Ny ady — hitsahatra ve izy ireny indray andro any?
ANY Picardie, faritra mahafinaritra fambolena any avaratr’i Frantsa isika izao, ny 1 jolay 1916. Ialohavan’ny tifitra tafondro sesilany sy ny fandatsahana baomba avy eny ambony fiaramanidina, dia nandefa ny fanafihany tamin’ny toeran’ny Alemana ireo tafika frantsay sy britanika, fanafihana izay antenaina hanapa-javatra. Nanomboka tamin’izay ny ady tao Somme. Na izany aza dia tsy azo nihoarana ny faritra fiarovan’ny toby andaniny. Io andro voalohany io dia tafakatra ho 20 000 ny Britanika maty. Nandritra ny herinandro maro, dia mafy dia mafy ny fifamelezana nefa tsy nisy lalana voagorobaka mihitsy. Tamin’ny volana oktobra, ny orana nandriaka dia nanova ny tany fiadiana ho fotaka mandrevo. Teo antenantenan’ny volana novambra dia tsy nandroso afa-tsy 8 kilaometatra ny mpiray dina. Teo anelanelan’izany dia Alemana 450 000 sy Frantsay 200 000 ary Britanika 420 000 no maty. Miaramila iray tapitrisa mahery, zatovolahy amin’ny ankamaroany, no namoy ny ainy tamin’ny ady!
Izany anefa dia tapany iray fotsiny amin’ny tantaran’ny Ady Lehibe voalohany. Na dia voalaza ho ny namoizana ain’olombelona be dia be indrindra aza io ady io tamin’izany fotoana izany, dia anankiray monja amin’ireo ady maro teo amin’ny Tantara izany. Izany ka fanaovana tsinontsinona ny ain’olombelona!
Nahoana ny olona no mikiry mifamono tahaka izany? Maro no antony. Aoka hotononintsika ny fitiavan-tena, ny fanirian-daza fatratra, ny fanirian-karena mihoa-pampana, ny hetahetam-pahefana sy laza. Tokony hampangaina koa ny fanindrahindram-pirenena. Raha ny marina dia maneho tsara ny fahamarinan’ny fanamarihana nataon’ny Baiboly ny amin’ny tantaran’ny olombelona ny ady, dia izao izany: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. — Mpitoriteny 8:9.
Ny fivavahana koa dia nampirehitra ady. Fahiny ireo firenena mpino dia nanao kroazada izay niharihary fa nanana antony ara-pivavahana: hamerina indray an’i Palestina ho eo ambany fahefan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nandritra ireo ady lehibe roa nanamarika ny taonjatontsika, dia nanararaotra ny fihetseham-po ara-pivavahan’ireo miaramila ny klerjin’ireo fivavahana samy hafa mba hampirisihana azy ireny hiady amin’ny ankilany. Ankoatra izany dia manana fototra ara-pivavahana ny fifamelezana sasany misy ankehitriny.
Tara-panantenana iray
Azo antenaina ve fa hitsahatra ny ady indray andro any? Izany tokoa! Fony tetỳ ambonin’ny tany Jesosy Kristy, izay antsoina hoe “Andrian’ny fiadanana”, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’izany anaram-boninahitra izany tamin’ny fampianarana ny olona ho tia ny namany tahaka ny tenany (Isaia 9:5; Matio 5:44; 22:39). Nahaforona fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena niaina tamim-piadanana ireo izay nampihatra ny fampianarany tamin’ny taonjato voalohany. Tsy azony nosaintsainina ny hifamono! Indrisy anefa! Tatỳ aoriana dia very ny fahadiovan’ny finoan’ireny kristiana voalohany ireny. Niditra tsikelikely tamin’ny politika ireo Fiangonana ka nandoto ny tanany tamin’ny ra nandritra ireo ady nifanaovan’ny firenena.
Ela be tatỳ aoriana dia nisy rivo-piaina nanomboka nitsoka tany Eoropa. Toa leon’ny ady lava ny olombelona. Tamin’ny 1899, avy eo tamin’ny 1907 dia nisy fihaonana iraisam-pirenena natao tany La Haye, Pays-Bas. Nekena ny fifanarahana iray momba ny “Fandaminana ireo fifanolanana iraisam-pirenena amim-pihavanana” tamin’ny fihaonana tamin’ny 1899. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia betsaka no nanantena fa hiala tsikelikely amin’ny fironany ho tia ady izao tontolo izao. Namono ireny fanantenana ireny anefa ny fipoahan’ny Ady Lehibe voalohany. Tokony hotsoahina avy amin’izany ve anefa fa tsy hahazo fahafaham-po na oviana na oviana ny fanirian’ny olombelona fiadanana?