Afaka manome fahafahampo amin’izay ilaintsika ve ny fivavahana?
Inona no hohaninay? Inona no hosotroinay? Inona no hotafinay? Zavatra mitana mafy ny saina ireo, indrindra fa ho an’ireo izay mahita fahasahiranana amin’ny fahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana. Aoka homarihintsika anefa izao fanambarana nataon’i Jesosy izao: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.” (Matio 6:25). Toa mahagaga anao ve ireo teny ireo? Rehefa misy olona tsy manan-tsakafo, fitafiana na fialofana tokoa, ny ilainy kokoa dia fanampiana mivaingana fa tsy fandrenesana toriteny hoheverin’ny sasany fa matsatso.
Tsy hoe tsy nihontsina velively i Jesosy na nanilika ireo raharaha ireo. Nihaino tsara izany kosa aza izy. Tsapany koa anefa ny loza iray tena nisy izay nosetrain’ny olona tamin’ny fitadiavana hanome fahafahampo izay ilainy: ny fanaovana ny fananana ara-nofo ho anton’ny fahavelomany sy ny tsy fiheverana an’Andriamanitra mihitsy. Ilaina àry ny hitanana ambaratongam-bidin-javatra ny marina.
Ho tonga amin’izany isika amin’ny fanarahana ity torohevitr’i Jesosy ity: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Raha manao zavatra mifanaraka amin’io torohevitra io isika, ny fivavahana — ny tianay holazaina eto dia ny fivavahana marina, mifototra amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly — dia tena afaka manome fahafahampo amin’izay ilaintsika.
Niseho ho nihevitra ny zavatra tena misy i Jesosy; Tsy nilaza akory izy hoe ny fahatongavana fotsiny ho anankiray amin’ireo mpianany sy ny fitandremana ireo fitsipiny dia hanaisotra avy hatrany ny fahasahiranantsika rehetra. Tsy te-hilaza koa izy hoe hatoritory fotsiny ireo mpianany eo am-piandrasana izay hanomezan’Andriamanitra azy ny ilainy amin’ny fomba mahagaga. Raha izany no izy, dia hanao izay hahatongavana ho kristiana haingana ny olona rehetra noho ny fanantenana ny hafahana avy hatrany amin’ny fanahiana eo amin’ny fiainana! Tian’i Jesosy haseho kosa fa ny Rainy, Jehovah Andriamanitra, dia manome izay rehetra ilaintsika. Izany no antony nilazany mazava hoe: “Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:32.
Omen’i Jehovah koa ny ilaintsika ara-panahy izay zava-dehibe tokoa. Amin’ny alalan’ny Soratra Masina, dia omeny antsika ny torohevitra izay mahatonga antsika ho afaka hitondra ny fiainantsika amin’ny fomba tsara indrindra (Isaia 48:17). Angonin’Andriamanitra koa ireo mpanompony eo anivon’ny fandaminana iray izay mitondra fanohanana ho azy ireny rehefa ilaina izany (Asa. 4:34). Mandray anjara amin’ny fanohanana ireo mpanompony koa izy amin’ny alalan’ny fanahiny masina na hery miasa (Lioka 11:13; Galatiana 5:22-25). Afa-tsy izany koa, dia nanao fandaharana izy mba hanorenana indray ny Paradisa eto an-tany. — Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 21:1-4.
Ny fanomezana fahafahampo amin’izay ilaintsika ara-nofo
Aoka hodinihintsika izao ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izay nanampy ny sasany hanome fahafahampo tamin’izay nilainy ara-nofo. Izao no nosoratan’i Paoly, apostoly kristiana:
“Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy (esprit).” (2 Korintiana 7:1).
Eritrereto ny loza rehetra sorohin’izay manalavitra ny fandotoana ny tenany amin’ny fampiasana paraky na sigara, zavatra mahadomelina na zavatra hafa koa. Azo atao koa ny mitsitsy be dia be eo amin’ny lafiny ara-bola amin’ny tsy fandanilaniana foana ny fotoanan’ny tena, ny vola na ny fitandremana, amin’ny fankafizana zavatra voasoratra maloto na amin’ny fanaranam-po amin’ny fialam-boly manimba ny saina.
Manampy toy izao ny Soratra Masina:
“Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; ary ny fitiavan-torimaso mampitafy vorodamba.” (Ohabolana 23:20, 21).
Homarihina fa ny fimamoana sy ny hatendàn-kanina dia mitarika ho amin’ny fahantrana sy mampitafy vorodamba. Olona be dia be, anisan’izany ny olona mpivavaka be, no mihosina ao anatin’ny fahantrana satria fatra-pitia alkaola na andevozin’ny fanao mandoto ny nofo. Izay manary ny fanao toy ireny mba hanarahana ireo fepetra takina ao amin’ny Baiboly dia mora mahita kokoa sakafo sy fitafiana ary fialofana.
Manampy ny kristiana hahazo fahafahampo amin’izay ilainy koa ny fotopoto-pitsipika hafa iray. Izany dia azo tsoahina avy amin’ireto tenin’i Paoly manaraka ireto:
“Fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.” (Hebreo 13:18).
Amin’ny fanaovana ny marina mandrakariva amin’ny toe-javatra rehetra no ahafahan’ny kristiana maro be mamelona ny tenany sy ny ankohonany. Mahazo laza tsara izy ireo amin’izany ka miseho ho mora mirona kokoa amin’ny fiaraha-miasa amin’izy ireny ny hafa. Tsy hanan-javatra be loatra angamba ny olona iray manao ny marina, kanefa mandrakariva dia ho afaka hahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana izy ka hiaro ny fahamendrehany.
Inty misy torohevitra hafa iray mitovitovy amin’izay:
“Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany.” (Efesiana 4:28).
Tamin’ny fampiharana an’io fotopoto-pitsipika io, dia kristiana maro be no afaka, noho izy mendri-pitokisana, nahita asa sy nahatana izany, ka afaka namelona tamin’izany ny tenany sy ny ankohonany. Tsy manaiky velively ho simban’ny toe-tsain’izao tontolo izao izay manakimpy ny masony eo anoloan’ny fanao tsy marina maro, ny kristiana fa manao ny marina hatrany ka mandray soa avy amin’izany.
Aoka horaisintsika ho ohatra ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah japone iray. Naniry hampihena ora vitsivitsy ny fotoana fiasany isan-kerinandro izy mba hanokanana izany misimisy kokoa amin’ny asa ara-panahy. Nampahafantatra ny faniriany tamin’ny mpampiasa azy izy, nefa indrisy! fa noroahin’io. Rehefa ren’ny renin’ilay mpampiasa ny raharaha, dia nanontany ny zanany lahy izy hoe: “Tsapanao ve fa vao avy nandroaka ny azo antoka indrindra amin’ireo mpiasanao ianao?” Taty aoriana ilay Vavolombelona dia nahita fahasahiranana hafa satria narary lamosina noho ny fanaovana asa hafa. Fotoana fohy taorian’izay, dia tafahaona tamin’ilay mpampiasa azy taloha izy. Nisamboaravoara mafy izy io, satria vao avy nandre fa ny anankiray tamin’ireo mpiasany dia nangalatra volamena, platinina sy peratra tao amin’ny fanamboarany firavaka. Tsy niandry intsony ilay mpampiasa fa nangataka tamin’ilay Vavolombelona mba hiverina ao amin’ny toerany, araka ny fepetra nangatahiny, satria nitady mpiasa manao ny marina izy izao.
Araka ny filazan’ny apostoly Paoly, ny kristiana iray dia tokony “hikely aina ka hiasa”, tsy ho an’ny tenany fa “mba hisy homeny izay tsy manana” koa. (Efesiana 4:28.) Rehefa misy fahoriana, ny kristiana marina dia vonona ny hanampy ny namany. Afaka nahatsapa izany ireto mpianakavy tany amin’ny nosy Fidji rehefa simba be dia be ny tranon’izy ireo noho ny rivo-doza nandritra ny fotoana nanatrehany fivoriambe kristiana iray. Rehefa tafaverina izy ireo, dia rava ny zavatra rehetra. Tamim-pifaliana anefa no nampiasan’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana ny fananany sy ny fotoanany mba hampiantranoana azy ireny sy hanampiana azy hanorina indray ny tranony. “Endrey ny fampaherezana hoy ny fihiakan’ilay ray, mahafantatra fa misy kristiana miahy antsika tokoa eto!”
Nahatsiaro fangoraham-po mafy ho an’ireo mahantra i Jesosy. Tamin’ny fotoana maro sy tamin’ny fomba samy hafa dia ny tenany mihitsy no namonjy ireo tsy nanana tombontsoa. Marina fa tsy niafina taminy ny hoe hisy foana ny fahantrana sy ny zava-manahirana ara-tsosialy hafa raha mbola maharitra koa ny fandehan-javatra ratsy (Jaona 12:8). Noho izany, na dia nandany hery aza izy mba hanampiana ny olona teo amin’ny lafiny ara-nofo, ny fanompoany dia natao indrindra hanomezana izay nilain’izy ireny ara-panahy.
Izao no nambaran’i Jesosy tamin’ny vahoaka voky izay nanaraka azy tany Kapernaomy: “Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:26, 27). Inona no tiany holazaina tamin’izany?
Te-hilaza izy fa tsy tsara ny hiarahan’ny olona amin’izy sy ny mpianany noho ny fitadiavana tombontsoa fotsiny. Fantany tokoa fa tsy hitondra soa maharitra ho azy ireny ny antony manosika toy izany. Koa izao no nolazainy taminy: “Sambatra ireo izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.” — Matio 5:3, 6 MN.
Raha mahatsapa filana hihinana ny olombelona, dia mahatsapa koa fa mila ny hahafantatra sy ny hanatratra zava-kendrena ara-panahy. Ny tena fahasambarana aza dia avy amin’ny fanomezana fahafahampo izany hanoanana ara-panahy izany. Niteraka fitambaran’olona fatra-pitia ny zavatra ara-nofo ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary ireo fivavahana tatsinanana dia namela ireo mpanaraka azy ho ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy. Ny fanompoam-pivavahana marina kosa anefa — ny fivavahana nampianarin’i Jesosy Kristy — dia manome fahafahampo amin’izay ilain’ny olona ara-panahy. Afaka mandray soa avy amin’izany koa ianao; ampy anao amin’izany ny manaraka azy.
Mba hanazavana izany hevitra izany, dia aoka hotononintsika ny amin’ny tanora Maorisiana iray. Indray andro, dia nandray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Tamin’ny kristiana iray izay nanolotra izany tamin’ny mpandalo izy. Rehefa afaka herinandro, dia niverina nitady gazety hafa izy. Nanazava izy fa ireo gazety ireo dia nanampy azy hahatsapa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra tamin’ny fotoana nikasany hamono tena noho ny fahasahiranana ara-bola. Nanomboka nahazo fahafahampo ny hanoanana ara-panahin’io zazalahy io.
Hahazo fahafahampo amin’ny fomba feno ve izay ilaintsika indray andro any? Manome toky antsika ny amin’izany ny Baiboly. Marina fa noho izy diso fanantenana imbetsaka, dia leon’ny mandre fampanantenana andro tsaratsara kokoa ny olombelona. Mendrika ny fitokisantsika anefa ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly, satria Jehovah Andriamanitra Mpanao izany dia mitarika ny tsirairay avy aminy ho amin’ny fahatanterahany. Nilaza tsara tokoa ny fahazoana antoka ny amin’izany i Josoa rehefa nampahatsiahy toy izao an’ireo rahalahiny isiraelita: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra; tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” — Josoa 23:14.
Hanjavona tanteraka ireo fanahiantsika rehefa hanadio ny tany manontolo Andriamanitra, araka ny fampanantenany mahatalanjona (Apokalypsy 11:18). Hahita fahafahampo izay ilaintsika rehetra rehefa ho notanterahin’ilay Fanjakana ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny olombelona, min’ny famerenana ny Paradisa eto an-tany (Matio 6:9, 10). Tsy ho re intsony amin’izay ‘ny feo mitomany sy ny feo mitaraina’ avy amin’izay tsy nahazo fahafahampo amin’ny ilainy. Hanana fiainana ampoky ny soa sy mahafa-po kosa ny rehetra noho ny asa atao amim-pahamarinana sy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra. — Isaia 65:17-25.
Maria, ilay relijiozy taloha voatonona ao amin’ny lahatsoratra eo aloha, dia nahazo izany fiaikena izany. Tsapany fa niaina tao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy izy hatramin’ny taona maro, nasian’ny tahotra ny ho avy matetika ary tsy nahay nanavaka ny tena hevitry ny fiainana. Nampiharihary taminy ny zavatra araka ny endriny hafa anefa ny fianarana ny Baiboly. “Niala avy amin’ny fahamaizinana ho amin’ny fahazavana mamirapiratra aho”, hoy ny fiaikeny (Salamo 43:3; Ohabolana 4:18). Tamin’izany dia azony natao, tsy ny nahita fahafahampo tamin’izay nilainy ara-nofo ihany, fa ny nampitony ny hanoanany sy ny hetahetany ara-panahy indrindra. Eny ny fivavahana, ny fivavahana marina, dia afaka manome izay ilaintsika.
[Sary, pejy 7]
Hanome fahafahampo amin’izay ilaintsika rehetra ny fivavahana marina.