Fivavahana sy finoanoam-poana: Mpisakaiza ve sa mpifandrafy?
NY ASABOTSY 11 jona 1983, indro ireo tantsaha teo amin’ny nosy indonezian’i Java fa samy nikoropaka tampoka nody mba hanidy izay varavarany amam-baravarankeliny rehetra. Inona angaha no nampiolomay azy ireo? Nisy fanakona-masoandro vao nanomboka ary natahorany andrao hidiran’ny aloka ny tranony ka hitondran’io loza.
Indraindray ny mponina amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana dia mampiseho firehetana ara-pivavahana amin’ny fanarahana fomba sy fanao toy ireny. Koa dia misy faritra sasany àry any Afrika iezahan’ny olona mba tsy handeha ambany masoandro mitatao vovonana sao “lasa adala”. Tsy avela hihinana atody ny ankizy fandrao hoe “lasa mpangalatra” rehefa lehibe. Misy ray aman-dreny tsy sahy milaza ny tena isan’ireo zanany noho ny tahotra sao hisy “mpamosavy hahare ity eboebony ka ho tonga haka ny iray”. — Ireo fivavahana tsy mbola nahita fandrosoana any Afrika (anglisy).
Mirona haneso ny fanao toy izany ireo Tandrefana izay tsy mahita amin’izany afa-tsy tahotra entim-pinoanoam-poana maneho ‘ny hadondrin’itony jentilisa’. Tsy ireo kristiana fotsiny anefa no miombona hevi-dravina toy izany. “Fahita amin’ny vahoaka maneran-tany ireny”, hoy Wayland Hand, izay mampianatra fiteny sy lovantsofina germanika. Efa mila ho iray tapitrisa izao ny finoanoam-poana niarahany nanao lisitra amin’ny mpiara-miasa aminy, M. Tally, tany Etazonia fotsiny.
Maro ireo manonon-tena hoe kristiana maniry hahafantatra ny vintany ka mitodika amin’ny fanandroana — izay anisan’ny finoanoam-poana tranainy indrindra. Ary na dia toa hafahafa aza, dia miharihary izao mihitsy ny fankasitrahan’ny mpiandraikitra ara-pivavahana sasany an’izany finoanoam-poana izany. Raiso ho ohatra ny niseho tany New York tamin’ity andro nangatsiakan’ny 10 janoary 1982 rehefa nisy patriariky ny Eglizy ortodoksa grika Tatsinanana antsoina hoe Vasilios nankalaza an-kalamanjana ny lamesan’ny Epifania. Tantarain’ny New York Post fa rehefa vita ny lamesa dia nisy lakroa volamena natsipiny tao anaty ony East River sady nambarany an’ireo mpanatrika fa izay nampiverina an’iny dia ho sambatra mandra-pahafatiny.
Kanefa moa ve misy ifandraisan’ny fampianarana fototra kristiana sy ny finoanoam-poana? Misy mpanoratra nanamarika ny toy izao: “Eo ambony rangolahin’ny finoana no midoroboka ireo felan’ny finoanoam-poana.” Koa moa àry ve tsy tokony hantenaina fa hanafoana na handroaka an’izay rehetra tahotra ateraky ny finoanoam-poana ny fivavahana kristiana?
Maharoaka ny tahotra ateraky ny finoanoam-poana ve ny fivavahana kristiana?
Izay no tokony hataon’ny fivavahana marina ary tena izany tokoa no nataony tamin’ny taonjato voalohany. Na dia velona teo anivon’izao tontolo izao romana feno finoanoam-poana aza ireo kristiana voalohany, dia notsipahiny daholo ny finoanoam-poana. Fa rehefa nodimandry ireo apostolin’i Kristy, ny kongregasiona dia nanomboka nitsofohan’ny fampianaran-diso maro, ka anisan’izany ny finoanoam-poana (1 Timoty 4:1, 7; Asan’ny apostoly 20:30). Nipoitra ny klerjy (mpitondra fivavahana) ary nifanaraka taminy koa, hoy ny boky Tantaran’ny Eglizy kristiana (anglisy), no nanombohana nampiasa ny tombam-bintana sy finoanoam-poana hafa koa. Taoriana kokoa dia natao hoe ‘kristiana’ mihitsy izany fanaom-bahoaka izany.
Ary ahoana amin’izao androntsika izao? Mbola leferin’ny fivavahana ihany ireo fomba ara-pinoanoam-poana. Toy izany indrindra ohatra ny any Suriname izay ahitana kristiana anarana taranaka afrikana mitondra ody miaro azy amin’ny fanahy ratsy, hono. Amin’izany no nisy nanao fanamarihana hoe: Isan’andro dia ao anatin’ny tahotra ireo olona ireo no miaina sy mihinana ary miasa sy mandry.” An-tapitrisany maro koa ireo olona maneran-tany no mitebiteby noho ny ‘fanahin’ireo’ maty. Ary tsy araka ny iheverana azy fa ny fivavahana mihitsy aza matetika no nampandroso ireny finoanoam-poana ireny.
Ohatra amin’izany ny niseho teto Madagasikara, nosy eo am-pitan’i Afrika. Rehefa nanomboka nampiely ny fampianarany teto ireo misionera nantsoina hoe kristiana, dia nanongilan-tsofina ho azy tokoa ny malagasy saingy tsy nety nanary an’ireo hevitra nentim-paharazana. Koa nanao ahoana àry ny fihetsik’ireo Fiangonana tamin’izany? Araka ny ambaran’ny gazety kenyana Daily Nation, “nandefitra sy nanaraka ambokony ireo misionera ary dia nianina tamin’izany fisehoan-javatra izany tamin’ny farany”. Inona àry no vokany? Tokotokony ho ny antsasa-mponina eto Madagasikara ankehitriny no isaina ho “kristiana”, nefa izany tsy mahasakana azy tsy hangorohoro noho ny “fanahin” ’ireo razany! Fahita mihitsy ireo pretra na pasitera antsoina mba hitso-drano ny taolam-balon-drazana avadika. Eny, ireo manam-pahefana ara-pivavahana dia nampaharitra tokoa ny lainga milaza fa azo angolaina na dokafana na omena kolikoly Andriamanitra na ny Devoly na ireo razana amin’ny alalana fombam-pinoanoam-poana.
Fisehoan-javatra toy izany koa no hita any Afrika Atsimo izay ilazan’ny 77% amin’ny mponina ny tenany ho kristiana ary izay ahitana olona maro be tokoa mamonjy fiangonana. Ny fivavahana afrikana nentin-drazana sy ny tandra vadin-kodiny, ny tahotra entim-pinoanoam-poana an’ireo raza-nandao, dia mbola mihazona tanteraka ny mpiangona an-tapitrisany maro. Dia toy izany no ahitana tany maro atao hoe kristiana manao ny fivavahana ho zary lalotra mandrakotra finoanoam-poana tonta nefa mateza sy saro-bonoina.
Etsy an-daniny kosa anefa ny fivavahana marina dia mandroaka ny tahotra entim-pinoanoam-poana. Amin’ny fomba ahoana moa? Amin’ny alalan’ny fahalalana izay fiasana fototra aminy. Ny fahalalana manao ahoana anefa izany? Ary ahoana no fomba fahazo azy?