FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/12 p. 26-30
  • Mahasoa anao ve ny tantara ara-pivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahasoa anao ve ny tantara ara-pivavahana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay nahariharin’ny fivarotana famotsoran-keloka
  • Izay nahariharin’ireo hevitr’i Luther 95
  • Ny fiandohan’ny fialana tamin’ny finoana marina
  • Ny Fanitsiana — fa tsy ny fanorenana indray ny fahamarinana
  • Fianarana notsoahina avy amin’ny tantara ara-pivavahana amin’ny andro ankehitriny
  • Mahasoa ve ny tantara ara-pivavahana?
  • Ny Zava-bitan’i Martin Luther
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Wessel Gansfort sy ny Fanavaozana Protestanta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ahoana no hahatongavana ho marina eo imason’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny fitosahan’ny ranon’ny Fanitsiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/12 p. 26-30

Mahasoa anao ve ny tantara ara-pivavahana?

“TANY AN-TSEKOLY, dia nahasosotra ahy ny fianarana tantara”, hoy ny fieken’i Barbara tamim-pahatsorana. Amin’izao fotoana izao anefa, dia tsy hoe tsy mahafaly azy ny mahalala izay fantany momba ny Ady Lehibe Voalohany, ohatra. Ny fahalalana ny Tantara, miaraka amin’ny an’ny Baiboly tokoa, dia mahatonga azy ho afaka hanazava tsara kokoa ny hoe nahoana izao tontolo izao no tsy mahita fandriampahalemana intsony nanomboka tamin’ny 1914 (Apokalypsy 6:4). Ny tantara ara-pivavahana dia mety hanampy antsika koa hahafantatra ny amin’izao tontolo izao ankehitriny.

Nahoana no misy firenena, fitambaran’olona sy fianakaviana mihitsy aza misaratsaraka ho finoana katolika sy finoana protestanta nanomboka tamin’ny taonjato faha-16? “Tamin’ny ady ho an’ny fampianarana madio ny Filazantsara izay nipoaka tamin’izany fotoana izany, notarihin’ny teolojiana alemana, soisa sy frantsay indrindra, dia tsy nety nilefitra i Roma” hoy ny nosoratan’ilay mpanoratra tantara atao hoe Friedrich Oehninger. Izany fihetsika izany dia nitarika fiforonan’ny finoana ara-pivavahana samihafa.

Voaorina indray anefa ve na dia izany aza “ny fampianarana madio ny Filazantsara”? Ny fanopaza-maso amin’ny tantara ara-pivavahana dia hanampy antsika hahita izay tena nitranga tokoa.

Izay nahariharin’ny fivarotana famotsoran-keloka

“Nanomboka ny Fanitsiana rehefa nitsangana i Luther hanohitra ny fanararaotana tafahoatra tamin’ny fivarotana famelan-keloka, izay toa tsy nitondra tombony afa-tsy ho an’ny Eglizy, hoy ny nasain’ilay mpanoratra tantara atao hoe Gottfried Fitzer nomarihina. Raha ny marina anefa, izany fivarotana izany dia nampiharihary fa ireo fanaon’ny mpitondra fivavahana dia nifamatotra akaiky tamin’ny raharaha ara-bola, ara-toe-karena sy ara-politika.” Aoka hojerentsika akaiky kokoa izany.

Mba hidirana hanao raharaha lehibe maromaro teo anivon’ny Eglizy, ny printsy Albert de Brandebourg dia tsy maintsy nandrotsaka ho an’ny Vatican, ny mifanitsy amin’ny 15 tapitrisa ariary, vola nosamboriny tamin’ny mpiasan’ny trano fitehirizam-bola iray. Tatỳ aoriana, ny papa dia nanankina taminy ny fikarakarana ny fivarotana famotsoran-keloka tao afovoan’i Alemaina ary namela azy hampiasa ny antsasaky ny vokatr’izany fivarotana izany mba hamerenana ny vola nosamboriny.

Nahita vokatra ireo mpitory teny nampiasain’ny arseveka Albert de Brandebourg tamin’ny fivarotana famelan-keloka. Nampanantena “famelana tanteraka ny fahotana rehetra” sy fanafahana avy hatrany tamin’ny afo fandiovana izy. Raha lazaina marina, ny Eglizy dia tsy niantoka afa-tsy ny famelana fivalozana nampiharin’ny tenany ihany, fa ny zavatra ninoan’ny vahoaka kosa dia ny hanafahan’ny famotsoran-keloka tamin’ny fahotana rehetra. Tafintohina noho io fanao io i Martin Luther ka namoaka tamin’ny 1517 ireo heviny nalaza 95, “noho ny fitiavana ny fahamarinana”, araka ny nosoratany tao amin’ny fampidiran-dresanya.

Koa satria Luther tsy nitady hampiditra fiadian-kevitra afa-tsy teo amin’ny samy teolojiana ihany, zo nananany noho ny andraikiny tamin’ny naha-mpampianatra, dia tamin’ny teny latina no nanoratany ireo heviny. Araka ny filazan’i Friedrich Oehninger anefa izany dia nisy akony lehibe”. “Tsy ampy 14 andro akory, izany [ireo kopian’ny hevitra nadika tamin’ny teny alemana] dia niely nanerana an’i Alemaina ary, tsy ampy efatra herinandro, dia nanerana ireo tanin’ny fivavahana lazaina fa kristiana rehetra. Faly ny sasany satria rehefa ela ny ela dia nisy lehilahy iray nitsangana hanohitra ny fampahoriana romana; ho an’ny hafa, dia nanjary fankahala i Luther.” Ny tenan’i Luther mihitsy aza dia gaga noho ny vokatra naterak’ireo heviny. Inona àry no nahariharin’izany?

Izay nahariharin’ireo hevitr’i Luther 95

Araka ny heviny voalohany, dia tian’ny Tompo ho “fivalozana tsy misy farany ny fiainan’ny mpino”. Afaka manana fihavanana amin’Andriamanitra ny mpanota, tsy noho ny fivarotana famotsoran-keloka, fa amin’ny fibebahana amim-pahatsorana sy amin’ny fananana fitondrantena kristiana. Manambara toy izao ny anankiray tamin’ireo hevitra faramparany: “Lavitra àry ireny mpitoriteny ireny izay milaza amin’ireo mpino an’i Kristy hoe: ‘Fiadanana, fiadanana!, nefa tsy tonga ny fiadanana.” — Hevitra faha-92.

Ny Filazantsara fa tsy ny lovantsofina no tokony ho tena “harena” ambony indrindra, hoy ny nosoratan’i Luther (hevitra faha-55, 62 sy 65). Marina izany. Nampiseho ohatra i Jesosy tamin’ny fanorenana ny fampianarany tamin’ny Soratra ara-tsindrimandry. Izao no nambarany ny amin’ny Tenin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17; Lioka 24:44). Tamin’ny tsy fanarahana an’io ohatra io, ny klerjy dia nanda ny Baiboly amin’ny maha-fahefana tampony azy ary latsaka tao anatin’ny fandriky ny fampianaran’olombelona. Nanome tsiny azy tamin’izao teny izao i Luther: “Manambaka antsika izy ireny amin’ny fitoriana fa raha vao maneno ao anatin’ny loviabe ny vola, avy hatrany ny fanahy dia mandao ny fonenany any amin’ny afo fandiovana.” — Hevitra faha-27.

Nahariharin’i Luther ny “tombombarotra” noraisin’ny Eglizy tamin’ny alalan’io fampianarana io (hevitra faha-28). Porofoin’ny tantara ara-pivavahana fa ny klerjy dia tsy niraharaha ny fampitandremana araka ny Baiboly ka resin’ny fitiavam-bola (Hebreo 13:5). Niaiky toy izao ny bokin-tantara momba ny fivavahana katolika iray: “Ny antony lalina niteraka fikororosian’ny Eglizy tamin’izany fotoana izany dia ny politikam-pandoavan-ketran’ny fitondran’ny papa izay nokikisan’ny fivarotana fahasoavana tanteraka.”

Rehefa nanohitra “ny lovantsofina ‘nohamasinin’ny’ Eglizy” i Luther ary “nampiharihary tsy nisy fihambahambana ny fahalavoan’ny Eglizy tao anatin’izao tontolo izaon’ny vola sy ny fahefana”, raha raisina indray ny tenin’ny mpanoratra tantara protestanta iray, dia nanondro ny votoatin’ny zava-manahirana izy: ny nialan’ny ankapoben’olona tamin’ireo fampianarana kristiana tany am-boalohany.

Ny fiandohan’ny fialana tamin’ny finoana marina

Ny hevitra faha-11 dia nampitaha ny fampianarana tsy araka ny Baiboly iray tamin’ny “tsimparifary” izay niharihary tokoa fa nafafy raha mbola natory ireo eveka”. Io fanoharana io dia mampahatsiahy antsika ny fanoharana momba ny vary sy ny ahidratsy nanambaran’i Jesosy ny fisehoan’ny kristiana anarana (Matio 13:36-43). Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, ireny kristiana sandoka ireny, mbamin’ny mpampianatra niala tamin’ny marina, dia nampifangaro ireo fampianarana madio araka ny Baiboly tamin’ny filozofia grika. Nanomboka nampiely fampianarana tsy araka ny Baiboly toy ny tsy fetezan’ny fanahy ho faty, ny afobe mirehitra sy ny Trinite izy ireob. — Asan’ny 20:29, 30.

Ohatra, ireo kristiana voalohany dia tsy nahay hosodoko, ary ireo nolazaina fa rain’ny Eglizy dia nihevitra ny fankamasinana sary iray ho zavatra tsy mahitsy sy fametavetana zava-masina”. Tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-4 anefa, ireo eglizy dia efa feno sarin’i Jesosy, Maria, ireo apostoly, anjely sy mpaminany. Araka ny filazan’i Epiphane de Salamine, dia nankamasinina tsy araka ny tokony ho izy ireo olona naseho, tamin’ny fandohalehana teo anoloany. Nailika tsikelikely ny fampitandremana nandidiana ny kristiana mba ‘hiaro tena amin’ny fanompoan-tsampy’. — 1 Jaona 5:21; jereo Asan’ny apostoly 10:25, 26.

Tamin’ny fandaminana ambaratongam-pahefana teo amin’ny klerjy, ireo kristiana anarana dia nanda ny baikon’i Jesosy nandidy azy ireny mba tsy ‘hampanompo’ ireo rahalahiny (Matio 20:25-27; 23:8-11). Tatỳ aoriana, dia nitaky fahamboniana ny evekan’i Roma. Koa satria “tsy voafehy mihitsy ny fikororosian’ny fiainan’ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’ny papa nanaraka ny fanaon’izao tontolo izao”, dia imbetsaka ny Eglizy no niezaka “hanitsy tena, nefa tsy afaka nanao izany”, hoy ny nosoratan’ilay mpanoratra tantara atao hoe Oehninger.

Nahita fiovana bebe kokoa ny taonjato faha-16. “Nanohana azy [an’i Luther] ny toe-draharaha”, hoy i Oehninger. Hoy ny nanampiny: “Namely azy, nandrahona azy ho faty, ireo mpanohitra azy, kanefa vao mainka izy voatosika hampitombo ny famotopotorany nifototra tamin’ny Soratra Masina mandra-pahatongan’ny fandaharana katolika romana manontolo ho zavatra noforonin’olombelona fotsiny sisa, izay nirodana teo ambany masony.” Kanefa moa ve ireo fikambanana ara-pivavahana vao teraka tena afaka tokoa tamin’ny “fanaovan-javatra mihoa-pampana maharikoriko sy ny fampianaran-diso”, araka ny fihamboan’izy ireo?

Ny Fanitsiana — fa tsy ny fanorenana indray ny fahamarinana

Tamin’ny taonjato faha-16, ny faniriana hanao fanitsiana dia tsy niafara tamin’ny fanorenana indray ny Eglizy “eo amin’izao rehetra izao” na ny fampianarana kristiana. Izany dia niteraka fotsiny fitresahan’ny fivavahana lazaina fa kristiana niala tamin’ny marina, ho ampahany niala tamin’ny marina izay mba nisaratsaraka koa. Toa mbola matory ihany ireo eveka amin’izao andro izao, anisan’izany ireo mpandimby an’i Luther, araka ny nilazan’ny hevitra faha-11 azy.

Nanda ny fampianarana ny amin’ny famotsoran-keloka ny protestanta, kanefa nandray fampianaran-diso maro hafa izy. “Ny teolojia kristiana dia nindrana koa ny filozofia grika momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy, hoy ny novakina tao amin’ny Evangelischer Erwachsenenkatechismus (Katesizy protestanta ho an’ny olon-dehibe). Io fampianarana io dia “nampiarahina (...) tamin’ny fanambarana araka ny Baiboly momba ny fananganana ny tena”.

Amin’ny fanomezana fampianaran’olombelona sy amin’ny fampifangaroana ny fanompoany amin’ny asa tsy ara-pivavahana, ara-politika indrindra, ireo mpitondra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manimba ny fahefan’ny Baiboly, toy ny tamin’ny andron’i Luther. Noho izany, ny “endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” asehony dia miharihary fa tsy manan-kery sy tsy mahasakana ny tsy famonjena fotoam-pivavahana, ny tsy firaikan’ny mpanaraka azy, ny fanomezana endrika ara-politika ireo fiadian-kevitra ara-pivavahana sy ny tsy fitiavan’ny mpiangona. — 2 Timoty 3:5.

Toy ny fahalalana ny fiainan’ny marary iray taloha manampy mpitsabo iray hamantatra tsara kokoa ny aretina mahazo azy, dia toy izany koa fa ny tantara ara-pivavahana dia mety hanampy antsika hahatakatra hoe nahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao andro izao no voan’ny aretina tsy mety sitrana. Moa àry ve tsy misy fanantenana mihitsy ho an’ny kristianisma marina? Mifanohitra amin’izany! Ilay fanoharana nataon’i Jesosy dia nampiseho fa ireo mpianany nasehon’ny vary, ny tena “zanaky ny fanjakana”, dia ho fantatra amin’ny fijinjana tokony hitranga amin’ny “andro farany”. (Matio 13:38, 39; Daniela 12:4.) Ahoana no hanaovana izany?

Fianarana notsoahina avy amin’ny tantara ara-pivavahana amin’ny andro ankehitriny

Tamin’ny dia nataony tamin’ny 1891, dia nisy Mpianatra ny Baiboly nitsidika ny tranon’i Luther taloha, any Wittenberg. “Nandritra ny fitsidihana, dia nipoitra mazava indray teo anoloanay izany fotoana nisamboaravoara izany”, hoy ny fitantaran’ny mpandeha iray. Charles Russell dia anisan’ireo izay niditra tao amin’ny “birao [ny an’i Luther] ka nipetraka teo amin’ny sezany tranainy”. Mitohy toy izao ny fitantarana: “Afaka mifaly tokoa [isika] amin’izao andro izao, satria na dia tsy nahatontosa ny asany aza ireo mpitarika ny fanitsiana lehibe, fa nandamina fandaharana hafa nifototra tamin’ny fahadisoan-kevitra tamin’ny farany, noho ny fitondran’Andriamanitra, dia nitohy ny fanadiovana ny fitoerana masina ary eo am-panaovana azy izao ny fandaminana indray ny fanaka volamena, dia ny fahamarinan’Andriamanitra.” Izay tsy vitan’i Luther, dia notontosain’io mpitsidika io.

Nisy fisehoan-javatra ara-tantara nitranga rehefa nanorina antokom-pianarana ny Baiboly nahaleotena — niaraka tamin’olon-kafa tia ny fahamarinana — i Russell tao anatin’ireo taona 1870. Teo anelanelan’ny 1870 sy 1875 anefa, araka ny nosoratan’i Luther tatỳ aoriana, ireny mpianatra ireny dia ‘zara raha nahazo ny hevitry ny ambangovangon’ny Planin’Andriamanitra, ary teo am-panadinoana ireo fahadisoan-kevitra maro tiana hatramin’ny ela izy ireo, satria mbola tsy tena tonga ny fotoana fanavahana mazava ireo andinindininy kely’. Nanamarika dingana lehibe teo amin’ny fanorenana indray ireo fahamarinana kristiana tany am-boalohany anefa ireo taona nanaraka.

Tamin’ny alalan’ny Ny Tilikambon’i Ziona (anglisy), ireo Mpianatra ny Baiboly dia nanambara fa Jehovah no anaran’ny Avo Indrindra, fa mety maty ny fanahy (1881), fa tsy ampianarina ao amin’ny Soratra Masina ny Trinite (1882) ary ny afobe resahin’ny Baiboly dia ny fasana (1883). Toy ny fampianaran-diso niseho miandalana, dia toy izany koa fa ankehitriny dia nihanamirapiratra miandalana ny fahazavan’ny fahamarinana (Ohabolana 4:18, 19). Vao tamin’ny voalohany ireny kristiana ireny dia nahatakatra ny fahamarinana fototra ny amin’i Jesosy, izay nanome ny ainy ho avotra, ary nataony foto-kevitra lehibe tamin’ny fitoriany ny amin’ny fiverenany tsy hita maso sy ny Fanjakan’Andriamanitra. — 1 Timoty 2:6.

Tamin’ny 1884, mba hahavoalamina azy tsara kokoa ho amin’ny “fampielezana ireo fahamarinana araka ny Baiboly amin’ny fiteny samihafa” amin’ny alalan’ny boky, ireo Mpianatra ny Baiboly dia nampanoratra ara-dalàna tany Etazonia, fikambanana iray efa niforona, ny Zion’s Watch Tower Tract Society. Tamin’ny taona talohan’izay izy ireo dia efa namoaka boky tamin’ny teny soedoa, ary tamin’ny 1885 izy ireo dia namoaka ny zavatra voasorany voalohany tamin’ny teny alemana. Tamin’ny 1892, izy ireo dia nikasa ny hanatontosa asa misionera tany an-tany hafa. Amin’izao andro izao, ny Mpianatra ny Baiboly, — fantatra tsara amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah — dia mitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” any amin’ny tany sy faritany 208, amin’ny fiteny eo amin’ny 200. — Matio 24:14, MN.

Ny ankamaroan’ny Vavolombelona teo aloha dia anisan’ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana na fivavahana hafa ary nino fampianarana manala baraka an’Andriamanitra. Rehefa avy nahazo fahalalana marina ny amin’Andriamanitra sy naneho finoana izy ireny, dia nibebaka tamin’ny fitondrantena ratsiny, niverina, nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa amin’ny maha-mpanompony. Tamin’ny “fanaovana asa miendrika ny fibebahana”, dia nahazo fieritreretana madio sy fihavanana amin’Andriamanitra izy ireny. — Asan’ny apostoly 26:20; Jaona 17:3.

Mahasoa ve ny tantara ara-pivavahana?

Izany dia izany tokoa. Tapany lava amin’ny Baiboly no filazana ara-tantara ahitana fianarana (Romana 15:4). Tantarain’ireo Filazantsara ny fomba nampianaran’i Jesosy ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny Fikasany ny amin’ny tany. Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesosy mba hiandry ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izay handamina ny zava-manahirana ny olombelona rehetra. “Koa amin’izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”, hoy izy tamin’izy ireo. — Matio 6:9, 10; 25:1-13.

Ny tantara ara-pivavahana dia manamarina fa tena niseho araka ny voalaza mialoha tokoa ny kristiana anarana ka nanorina ny fanjakany teto an-tany. Nanova ny endrik’izao tontolo izao ny Fanitsiana fa tsy namerina indray ireo fampianarana marina araka ny Baiboly. Asehon’ny tantara koa fa amin’izao androntsika izao dia misy kristiana “miambina’, “tsy naman’izao tontolo izao” ary mametraka ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany (Jaona 17:16). Izany toe-javatra izany dia nanampy olona maro hamantatra ireo tena mpianatr’i Jesosy amin’izao andro izao.

Barbara, notononina teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity, dia anisan’ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 3 000 000 izay, maneran-tany, dia miezaka amin-jotom-po hampita “ny fampianarana madion’ny Filazantsara” amin’ny olona tso-po. Mahasoa ireny mpitory ilay Fanjakana rehetra ireny koa ny hananana fahalalana sasany ny tantara ara-pivavahana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tamin’izao andro izao, dia nisy mpanoratra tantara katolika nanizingizina fa tsy nametaka kopian’ireo hevitra resahina teo amin’ny varavaran’ny eglizy tany Wittenberg i Luther tamin’ny 31 oktobra 1517. Araka ny filazan’izy ireo, izany dia “angano noforonin’ny sain’ireo Fiangonana protestanta”. Na ahoana na ahoana, dia tsy azo lavina fa tamin’io andro io i Luther dia nanoratra taratasy tamim-panajana iray ho an’ny arseveka Albert, dia taratasy nampiarahiny tamin’ny kopian’ireo heviny. Nangataka azy tao amin’io taratasy io izy mba hananatra ireo mpitoriteny izay nivarotra famotsoran-keloka ka hiverina amin’ireo toromarika nomeny azy ireny. Mbola ao foana ny voalohany amin’io taratasy io. Voatahiry ao amin’ny antontan-taratasim-pirenena soedoa, any Stockholm, izany.

b Jereo ireo lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Tanimbary iray mamokatra vary sy ahidratsy” (Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1982, pejy faha-14-20) sy ‘Hampiditra mangingina antokom-pivavahana mitarika ho amin’ny fandringanana izy ireo’ (Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1984, pejy faha-10-15).

[Efajoro, pejy 28]

Ny famelan-keloka dia famelana ny sazy (tsy maharitra) vokatry ny fahotana (...). Tena atao ny famelana eto an-tany na any amin’ny afo fandiovana. — Josef Lortz, théologien catholique.

Na dia amin’izao andro izao aza dia tsy mifanaraka ireo teolojiana raha ny amin’ny hevitry ny famelan-keloka sy ny vokany eo amin’ny fiainan’ny katolika. — Heinrich Bornkamm, mpanoratra tantara protestanta.

Ny famelan-keloka: fampianarana katolika miavaka

Ilay mpampiaiky heloka dia mandidy ilay katolika mibebaka mba hanao fivalozana (vavaka, fifadian-kanina, fanomezana na fivahiniana masina, ohatra). Afaka manaisotra izany sazy izany ny papa, satria, araka ny hevitra inoan’ny katolika, dia minisitry ny fivalozana tsy maharitra rehetra izy (anisan’izany ny an’ny afo fandiovana) ary manome famotsoran-keloka izy amin’ny alalan’ny fampiharana “ny haren’ny” fahamendrehan’i Kristy sy ireo olo-masina. Niteraka fanararaotana loatra tena ratsy io tombontsoa io tany amin’ny Taona Antenatenany. Izany dia noresahina ho toy ny “raharaha ara-barotra lehibe dia lehibe, natao tsy nisy firaharahana ireo fitsipika ara-pitondrantena sy ireo fampianaran’ny Soratra Masina”.

Ny Eglizy dia tsy mampitovy ny fivalozana amin’ny famelana ny fahotana. Kanefa, na dia tamin’ny Andro Antenatenany aza, dia nananan’ny olona “ny hevitra inoana tsotra nilazana fa ny vola narotsaka dia nanala ny trosa [vokatry ny fahotana]”, ary nanohana izany hevitra izany ireo mpivarotra famotsoran-keloka. Namely ireny “angano” ireny ireo hevitr’i Luther. Azo natao ny namintina izany toy izao: “Ny famotsoran-keloka dia asan’olombelona ary tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.”

Nanorina ny fampianarana ny amin’ny famotsoran-keloka ny papa Clément VI tamin’ny 1343, kanefa tsy nilaza ny heviny mazava. Azon’i Luther natao àry ny niaro tena tao ambadiky ny manjavozavo nampiavaka izany. Nitady fanafodin’ny tarehin-javatra haingana ny Eglizy tamin’ny filazana hevitry ny teny hoe famotsoran-keloka, tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ny 1518. Kanefa ny didin’ny papa Léon X dia tsy nanome mihitsy “porofo araka ny Baiboly manamarina fa mahaforona harena mahatonga ho afaka hanome famotsoran-keloka ny fahamendrehan’i Kristy sy ireo olo-masina”. Nitarika an’i Luther katolika hanao fanapahan-kevitra lehibe izany. Nanapoaka ny Fanitsiana ny fandavany ny famotsoran-keloka tsy araka ny Baiboly, ary ny fanesorana ny fanakianany dia niafara tamin’ny fisarahana lehibe teo anivon’ny Eglizy.

Amin’izao androntsika izao, ireo fanakianana mafy natao teo anivon’ny Eglizy katolika” dia tsy nitarika ho amin’ny fanovam-pandaharana, fa ho amin’ny fanitsiana fanao sasany fotsiny”. Tamin’ny 1967, ny papa Paul VI dia nanapa-kevitra ny hanohana ny hevitra ninoana taloha momba ny famotsoran-keloka. Ho an’ireo katolika àry, dia mbola mitoetra ihany ilay fanontaniana fanapahan-javatra hoe: Mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra ve aho sa amin’ny fampianaran’olombelona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara