Hitako ny Nahatongavan’ny “Malemy” ho “Firenena Mahery”
NOTANTARAIN’I WILLIAM DINGMAN
Taona 1936 tamin’izay; ny toerana dia tao Salem, any Oregon, Etazonia. nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Napetraka ilay fanontaniana hoe: “Aiza ny vahoaka be?” (Apokalypsy 7:9, King James Version). Izaho irery no vaovao tao, hany ka nanondro ahy izy rehetra sady niteny hoe: “Io izy io!”
TANY antenatenan’ireo taona 1930 dia somary vitsy ihany teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah no nanana ny fanantenana omen’ny Baiboly ny hiaina mandrakizay eto an-tany, ao amin’ny Paradisa. (Salamo 37:29; Lioka 23:43). Niova tamin’ny fomba nanaitra ny tarehin-javatra hatramin’io fotoana io. Mamelà ahy anefa, hitantara ny tarehin-javatra nitarika ho amin’ny fanatrehako io fivoriana tany Salem, any Oregon, io.
Ny raiko dia mpanao famandrihana tamin’ny L’Âge d’Or, anarana niantsoana ny gazety Mifohaza! Fony aho zatovo, dia tiako ny namaky azy io, ary nanjary niaiky aho fa nirakitra fahamarinana lehibe ao amin’ny Baiboly izy io. Koa indray andro àry, dia nandefa ilay tapakila tao amin’ny pejy farany amin’ny L’Âge d’Or aho. Izy io dia nanolotra ho an’ilay mpamaky, bokikely 20 sy boky iray ary ny anaran’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky indrindra. Raha vao naharay ireo zavatra vita an-tsoratra aho, dia nandeha isan-trano ka nametraka ireo bokikely rehetra sy ilay boky.
Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy olona niara-nianatra ny Baiboly tamiko. Raha ny marina dia mbola tsy niresaka na oviana na oviana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Kanefa izao aho, niaraka tamin’ilay adiresin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra, dia nandeha fiarakodia ho any Salem, any Oregon, tokony ho 40 kilaometatra, mba hanatrika fivoriana iray. Tao amin’io toerana io, raha mbola 18 taona monja aho, no nosinganina ho “ilay vahoaka be”.
Na dia tsy nanao fiomanana mihitsy ho amin’ny fanompoana aza aho, dia nanomboka niara-nitory tamin’ny Kongregasionan’i Salem. Nampirisihina aho mba hampiditra hevitra lehibe telo teo amin’ny fanambarako. Voalohany, dia ny hoe i Jehovah no Andriamanitra; faharoa, ny hoe i Jesosy Kristy dia Mpanjaka voatendriny; ary fahatelo, ny hoe ilay Fanjakana no hany fanantenan’izao tontolo izao. Niezaka nizara izany hafatra izany isam-baravarana aho.
Rehefa nifanerasera tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tao Salem nandritra ny roa taona aho, dia natao batisa tamin’ny 3 Aprily 1938. Faly ireo namana tao Salem nahita ny maromaro taminay “vahoaka be” natao batisa. Tamin’ny Febroary 1939, dia tonga mpisava lalana, na minisitra manontolo andro, aho. Ny Desambra tamin’io taona io, dia nekeko ny fanasana ho any Arizona, toerana izay nilana ny fanampian’ny mpitory ilay Fanjakana kokoa.
Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana tao Arizona
Mbola vaovao ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Arizona tamin’izay, ka maro ireo tsy fahazoan-kevitra nahakasika anay. Koa rehefa niditra tamin’ny Ady Lehibe Faharoa i Etazonia, dia nahita fanenjehana be dia be izahay. Ohatra, raha nanao fanompoana tao Stafford, any Arizona, aho, tamin’ny 1942, dia nisy kabary nataon’ny antokona Mormons momba ny fihetsiketseham-bahoaka hanoherana anay. Izaho sy ireo mpisava lalana namako dia nipetraka teo akaikin’ny tranon’ny pretra mormon iray izay nanaja anay. Niteny toy izao izy: “Raha marisika toy ny Vavolombelona ireo misionera mormons, dia hiroborobo ny Eglizy Mormon.” Tao am-piangonana àry, dia niteny hanohitra ireo mpanao fihetsiketsehana izy ka nanao hoe: “Reko fa nisy kabary natao momba ny fihetsiketseham-bahoaka hanoherana ireo tovolahy Vavolombelona. Monina eo akaikin’ireo tovolahy ireo aho, ka raha hisy fihetsiketseham-bahoaka hitranga, dia hitifitra avy ao ambadiky ny tambohoko aho. Hitifitra aho — saingy tsy ireo Vavolombelona, fa ireo mpanao fihetsiketsehana kosa. Noho izany, raha ta hanao fihetsiketseham-bahoaka ianareo, dia fantatrareo izay miandry anareo.” Tsy tonga na oviana na oviana ilay vahoaka romotra.
Nandritra ireo telo taona nolaniko tao Arizona, dia imbetsaka izahay no nosamborina sy nampidirina am-ponja. Indray mandeha, dia nohazonina nandritra ny 30 andro aho. Mba hiadiana tamin’ny famelezan’ireo polisy teo amin’ny fanompoanay, dia nanangana izay nantsoina hoe ekipa tselatra izahay. Nilaza toy izao taminay ilay Vavolombelona niandraikitra azy io: “Isika dia sahala amin’io anarantsika io. Manomboka amin’ny dimy na amin’ny enina maraina isika, mamela taratasy mivalona na bokikely isam-baravarana, ary avy eo dia miala toy ny tselatra.” Nahavita tapany lehibe ihany tamin’ny fanjakan’i Arizona ilay “ekipa tselatra” nisy anay. Kanefa, tamin’ny farany dia noravana izy io satria io endriny amin’ny fitoriana io dia tsy namela anay hanampy ireo olona liana.
Sekolin’i Gileada sy fanompoana manokana
Tamin’ny Desambra 1942, dia anisan’ireo mpisava lalana maromaro tao Arizona, izay nahazo taratasy fanasana ho amin’ny sekoly vaovaon’ny misionera natsangan’ny Vavolombelon’i Jehovah, aho. Tamin’ny voalohany ilay sekoly dia nantsoina hoe Kolejy Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Tatỳ aoriana, ilay anarana dia novana ho Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Ilay toeram-pianarana sady fonenan’ny mpianatra dia efa ho tany amin’ny 4 800 kilaometatra avy ao Arizona, tany akaikin’ny tanànan’i Ithaca, farany avaratry ny fanjakan’i New York.
Taorian’ny fitsidihana fohy an’i Oregon, tamin’ny Janoary 1943, dia maromaro taminay mpisava lalana no nandao ny hafanam-ben’ny Efitr’i Arizona tamin’ny alalan’ny aotobisy iray an’ny kompania Greyhound. Andro maromaro tatỳ aoriana, dia tonga izahay ary nahita ny ranomandry tamin’ny ririnin’ny farany avaratry ny fanjakan’i New York. Nisokatra tamin’ny 1 Febroary 1943 ilay sekoly, rehefa niteny toy izao tamin’ireo mpianatra niisa zato ny prezidàny, i Nathan H. Knorr, tamin’ny lahateny fitokanana nataony: “TSY zava-kendren’itỳ kolejy itỳ ny hampiofana anareo ho minisitra voatendry. Efa minisitra ianareo, ary efa narisika tamin’ny fanompoana nandritra ny taona maro. (...) Ny fampianarana ao amin’ilay kolejy dia tsy natao afa-tsy mba hanomanana anareo ho minisitra mahay kokoa any amin’ny faritany handehananareo.”
Koa satria tsy dia nahita fianarana loatra aho, tamin’ny voalohany dia nahatsiaro ho sadaikatra aho tao Gileada. Kanefa nahatakatra ny fomba fihevitro ireo mpampianatra, ka nanjary nankafiziko tokoa ny fianarako. Nahazo diplaoma ny kilasinay taorian’ny fampiofanana lehibe naharitra dimy volana. Taorian’izay, dia nisy vitsy taminay nalefa tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, toerana izay nandraisanay fampiofanana fanampiny hanomanana anay ho amin’ny asa fitetezam-paritany amin’ny maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany. Ny fanendrena ahy voalohany dia tany Caroline Avaratra sy Atsimo.
Tamin’ireny fotoana ireny, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia saika teny am-pandehanana foana. Nijanona iray andro tao amin’ny kongregasiona kely iray izahay, na roa andro raha kongregasiona lehibe. Ny ankamaroan’ireo kongregasiona tamin’izany dia kely. Noho izany rehefa avy nandany iray andro feno, ary matetika voahazona hatramin’ny misasak’alina mba hitsidihana sy hamaliana ny fanontanian’ny olona aho, dia nifoha indray tokony ho tamin’ny dimy maraina ny ampitso, mba handehanana ho any amin’ny kongregasiona manaraka. Nanompo tao amin’ny asan’ny fizaran-tany nandritra ny herintaona teo ho eo aho, ary avy eo dia nanao ny asan’ny mpisava lalana tao Tennessee sy tao New York nandritra ny fotoana kelikely.
Tany Cuba, ary nanohy tany Porto Rico
Tamin’ny May 1945, niaraka tamin’ny maro hafa, dia nalefa tany amin’ny fanendrena voalohany any ivelan’ny tanin’ny tena tamin’ny naha-misionera, dia tany Cuba, aho! Ny alina nahatongavanay tao La Havane, renivohitr’i Cuba, dia nivoaka mba hanao fizarana gazety izahay. Nijanona tao La Havane izahay mandra-pahitanay trano tao Santa Clara. Ny vola fanampiana isam-bolana azon’ny tsirairay taminay tamin’izany dia 25 dolara monja (tokotokony ho 75 000 FMG amin’izao fotoana izao) ho an’ny zavatra nilainay rehetra, anisan’izany ny sakafo sy ny hofan-trano. Nanamboatra fandriana sy fanaka tamin’ny alalan’ireo zavatra azonay nampiasaina izahay, ary nampiasa kesika fasiana paoma ho fitoeran’akanjonay.
Ny taona nanaraka, dia notendrena ho amin’ny asan’ny fizaran-tany aho. Tamin’izany fotoana izany, dia fizaran-tany iray i Cuba manontolo. Koa satria lava ranjo sady tia nandeha an-tongotra ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany teo alohako, dia voatery nihazakazaka ara-bakiteny ireo rahalahy sy anabavy mba hahafahana hanaraka azy. Hita mazava fa nihevitra ahy ho toy izany koa izy ireo, hany ka nomanin’izy ireo daholo ny zava-drehetra ho an’ny fitsidihako. Tsy niara-nivoaka teny amin’ny fanompoana tao anatin’ny andro iray izy rehetra, fa nizara ho antoko-mpitory vitsivitsy kosa ka nifandimby niara-niasa tamiko. Ny andro voalohany, dia nisy antoko-mpitory iray nitondra ahy tany amin’ny faritany lavitra iray; ny andro nanaraka, dia nisy antoko-mpitory iray hafa nitondra ahy tamin’ny faritany lavitra toy izany, ary toy izany hatrany. Tena reraka aho tamin’ny faran’ilay fitsidihana, saingy nahafaly ahy ilay izy. Manana fahatsiarovana tsara an’io kongregasiona io aho.
Tamin’ny 1950, dia nanana mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 7 000 izahay tany Cuba, saika nitovy tamin’ny an’i Mexique. Ny volana Jolay tamin’io taona io aho, dia nanatrika ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe Fitomboan’ny Teokrasia, tao amin’ny Yankee Stadium tao New York. Taorian’izay, dia nahazo fanendrena vaovao tamin’ny naha-misionera aho, dia i Porto Rico. Anisan’ireo misionera vaovao avy tamin’ny kilasy faha-12 tamin’i Gileada i Estelle sy i Thelma Weakley, izay niaraka tamiko nandeha fiaramanidina ho any Porto Rico.
Valo taona tatỳ aoriana, dia natao tamin’ny fomba tsotra tao Bayamón, any Porto Rico, teo amin’ny lampihazo, nandritra ny fiatoana tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-taninay, ny fampakaram-badinay sy i Estelle. Taloha sy taorian’ny fampakaram-badinay, dia nanompo tao amin’ny asan’ny fizaran-tany aho. Nandritra ireo folo taona mahery nolaninay tany Porto Rico, dia nahita fitomboana goavana izahay sy i Estelle — avy amin’ny isan’ny mpitory latsaka ny 500 ho amin’ny maherin’ny 2 000. Afaka nanampy olona maro ho tonga tamin’ny fanoloran-tena sy ny batisa izahay, ary nandray anjara tamin’ny fanorenana kongregasiona vaovao maromaro.
Tamin’ny Desambra 1960, dia nitsidika an’i Porto Rico sy niresaka tamin’ireo misionera i Milton Henschel avy amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York. Nanontany izy raha nisy sasany taminay ho afaka hanaiky fanendrena hafa. Anisan’ireo izay nirotsaka an-tsitrapo izahay sy i Estelle.
Ny fonenanay eto amin’ny Repoblika Dominikana
Ny fanendrena vaovao azonay dia teto amin’ny Repoblika Dominikana, ary notondroinay ho daty hifindranay ny 1 Jona 1961. Tamin’ny 30 May, dia nisy namono i Rafael Trujillo, ilay Dominikana mpanao didy jadona, ka nofoanana ny zotran’ny fiaramanidina ho any amin’io tany io. Tsy ela anefa dia naverina tamin’ny laoniny indray ireo zotra, ka afaka nandeha fiaramanidina ho atỳ amin’ny Repoblika Dominikana izahay ny 1 Jona, araka ny efa nomanina mialoha.
Tsy nilamina ilay tany fony izahay tonga tao, ary betsaka ihany ny asan’ny miaramila. Natahorana ny hisian’ny fanonganam-panjakana, ka nisava ny olona rehetra teny an-dalam-be ireo miaramila. Nosakanana tamin’ny toeram-pisavana maromaro izahay, ary tamin’ny tsirairay avy tamin’ireny dia nosavaina ny entanay. Navoaka avy tao anaty valizinay avokoa ny zava-drehetra, na dia ny kely indrindra aza. Izany no fomba nidiranay teto amin’ny Repoblika Dominikana.
Nijanona tao an-drenivohitra, tao Saint-Domingue, nandritra ny herinandro maromaro, izahay, talohan’ny nandehananay tany amin’ny nanendrena anay voalohany, dia tao La Romana. Nandritra ny fanapahana jadon’i Trujillo dia nilazana ny vahoaka fa Komonista sy ny olona ratsy indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho vokatr’izany, dia nenjehina mafy ny Vavolombelona. Afaka nandrava tsikelikely ny fitsarana an-tendrony anefa izahay.
Rehefa avy nanompo tao La Romana nandritra ny fotoana fohy izahay, dia nanomboka nanompo tamin’ny asan’ny fizaran-tany indray. Avy eo, tamin’ny 1964, dia notendrena ho misionera tao amin’ny tanànan’i Santiago izahay. Ny taona nanaraka, dia nisy fanonganam-panjakana teto amin’ny Repoblika Dominikana, ary teo dia tsy nilamina indray ilay tany. Nandritra ny fifandonana, dia nafindra tao San Francisco de Macorís, tanàna fantatra amin’ny fihetsiketsehany ara-politika, izahay. Na izany aza, dia nitory an-kalalahana, tsy nisy fanakantsakanana, izahay. Na dia teo aza ny tsy filaminana ara-politika, dia nahaforona kongregasiona vaovao iray mihitsy izahay. Nandritra ireo taona nanaraka, dia nahita fiovaovana bebe kokoa teo amin’ny fanendrena izahay talohan’ny nanendrena anay indray ho ao amin’ilay tranonay ankehitriny eto Santiago.
Tena nahita tokoa ny fitahian’i Jehovah ny asa teto amin’ny Repoblika Dominikana izahay. Rehefa tonga teto izahay tamin’ny 1961, dia nisy Vavolombelona tokony ho 600 sy kongregasiona 20 teto. Ankehitriny, dia misy mpitory efa ho 20 000 eto mitory ilay vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny kongregasiona maherin’ny 300. Be dia be ny fanantenana fitomboana, araka ny porofoin’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, nahatratra 81 277 tamin’ny 1997. Izany dia tokony ho avo telo heny noho ny isan’ny mpitory!
Ankehitriny dia firenena mahery
Na dia tsy mitsahatra miova aza ny sehatr’izao tontolo izao, ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly torin’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia tsy miova. (1 Korintiana 7:31). Mbola i Jehovah no Andriamanitra, mbola Mpanjaka i Kristy, ary ilay Fanjakana dia hita mazava kokoa mbola tsy nisy toy izany, ho ilay hany fanantenana ho an’izao tontolo izao.
Tetsy an-danin’izany, dia nisy fiovana mahatalanjona teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah hatramin’ny nanatrehako ilay fivoriana tao Salem, any Oregon, 60 taona lasa eo ho eo izay. Ny vahoaka be, na olona betsaka dia tonga lehibe, miisa maherin’ny dimy tapitrisa. Izany dia araka ny nolazain’i Jehovah mialoha mihitsy momba ny vahoakany, nanao hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” — Isaia 60:22.
Taorian’ny efa ho 60 taona tao amin’ny fanompoana manontolo andro, dia sambatra aho manana ny fifaliana amin’ny fanohizana mitory sy mampianatra amin’ny fanendrena ahy ho misionera. Tena tombontsoa lehibe tokoa ny fandraisana anjara amin’io asa io sy ny fahitana ny “malemy” tonga “firenena mahery”!
[Sary, pejy 21]
Miaraka amin’ny vadiko, eto amin’ny Repoblika Dominikana