Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Famantarana ratsy!
“Inona no famantaranao?” Ho an’ny olona an-tapitrisany maro izay mijery karatra fampiasa amin’ny fanandroana, io fanontaniana io dia tena zava-dehibe. Mihevitra ireny olona ireny fa eo am-pahaterahana, ny toeran’ny kintana sy ny planeta ary ny volana sy ny masoandro, raha oharina amin’ny antokon-kintan’ny zodiaka, dia manan-kery mivantana eo amin’ny fiainan’ilay olona. Kanefa, araka ny Independent, gazety any Londres mivoaka isan’andro, ny mpanandro dia manome famantarana tsy tsara ho an’ny olona. Ny karatra fampiasa amin’ny fanandroana ampiasaina mba hanorenana ny tombam-bitana dia miankina amin’ny “lalàna” ara-panandroana noraiketina efa ho 2 000 taona izay.
Izao no azo vakina ao amin’ny Independent: “Ny mpanandro dia milaza amin’ny olona fa teraka teo ambanin’ny famantaran’ny “Cancer” ny zanany.” Kanefa, hoy ity gazety ity, “raha mijery ny toeran’ny masoandro eny amin’ny lanitra izy ireo, dia ho hitany fa raha ny marina dia eo amin’ny antokon-kintan’ny “Gémeaux” izy.” Inona no mahatonga izany fahasamihafana izany? Izany dia noho izay antsoin’ny mpandinika ny kintana hoe “ny fisehoan’ny fotoana itovian’ny andro amin’ny alina mialoha”, fisehoan-javatra izay mahatonga ny andry fihodinan’ny tany hanao fihetsehana mitovy amin’izay ataon’ny tandrimo iray efa hijanona. Isaky ny 258 000 taona, io fisehoan-javatra mitranga mialoha io dia mahavita fihodinana 360 degre; izany dia midika fa ny fotoana itovian’ny andro amin’ny alina (équinoxe) dia mandroso 50 segondra tsipika mivolan-tsinana isan-taona na iray degre isaky ny 72 taona. Araka izany, ao anatin’ny 2 000 taona, ny toerana ahitana ny masoandro dia mandroso famantarana iray manontolo ao amin’ny zodiaka. Noho izany, “ny horoskopa dia tsy manome tena endriky ny lanitra eo am-pahaterahana”, hoy i Richard Smith, ao amin’ny bokiny hoe Zavatra mialoha ny siansa (anglisy). Amin’izao androntsika izao, hoy ny nanampiny, ny ankamaroan’ny “Scorpions” raha ny marina dia teraka tamin’ny fotoana izay nahatongavan’ny masoandro tao amin’ny antokon-kintan’ny “Balance”, ny ankamaroan’ny “Lions” dia “Cancers” raha ny tena izy, ny ankamaroan’ny “Cancers” dia “Gémeaux”, etsetra.”
Ny fisalasalana momba ny sarin’ny kintana fampiasa amin’ny fanandroana dia mampiseho amintsika fa ny lalan’ny fahendrena dia ny fitadiavana ny fitarihan’ny Mpamorona, fa tsy ny zavatra noforonina (Romana 1:24, 25). Kanefa, dia misy antony mbola lehibe kokoa tsy tokony hahaliana antsika amin’ny horoskopa, dia ny hoe mety ho voatarika hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny ‘masoandro, na ny volana, na ny kintana, zavatra izay nandraran’Andriamanitra’ isika. — Deoteronomia 17:2-5.
Tsy misy rano: tsy misy fiainana
Toy izany no fanatsoahan-kevitra nataon’ny profesora Norman Horowitz, mpahay siansa niara-niasa tamin’ny fandefasana iraka nampanaovina an’i Mariner sy Viking teny amin’ny Mars teo anelanelan’ny 1965 sy 1976.
Ao amin’ny bokiny hoe Mankany amin’ny hevi-dravina sy miverina avy amin’izany: fikarohana ny fiainana ao anatin’ny fandahara-masoandro (anglisy), ny profesora Horowitz dia nanamarika fa ny zavatra hita nandritra ireny iraka ireny dia nanome valiny mazava ny fanontaniana hoe misy fiainana ve eny amin’ny Mars na izay planeta hafa ao amin’ny fandahara-masoandro. “Tsy misy eny amin’i Mars, hoy izy, io zavatra fototra mahatalanjona izay manapaka eo amin’ny tontolo iainana eto amin’ny planetantsika io: ranomasimbe eo amin’ny masoandro.” Ny fikarohana dia nanamafy fa tsy misy rano eny amin’i Mars.
Taorian’ny fanandramana natao tamim-pitandremana izay nanala izay rehetra momba ny mety hisian’ny fiainana eny amin’i Mars dia niaiky toy izao i Horowitz: “Raha diso fanantenana isika noho ny tsy nahitana fiainana teny amin’i Mars, dia nianatra zavatra koa isika: koa satria io planeta io no nanolotra fonenana naha-be fanantenana indrindra ho amin’ny fiainana ivelan’ny tany, ankehitriny dia saika azo antoka fa ny tany no hany planeta ahitana fiainana ao amin’ity faritry ny vahin-danitra ity.”
Mifanentana amin’izany tokoa ny teny nataon’Isaia mpaminany, rehefa nanambara izy fahiny momba ny tany, fa nataon’ny Mpamorona azy “honenana” izy ity! (Isaia 45:18.) Vao teo am-piandohan’ny fitantaran’ny famoronana, dia voaresaka ny rano. Miharihary fa nilaina ny nisian’ny rano talohan’ny namoronana izay mety ho endri-piainana tetỳ ambonin’ny tany. Araka ny nasehon’ireo iraka nalefa teny amin’i Mars dia tsy mety hisy fiainana raha tsy misy rano — ankoatra ny fiainana ara-panahy. — Genesisy 1:1-10.
[Sary, pejy 7]
Ny voho tsy misy ain’i Mars jerena avy eny amin’i “Viking II”.
[Sary nahazoan-dalana]
Photo NASA