Hitako fa tsara Jehovah
Tantarain’i Lennart Johnson
NY ALAHADY 26 jolay 1931, Joseph Rutherford, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society faharoa, dia nanao lahateny mitondra ny lohateny hoe “Ilay Fanjakana, fanantenan’izao tontolo izao”. Izany dia nitranga tany Columbus, any Ohio, any Etazonia. Izaho sy ny fianakaviako dia nipetraka tany Illinois, any Rockford, izay nanarahanay ny fandefasana ny lahateny tamin’ny radiao. Vao 14 taona aho tamin’izay, nefa izay reko dia nanokatra ny masoko.
Liana tamin’ny hafatr’ilay Fanjakana ny raiko ary taty aoriana, ny rahalahiko; ny reniko, anefa, dia niseho ho tsy niraika mandrakariva. Maty ny raiko tamin’ny taona nanaraka, tamin’ny 1932. Nanohy nanome ny sakafoko ara-panahy ny fandaharana hafa an’ny Fikambanana Watch Tower. Na izany aza, dia tsy maintsy niandry ny volana aprily 1933 aho vao nahita ny toerana fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah; tany amin’ny kilaometatra maro, teo amin’ny morony iray amin’ny ony no nisy azy.
Hagagana toy inona moa ny an’ilay antokon’olom-bitsy Vavolombelona izay nivory tao nahita zatovolahy manifinify tonga tamin’ny bisikiletany mba hiara-hianatra amin’izy ireo ny boky Justification (fizarana II)! Isaky ny fivoriana, dia nahafanta-javatra bebe kokoa aho, ary faly aho, roa volana taty aoriana, nanomboka nitory ny hafatr’ilay Fanjakana isam-baravarana. Natao batisa aho tamin’ny fivoriamben’ny faritra (antsoina ankehitriny hoe fivoriamben’ny fizaran-tany) izay natao tamin’io taona io.
Isan’andro, taorian’ny fianarana, dia nandany teo amin’ny ora iray teo aho niresahana tamin’ireo mpifanolobodirindrina aminay ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanana fahafahana koa aho nanao fanambarana tany an-tsekoly. Ohatra, ny iray tamin’ireo lesona nataonay dia nandray indray ny fampianarana ny amin’ny fampijaliana ao amin’ny afobe, ka izany dia nanosika ahy hanome ireo porofo ara-baiboly manamarina fa ny maty dia tsy mijaly, fa tsy mahatsiaro tena kosa izy ireo ao am-pasany ary manana fanantenana fitsanganana. Nataoko lahatsoratra izany ary navelan’ny mpampianatra ahy hovakina manontolo tamin’ny iray kilasy.
Ny fanompoana manontolo andro
Tamin’ny may 1935, dia nanatrika fivoriambe tany Washington, izay nanamafisana ny asan’ny mpitory maharitra (ny fanompoana manontolo andro) aho. Rehefa tafaverina tany aminay aho, dia nanoratra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower, izay nandefa ho ahy, tsy lisitry ny faritany malalaka fotsiny, fa koa, tena nahagaga ahy tokoa, planina samihafa fanamboarana trano fiara. Tamin’izany fotoana izany, rehefa mpitory maharitra ny tena, dia ilaina ny mifindra matetika ho any amin’ny faritany vaovao, ary ny trano fiara iray dia fonenana tena mety. Nanapa-kevitra ny hiasa àry aho mba hahazoana fiarakodia sy trano fiara iray ary hirotsaka ao amin’ny asa fanompoana manontolo andro.
Eo am-piandrasana, dia nanomboka nampiasa fiarakodia misy fanamafisam-peo izay azon’ny kongregasionanay mba hitoriana ny hafatr’ilay Fanjakana aho. Nasaina aho, niaraka tamin’ny Vavolombelona iray, ho any Monroe, any Wisconsin, amin’ilay fiarakodia ka tany no nahitako an’i Virginia Ellis, izay tsy ela dia nalaiko ho vady. Anankiroa izahay izao no hiasa mba hividianana ilay fiarakodia sy trano fiara ilaina amin’ny asan’ny mpitory maharitra.
Maty tamin’ny fararano 1938 ny reniko, ary tany akaikikaikin’izany fotoana izany no nanoratan’i Harold Woodworth ho anay avy any amin’ny Fanjakan’i Nouveau-Mexique. Nanambara toy izao ny taratasiny: “Tongava aty, tena ilaina ny mpitory maharitra aty.” Araka izany, dia nanao dia teo amin’ny 1 600 kilaometatra izahay izay tokony hitondra anay any Nouveau-Mexique. Nisy telegrama voarainay tamin’ny adiresy izay nomenay teny amin’ny dianay. “Miverena aty an-trano”, hoy ny nambarany. Notolorana asa tsara karama sy misy fanantenana fisondrotana tsara dia tsara aho. Norovitiko ilay telegrama. Koa satria Jehovah nanampy anay tamin’ny fiomanana tamin’ny asa fanompoanay amin’ny maha-mpitory maharitra, dia niriko ny tsy hisian’ny zavatra hampiala anay amin’izany.
Nanomboka ny fanompoanay tamin’ny martsa 1939 izahay. Tany amin’ny manodidina an’i Hobbs, tany Nouveau-Mexique, izahay. Tany fiompiana izy io, izay nahitana koa vohitra kely maromaro naorina vao haingana ho an’ny mpiasan’ny fitrandrahana solitany. Nisy foana àry ny olona hitoriana. Ilay kongregasiona kely dia nanao ny fivoriany ny zoma sy ny alahady. Nitondra zavatra vita an-tsoratra, rano, sakafo, ary koa fatana kely sy fandriana azo avalona izahay, ary nitory tany ambanivohitra nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma tolakandro. Ny alina, dia natory teny ivelany izahay, eo akaikin’ny jiro mandeha amin’ny solitany mba hampanalavitra ny bibilava maneno. Nandany ny faran’ny herinandro tany an-tanàna niaraka tamin’ny kongregasiona izahay.
Taorian’ny volana maro, ny Fikambanana dia nandefa anay tany Roswell, avy eo, tany Albuquerque, mbola any Nouveau-Mexique ihany. Tany dia nampiasa indray ny fiarakodia misy fanamafisam-peo izahay, ka tena nahomby indrindra izany mba hitoriana tany amin’ireo vohitra indiana teo amin’ilay faritra. Rehefa nanomboka nanolotra gazety teny an-dalana ny Vavolombelona teo am-piandohan’ny 1940, dia faly izahay nandray anjara tamin’io asa io niaraka tamin’ny rahalahy tao Albuquerque.
Nirehitra ny fanenjehana nandritra ny ady
Nipoaka tany Eoropa tamin’ny volana septambra tamin’ny taona talohan’izay ny Ady Lehibe Faharoa, ary ny fialanalananay dia nahatonga fanoherana feno halozana. Indray andro, raha nanao fanompoana aho, dia nendahina ara-bakiteny ny lobako.
Nandritra ny fahavaratra 1940, dia nisy rahalahy nanolotra ireo gazety teo akaikin’i El Paso, any Texas, raha nosamborina ny sasany taminy. Ny alatsinainy nanaraka, Harold Woodworth sy ny tenako dia tonga tany amin’ny fitsarana azy mba hanampy azy ireo. Teo anatrehan’ny fitsarana, dia nametraka fanontaniana tena nifanentana tamin’ilay zavatra nitranga, tamin’ireo rahalahy, aho ka nanampy ahy izany hampisongadina hevitra tena tsara ho tombotsoan’izy ireo. Koa satria nambara avokoa ho tsy meloka izy rehetra, ny gazety mivoaka isan’andro iray dia niresaka ny amiko ho toy ny ‘mpisolovava tanora iray manana ho avy azo antoka’. Raha ny marina, dia Jehovah no nanome fandresena ny mpanompony tamin’izay andro izay.
Tany amin’ny tanàna hafa iray, ireo rahalahinay dia natao an-tranomaizina koa satria nitory ny vaovao tsara izy ireo. Niaro azy ireny teo anatrehan’ny fitsarana aho ary, nony avy eo, dia nandeha nitondra taratasy tany amin’ny mpanolo-tsaina monisipalin’ny tanàna tsirairay izaho sy ny rahalahy David Gray. Io taratasy io dia nampisongadina ny zo ara-dalàna ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary mampitandrina ireo fahefana fa raha mbola sakantsakanana toy izao ireo Vavolombelona, izy ireo dia ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra rehetra mety hitranga.
Novakin’ny lehiben’ny tanàna ilay taratasy ary tsy niteny na inona na inona izy, fa ilay lehiben’ny polisy kosa dia nanao izao fampitandremana izao taminay: ‘Aty Andrefana aty, ny sasany dia mivoaka ny tanàna mba hitsangatsangana, ary ... aoka hataontsika hoe... mitady azy ny hafa avy eo fa tsy mahita azy mihitsy.’ Tsy nampiharina mihitsy anefa izany fandrahonana izany; mifanohitra amin’izany kosa fa nilamina ny zavatra rehetra, ary nitsahatra ny fiampangana ireo rahalahy.
Teo akaikikaikin’izany fotoana izany no nanendren’ny Fikambanana ahy ho mpiandraikitra ny zaona, araka ny niantsoana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’izany fotoana izany. Ny faritaniko dia nitatra saiky nanerana an’i Nouveau-Mexique sy tapany iray amin’ny Texas.
Gileada sy ny fanendrena anay ho any ivelany
Tamin’ny 1943, izaho sy Virginia dia nasaina ho anisan’ny kilasy faharoan’ny Sekolin’i Gileada fianarana Baiboly, alamin’ny Fikambanana Watch Tower. Rehefa nahazo ny diplaomanay izahay, tamin’ny janoary 1944, dia nalefa tany amin’ny kongregasionan’i Flatbush, any Brooklyn. Nipetraka tao an-damosin’ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana izahay, tao amin’ny trano tranainy iray izay narodana taty aoriana rehefa nitarina ny fanontam-pirinty tao Adams Street.
Avy eo dia nalefa tany amin’ny Repoblika dominikana izahay; nanjaka toy ny lehibe tsy refesi-mandidy tany i Rafael Leónidas Trujillo Molina. Rehefa tonga izahay, ny alahady 1 aprily 1945, dia izaho sy Virginia ihany no hany Vavolombelona tao amin’ilay tany. Nidina tao amin’ny hotely Victoria nilasianay izahay ka dimy dôlara isan’andro no naloanay roa. Ny tolakandro ihany, dia nanomboka ny fampianaranay Baiboly voalohany izahay.
Izao no fitrangan-javatra. Ny vehivavy dominikana roa nampianarinay Baiboly tany Brooklyn dia nanome anay anaran’ny havana sy olom-pantatra sasantsasany ka anisan’izany ny dokotera Green. Nandeha nitsidika io lehilahy io izahay; tao aminy koa ny mpiara-monina aminy, Moses Rollins. Nambaranay taminy ny antony nanananay ny anaran’izy ireo sy ny adiresiny, avy eo dia nihaino tamim-pitandremana ny hafatr’ilay Fanjakana sy nanaiky fianarana Baiboly izy ireo. Tsy ela dia tonga ny mpitory voalohany teo an-toerana i Moses.
Tamin’io andro io ihany, tamin’ny takariva, dia nentin’ny dokotera Green tamin’ny aotobisy misy rihana izahay ary, teny ambonin’izy io, dia nitady trano hahofa izahay. Farany dia nifidy trano vato kely iray, tao an-drenivohitra ihany izahay, tao Ciudad Trujillo (Saint-Domingue ankehitriny). Tamin’ny jona, dia misionera hafa efatra no tonga nanampy anay. Nisy fanirahana faharoa nosokafana, ary dia misionera hafa betsaka no tsy ela dia tonga. Tamin’ny aogositra 1946, dia nahatratra tampon’isa izahay tamin’ny mpitory 28. Tsy ela, dia misionera maro hafa no tonga nanampy anay, ary fanirahana maro hafa no nisokatra. Teo ny fitomboana!
Ny fandrarana
Tamin’ny 1950, dia maherin’ny 200 izahay no mpitory. Kanefa, nanomboka nandefa ireo rahalahinay tanora tany an-tranomaizina ny fitondram-panjakan’i Trujillo noho ny fialanalanana hentitra izay arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Farany, tamin’ny 21 jona 1950, dia norarana tanteraka ny asan’ny Vavolombelona.
Rehefa tsy afaka nampiasa intsony ireo Efitrano Fanjakanany ireo rahalahy, dia nanomboka nivory tany amin’ny sasantsasany taminy, nitsitokotoko kely tsy nisarika ny saina. Nianatra lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay natonta maromaro tamin’ny fomba tsotra teo an-toerana izy ireo. Izay rehetra niseho ho tsy nivadika dia nankasitraka lalina ny hery ara-panahy izay nomen’i Jehovah azy ireo noho ireny antokom-pivoriana fianarana kely ireny.
Ny alahady, dia nitsidika ireo rahalahy maro tany amin’ny Repoblika dominikana izay voahidy tany an-tranomaizin’i Trujillo izahay. Nosavaina izahay teo am-pidirana, ary nanontaniana ny tsipiriany momba anay rehetra. Indraindray, rehefa niaraka tamin’ireo rahalahy izahay, dia nanodidina anay ireo miaramila ary nanara-maso akaiky anay. Indray andro, Stanley Aniol dia tonga avy any Chicago mba hitsidika ny anabaviny, Mary, izay misionera (anabavy Adams izy ankehitriny ary miasa ao amin’ny Betelan’i Brooklyn). Nentinay niaraka taminay tany an-tranomaizina izy ary, tohina noho ny tsy fivadihan’ireo rahalahy tanora ireo, ka nanoroka tamim-pitiavana azy rehetra izy teo imason’ireo miaramila.
Taorian’izany fitsidihana izany, dia niainga an-tongotra nanaraka arabe feno mpivarotra izahay. Ny fiarakodia iray feno lehilahy tanana an-kavanan’i Trujillo dia nandeha moramora nanaraka anay avy ao aoriana. Izany dia iray amin’ireo fomba fantatry ny rehetra fanaon’ilay filoha tsy refesi-mandidy mba hampitahorana ny olona. Rehefa nampahafantarinay ny rahalahy Aniol izany fikasany izany, dia tsy niraika na dia kely akory aza izy. Izany indrindra no tokony ho natao, tsy nanaiky hampitahorin’i Trujillo ka nametraka ny fitokisanay tanteraka tamin’i Jehovah.
Indraindray dia nisy mpisandoka, mpitsikilon’i Trujillo, tonga nandom-baravarana anay ka nisandoka ho Vavolombelona. Tsy maintsy ‘hentitra [malina, MN] tahaka ny menarana, ary mora tahaka ny voromailala’ izahay. (Matio 10:16.) Mba hahafantarana raha nifampiraharaha tamin’ny rahalahy izahay na tsia, dia notsapainay izy ireo tamin’ny fametrahana taminy fanontaniana sasantsasany feno fahamalinana.
Nandritra ny fandrarana, dia mpandahateny maromaro no nanao ny lahatenin’ny Fahatsiarovana tany amin’ny antokom-pianarana telo samy hafa. Tsy maintsy nifindrafindra avy tamin’ny iray ho any amin’ny hafa tamin’ny fomba miafina indrindra izy ireo. Tsy mahalana no manorana be ny andron’ny Fahatsiarovana ka izany dia fitahiana ho anay, satria ny tafiky ny mpitsikilon’i Trujillo dia natahotra ny orana toy ny atahoran’ny hafa ny rivotra mangatsiaka miaraka amin’ny orampanala.
Ny ankamaroan’ny misionera dia tsy nanatrika ireo fivoriambe niraisam-pirenena natao tany New York tamin’ny 1950 sy tamin’ny 1953. Ny fitondram-panjakan’i Trujillo tokoa dia tsy ho namela azy ireny hiverina ao amin’ny Repoblika dominikana. Tsy maintsy nianina tamin’ny fitantarana ny tsipiriany nataon’ny New York Times isan’andro momba izany izahay, ary koa tamin’ireo sary nandravahany azy. Ankoatr’izany, dia azo natao ny nijery tao amin’ny efitrano fandefasana sarimihetsika iray teo an-toerana ny fitantarana manontolo ny batisa lehibe izay natao tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1953.
Tamin’ny 1956, dia nampanantsoin’ny manam-pahefana izaho sy Roy Brandt mba hanaovana famotopotorana. Izany no nitranga tamin’ny rahalahy Manuel Hierrezuelo taona vitsivitsy teo aloha; ireo manam-pahefana dia nandefa ny fatiny tany amin’ny fianakaviany taty aoriana. Hanao ahoana ny fitrangan-javatra aminay?
Nanontaniana tsirairay izahay, ary toa notehirizina tamin’ny horonam-peo ny valin-teninay. Tsy nisy na inona na inona nitranga nandritra ny roa volana, ary indray andro, ny gazety dia nanambara fa nofoanan’ny fitondram-panjakan’i Trujillo ny fandrarana nihatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah; afaka nanohy ny asanay ampahibemaso izahay. Nosokafana indray ireo Efitrano Fanjakana, ary nanohy nandroso ny asan’i Jehovah.
Na izany aza, tamin’ny jona 1957, ny onjam-panenjehana vaovao dia namely mafy ny Vavolombelona, ary voaroaka ireo misionera rehetra. Nalahelo marina tokoa izahay ny hiainga. Efa hatramin’ny 12 taona no naha-tao amin’ny Repoblika dominikana anay sy Virginia ary hitanay ny isan’ny Vavolombelona nitombo, ka ny roa tamin’ny voalohany dia tafakatra ho 600 mahery. Ity fandrarana faharoa ity dia nofoanana tamin’ny 1960, ary ny isan’ny mpitory dia nanohy nitombo mandra-pahatrarany 10 000 eo ho eo ankehitriny.
Porto Rico
Rehefa tonga tao Porto Rico izahay, tamin’ny aogositra 1957, ireo rahalahinay kristiana sy mpanao gazety vitsivitsy dia teo mba handray anay. Ny fitantarana nataon’ny gazety momba io fisehoan-javatra io dia nahaforona fanambarana lehibe. Tamin’izany fotoana izany dia latsaka ny 1200 ny mpitory ilay Fanjakana tao Porto Rico; izao izy ireo dia 22 000 eo ho eo.
Tamin’ny 1958, ny Fikambanana dia nanasa ahy ho tonga mpiandraikitra mpitety faritany. Araka izany, rehefa nandeha ny fotoana, dia nianatra ny hahafantatra sy hiara-miasa amin’ny rahalahy maro mahatoky teo amin’ny faritra rehetra eto Porto Rico sy ireo nosy Vierges izahay. Nony avy eo, izahay mivady dia tonga mpianakavin’ny Betela, ary nomen’i Jehovah ahy ny tombotsoa ho tonga anisan’ny Komitin’ny sampana hatramin’izay niforonany izay.
Mifanaraka amin’ireo fampanantenany, Jehovah dia nanome ahy “zato heny amin’izao andro ankehitriny izao, (...) rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka”, ary izany dia mameno hafaliana ahy (Marka 10:30). Tsy ho naniry mihitsy hanokana ny fiainako amin’ny zavatra hafa noho ny fanompoana Azy aho. Noho izany, rehefa mieritreritra ireo 48 taona lasa hatramin’izay nanaovako ny fanompoana manontolo andro aho, dia afaka manambara amim-pifaliana hoe: hitako marina tokoa fa tsara Jehovah. — Salamo 34:8.
Raha mbola teo am-pamitana ny fanaovana pirinty ity fitantarana ity, Virginia Johnson dia nodimandry tao am-pandriany, ny 31 janoary 1987.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Jehovah no nanome fandresena an’ireo mpanompony!
[Teny notsongaina, pejy 28]
Izay rehetra niseho ho tsy nivadika dia nankasitraka lalina ny hery ara-panahy izay nomen’i Jehovah azy ireo.
[Sary, pejy 29]
Niara-niasa tamin’ny rahalahy mahatoky maro eran’ny faritany rehetra eto Porto Rico izahay sy Virginia.