FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/9 p. 3-4
  • Tokony hiova finoana ve aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony hiova finoana ve aho?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • ‘Manana ny fivavahako aho, ampy ahy io!’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/9 p. 3-4

Tokony hiova finoana ve aho?

VAO niainga indrindra avy ao Naha, seranan’i Okinawa ny fiaramanidina, nitondra mpandeha 101. Tsikaritr’ilay mpamily tampoka fa nisidina nanitsy azy ny fiaramanidina telo mpamantatra ny toetr’andro. Tsy niahotrahotra na dia kely aza izy nivily niankavia ka afaka nisoroka ny fifandonana, ary nahavonjy ny ainy sy ny an’ireo mpandeha. Io fisehoan-javatra io, nolazalazain’ny gazety japone iray ho loza aman’antambo saika tsy voasoroka, dia mampiseho fa ilaina indraindray ny miova tanjona mba hamonjena aina.

Olona be dia be anefa no mihevitra fa raharaha hafa tanteraka ny fiovana finoana. Miteraka fanahiana mafy ny fiovana karazan’izany, indrindra fa ny hoe hiditra ao amin’ny lalana iray tsy fantatra. Ramatoa Tachi, olona iray niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza ny heviny toy izao: “Mahalala olona be dia be misalasala ny amin’ny fivavahana sy manontany tena ny amin’ny fiheverany ny vola aho. Hatramin’ny fahakelezanay anefa, dia tamin’ny fety sy ireo fanao indrindra no nahitanay ny fivavahana. Tsy noeritreretinay loatra ny hevitra ara-panahin’ny hoji [fombafomba ara-pivavahana bodika natao ara-potoana ho fahatsiarovana olona maty iray]. Noheverinay indrindra ho toy ny fivoriana nahafaly teo amin’ny mpihavana sy ny mpifanila trano izany. Natahotra ny handao izany rehetra izany aho, na zavatra hafa koa, sy ny harian’ny fianakaviako.” Tsy isalasalana fa mitovy fihetseham-po amin’izany ny olona manodidina anao.

Misy karazan-tahotra hafa koa. Any amin’ny toerana maro, dia matahotra ny hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny olona raha miova finoana. Ny havan’ny vehivavy iray izay nanomboka nianatra ny Baiboly tany Japon dia nilaza taminy fa ny nahatonga ny tsy fahasalamany sy ny fanahiany tao amin’ny fianakaviana dia noho ny “tsy niraharahany ireo razambeny” sy ny nampahatezerany azy ireny tamin’ny fianarana “fivavahana hafa”.

Ny sasany mitandrina mba tsy hiova finoana noho ny tahotra ny tsy hahafaly ny vadiny na ny ray aman-dreniny. Any amin’ny tany tatsinanana maro, ifikirana mafy amin’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana, dia antenaina mandrakariva ny hanarahan’ny zazavavy vao nampakarina ny zavatra inoan’ny havam-badiny. Na dia tsy mitodika loatra any amin’ny fivavahana aza ny mpivady vao dia heverina fa zavatra faran’izay lehibe ny hifanarahana hatrany amin’ny fianakaviana sy ny tsy hanilihana ireo zavatra inoana amin’ny fivavahana. Araka izany, dia nitsahatra tsy nianatra ny Baiboly ireto mpivady tanora taorian’ny “fiaraha-midinika” nataon’ny fianakaviana tamin’ny fomba henjana. “Rehefa nohalalinina, dia natahotra olona izahay, hoy ny fanazavan’ilay lehilahy, izay hatramin’izay dia nianatra indray. Noheverinay fa tokony hanao izay nirin’ireo ray aman-dreninay izahay, ka tsy tianay ny hanafintohina azy amin’ny fiovana finoana.”

Io fanjohian-kevitra io dia mitarika antsika hihevitra antony iray hafa izay mahatonga ny maro hatahotra ny hiova finoana: ny tsy fitiavana avy hatrany ny tsy hitovy amin’ny hafa. Araka izany, ireo ray aman-dreny voatonona eo ambony, ankoatra ny antony hafa, dia nanery io mpivady tanora io tsy hianatra Baiboly intsony satria tsy tiany ny hiheverana ireo zanany ho hafahafa na hailiky ny vahoaka.

Miteraka fanahiana mafy àry ny fanontaniana hoe: ‘Tokony hiova finoana ve aho?’ Noho izany antony izany dia olona be dia be no manana izao fiheverana voamariky ny filozofia izao: Tsy ny fivavahana akory no zava-dehibe indrindra. Moa ve ireo fivavahana tsy samy lalana mitarika ho any amin’ny toerana iray ihany? Sahala amin’ireo rajako telo malaza, dia tsy mahita ratsy, tsy mandre ratsy ary tsy milaza ratsy mihitsy ny amin’ny fivavahana izy ireny.

Kanefa dia tena misy olona miova finoana tokoa. Inona no antony? Ny sasany nanaraka fandaminana ara-pivavahana hafa izay nampanantena fa hanome azy ireo fahasalamana na tombontsoa ara-bola avy hatrany, sady mamela azy ireny hitana ny fiheverany sy ny fanaony ara-pivavahana mahazatra azy. Ny hafa kosa nanao tena fiovana. Nefa manontany tena toy izao angamba ianao: ‘Manana antony tsara tokony hiovana finoana ve aho? Nahoana no nisy nanao toy izany? Tena mety hanova ny fiainako tokoa ve izany fiovana izany?’ Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Inona no manosika ny olona hifikitra hatrany amin’ireo lovantsofiny ara-pivavahana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara