FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/12 p. 4-7
  • Ny fanompoana an’i Satana amin’izao androntsika izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fanompoana an’i Satana amin’izao androntsika izao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Majika, spiritisma sy fanaovana ody ratsy
  • Satanisma sy mozika
  • Tsy zava-tiana loatra fotsiny
  • Ny herin’ny Devoly eo amin’izao tontolo izao feno fankahalana
  • Misy ve Satana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Inona no ao Ambadiky ny Filalaovana Ody?
    Mifohaza!—1999
  • Satana
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/12 p. 4-7

Ny fanompoana an’i Satana amin’izao androntsika izao

TSY isalasalana mihitsy fa maniry ny hankalazaina Satana. Naka fanahy an’i Jesosy izy tamin’ny fampanantenana valisoa hafa dia hafa, raha ‘miankohoka’ eo anatrehany fotsiny izy. (Matio 4:9.) Mazava ho azy fa nolavin’i Jesosy izany fanolorana izany, kanefa tsy manao toy izany ny rehetra. Miely aoka izany ankehitriny ny fanompoana an’i Satana.

Araka izany, ny gazety kanadiana iray (The Calgary Herald) dia namoaka fitohitohizan-dahatsoratra araka ny foto-kevitra hoe “ireo mpianatry ny Devoly”. Azo natao ny namaky tao izao tatitra nataon’ny lehiben’ny polisy izao: “Ny fiaraha-midinika nataoko dia nampahafantatra ahy fa tsy nampiavaka antokon’olona manokana iray monja akory ny fanompoana an’i Satana. Raha heverina amin’ireo fanazavana voangon’ny sampan-draharahan’ny polisy any Calgary sy Zandarimariam-panjakana kanadiana, dia toa hoe tsy latsaka ny 5 000 ny mpanaraka ny fivavahana amin’i Satana.”

Asehon’ny lahatsoratra an-gazety hafa koa fa mipoitra indray amin’ny endriny samihafa ny fanompoana an’i Satana any Etazonia sy any Eoropa. Liana amin’ny fanompoana an’i Satana na dia ny polisy aza. Inona no antony? Satria asehony matetika ny fifamatorana amin’ny fanaovana heloka bevava sy ny fanompoana an’i Satana. Tsy ela izay, dia nanonona izao tenin’ny polisy iray izao ny revio anankiray: “Mifampiraharaha amim-pivavahana sy amin’olona mino izany izahay, toy ny inoan’olon-kafa ny kristianisma, ny jodaisma na ny silamo. Tsy ataotao foana akory ireny heloka bevava ireny, fa atao noho ny antony ara-pivavahana.”

Ireo famonoana olona nataon’ny tarik’i Manson tany Californie tamin’ny 1969 dia manazava tsara izany toe-javatra izany. Tantarain’ilay mpampianatra tantara atao hoe Jeffrey Russell fa “nilaza ny tenany ho sady Kristy no Satana i Manson. (...) Talohan’ny hamonoana an’i Sharon Tate indrindra, dia nanambara toy izao i Tex Watson, mpianatr’i Manson: ‘Devoly aho; tonga eto mba hanao ny asan’ny devoly aho.’ ” Tsy sahy milaza an-karihary toy izany foana ny anarany anefa ny fanompoana an’i Satana.

Majika, spiritisma sy fanaovana ody ratsy

Tsy voafetra ho amin’ny fanompoana ankarihary an’i Satana tokoa ny satanisma. Mampitandrina antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia.” (1 Korintiana 10:20). Ny fanolorana fankalazana ho an’ny demonia anefa, raha ny marina, dia tsy inona fa fivavahana amin’i Satana, satria “lohan’ny demonia” Satana. (Marka 3:22.) Fanaon’ireo “firenena” inona avy moa no azo alahatra ho anisan’ny fanompoana demonia, na fanompoana an’i Satana? Voatanisa amin’ireto teny nataon’Andriamanitra ho an’ny Isiraely ireto ny sasany aminy: “Aoka tsy hisy eo aminao (...) mpanao fankatovana, na mpanandro [mpanao majika, MN ], na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.” — Deoteronomia 18:10-12.

Ireo teny ireo dia mampitandrina antsika amin’ny fiantsoana fanahy sy ny fanatitra alatsa-dra ataon’ireo mpisorona “vaudou” any Brésil, mbamin’ny houngans sy ny mambos any Haïti. Izany koa dia mampitandrina antsika amin’ireo fombafomba tena mitovy amin’izany ataon’ny Santeria, fombafomba arahin’ny mpialokaloka kiobanina any Etazonia. Izany koa dia mampitandrina antsika amin’ny mpanao ody ratsy izay milaza ho mifandray amin’ny fanahin’ny maty mba hampitahotra ny velona. — Jereo 1 Samoela 28:3-20.

Miely aoka izany any amin’ny tany samihafa atsy Afrika ny majika. Atsy Afrika Atsimo, ohatra, dia be fahefana sy hajaina indrindra ny mpanasitrana. Tsy ela izay no nitantaran’ny filazam-baovao hoe nodoran’ny vahoaka velona ny olona noheverina ho nandatsaka varatra tamin’ny mpiray tanàna taminy. Ireo mpanasitrana teo an-toerana dia niampanga ireny tsy manan-tsiny ireny ho tompon’andraikitra tamin’ireny fisehoan-javatra “tsy fahita” ireny, avy eo dia namatotra azy tamin’ny hazo mba handoroana azy. Mifanitsy amin’ny fanompoana demonia ny finoana ny ody ratsy sy ny majika toy izany.

Tsy any Afrika ihany anefa no anaovana majika. Tamin’ny 1985, ny fitsarana federalin’ny distrika Atsinanana any Virginie (Etazonia) dia nanome lalana an’i Herbert Dettmer, tany am-ponja tamin’izay, mba ho afaka hampiasa fitafiana sy zavatra amin’ny fanarahana ny fivavahany any an-tranomaizina. Inona no fivavahany? Araka ny filazana taorian’ny nandrenesana ny teniny, dia anisan’ny “Fiangonan’ny Wicca (na majika)” izy. Nomen-dalana àry i H. Dettmer hampiasa solifara, siran-dranomasina na sira tsy misy iôdy, labozia, zava-manitra, famantaranandro misy famohamandry sy akanjo fotsy mba hanarahana ny fanompoam-pivavahany.

Eny, asehon’ny zava-misy fa miely any amin’ireo tany tandrefana ny majika. Manome izao fanazavana izao ny gazety britanika iray mivoaka isan-kerinandro (Manchester Guardian Weekly): “Heverina fa 60 000 teo ho eo ny mpanao ody ratsy tany Grande-Bretagne, dimy taona lasa izay. Tombanan’ny sasany amin’izy ireo fa tafakatra ho 80 000 ny isany amin’izao fotoana izao [tamin’ny 1985]. Fanombatombanana ny hoavy, revio iray mivoaka isam-bolana natokana ho an’ny fanandroana sy ny asan’ny maiziana, dia 32 000 ny indray mivoaka aminy.”

Satanisma sy mozika

Ao amin’ilay bokiny hoe Méphistophélès: ny Devoly eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ny profesora Russell dia manintona ny saintsika ho amin’ny fomba hafa iray izay miasa ho an’ny fikasan’i Satana. Izao no nosoratany: “Nihena haingana ny satanisma an-karihary taorian’ireo taona 70, kanefa mbola velona ihany ireo toetoetra lehibe indrindra mampiavaka ny fahaizana araka an’i Satana tao anatin’ireo taona 80 tamin’ny alalan’ny mozika rock ‘heavy metal’ misy fiantsoana indraindray ny Devoly sy fanajana lalina ireo hevitra araka an’i Satana: fahasiahana, zavatra mahadomelina, faharatsiana, fahaketrahana, fanaranam-po, herisetra, tabataba sy alahelo.” Izahay no manipika.

Angamba ireo mpahay mozika nampiditra ireo toetra mampiavaka ny satanisma tao amin’ny mozikany nanao zavatra tsy voahevitra tsara, nokendrena hanafintohina na hahagaga fotsiny. Nisy heriny nanimba tokoa teo amin’ny olona sasany mora taitra anefa izany. Nasain’ny profesora Russell nomarihina fa “nisy vokany nampidi-doza teo amin’ny saina osa ny fampielezan-kevitra mamitaka atao foana ho an’ny faharatsiana. Izany dia nitarika indrindra ho amin’ny fitomboan’ny heloka bevava faran’izay maharikoriko, fisavihan-jaza sy fanapahana rantsambatam-biby ohatra.”

Tsy ela izay, dia tsiravina ny mponina any New York namaky tao amin’ny gazety fa “azondozan’ny satanisma” ny zazalahy iray 14 taona ka namono nahafaty an-dreniny tamin’ny tsatok’antsy, avy eo dia namono tena. Nanambara ny vehivavy mpanampy ara-tsosialy kanadiana iray tao amin’ny revio iray (Maclean’s) fa mihamaro ny zatovo voakorontana miaiky fa manaraka “ny satanisma, matetika amin’ny fampiasana zavatra mahadomelina sy amin’ny fihainoana mozika ‘rock heavy-metal’ manempotra indrindra”.

Tsy zava-tiana loatra fotsiny

Mitombo ny Amerikana manan-java-tiana vaovao, tsy mahalana izy ireny no mandoa dôlara an-jatony maro mba handraisana anjara amim-pivoriana ilazan’ny “mpanelanelana” na manao azy ho tsindrian-javatra (vehivavy mandrakariva) fa ifandraisany amin’ny fanafihan’olona efa maty hatramin’ny ela be. Nanamarika ny filazam-baovao fa “ireo fivoriana nalamin’ny anankiray tamin’ireny mpanelanelana ireny “dia nampitaina ara-potoana tamin’ny alalan’ny satelita nankany amin’ny tanàna an’anarivony maro azy”. Izany dia miharihary fa mifanohitra amin’ny fandidian’ny Baiboly mandrara tsy hanatona olona manao azy ho tsindrian-javatra na mpilaza ny hoavy. Azo alahatra ho anisan’ny fanompoana demonia àry io fanao io. Ary, sahala amin’ny karazana spiritisma rehetra, izany dia miankina amin’ny laingan’i Satana hoe tsy mety maty ny fanahy olombelona. — Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4, 20.

Ny herin’ny Devoly eo amin’izao tontolo izao feno fankahalana

Ny tarehin-javatra mampahonena hitan’ny olombelona amin’izao taonjato faha-20 izao dia mitarika antsika hanontany tena raha tsy lasa lavitra kokoa ihany ny herin’i Satana. Niditra tamin’io raharaha io ny profesora Russell tamin’ny filazana hoe: “Ankehitriny, rehefa ho afaka handringana impitopolo ny manana aina misy taolana rehetra eto an-tany ireo fitaovam-piadiana noklehera, dia mikiry isika manomana izay mety ho ady tsy hahasoa na olona iza na olona iza, na firenena iza na firenena iza ary na hevitra inona na hevitra inona, fa hamela olona an-davitrisany maro hiharam-pahafatesana mahatsiravina kosa. Hery inona no manosika antsika ho amin’io lalana mihamampidi-doza kokoa isan’andro io? Hitondra soa ho an’iza ny fanafoanana ny planeta amin’ny alalan’ny fiadiana noklehera? Tsy hitondra soa afa-tsy ho an’ilay maniry hatramin’ny voalohany amin-kalozana sy faharatsiana mihoa-pampana ny hahafoanan’izao rehetra izao voalamina tsara.”

Iza na inona izany hery izany? Ny tenan’ny profesora Russell ihany no mamaly amin’izao teny izao: “Ny ahafantarana ny Devoly dia ilay fanahy izay mitady amin’ny heriny rehetra hanafoana izao rehetra izao voalamina tsara noforonin’Andriamanitra. Moa ve ilay hery manosika antsika hampitombo fiadiana noklehera tsy ho ilay niezaka foana hanafina hatramin’ny fisian’ny tenany mihitsy aza? Tsy afaka hanilika ny mety hisian’izany isika amin’izao fotoana sarotra indrindra ho an’ny planetantsika izao.” Tsy manilika izany velively ny kristiana. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza fa manan-kery lehibe eo amin’ny olom-belona Satana tamin’ny filazana azy ho “filohan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31, MN.) Tetsy an-daniny koa, ny bokin’ny Apokalypsy dia mampahafantatra antsika hoe manao ahoana ny toe-tsain’i Satana ankehitriny: ‘Manana fahatezerana lehibe izy, satria fantany fa kely sisa ny androny’. (Apokalypsy 12:12.) Lazain’io boky io antsika koa izay andraman’i Satana atao amin’izao androntsika izao: anaovany fampielezan-kevitra araka ny demonia ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao “mba hanangonana azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha.” (Apokalypsy 16:14.) Tsia, tsy afaka mandà ny herin’i Satana Devoly isika raha tiantsika ny hahatakatra hoe nahoana ny olombelona no mihazakazaka manary tena tahaka ny adala.

Ny apostoly Paoly dia niantso an’i Satana hoe “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra”, “fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsifanarahana” ary “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”. (Efesiana 2:2; 2 Korintiana 4:4, MN.) Tsy mahagaga mihitsy raha maro be no manontany tena hoe moa ve ny faharatsiana mihoa-pampana rehetra atao amin’izao andron’ny siansa “mazava” misy antsika izao — ady lehibe roa, fandipaham-poko any Eoropa sy Cambodge, mosary velomina atsy Afrika noho ny antony ara-politika, fisaratsarahana lehibe ara-pivavahana sy ara-pirazanana saika hatraiza hatraiza maneran-tany, fankahalana, vonoana olona, fampiasana fampijaliana noho ny fitompoan-teny fantatra, fampietrena olona amin’ny alalan’ny zavatra mahadomelina, raha ireo fotsiny aza no tononina — moa ve izany tsy mifanitsy amin’ny drafitry ny hery ratsy lehibe iray maniry ny hampiala ny olombelona amin’Andriamanitra, na hitarika azy ireny ho amin’ny famonoan-tena miaraka mihitsy aza.

Iza àry Satana? Inona avy no tena fikasany? Inona no azontsika atao manokana mba hiarovan-tena aminy. Manasa anareo izahay mba handinika ireo lahatsoratra roa manaraka izay mamelabelatra ny amin’ireo fanontaniana ireo.

[Sary, pejy 7]

Tsy mba mihaino mozika araka an’i Satana ny mpanompon’Andriamanitra fa mitady izay hialam-boly amin’ny fomba mahasoa kosa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara