“Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra”
Tantarain’i D. MacLean
INDRO AHO mipetraka hatramin’ny ora maromaro eo akaikin’ny lehilahy iray avy ao amin’ny Zandarmarian’ny Mpanjaka any Kanada. Hataony an-tranomaizina aho. Nentiny ho any amin’ny tobin’i Chalk River any Ontario aho, ary toa tsy mety hifarana ity dia misy 2 400 kilaometatra ity.
Taona 1944 tamin’izay, ao amin’ny maha-mafy ny Ady Lehibe faharoa indrindra. Fa nahoana moa no entina ho any an-tranomaizina aho? Ny antony lehibe indrindra dia noho izay nampianarin’ny raiko ahy hatramin’ny fahazazako. Amin’ny ankapobeny, isaky ny namarana resadresaka maotina niaraka tamiko izy, dia nampihariny tamin’ny fiainany ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra”. Avy eo dia namporisika ahy hanao fanandramana an’izany koa izy. — Salamo 16:6.
Fanabeazana ara-panahy
Serzà nandritra ny efa-taona ny raiko tamin’ny Ady Lehibe voalohany ary izay hitany nandritra izany vanim-potoana izany, indrindra ny fihatsarambelatsihin’ny klerjy, dia nandiso ny fanantenany. Noho izany antony izany, rehefa namelabelatra taminy tamin-kafanam-po ny fanafody atolotr’Andriamanitra amin’ireo zava-manahirana ny Mpianatra ny Baiboly iray tamin’ny 1920, dia nanohina ny fon’ny raiko ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Liana tamin’ny Baiboly koa ny reniko ka nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah. Noho izany i Kay anabaviko sy ny tenako koa, dia nanana fahasambarana nahazo fanabeazana ara-panahy.
Tatỳ aoriana, dia namidin’ny raiko ny varotra nataony ary niaraka tamin’ny reniko dia nandeha isan-tanàna izy ireo, tamin’ny naha-mpitory manontolo andro. Araka izany, tamin’ny taom-pianarana 1928 fony enin-taona aho ary valo i Kay, dia nampidirina tamin’ny sekoly valo samy hafa izahay! Mbola nanohy izany asa fitetezana faritany izany izahay nandritra ny 18 volana. Nefa rehefa tonga sarotra kokoa hatrany ihany ny fanomezana fampianarana sahaza anay, dia nividy fivarotan-dasantsy iray sy garazy iray nanakaiky trano kely fivarotana vatomamy ny ray aman-dreniko. Kanefa nanamarika ahy sy ny anabaviko naharitra ireo 18 volan’ny fiainana mpitory maharitra ireo.
Nivoha foana ho an’ny mpitory maharitra sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany ny tranonay teo akaikin’i Halifax (Nouvelle-Ecosse). Ny raiko dia nalala-tanana sady vonona hanampy an’ireo izay nanana fiara simba na nilaina hokarakaraina, raha mbola nanao izay hahafinaritra ireo mpitsidika maro ny reniko. Nitahiry fahatsiarovana tena mazava tamin’ny fitantarana mampahery nataon’ireny minisitra manontolo andro ireny aho. Tadidiko koa fa fony aho 18 taona, dia nanasa ahy hiaraka aminy any amin’ireo kongregasiona manodidina nandritra ny telo herinandro ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Namela soritra tao amiko izany tombontsoa tsy nampoizina izany.
Fisavorovoroana teo ambany fandrarana
Tamin’ny 1940, raha vao feno 17 taona aho dia nambaran’ny manam-pahefana kanadiana fa tsy ara-dalàna ny “Fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah” sy ny asa fitoriana nataon’ny Vavolombelona. Natao pirinty tamin’ny fomba miafina tao an-tranon-dray aman-dreniko Ny Tilikambo Fiambenana ary avy teo dia naely tany amin’ny provans’i Nouvelle-Ecosse manontolo. Fihetsiketsehana toy inona moa rehefa tonga tamin’ny alimbe ny mpitondra hafatra iray, niaraka tamin’ny “stencils” mbamin’ny vatsin-taratasy sy ranomainty!
Teo am-piandohan’ny fandrarana, dia nandray anjara tamin’ny fizarana ilay bokikely nitondra ny lohateny hoe Faran’ny nazisma nalamina tamin’ny alina tao amin’ny firenena iray manontolo izahay mianakavy. Tsy afeniko fa nidobodoboka mafy tokoa ny foko rehefa hivoaka ny fiara tamin’ny alina namanala. Nanome toromarika fohy sady hentitra ny raiko avy eo ny tsirairay avy dia lasa tany amin’ny nanendrena azy.
Azonareo sary an-tsaina ny fanahianay rehefa tsy nahita an’i Kay niverina teo amin’ny fiara tamin’ny ora voafetra. Niandry efa maherin’ny adiny iray izahay, taorian’izany dia tsy maintsy nody. Maivamaivana aoka izany izahay rehefa nahita fa niandry anay tany izy, sady nitebiteby. Ny polisy no nitondra azy nody nefa tsy noho ny nizarany boky voarara. Nisy polisy nahamarika azy tokoa ary nanontany tena izay mety hataon’ny tovovavy tsara tarehy tahaka azy maraina be mangatsiaka amin’ny ririnina toy izao, eny an-dalan’i Halifax. Rehefa nanolotra ny hitondra azy hody any an-trano izy, dia nanaiky i Kay — sady efa voazarany daholo ny bokikeliny rehetra. Fahombiazana lehibe sady naresaka nanerana an’i Kanada izany fotoana fizarana izany.
Ahoana no nahatonga ahy ho ao an-tranomaizina
Rehefa nahavita ny fianarako ambaratonga faharoa aho tamin’ny 1941, dia niasa nandritra ny roa taona teo ho eo. Dia nanatrika fivoriamben’ny distrika anankiray natao tany Etazonia aho ka tafahaona tamin’i Milton Barlett, mpitory maharitra be zotom-po mitovy taona amiko. Ny fifaliana tondraka nentin’ny fahamarinana ho azy sy ny asany tamin’ny naha-mpitory maharitra, dia nandray anjara lehibe tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiko hiala amin’ny asako mba hahatongavako ho minisitra manontolo andro tamin’ny martsa 1943.
Koa satria mbola tsy nofoanana ny fandrarana nahazo ny asa, dia saika voatery nanao fangalampiery mihitsy tamin’ny polisy mba handraisana anjara tamin’ny fitoriana isan-trano. Rehefa nirahina ho any Charlottetown, teny amin’ny nosin’ny Prince-Edouard aho dia tsy andriko mihitsy izay hitoriana mba hahitana ny fihetsiky ny olona, ka hadinoko na dia ny naka an-tsoratra ny adiresin’ny trano nonenako aza.
Vao avy nitsidika olona vitsivitsy aho no nosamborin’ny polisy, izay nisava ny kitapoko ka nihazona ahy. Koa satria tsy afaka nanome adiresy aho dia natao tao an-tranomaizina izay nitoerako nitokana tanteraka nandritra ny efatra andro. Soa ihany fa nandre ny lehiben’ny polisy nilaza fa natao am-ponja ny tanora Vavolombelona iray ny zanakavavin’ny Vavolombelona tao amin’ny kongregasiona, koa nanafaka ahy soa aman-tsara ireo namako.
Nahemotra volana maromaro ny fitsarana ahy ka noho izany dia afaka nanohy ny fanompoako isam-baravarana aho. Avy eo dia notendrena ho any amin’ny faritany hafa aho, tao Glace Bay, any Nouvelle-Ecosse. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia nahazo fiantsoana hiseho hotsaraina ao amin’ny tribonalin’i Charlottetown aho. Niomana tsara ho amin’ny fitsarana ahy aho, noho ny fanantenana hiaro mafy ny fanompoako.
Niaiky ny mpitsara fa nahafeno ny fepetra rehetra takina amin’ny minisitra ara-pivavahana aho. Kanefa, hoy ny nanampiny, ny fomba dia nitaky ny handefasana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo toby fitanana, mifanaraka amin’ireo fitsipika momba ny fanompoam-pirenena. Izany no nahatonga ahy ho ao anatin’ity fiaran-dalamby ity mankany Chalk River, any Ontario. Nandritra ireo roa taona nanaraka dia intelo aho no niova toby.
Ny fanafahana, nefa ady hafa
Taorian’ny nanafahana ahy tamin’ny 1946, dia namerina indray ny asako tamin’ny naha-mpitory maharitra tao Glace Bay aho. Nofoanana ny fandrarana nahazo ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, koa nalalaka indray izahay nanatanteraka ny asanay tany Kanada teo ambany fiarovan’ny lalàna. Naningana ny tany Québec, satria namaivay foana ny fanenjehana ara-pivavahana tao amin’io provansa katolika miteny frantsay io. Tamin’izany no nanombohan’izay nantsoina hoe ny Adin’i Québec.
Ny alahady 3 novambra 1946 dia nisy fivoriana manokana nalamina tao Montréal, izay natrehin’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower sy mpikambana hafa avy tao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Nambara ny fivoahan’ny trakitra nirehitra iray. Nampitondraina ny lohateny toy izao izy io: Ny firehetan’ny fankahalan’i Québec an’Andriamanitra, sy Kristy ary ny fahafahana, dia antony manala baraka an’i Kanada iray manontolo. Nozaraina nanerana ilay tany io trakitra io. Nasaina nisoratra anarana tamin’ny kilasin’i Gileada ny mpitory maharitra mba hahazoany fampiofanana ao, hanarahany ny fahalianana nentin’izany fotoana fizarana izany tany Québec. Nameno fangatahana aho, ary volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia nasaina hanaraka ny fampianaran’ny kilasy fahasivin’ny Sekolin’i Gileada aho.
Ny fiainana any amin’ny tany vaovao iray
Koa satria efa niomana ara-tsaina handeha ho any Québec aho, dia gaga tokoa rehefa notendrena ho mpiandraikitra ny fizaran-tanin’ireo kongregasiona niteny anglisy tany Ontario taorian’ny fizarana ny diplaoma. Nefa tsinontsinona izany raha ampitahaina amin’ny fahatairana niandry ahy enim-bolana tatỳ aoriana rehefa naharay taratasy avy amin’ny Fikambanana nanasa ahy hanao ny asako any Aostralia aho.
Tany amin’io tany izay tsy fantatro io, ny nanirahana ahy voalohany dia ny fikarakarana fizaran-tany iray nanerana ny Fanjakan’i Aostralia andrefana iray manontolo, faritany midadasika misy 2 528 000 kilaometatra toradroa. Ny anankiray hafa amin’ireo fizaran-tany voalohany notsidihiko dia tany amin’ny tapany afovoan’i Aostralia ary nahafaoka toerana anoloana lavitra iray, William Creek. Ny Vavolombelona tokana tao amin’io toerana io dia nanana ny hany magazay tao amin’ny faran’ny lalamby. Indray andro raha tao an-tranony aho dia nanintona ny fahalianako ny andian-drameva notarihin’ny tompon-tany aostraliana izay nijanona moramora teo anoloan’ny trano fivarotana. Tonga hividy zavatra ireo lehilahy. Toy izao no fandehan’ny resaka:
Ilay mpividy: Mila kiraro baoty.
Ilay mpivarotra: Lehibe sa kely?
Ilay mpividy: Lehibe.
Noraiketina tamin’ireo teny ireo ny varotra, nivoaka ilay mpividy nandeha tsy mailaka nametraka ny baotiny vaovao teo ambony ramevany. Niditra tao am-pivarotana ny hafa tamin’izay.
Ilay mpividy: Mitady akanjo ho an’ny lubra aho (tenin’ny tompon-tany ilazana vehivavy).
Ilay mpivarotra: Vaventy sa manify?
Ilay mpividy: Manify.
Notolorana akanjo iray ilay mpividy. Naloany ny vidiny ary natsofony tao anaty kitapo, izay nitaingina teo ambony ramevany.
Fanambadiana
Telo taona taorian’ny nahatongavako tany Aostralia, dia nanambady an’i June Dobson, zazavavy iray mahafinaritra avy any Brisbane aho. Taorian’ny fanambadianay dia mpitory maharitra nandritra ny herintaona izahay, avy eo dia nasaina indray hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany tao amin’ny fizaran-tany aloha, avy eo dia tao amin’ny distrika.
Fony aho mpitovo, dia nandeha motosikleta ho any amin’ny faritany maro lavitra aho. Nefa nanomboka izao dia handeha fiarakodia izahay mivady. Ny tany lemak’i Nullarbor, toerana malalaka mikitoantoana izay mihoatra ny 45° C matetika ny hafanana ao, dia vakin’ny lalan-tany efa ho 1 200 kilaometatra. Nanidina ny vovoka madinika nandrakotra azy ka nahatonga ny fiaranay hanana endriky ny lakana mandeha maotera mamaky ny rano. Notsentsenanay tamim-pitandremana tamin’ny taratasy miraikitra ny varavarana sy fitaratra rehetra mba tsy hidiran’ny vovoka mamitaka ao anaty fiara. Mbola nafana kokoa tao anatiny, nefa fara faharatsiny mba tsy rakotry ny loto sy ny vovoka izahay.
Nandritra ireo taona rehetra laninay tao amin’ny fanompoana ny distrika, dia namakivaky ny kontinanta aostraliana tamin’ny lafiny rehetra izahay, nandalo tany amin’ny tanàna sy vohitra am-polony maro ary nanomana fivoriamben’ny fizaran-tany tao anatin’ny karazana toe-javatra rehetra. Fony izahay nanomboka ny fanompoana fitetezana faritany tamin’ny 1953, dia tsy nisy afa-tsy distrika tokana tany Aostralia. Ankehitriny dia misy dimy ao.
Tamin’ny 1960, dia nahazo fanasana tsy nampoizina ho any Strathfield, mba hanompo ao amin’ny Betelan’i Sydney izahay. Nampiova anay betsaka tamin’ny asa fitetezana faritany izany, nefa tamin’ny farany dia zatra ihany tamin’ny asa any amin’ny birao aho. Rehefa niasa 18 volana tao amin’ny Betela izaho sy June, dia nasaina hanaraka fianarana naharitra 10 volana tany amin’ny Sekolin’i Gileada.
Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nankany South Lansing (New York) aho fa tany Brooklyn mihitsy, tao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nifarana ny fianarana dia nangatahina hiverina any Aostralia indray izahay, ao amin’ny fanompoana fitetezana faritany. Izany no nataonay hatreo amin’ny 1981, daty izay nanasana anay hiasa indray ao amin’ny Betelan’i Sydney. Nandray anjara àry izahay tamin’ny asa goavana famindrana toerana ny birao rehetra sy ny fanontam-pirinty ary ny fianakavian’ny Betela avy tao Strathfield hankany Ingleburn, any amin’ny dimampolo kilaometatra avy ao afovoan’i Sydney, izay nanorenana trano lehibe vaovao.
“Eo amin’ny tany mahafinaritra”
Nitondra fifaliana ho ahy isan’andro ny asako tao amin’ny biraon’ny fanompoana. Noho ny niasako taona maro tao amin’ny fanompoana ny distrika, dia mahafantatra manokana rahalahy sy anabavy maro aho, ary dia toy ny eo anilan’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany aho rehefa mandray ny rapaorony isan-kerinandro izahay. Ny rapaoron’ireo mpiandraikitra ny distrika dia mitondra ahy mivantana any amin’ireo toerana na Efitrano fanaovana fivoriambe ary mandroboka ahy indray ao anatin’ny rivo-piainan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany. Ao amin’ny Betela, voahodidin’ny fianakaviana misy olona 110 mahery, miaina any amin’ny faritra somary ambanivohitra, mihataka tsara amin’ireo tabataba sy fandotoan’ny tanàn-dehibe, dia mihevitra izaho sy ny vadiko fa miaina ao amin’ny “tany mahafinaritra” indrindra.
Indray andro, tamin’ny fiafaran’ny fararano, tamin’ny may 1984, H. Mouritz, mpampifandrindra ao amin’ny Komitin’ny sampana dia nanambara tamiko nilamina fa nanendry ahy ho mpikambana ao amin’ny Komitin’ny sampana any Aostralia ny Kolejy foibe. Iny tolakandro iny aho dia nanana fihetseham-po saika nitovy tamin’izay tsapako tamin’ny 1947, taorian’ny namakiako ilay taratasy nanasa ahy hanao ny asako any amin’ny tany tsara tarehy iray, any amin’ny faran’ny tany.
Rehefa mieritreritra an’ireo 65 taona laniko tao anatin’ny fandaminan’i Jehovah aho, dia mino mafy fa afaka mandray ho ahy ny tenin’ny Salamo 16:6. Eny, “ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra”. Raha toa ka tsy maintsy hamerina ny fiainako aho, dia hifidy tsy misy fisalasalana ny lalana mitovy amin’ny teo ihany. Tsy mety hisy mahafinaritra sy mitondra soa betsaka kokoa noho io.