Nahoana no misy miova finoana?
AZO antoka fa tsy maintsy ho antony lehibe vao hampanapa-kevitra olona hanao fiovana tanteraka toy ny fiovam-pinoana. Raha fintinina, ny soa horaisiny avy amin’izany dia tokony hihoatra noho ny fahasahiranana ho hita.
Ny fianarana hahalala ny Mpamorona anao sy hampifamatotra fifandraisana aminy, moa ve izany no antony azo ekena mba hanaovanao izany fiovana izany? Toy izany no izy amin’ny maro. Tsy azo atao ny hampifamatotra fifandraisana amin’ny olona iray raha tsy efa nianatra ny hahafantatra azy tsara. Tsy isalasalana fa hatahotra ny handray tanan’olona tsy fantany ny ankizy kely iray. Toy izany koa, tsy ho afaka ny hanomboka hamboraka ny ao am-pontsika amin’Andriamanitra isika raha tsy rehefa avy nianatra ny hahafantatra azy. Marina fa ny ankamaroan’ireo fivavahana dia mankamasina olona lehibe iray antsoiny ho Andriamanitra. Kanefa, amin’ny ankamaroan’olona, moa ve Andriamanitra tsy fisiana manjavozavo fotsiny sy lavitra, tsy manana ny maha-izy azy voafaritra tsara? Raha izany no izy, ahoana no ahafahana mianatra hahafantatra azy?
Talanjona isika noho izao tontolo izao manodidina antsika ahitana taratry ny fahatsaran-tarehy sy ny fahalalinan-tsaina ary ny hery. Na dia zava-miafina amin’ny olona maro aza ny niandohan’ireny zavatra rehetra ireny, dia misy boky iray manazava azy. Tsy inona io boky io fa ny Baiboly. Amin’ny famakiana azy, dia fantatsika fa ireny zava-mahatalanjona ireny dia nataon’ny Mpamorona iray manana anarana sy maha-izy azy miharihary mazava rehefa mianatra amim-pitandremana ny Baiboly. Amin’izay Andriamanitra dia hitantsika ho Andriamanitra fitiavana izay miahy ny amin’ny zavaboariny. Izao no ambaran’ny Baiboly: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Mahatsiaro ho voasintona isika noho izany maha-izy azy mahafinaritra izany, ifandanjan’ny fitiavana sy ny fahendrena ary ny fahamarinana sy ny hery amin’ny fomba tonga lafatra. Amin’izay no mety hiorina ny fifandraisana akaiky.
Tamin’izany no nahatsapan’i Misae fa voasintona ho amin’i Jehovah izy. Hoy ny fitantarany: “Fony mbola kely aho, dia nampianarina fa nisy andriamanitra be dia be: ny andriamanitry ny rano, ny andriamanitry ny hazo sy ny andriamanitry ny trano. Nisalasala ny amin’ny fisian’izy ireny anefa aho ary nieritreritra fa tokony hisy Andriamanitra marina iray. Ny fanabeazana bodika sy sintoista hentitra azoko dia nitarika ahy hino fa Andriamanitra dia fisiana mahatahotra izay nizara sazy noho ny ratsy natao. Naniry ny ho any amin’ny fiangonana iray aho ary hianatra ny hoe iza no Andriamanitry ny kristiana, saingy nitana ahy ny fanabeazana bodika azoko. Tamin’izay no tonga tao an-trano ny vehivavy iray ka nanipy hevitra ny hiara-hianatra ny Baiboly amiko. Tamin’io fianarana io, dia fantatro indrindra fa manana anarana Andriamanitra, Jehovah. Talanjona aho nahafantatra fa tsy Andriamanitra mahatahotra akory izy, fa Andriamanitra fitiavana izay tsy mitsahatra ny mandinika antsika, tsy hoe mba hanasaziana antsika akory, fa mba hanampiana antsika. Io Andriamanitra io no tiako hotompoina. Niova finoana àry aho.” 29 taona izao no itanan’i Misae fifandraisana tsara amin’Andriamanitra.
Fifandraisana mitondra fahafahana sy manome fanantenana
Olona maro no mahita soa hafa koa avy amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Arakaraka ny andraisan’ny fifandraisany amin’Andriamanitra toerana alohan’ireo fatorana hafa nety ho nitana azy tokoa, dia afaka amin’ny tahotra olona manandevo sy ny fitandremana fanao mavesatra tsy misy heviny na tena vidiny ireny olona ireny. Afaka àry izy ireny amin’ny adidy andaniam-bola be ho fanaovana izay tsy hahafa-baraka sy amin’ny lovantsofina tsy voatanan’ny fianakaviana maro raha tsy amin’ny fitrosana maharitra. “Mamandrika ny tahotra olona”, hoy ny fampitandreman’ny Baiboly, sady manome toky izy fa “izay matoky an’i Jehovah no hovonjena”. — Ohabolana 29:25.
Azo atao koa ny ho afaka amin’ny karazan-tahotra hafa, dia ny tahotra ny fahafatesana. Izao no notantarain’i Misae, voatonona ery ambony: “Voan’ny tefoedra aho teo amin’ny faha-22 taonako. Somary tsy nahatsiaro saina aho raha nandre ireo havana aman-tsakaizako niresaka ny amiko toy ny hoe ho faty aho. Natahotra ny fahafatesana aho. Tokana ihany ny hevitro: ny ho velona. Soa ihany fa sitrana aho. Tatỳ aoriana, rehefa nianatra ny Baiboly aho, dia afaka io tahotra io. Nianarako fa tsy fahatsiarovan-tena fotsiny ny fahafatesana.” Hoy ny Baiboly: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5, 10). Miandry an’izay maty ny fahatsinjovana mahatalanjona ny hatsangana, satria tadidian’Andriamanitra ireo efa maty. — Jaona 5:28, 29.
Olona maro no nahatsapa koa fa nampisy heviny ny fiainany sy nanome fanantenana azy ny fianarany ny Baiboly. Nosoratana koa ny Baiboly mba “hananantsika ny fanantenana”. (Romana 15:4.) Tsy miresaka ny amin’ny Mpamorona iray na ny amin’Andriamanitra ny bodisma. Ampianariny fa nisy foana ny ratsy sy ny fahoriana ka mbola haharitra ao anatin’ny fihodinkodinam-pahaterahana indray tsy misy farany. Ny ankamaroan’ny fivavahana tandrefana dia mampianatra fa mankany amin’ny toerana tsy voafaritra tsara atao hoe lanitra ny tsara, na dia tsy fantatr’izy ireny loatra aza izay hataony any. Tsy mba sahala amin’ireny filozofia ara-pivavahana ireny izay tsy manome fanantenana sy heviny firy ho an’ny fiainana, ny Baiboly kosa dia mampianatra fa noforonina mba hiaina mandrakizay eto an-tany sy mba hikarakara azy ny olombelona (Genesisy 2:15-17; Isaia 45:18). Izany fomba fijery ny zavatra izany dia mety hitarika antsika hieritreritra fa tsy tokony ho velona ho an’ny tenantsika fotsiny isika amin’ny fanangonana fananana ara-nofo, fa mba hanompoana an’Andriamanitra sy ny namantsika amin’ny fomba tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena. — Mpitoriteny 12:13; Matio 22:37-39.
Ny fomba hahitana ny fahamarinana sy tena sakaiza
Ny sasany nihevitra fa ilaina ny miova finoana noho ny antony hafa koa, indrindra fa satria tiany ny hahita ny marina. Marina fa olona maro no mihevitra hoe tsy misy ny tena fahamarinana ka, araka ny lazain’ny Baiboly, dia ‘tsy mitady izy ireny’. — Salamo 10:4, MN.
Ny hafa kosa manao izany fikarohana izany. Sakae, izay monina any afovoan’i Japon, dia nivezivezy avy amin’ny antoko bodika iray mankamin’ny hafa nandritra ny 25 taona mba hitady ny fahamarinana. Tsy nahita izay notadiaviny mihitsy izy. Isaky ny niditra handray andraikitra teo anivon’ireny fandaminana ireny izy, dia nahita zavatra nanafintohina azy tamin’ny farany: fanaovan-javatra mampiseho fitiavam-bola fatratra, fitondrantena maloto sy fanambakana. Lasa nankany India mihitsy aza izy mba hahita ny fototry ny bodisma teny amin’ny toerana niainan’i Bouddha sy nampianarany. Toy inona moa ny fahadisoam-panantenana nahita fa tsy mihevitra loatra ny bodisma ny olona ao amin’io tany hindoa io! Indray andro, rehefa niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nahafantatra fa tsy avy amin’Andriamanitra akory ny fivavahana rehetra, fa avy amin’ny fahavalony, dia Satana Devoly, kosa. — 1 Korintiana 10:20.
Nandona an’i Sakae izany fahitan-javatra izany, nefa nampieritreritra azy koa ary nanosika azy hamantatra bebe kokoa. Novakiny àry ilay boky mitondra ny lohateny hoe La religion a-t-elle servi l’humanité?a mbamin’ny boky hafa momba ny Baiboly. Tsapany fa tsy simba akory ny Baiboly tao anatin’ny an’arivony taona maro, fa ny bodisma araka ny anarahana azy any Japon kosa dia nasiana fanovana maro tao anatin’ireo taonjato. Niharihary ho nisy vokany ny fikarohana nataony. Hitany tamin’ny farany io fahamarinana io izay notadiaviny. Ny fifaliana tsapany dia sahala amin’ny an’ilay lehilahy voalazan’ny fanoharana nataon’i Jesosy izay nahita harena nafenina tao amin’ny saha iray: “Noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.” — Matio 13:44.
Ireo izay nahita ny fahamarinana dia ‘mipetraka eo amin’ny toeran’ireo izay’ mikatsaka izany (1 Petera 3:8). Ny hafanany sy ny fitiavany marina dia matetika tokoa no manosika olon-kafa hianatra ny Baiboly. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia”, hoy ny nambaran’i Jesosy (Jaona 13:35). Aiza no mety hahitana rivo-piainana voamariky ny fitiavana toy izany amin’izao andro izao? Toy izao, raha lazaina amin’ny teny vitsivitsy, no niresahan’i Kazuhiko Nagoya, mpandahatra tantara ao amin’ny Daily Yomiuri any Tokyo, ny amin’ny fandraisana mafana azy rehefa nankao amin’ny toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy: “Amin’ny fitsikitsikiany dia toy ny hoe efa nahita ahy teo aloha ireny olona ireny ka faly mahita ahy indray.” Tsy izany mihitsy anefa no izy. “Nijery azy tsara aho ka tsapako fa tsy fantatro tanteraka izy ireny.” Nitsikitsiky taminy koa ny olona hafa roa. “Nahatsiaro ho sambatra aoka izany aho, hoy ny fitantaran’i Nagoya. Izany no fomba fitsikin’ireny olona ireny amin’ny vahiny voamariny ao amin’ny anankiray amin’ireo fivoriany.”
Nefa tsy hoe satria fotsiny mifankahalala tsara ireny olona ireny ary mivory tsy tapaka dia hita eo aminy izany rivo-pifankatiavana sy hafanana izany. Avy amin’ny fianarany ny Baiboly sy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiny kosa izany rivo-piainana izany. Olona maro, nasaina hanatrika tany an-tany hafa ny fivoriambe hoe “Ireo mpihazona tsy fivadihana” nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1985-86, no voatohina mafy noho ny fitiavana sy ny fahaiza-mandray olona nasehon’ireo mpampiantrano azy. Izao no nolazain’ny mpivady tanora Japone tonga tany Philippines mba hamonjy fivoriambe: “Nihetsi-po aoka izany izahay rehefa niara-niredona ny hira famaranana, samy tamin’ny fiteninay avy. Vao voalohany no nahatsapanay fa anisan’ny tena fianakaviana iraisam-pirenena iray izahay.”
Farany, dia ho azo atao ny hanonona ireo fiovana lehibe nataon’ny maro teo amin’ny fiainany noho ny fianarana ny Baiboly sy ny fampiharana azy. Ireo izay tena tsy nitovy taloha sahala amin’ny amboadia sy ny zanak’ondry, amin’izao fotoana izao dia miara-mivory amim-pilaminana amin’ny fihaonambe kristiana (Isaia 11:6). Ny sasany taloha dia tsy nety nilaza ny fihetseham-pony sy nangatsiaka, mora sosotra ary saro-tahotra aza. Ny hafa nijaly noho ny fahaketrahana, niforitra na tsy nihevitra afa-tsy ny tenany. Maro tamin’izy ireny no tsy maintsy nanafa-tena tamin’ny fahazaran-dratsy, kanefa ny fiezahany tamim-paharisihana sy ny faniriany hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia nahatonga azy ireny ho afaka hanao fiovana lehibe.
Ary ianao? Mahatsiaro ho voakasika amin’ny anankiray amin’ireo antony tokony hiovana vao avy nodinihina teo ve ianao? Raha izany no izy, dia mamporisika anao izahay hanomboka fandalinana ny Baiboly. Asehon’io boky io tokoa fa tsy ho ela ny fivavahan-diso rehetra dia hifandona amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly. Sahala amin’ilay mpamily fiaramanidina resahin’ny lahatsoratra eo aloha, dia mety ho tsy maintsy manao fiovana hentitra ianao mba hamonjena ny ainao sy ny ain’ireo olon-tianao. “Malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana [fandringanana, MN ], hoy Jesosy, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana.” (Matio 7:13, 14). Eo amin’ny làlana “malalaka” ve ianao? Raha izany no izy, dia manana antony tsara tokony hiovana finoana ianao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 5]
Ny fanabeazana bodika sy sintoista hentitra azoko dia nitarika ahy hino fa Andriamanitra dia fisiana mahatahotra.
[Sary, pejy 7]
“Tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana.”