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ireo olona dia nitolo-tena lalindalina kokoa ho an’ny andriana sy an’ireo Eglizim-pirenena na dia faran’izay kely aza io. Ny fanapahana tsy ara-pivavahana tany Roma dia nihena. Namaka tany amin’ireo tany vonton’ny fivavahana protestanta ny fanindrahindram-pirenena. Grande-Bretagne sy Etazonia, nofehezin’ny mpitondra protestanta, dia nikambana mba hahaforona ny Herim-panjakana Fahafito eo amin’ny tantaran’ny Baiboly ary nanapaka ny ho avin’izao tontolo izao nanomboka tamin’ny taonjato faha-18.

Nefa, ilay fihetsiketsehana fanitsiana dia tsy nanatanteraka izay nantenaina taminy. Inona no tiana hambara? Rehefa nandeha ny fotoana, ireo foto-pinoan’ny Fiangonana protestanta, ara-pirenena na tsia, dia nanatona akaiky dia akaiky ny an’i Roma. Ireo mpanao fanitsiana voalohany dia naniry fiverenana any amin’ireo fitsipiky ny Baiboly, any amin’ny kristianisma madio. Nefa raha mbola nitombo ny onjan’ny fanohanana ary niha-natanjaka, ny tsy fisian’ny fitarihana izay nampahantra azy dia nandevona araka izany koa ireny nofinofy ireny.

Ny fitosahan’ny ranon’ny Fanitsiana dia namela soritra izay mbola hita foana amin’izao taonjato faha-20 iainantsika izao. Mahafantatra sasantsasany amin’izany ve ianao? Ary, zavatra mbola lehibe kokoa, eo an-katoky ny fisavorovoroana ara-pivavahana haneran-tany sy farany isika izao. Mbola hiverina ny tantaran’ny fivavahana tamin’ny lasa. Ho tafita velona ve ianao mba hahita ny fahatsinjovan-javatra vaovao izay hiseho amin’izany? Ireo fanontaniana ireo no hodinihina ao amin’ny fanontana iray amin’ny janoary 1988 amin’ity gazety ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara