FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/4 p. 21-24
  • Ny haren-jazavavy sy ny kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny haren-jazavavy sy ny kristiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny vokany eo amin’ny ray
  • Ny haren-jazavavy sy ireo mpivady vao
  • Fiheverana mety
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Vodiondry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fifampiraharahana mba Hisian’ny Vodiondry Araka ny Antoniny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fanambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/4 p. 21-24

Ny haren-jazavavy sy ny kristiana

NY FANAON-DRAZANA momba ny haren-jazavavy, na onitra amin’ny fanambadiana, dia mbola manan-kery ihany any amin’ny tany maro. Mandrakariva izany no aloa vola sy ampiarahina amin’ny fanomezana sarobidy. Miovaova ny tokom-bidin’ny haren-jazavavy arakaraka ny toerana, ny fianakaviana, ny toerana ara-tsosialy, ny fanabeazana sy ny anton-javatra hafa koa. Misy fitsipika arahina amin’izany any amin’ny tany sasany na dia vitsy aza ny olona mitandrina ny vidiny noferana.

Ny famakafakana an’io raharaha io dia mampiharihary fa mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fandoavana haren-jazavavy ny fampiasana izany amin’izao andro izao. Manoro hevitra àry ny fahendrena fa ianao izay kristiana dia tokony hieritreritra ny amin’ny mety ho vokatr’io fanao io eo aminao.

Any Papouasie-Nouvelle-Guinée, ny fandoavana ny haren-jazavavy dia tahaka ny famindrana renivolan’antokom-pianakaviana, izany hoe ny havan’ilay mpampakatra, ho amin’ny antokom-pianakaviana hafa, ny an’ny ampakarina. Eo amin’ny 6 000 ka hatramin’ny 2 750 000 ariary ny tokom-bidiny, arakaraka ny haren’ny fianakavian-drazazalahy. Mifamadika amin’izany ny any Sri Lanka: ny ray aman-drenin-drazazavavy no tokony hanome an’ilay zazalahy fofombady haren-jazavavy mety ho firavaka, fananana, trano na vola. Mba tsy hivoahan’ny harena, dia fahita ny fivadian’ny zanak’olo-mpiraitampo.

Any amin’ny faritra afrikana maro, ny haren-jazavavy dia anisan’ny fepetra mameno sy mahatonga ho ara-dalàna ny fanekem-panambadiana. Nanazava toy izao ny ray nizeriana iray nadiva hampanambady ny zanany vavy: “Eo amin’ny Igbos, dia zava-dehibe tokoa ny fandoavana ny haren-jazavavy mba hahafahana mampanaiky ara-tsosialy ny fanambadiana. Manamarika ny fanekeny ny fianakavian-drazazavavy amin’ny fanekena izany. Tanterahina amin’izany ny fiheverana mahazatra ny amin’ny fanambadiana. Noho izany antony izany dia tsy ekena ao amin’ny fitambaran’olona eo an-toerana na dia ny fanambadiana ara-pivavahana na sivily aza, raha mbola tsy voaloa ny haren-jazavavy.”

Ny vokany eo amin’ny ray

Teo amin’ireny Afrikana ireny, taloha ny fandoavana haren-jazavavy dia fihetsehana an’ohatra nampisehoan’ilay lehilahy fa afaka mikarakara fianakaviana izy. Nisy havany nankany amin’ny ray aman-drenin-drazazavavy mba hanao fifanarahana mihitsy ny amin’ny haren-jazavavy. Niova anefa ny zavatra amin’izao androntsika izao any amin’ny tany maro. Ankehitriny tokoa dia tena miady varotra mihitsy ireo ray mba hampisondrotana ny vidiny. Ny elanelan’ny vidiny dia eo amin’ny fetra araka ny lalàna nizeriana, izany hoe eo amin’ny 700 ariary, ka hatramin’ny 85 000 ariary na mihoatra. Indraindray aza dia antenaina ny hanomezan’ny ray aman-drenin’ilay zazalahy fanomezana na vola, alohan’ny fitsidihany voalohany. Manaraka izany, toy ny any Zaïre, dia ilaina koa ny mandoa vola mba “hampisoka-bava ny ray”, izany hoe mba hanaovany izay hiadiana varotra amin’ny vidin’ny zanany vavy. Indraindray, na dia rehefa avy nahazo vola sasany aza izy, dia mitaky vola sy fanomezana indray.

Mampianatra ho fatra-pitia harena izany fanao izany. Izao anefa no lazain’ny Baiboly: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra.” (1 Timoty 6:10). Noho ny fieremana, dia mety ho tonga mpaka an-keriny ny tena ka hiharan’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. Lazain’ny Baiboly koa fa ‘ny olona mierina (mpanompo sampy) dia tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra’. — Efesiana 5:5; jereo Ohabolana 20:21; 1 Korintiana 5:11; 6:10.

Rehefa voalaza izany, dia tsy misy maha-ratsy mihitsy ny hanomezana haren-jazavavy ho an’ny ray ho onitra noho ny famoizany zanakavavy notezainy sy nobeaziny. Azon’ilay ho vinantolahy atao ara-drariny ny mihevitra izany fihetsehana izany ho toy ny mariky ny fankasitrahany noho ny fanabeazana azon’ilay fofombadiny. Ny ray aman-dreny sasany anefa dia maniry hitaky izay rehetra laniny, amin’ny filazana fa rehefa manambady ny zanany vavy dia tsy hanampy azy ireo hitaiza ny zandriny intsony. Ampakariny araka izay farany azony atao ny vidiny, toy ny hoe zavatra amidy fotsiny ireo zanany vavy. Adidin’ny ray aman-dreny anefa ny mitaiza tsara ny zanany. Tokony hataony ho rehareha ny fanatanterahana ny adidiny, fa tsy hanombana izay mety ho azony, na vola na laza, amin’ny alalan’ny haren-jazavavy mihoa-pampana izy. Tsy nanosika ny ray aman-dreny hieritreritra ireo tombontsoa ara-nofo azon’ny zanany omena azy ny Baiboly fa hoy izy: “Tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany.” — 2 Korintiana 12:14.

Ny ray sasany milaza ho kristiana dia nangataka tamin’ny ho vinantolahiny, kristiana koa, vola tsy mifanentana amin’ny fidiram-bolan’io mihitsy. Ohatra, hita fa nisy ray nanda ny fanolorana antonony avy amina kristiana mba hanekena fanolorana manintona kokoa avy amin’olona eo amin’izao tontolo izao! Ny sasany aza manankina amin-kavana tsy kristiana ny fifampiraharahana, ka ireo dia mitaky vidiny mihoa-pampana. Mety hitarika tanora roa ho amin’ny fijangajangana ny fifampiraharahana mitarazoka. Izany no hita eo amin’ny olon’izao tontolo izao. Rehefa tsy manaiky ny zavatra voafetra atolotr’ilay zazalahy tokoa ny ray aman-drenin’ilay zazavavy, dia matetika ireo tanora diso fanantenana no manao izay haneken’izy ireo eo anoloan’ny zavatra vita, dia ny fananana anaka.

Tsy tokony hanao toy izany ny kristiana. Mandrara ny fijangajangana ny Tenin’Andriamanitra, ka mety ho voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona izay meloka ho nanao izany (1 Korintiana 6:9; Hebreo 13:4). Tsy hoe tsy manan-tsiny akory ny ray iray manana zanakavavy nanao zavatra maloto, ka mety hisy akony lehibe eo amin’ny toerany ao amin’ny kongregasiona izany. Toy izany koa, tsy hiseho ho kristiana ny ray iray raha manaiky avy amin-dehilahy eo amin’izao tontolo izao, haren-jazavavy na inona izany na inona, mba hanomezana azy ny zanany vavy vita fanoloran-tena ho an’Andriamanitra. Fara fahakeliny dia tsy hahafeno intsony ireo fepetra takina mba handraisana tombontsoa manokana ao amin’ny kongregasiona izany ray izany. Ny ray aman-dreny kristiana dia tokony haniry ny hiorenan’ireo zanany tsara ao anatin’ny kongregasiona kristiana sy ny hanampy azy ireny hitoetra ho madio. Tokony hiriny ny hananan’ny zanany vavy fanambadiana sambatra “ao amin’ny Tompo ihany”, miaraka amin’ny lehilahy iray izay tia an’i Jehovah koa sy manaja fatratra ireo lalàny sy fotopoto-pitsipiny. — 1 Korintiana 7:39.

Tsy kristiana velively ny fiheverana ny haren-jazavavy ho fomba hahazoam-bola noho ny zanaky ny tena, amin’ny famerana vola be, mihoa-pampana. Tokony hitandrin-tena amin’ny fieremana sy ny fitiavan-tena ny ray kristiana, satria hanimba ny fahasalamany ara-panahy sy ny toerany ao anatin’ny kongregasiona ireo fahadisoana ireo. — 1 Korintiana 6:9, 10.

Soa ihany fa misy ray kristiana maro mampiseho fiheverana rehefa mangataka haren-jazavavy, ary deraina izy ireny. Ny sasany aza nifidy ny tsy hangataka na inona na inona, satria tsy tiany ny hanararaotra loatra ny fanao na hahatonga fikorontanana ara-panahy.

Ny haren-jazavavy sy ireo mpivady vao

Tamin’ny toe-javatra maromaro, dia ny faniriana mihoa-pampana nananan’ilay zazavavy no fototry ny fameran’ny ray aman-dreny ny tokom-bidin’ny haren-jazavavy. Ohatra, misy zazavavy maniry ny hanaovana fampakaram-bady andaniam-bola be sy mirenty, ka tonga hatramin’ny fanerena ny ray aman-dreniny mba hahazoana izay tadiaviny, na misy hafa koa, mba hanorenan-tokantrano, dia mitady izay hividianan’ny ray aman-dreniny fitaovana lafo be. Mba hanomezana fahafahampo ny zanany vavy, dia mety hihevitra ilay ray fa ilaina ny hampitomboana ny haren-jazavavy.

Ary rehefa avy eo, ny zazalahy nandany vola be tamin’ny fampakaram-bady na tamin’ny fanaka lafo be, dia tsy maintsy miditra ao anatin’ny fanambadiana bokan-trosa. Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “ny fahendrena izay avy any ambony dia (...) mandefitra”. Tokony hiahy ny amin’ny ‘hahafantaran’ny olona rehetra ny fandeferany’ ny tanora vao hivady amin’ny fandaminana fampakaram-bady tsy hahatonga na iza na iza handany vola be. — Jakoba 3:17; Filipiana 4:5.

Rehefa vita ny fampakaram-bady, dia mety hanomboka hamatra ny fitiavan’ny vadiny arakaraka ny haren-jazavavy narotsany ilay vehivavy. Raha kely no naloany, dia mety hiaina ao anatin’ny fanahiana izy. Mety hiteny anakampo izy fa tsy hisalasala ny handroaka azy ralehilahy raha tofoka aminy, satria tsy hamoy zavatra firy izy. Marina fa nisy lehilahy nandroaka ny vadiny hody any amin’ny ray aman-dreniny noho ny antony samihafa, ohatra, satria momba izy na tia fikomiana. Manohana tsy nahy ny fihetsika toy izany ireo izay milaza hoe: “Nividy vady ianao” amin’ilay zazalahy tonga nandoa ny haren-jazavavy. Raha be dia be ny naloany, dia mety ho voan’ny fakam-panahy hihevitra ny vadiny ho mpanompovavy novidina fa tsy namany akaiky, izy. Toy izany koa, nisy ray nilaza antony samihafa, namerina ny haren-jazavavy narotsaka ka nanery ny zanany vavy handao ny vadiny.

Ny fanaporofoan-kevitry ny sasany dia hoe misakana ny fanaovan-javatra toy izany ny haren-jazavavy betsaka, satria sarotra ny manangona indray sy mamerina vola be. Araka ny filazan’izy ireo, ny haren-jazavavy betsaka dia fisakanana ny fanambadiana aloha loatra, satria ilaina ny fotoana mba hahafahan’ny lehilahy iray manana tahiry ampy hoenti-manambady. Ary araka ny hevitr’izy ireny, izany fiheverana izany dia mahatonga lehilahy matotra sy mandray andraikitra mbamin’ny fanambadiana tsy mihilangilana.

Na dia marina aza indraindray izany fiheverana izany, dia tsy tokony hiankina amin’izany fiheverana ara-nofo izany ny tsy fihilangilanan’ny fanambadiana kristiana. Ny tsy fivadihan’ny lehilahy kristiana iray dia tsy tokony hiankina amin’ny fahatsinjovana fatiantoka ara-nofo raha misy fahatapahan’ny fanambadiana. Tokony hanaraka izao fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izao kosa izy: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” (Matio 19:6). Tsy tokony hihevitra ny vadiny ho toy ny fananana novidiny ny lehilahy fa manana adidy ‘hanaja’ azy. (1 Petera 3:7.) Nilaza i Jesosy fa tonga “nofo iray ihany” ny lehilahy sy ny vadiny rehefa mivady (Matio 19:5; Genesisy 2:24). Manoro hevitra ny lehilahy ny Baiboly mba ho tia ny vadiny, tsy hahafoy azy sy hikarakara azy tahaka ny ataony amin’ny tenany (Efesiana 5:28, 29). Ambonin’izany, raha ny marina, ny fitiavan’ny lehilahy iray dia afatra arakaraka ny fomba itondrany ny vadiny mandritra ireo taona manaraka ny andron’ny fampakaram-bady. Na nandoa haren-jazavavy ny lehilahy iray na tsia, raha mikarakara tsara ny vadiny sy miraiki-po aminy amim-pahatokiana izy, azo atao ve ny hisalasala ny amin’ny fitiavany azy?

Mety hisy heriny eo amin’ny fihetsik’ilay lehilahy eo anoloan’ireo rafozany koa ny habetsahan’ny haren-jazavavy. Raha nandoa vola be taminy izy, dia mety hanatsoaka hevitra amin’izany fa tsy misy tokony haloany amin’izy ireo intsony, na dia tonga ao anatin’ny fahasahiranana aza izy ireo. Izao anefa no lazain’ny Baiboly: “Raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” (1 Timoty 5:4). Manaraka an’io torohevitra io ny kristiana, nefa mety hitranga ny fahasahiranana raha toa ny fahatsapana andraikitra ao amin’ny lehilahy ka simban’ny hevitra hoe efa nandoa haren-jazavavy.

Fiheverana mety

Ny fanao sasany mifandray amin’ny haren-jazavavy dia mety hamorona fahasahiranana manokana ho an’ny fofombadin’ny zazavavy iray izay kristiana, kanefa tsy toy izany ny ray aman-dreniny. Mety hangataka aminy ireo mba handray anjara amin’ny fombafomba misy fanompoan-drazana sy finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Ho afaka hanaraka izany anefa ve izy sady tsy hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fitahiana atokany ho an’ireo izay ‘nanadio ny fanahiny tamin’ny fanarahana ny fahamarinana’? (1 Petera 1:22; Apokalypsy 18:4.) Eo anoloan’ny fepetra takina toy izany, ny kristiana iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia tokony ho tapa-kevitra mandrakariva ny ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olombelona’. — Asa. 5:29.

Ireo fanamarihana teo aloha manoro hevitra mba hanalavitra ny tsy fahalalana onony, hisoroka ny fijangajangana ary tsy hanambady afa-tsy mpino dia manan-kery koa rehefa ny fianakavian’ilay zazavavy voafofo no mandoa ny harena. Tsy tokony hanaiky hotarihin’ny fitsipik’izao tontolo izao ny zazavavy kristiana iray sy ireo ray aman-dreniny raha mifidy vady. Tsy fankatoavana an’Andriamanitra ny fanambadiana tsy mpino. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nilaza toy izao tamin’ny Isiraelita Andriamanitra: “Aza mifanambady anaka aminy [amin’ireo firenena]: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin’ny zanakao-lahy.” (Deoteronomia 7:3, 4; 1 Korintiana 7:39). Hita avy hatrany fa tsy hety ny hametrahan’ny zazalahy ny zazavavy kristiana filazana kely ao amin’ny fizarana momba ny fanambadiana ao amin’ny gazety mba hitadiavana vady mahafinaritra azy. Eo amin’ireo anadahiny sy anabaviny kristiana no tokony hitadiavany vady azo ekena.

Koa satria zavatra masina naorin’i Jehovah ny fanambadiana, dia tokony hanaiky hotarihin’ny Teniny daholo isika rehetra amin’io raharaha io. Ny fitiavana lalina an’i Jehovah sy ireo zanatsika ary ireo namantsika kristiana dia tokony hanosika antsika hanary ny fanao rehetra manohitra izay marina sy tsara (Salamo 119:105; Hebreo 4:12). Hotahin’i Jehovah hatrany ireo izay manaiky hotarihin’ny Teniny mba hanaovana fanapahan-kevitra mahakasika, tsy ny haren-jazavavy ihany, fa ny lafiny hafa rehetra eo amin’ny fiainana koa. — Ohabolana 10:22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara